Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Boky Mampiharihary ny Fahalalana An’Andriamanitra

Ilay Boky Mampiharihary ny Fahalalana An’Andriamanitra

Toko Faha-2

Ilay Boky Mampiharihary ny Fahalalana An’Andriamanitra

1, 2. Nahoana isika no mila ny tari-dalan’ny Mpamorona antsika?

ARAKA ny azon’ny saina ekena tsotra izao ny hanomezan’ny Mpamorona antsika be fitiavana boky iray misy toromarika sy tari-dalana ho an’ny olombelona. Ary tsy manaiky ve ianao fa mila tari-dalana ny olombelona?

2 Maherin’ny 2 500 taona lasa izay, dia hoy ny nosoratan’ny mpaminany sady mpanoratra tantara iray: “Tsy an’ny olombelona izay mandeha na dia ny hitarika ny diany aza.” (Jeremia 10:23, NW ). Amin’izao andro izao, dia miharihary kokoa noho ny hatramin’izay ny maha-marina an’io fanambarana io. Araka izany, dia hoy ny marihin’ilay mpanoratra tantara antsoina hoe William H. McNeill: “Ny tantaran’ny olombelona teto ambonin’itỳ planeta itỳ dia fitohitohizana saika tsy an-kijanona zava-manahirana lehibe sy faharavan’ny fandaharan-javatra voaorina eo amin’ny fitambaran’olona.”

3, 4. a) Ahoana no tokony hanombohantsika ny fianarana ny Baiboly? b) Amin’ny fomba ahoana no hitondrantsika ny fandinihantsika ny Baiboly?

3 Manome fahafaham-po amin’izay ilaintsika rehetra raha ny amin’ny fitarihan-dalana feno fahendrena ny Baiboly. Marina fa maro no mahatsiaro ho kivy rehefa mijery voalohany ny Baiboly. Boky lehibe izy io, ary tsy mora azo ny hevitry ny fizarana sasany ao aminy. Raha toa anefa ianao ka omena didim-pananana iray, izay manoritra izay tsy maintsy ataonao mba hahazoana lova sarobidy iray, moa ve ianao tsy haka ny fotoana handinihana azy io amim-pitandremana? Raha toa ka hitanao fa sarotra ny mahazo ny hevitry ny tapany sasany amin’izany fitambaran-taratasy izany, dia azo inoana fa hitady ny fanampian’ny olona iray za-draharaha amin’ny zavatra toy izany ianao. Nahoana raha manomboka mijery ny Baiboly amin’ny fananana fihetsika toy izany? (Asan’ny Apostoly 17:11). Raharaha mihoatra noho ny lova ara-nofo no tafiditra amin’izany. Araka ny nianarantsika tao amin’ilay toko teo aloha, ny fahalalana an’Andriamanitra dia afaka mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay.

4 Andeha isika handinika ilay boky mampiharihary ny fahalalana an’Andriamanitra. Hanao topy maso vetivety izay raketin’ny Baiboly aloha isika. Avy eo isika dia handinika ireo antony inoan’ny olona maro mahafanta-javatra fa Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry izy io.

IZAY RAKETIN’NY BAIBOLY

5. a) Inona no voarakitra ao amin’ireo Soratra Hebreo? b) Inona no raketin’ireo Soratra Grika?

5 Ny Baiboly dia mirakitra boky 66 mahaforona fizarana roa, izay antsoina matetika hoe ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Boky 39 ao amin’ny Baiboly no nosoratana tamin’ny teny hebreo indrindra indrindra, ary boky 27 tamin’ny teny grika. Ireo Soratra Hebreo, voaforon’ny Genesisy ka hatramin’ny Malakia, dia mahafaoka ny famoronana ary koa ireo 3 500 taona voalohany tamin’ny tantaran’ny olombelona. Rehefa mandinika io tapany amin’ny Baiboly io isika, dia mianatra momba ny fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’ireo Isiraelita — nanomboka tamin’ny nahaterahan’izy ireo ho firenena tamin’ny taonjato faha-16 al.⁠f.⁠i. ka hatramin’ny taonjato faha-5 al.⁠f.⁠i. * Ireo Soratra Grika kosa, izay mirakitra ny bokin’i Matio ka hatramin’ny bokin’ny Apokalypsy, dia mifantoka amin’ireo fampianarana sy asan’i Jesosy Kristy sy ireo mpianany nandritra ny taonjato voalohany am.⁠f.⁠i.

