Fanorenana Fianakaviana Izay Manome Voninahitra An’Andriamanitra
Toko Faha-15
Fanorenana Fianakaviana Izay Manome Voninahitra An’Andriamanitra
1-3. Nahoana ny sasany no tsy afaka mandamina ireo zava-manahirana fahita amin’ny fanambadiana sy ny fitaizana zanaka, nefa nahoana ny Baiboly no afaka manampy?
ERITRERETO hoe mikasa hanorina ny tranonao manokana ianao. Mividy ilay tany ianao. Miandry amim-panantenana mafy ianao no sady mahita ilay tranonao vaovao ao an-tsainao. Ahoana anefa raha tsy manana fitaovana sy fahaiza-manorina ianao? Hanakivy toy inona moa ireo ezaka hataonao!
2 Mpivady maro no manomboka ny fanambadiany amin’ny fahitana ny tenany ao anatin’ny fianakaviana sambatra, kanefa tsy manana na ireo fitaovana na ireo fahaizana ilaina mba hanorenana izany. Fotoana fohy aorian’ny andro fampakaram-bady, dia misy fihetsika ratsy mitombo. Manjary zava-mahazatra isan’andro ny fiadiana sy ny fifamaliana noho ny zava-madinika. Rehefa teraka ireo ankizy, dia hitan’ilay ray sy ilay reny vaovao fa tsy ampy fahaizana ho amin’ny fitaizana zanaka toy ny tsy naha-ampy fahaizana azy ho amin’ny fanambadiana izy ireo.
3 Soa ihany anefa fa afaka manampy ny Baiboly. Ireo fotopoto-pitsipiny dia toy ny fitaovana izay manampy anao hanorina fianakaviana sambatra. (Ohabolana 24:3). Andeha isika hijery hoe amin’ny fomba ahoana.
FITAOVANA MBA HANORENANA FANAMBADIANA SAMBATRA
4. Nahoana no azo ampoizina ny hisian’ny zava-manahirana ao amin’ny fanambadiana, ary fari-pitsipika inona avy no omena ao amin’ny Baiboly?
4 Na toa mifanentana toy inona aza ny mpivady iray, dia samy hafa izy ireo raha ny amin’ny maha-izy azy ara-pihetseham-po sy ny fanandraman-javatra tamin’ny fahazazany ary ny
fiaviany ara-pianakaviana. Noho izany, dia ampoizina ny hisian’ny zava-manahirana sasany aorian’ny fampakaram-bady. Ahoana no handaminana azy ireny? Rehefa manamboatra trano iray ireo mpanao trano, dia mijery ireo maritrano. Ireo dia toro lalana tokony harahina. Ny Baiboly dia manome ireo fari-pitsipik’Andriamanitra mba hanorenana fianakaviana sambatra. Andeha isika izao handinika ny sasantsasany amin’izany.5. Ahoana no anamafisan’ny Baiboly ny maha-zava-dehibe ny tsy fivadihana ao amin’ny fanambadiana?
5 Tsy fivadihana. Hoy i Jesosy: “Izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.” * (Matio 19:6). Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.” (Hebreo 13:4). Noho izany, ireo olona manambady dia tokony hahatsapa ho manana adidy eo anatrehan’i Jehovah ny hitoetra ho mahatoky amin’ny vadiny. — Genesisy 39:7-9.
6. Ahoana no hanampian’ny tsy fivadihana hiaro ny fanambadiana?
6 Ny tsy fivadihana dia manome ho an’ilay fanambadiana fahamendrehana sy tsy fananana ahiahy. Ireo mpivady tsy mivadika dia mahafantatra fa, na inon-kidona na inon-kihatra, dia hifanohana izy ireo. (Mpitoriteny 4:9-12). Samy hafa toy inona amin’ireo izay mandao ny fanambadiany raha vao sendra misy zava-manahirana kely, moa izany! Ny olona toy izany dia manatsoaka hevitra haingana fa ‘tsy nahay nifidy’ izy ireo, fa ‘tsy raiki-pitia intsony’ izy ireo, fa vady vaovao no ho fanafodiny. Izany anefa tsy manome na ho an’iza na ho an’iza amin’izy mivady ny fahafahana hitombo ara-pihetseham-po. Ny olona mivadika toy izany kosa dia mety hitondra ireo zava-manahirana ireo ihany ho any amin’ny vadiny vaovao. Rehefa manana trano tsara tarehy ny olona iray, nefa mahita fa mitete ny tafon-trano, dia azo antoka fa hiezaka ny hanamboatra azy io izy. Tsy mifindra trano fotsiny izy. Mitovy amin’izany koa fa ny fiovana vady dia tsy ny fomba handaminana ireo raharaha izay fototry ny tsy fifanarahana ara-panambadiana. Rehefa mipoitra ny zava-manahirana, dia aza mitady ny hamarana ilay fanambadiana, fa manaova ezaka mafy mba hiarovana azy kosa. Ny tsy fivadihana toy izany dia mihevitra ilay fatorana ho toy ny zavatra mendrika ny hambenana sy hampaharetina ary hankamamina.
7. Nahoana no sarotra ho an’ny mpivady matetika ny fifampiresahana, nefa ahoana no ahafahan’ny fitafiana “ny toetra vaovao” manampy amin’izany?
7 Fifampiresahana. “Ho foana ny fikasana, raha tsy misy [resaka tsiambaratelo, NW ]”, hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly. (Ohabolana 15:22). Kanefa, sarotra ho an’ny mpivady sasany ny mifampiresaka. Nahoana no izany no izy? Satria samy hafa ny fomba firesahan’ny olona. Izany dia zava-misy izay mitarika matetika ho amin’ny tsy fifankahazoan-kevitra sy ny fahakiviana goavana. Mety hanana anjara amin’izany ny fanabeazana. Ohatra, mety ho notezaina tao anatin’ny rivo-piainana nanjakan’ny fifamalian’ny ray aman-dreny noho ny zava-madinika ny sasany. Izao izy olon-dehibe manambady izao, dia mety tsy hahay hiteny amin’ny vadiny amin-katsaram-panahy sy amim-pitiavana izy. Na dia izany aza, dia tsy voatery hiharatsy ka ho tonga ‘trano feno fifandirana’ ny tokantranonao. (Ohabolana 17:1). Manamafy ny hitafiana “ny toetra vaovao” ny Baiboly, ary tsy manala tsiny ny fo lentika sy ny fitabatabana ary ny fitenenan-dratsy. — Efesiana 4:22-24, 31.
8. Inona no mety hanampy rehefa tsy mitovy hevitra amin’ny vadinao ianao?
8 Inona no azonao atao rehefa misy tsy fitovian-kevitra? Raha manomboka mitroatra ny fahatezerana, dia mety haneho fahendrena ianao raha manaraka ny torohevitry ny Ohabolana 17:14 hoe: “Ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.” Eny, ho azonao atao ny hanemotra ilay firesahana ho any aoriana kokoa, rehefa avy samy nihatony ianareo mivady. (Mpitoriteny 3:1, 7). Na ahoana na ahoana, dia miezaha mba “halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra”. (Jakoba 1:19). Ny tanjonao dia tokony ho ny hahita fanafodiny ho an’ilay tarehin-javatra, fa tsy ny handresy amin’ilay fifandirana akory. (Genesisy 13:8, 9). Mifidiana teny sy fomba fitenenana izay hampanindry fo anareo mivady. (Ohabolana 12:18; 15:1, 4; 29:11). Ambonin’ny zava-drehetra, dia aza mitahiry fahatezerana, fa mitadiava kosa fanampiana amin’ny firesahana amin’Andriamanitra amin’ny fiaraha-mivavaka amim-panetren-tena. — Efesiana 4:26, 27; 6:18.
9. Nahoana no azo lazaina fa manomboka ao am-po ny fifampiresahana?
9 Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Ny fon’ny hendry mahahendry ny vavany sady manampy fahendrena eo amin’ny molony.” (Ohabolana 16:23). Raha araka ny tena izy àry, ny fanalahidin’ny fifampiresahana mahomby dia ao am-po, fa tsy eo am-bava. Manao ahoana ny fihetsikao eo anatrehan’ny vadinao? Mampirisika ny Kristiana mba hampiseho ‘fiaraha-miory’ ny Baiboly. (1 Petera 3:8). Afaka manao izany ve ianao, rehefa mahita tebiteby mampahory azy ny vadinao? Raha izany no izy, dia hanampy anao mba hahay hampahatanjaka azy izany. — Isaia 50:4.
10, 11. Ahoana no ahafahan’ny lehilahy iray mampihatra ny torohevitra ao amin’ny 1 Petera 3:7?
10 Fanomezana voninahitra sy fanajana. Ilazana ireo lehilahy kristiana mba hiara-mitoetra amin’ny vadiny “araka ny [fahalalana, amin’ny fanomezana azy voninahitra, NW ], tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa”. (1 Petera 3:7). Tafiditra amin’ny fanomezana voninahitra ny vadin’ny tena ny fanekena ny hasarobidiny. Ny lehilahy iray izay miara-mitoetra amin’ny vadiny “araka ny fahalalana” dia manam-piheverana ambony ireo fihetseham-pony, ireo toetra tsarany, ny fahakingan-tsainy ary ny fahamendrehany. Tokony haniry hianatra koa izy hoe ahoana no iheveran’i Jehovah ny vehivavy sy aniriany hitondrana azy ireo.
11 Ao an-tranonao, dia aoka hatao hoe manana fitoeram-boninkazo iray tena mahasoa, izay mora vaky indrindra, ianao. Moa ve ianao tsy hitondra azy io amim-pitandremana be? I Petera dia nampiasa ilay voambolana hoe “fanaka malemilemy kokoa” amin’ny heviny mitovy amin’izany, ary izany dia tokony hanosika ny lehilahy kristiana iray mba haneho fiheverana feno fanehoam-pitiavana ny vadiny malalany.
12. Ahoana no ahafahan’ny vehivavy iray mampiseho fa manaja lalina ny vadiny izy?
12 Inona kosa anefa no torohevitra omen’ny Baiboly ho an’ny vehivavy iray? Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Aoka (...) ny vavy [hanana fanajana lalina ny vadiny, NW ].” (Efesiana 5:33). Tsy misy hafa amin’ny ilan’ny vehivavy iray hahatsapa fa omen’ny vadiny voninahitra sy tiany amim-piraiketam-po izy, dia toy izany koa no ilan’ny lehilahy iray hahatsapa fa hajain’ny vadiny izy. Ny vehivavy iray manaja ny vadiny dia tsy hampiely tsy amim-pieritreretana ireo fahadisoan’ny vadiny, na Kristiana io na tsia. Tsy hanaisotra amin’ny vadiny ny fahamendrehany izy, amin’ny fanakianana na amin’ny fanambaniana azy, na mitokana izany na ampahibemaso. — 1 Timoty 3:11; 5:13.
13. Ahoana no ahafahana maneho fomba fihevitra amim-piadanana?
13 Izany akory tsy midika fa tsy afaka milaza ny heviny ny vehivavy iray. Raha misy zavatra manelingelina azy, dia afaka milaza izany amim-panajana izy. (Genesisy 21:9-12). Ny fampitana hevitra iray amin’ny vadiny dia ho azo ampitovina amin’ny fanipazana baolina iray any aminy. Azony atsipy moramora ilay izy, mba hahafahan’ny vadiny hisambotra ilay izy mora foana, na azony atoraka amin-kery aoka izany ilay izy ka handratra ny vadiny. Tsara lavitra toy inona moa rehefa samy manalavitra ny fifanipazana teny miampanga ny mpivady, fa miteny amin’ny fomba feno hatsaram-panahy sy hamoram-panahy kosa! — Matio 7:12; Kolosiana 4:6; 1 Petera 3:3, 4.
14. Inona no tokony hataonao raha tsy mampiseho fahalianana firy amin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly eo amin’ny fanambadiana ny vadinao?
1 Petera 3:1, 2). Mazava ho azy fa izany koa dia hihatra amin’ny lehilahy iray izay tsy miraika amin’ny Baiboly ny vadiny. Na inona na inona fidin’ny vadinao hatao, dia avelao ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly hahatonga anao ho vady tsara kokoa. Afaka mahatonga anao ho ray na reny tsara kokoa koa ny fahalalana an’Andriamanitra.
14 Araka ny hitantsika teo, ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly dia afaka manampy anao hanorina fanambadiana sambatra. Ahoana anefa raha tsy mampiseho fahalianana firy amin’izay lazain’ny Baiboly ny vadinao? Mbola be dia be ihany no ho azo tanterahina raha mampihatra ny fahalalana an’Andriamanitra eo amin’ny anjara asanao ianao. Hoy ny nosoratan’i Petera: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny), rehefa hitany ny fahadiovan’ny fitondrantenanareo [omban’ny fanajana lalina, NW ].” (FITAIZANA ZANAKA ARAKA NY FAHALALANA AN’ANDRIAMANITRA
15. Ahoana indraindray no ifindrafindran’ireo fomba fitaizan-janaka misy lesoka, nefa ahoana no ho azo anajanonana io fiverimberenan-javatra io?
15 Ny fananana tsofa na marotoa fotsiny dia tsy mahatonga ny olona iray ho mpandrafitra kinga. Sahala amin’izany koa fa ny fananana zanaka fotsiny dia tsy mahatonga ny olona iray ho ray na reny kinga. Na tsapan’ireo ray aman-dreny ilay izy na tsia, dia manabe ireo zanany amin’ny fomba nanabeazana ny tenany izy ireo matetika. Noho izany, ireo fomba fitaizan-janaka misy lesoka indraindray dia mifindrafindra isan-taranaka. Hoy ny ohabolana hebreo tranainy iray: “Ny ray no mihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin’ny zanany no madilo”. Kanefa, ny Soratra Masina dia mampiseho fa tsy voatery hanaraka ny lalana naorin’ny ray aman-dreniny ny olona iray. Afaka mifidy lalana hafa izy, dia iray izay misy fitaoman’ireo lalàn’i Jehovah. — Ezekiela 18:2, 14, 17.
16. Nahoana no zava-dehibe ny famelomana ny fianakavianao, ary inona no tafiditra amin’izany?
16 I Jehovah dia manantena ny hanomezan’ireo ray aman-dreny 1 Timoty 5:8). Teny mahery re izany! Ny fiantsorohana ny anjara asanao amin’ny maha-mpamelona anao, ka tafiditra amin’izany ny fikarakarana ny zavatra ilain’ireo zanakao eo amin’ny ara-batana sy ara-panahy ary ara-pihetseham-po, dia tombontsoa sy andraikitry ny olona iray matahotra an’Andriamanitra. Ny Baiboly dia manome fotopoto-pitsipika izay afaka manampy an’ireo ray aman-dreny hanorina rivo-piainana sambatra ho an’ireo zanany. Mandiniha sasany amin’izany.
kristiana tari-dalana sy fikarakarana araka ny tokony ho izy ho an’ireo zanany. Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” (17. Inona no tena ilaina raha tianao ho ao am-pon’ireo zanakao ny lalàn’Andriamanitra?
17 Mamelà ohatra tsara dia tsara. Ireo ray aman-dreny isiraelita dia nodidiana hoe: “Ampianaro tsara ny zanakao [ireo tenin’Andriamanitra], ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. Ireo ray aman-dreny dia tsy maintsy nampianatra an’ireo fari-pitsipik’Andriamanitra tamin’ireo zanany. Io fananarana io anefa dia nialohavan’ilay fanambarana hoe: “Aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao.” (Deoteronomia 6:6, 7, izahay no manao sora-mandry.) Eny, ireo ray aman-dreny dia tsy afaka manome izay tsy ananany. Tsy maintsy voarakitra ao am-ponareo manokana aloha ireo lalàn’Andriamanitra, raha tianareo ho voasoratra ao am-pon’ireo zanakareo. — Ohabolana 20:7; ampitahao amin’ny Lioka 6:40.
18. Raha ny amin’ny fanehoana fitiavana, ahoana no namelan’i Jehovah ohatra faran’izay tsara ho an’ireo ray aman-dreny?
18 Manomeza toky ny amin’ny fitiavanareo. Tamin’ny batisan’i Jesosy, dia hoy ny nambaran’i Jehovah: “Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.” (Lioka 3:22). Nampiseho tamin’izany ny fanekeny ny Zanany i Jehovah, ka tsy nisalasala naneho ny fankasitrahany azy sy nanome toky ny amin’ny fitiavany. Hoy i Jesosy tamin’ny Rainy tatỳ aoriana: “Efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao.” (Jaona 17:24). Amin’ny maha-ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra anareo àry, dia manomeza ho an’ireo zanakareo fanehoana ny fitiavanareo azy ireo, amin’ny teny sy ny atao — ary ataovy matetika izany. Tadidio foana fa “ny fitiavana no mampandroso”. — 1 Korintiana 8:1.
19, 20. Inona no tafiditra amin’ny famaizana ny ankizy araka ny tokony ho izy, ary ahoana no ahafahan’ireo ray aman-dreny mandray soa avy amin’ny ohatr’i Jehovah?
Ohabolana 1:8, NW ). Ireo ray aman-dreny izay mandositra ny andraikiny hitari-dalana an’ireo zanany anio, dia azo antoka fa hiatrika vokatra hahavaky fo rahampitso. Kanefa, ampitandremana koa ireo ray aman-dreny mba tsy hanao ilay mifanohitra lavitra amin’izany. “Hianareo ray”, hoy ny nosoratan’i Paoly, “aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.” (Kolosiana 3:21). Ireo ray aman-dreny dia tsy maintsy manalavitra ny fanitsiana ireo zanany amin’ny fomba tafahoatra, na ny fanohizana mandevilevy azy amin’ireo kileman-toetrany sy manakiana ireo ezaka ataony.
19 Famaizana. Manamafy ny maha-zava-dehibe ny fifehezana amim-pitiavana ny Baiboly. (20 Mamela ohatra raha ny amin’ny fanomezana famaizana i Jehovah Andriamanitra, ilay Raintsika any an-danitra. Tsy tafahoatra mihitsy ny fanomezany fanitsiana. “Hanariko araka ny antonony ihany hianao”, hoy no nolazain’Andriamanitra tamin’ny vahoakany. (Jeremia 46:28). Ireo ray aman-dreny dia tokony hanahaka an’i Jehovah amin’io lafiny io. Ny fifehezana izay mihoatra ny fetra araka ny antonona na mihoatra ny zava-kendren’ny fanitsiana sy ny fampianarana, dia tena mampahasosotra tokoa.
21. Ahoana no ahafahan’ireo ray aman-dreny mamaritra raha mandaitra ny famaizany na tsia?
21 Ahoana no ahafahan’ireo ray aman-dreny mamaritra raha mandaitra ny famaizany na tsia? Ho azon’izy ireo atao ny hanontany tena hoe: ‘Inona no tanterahin’ny famaizako?’ Tokony hampianatra izy io. Tokony ho takatry ny zanakareo ny antony ampiharana ilay famaizana. Ireo ray aman-dreny dia tokony hiahy koa ny amin’ireo ho vokatry ny fanitsiany. Marina fa saika ny ankizy rehetra no ho sosotra amin’ny famaizana amin’ny voalohany. (Hebreo 12:11). Ny famaizana anefa dia tsy tokony hahatonga na oviana na oviana ny ankizy iray hahatsiaro ho matahotra na nafoy, na hoe hamela azy hihevitra fa tena olon-dratsy izy. Talohan’ny nanitsiany ny vahoakany, dia hoy i Jehovah: “Aza matahotra (...), fa momba anao Aho”. (Jeremia 46:28). Eny, ny fanitsiana dia tokony hampiharina amin’ny fomba izay hahatsapan’ny zanakareo fa momba azy ianareo, amin’ny maha-ray aman-dreny tia sy manohana azy anareo.
FAHAZOANA “FITARIHANA TSARA”
22, 23. Ahoana no ahafahanao mahazo ny fitarihana ilaina mba hanorenana fianakaviana sambatra?
22 Afaka ny ho velom-pankasitrahana isika fa nanome ireo fitaovana ilaintsika mba hanorenana fianakaviana sambatra, i Jehovah. Tsy ampy anefa ny fananana an’ireo fitaovana fotsiny. Tsy maintsy mizatra mampiasa azy ireo araka ny tokony ho izy isika. Ohatra, ny mpanao trano iray dia mety hamboly fahazaran-dratsy raha ny amin’ny fomba fampiasany ireo fitaovany. Mety hampiasa ny sasany amin’izy ireo amin’ny fomba diso mihitsy aza izy. Ao anatin’ny toe-javatra toy izany, dia tena azo inoana fa hiteraka vokatra latsaka noho izay antenaina ireo fomba ampiasainy. Mitovy amin’izany koa fa mety ho fantatrao izao fa nisy fahazarana tsy mahasoa tafatsofoka tao amin’ny fianakavianao. Ny sasany amin’izany dia mety ho tena lalim-paka ka ho sarotra hovana. Kanefa, araho ny torohevitry ny Baiboly hoe: “Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara”. — Ohabolana 1:5.
23 Afaka mahazo fitarihana tsara ianao amin’ny fanohizana mandray ny fahalalana an’Andriamanitra. Aoka ianao ho mailo hahita ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly izay mihatra amin’ny fiainam-pianakaviana, ary manaova fanitsiana eo amin’izay ilana izany. Diniho ireo Kristiana matotra izay manome ohatra tsara dia tsara amin’ny maha-mpivady sy ray aman-dreny azy ireo. Miresaha aminy. Ambonin’ny zava-drehetra, dia ento eo amin’i Jehovah amin’ny vavaka ireo fanahianao. (Salamo 55:22; Filipiana 4:6, 7). Afaka manampy anao hanana fiainam-pianakaviana sambatra izay manome voninahitra azy, izy.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 5 Ny hany antony araka ny Soratra Masina ho an’ny fisaraham-panambadiana izay manome lalana ho an’ny fanambadiana indray dia ny “fijangajangana” — firaisana ivelan’ny fanambadiana. — Matio 19:9.
TSAPAO NY FAHALALANAO
Amin’ny ahoana ny tsy fivadihana, ny fifampiresahana, ny fanomezana voninahitra sy fanajana no anisan’ny miteraka fanambadiana sambatra?
Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahan’ny ray aman-dreny manome toky an’ireo zanany ny amin’ny fitiavany?
Lafin-javatra inona avy no tafiditra amin’ny famaizana araka ny tokony ho izy?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 147]