6. Nahoana isika no tokony hianatra ny Baiboly iray manontolo?

6 Misy milaza fa ny “Testamenta Taloha” dia natao ho an’ny Jiosy ary ny “Testamenta Vaovao” ho an’ny Kristiana. Araka ny 2 Timoty 3:16 (NW ) anefa, “ny Soratra rehetra dia ­ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa”. Noho izany, ny Baiboly iray manontolo no tsy maintsy tafiditra ao amin’ny fianarana araka ny tokony ho izy ny Soratra Masina. Raha ny tena izy, dia mifameno ireo tapany roa ao amin’ny Baiboly, ka mirindra tsara eo amin’ny famelabelarany loha hevitra ankapobe iray ihany.

7. Inona no loha hevitry ny Baiboly?

7 Angamba ianao nanatrika fotoam-pivavahana nandritra ny taona maro ary nahare ny famakiana tapany avy tao amin’ny Baiboly tamin’ny feo avo. Na mety ho ianao mihitsy no namaky andalan-teny sasany avy tao. Fantatrao ve fa ny Baiboly dia manana ­hevitra iray iombonana manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy? Eny, misy loha hevitra mirindra iray hita manerana ny Baiboly. Inona izany loha hevitra izany? Izany dia ny fanamarinana ny zon’Andriamanitra hanapaka ny olombelona sy ny fanatanterahana ny fikasany feno fitiavana amin’ny alalan’ny Fanjakany. Any aoriana isika dia hijery hoe amin’ny fomba ahoana marina no hanatontosan’Andriamanitra izany fikasana izany.

8. Inona no ahariharin’ny Baiboly momba ny toetran’Andriamanitra?

8 Ho fanampin’ny fanoritana ny amin’ny fikasan’Andriamanitra, ny Baiboly dia mampiharihary ny toetrany. Avy ao amin’ny Baiboly isika, ohatra, dia mianatra fa Andriamanitra dia manana fihetseham-po ary koa fa zava-dehibe aminy ireo safidy ataontsika. (Salamo 78:40, 41; Ohabolana 27:11; Ezekiela 33:11). Milaza ny Salamo 103:8-14 fa Andriamanitra dia “mamindra fo sy miantra (⁠.⁠.⁠.⁠), mahari-po sady be famindrampo”. Mitondra antsika amim-pangoraham-po izy, noho ny ‘fahatsiarovany fa vita amin’ny vovoka ihany isika’ ary hiverina ho amin’ny vovoka rehefa maty. (Genesisy 2:⁠7; 3:19). Toetra tsara mahatalanjona toy inona moa no asehony! Tsy izany ve no karazan’Andriamanitra tianao hivavahana?

9. Ahoana no anampian’ny Baiboly antsika hahita mazava tsara ireo fari-pitsipik’Andriamanitra, ary ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’izany fahalalana izany?

9 Manampy antsika hahita mazava tsara ireo fari-pitsipik’Andriamanitra ny Baiboly. Ambara toy ny lalàna izy ireny indraindray. Matetika kokoa anefa, izy ireny dia hita taratra amin’ny fotopoto-pitsipika ampianarina amin’ny alalan’ny fisehoan-javatra ho fanomezana lesona. Nisy fisehoan-javatra teo amin’ny tantaran’ny Isiraelita fahiny nasain’Andriamanitra nosoratana mba handraisantsika soa. Ireny fitantarana feno fahatsorana ireny dia mampiseho izay mitranga rehefa manao zavatra mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra ny olona, ary koa ny fiafarana mampalahelo rehefa manaraka ny lalan’ny tenany manokana izy ireo. (1 Mpanjaka 5:18; 11:4-6; 2 Tantara 15:8-15). Tsy isalasalana fa hanohina ny fontsika ny famakiana ireny fitantarana tena nisy ireny. Raha miezaka hahita sary an-tsaina ireo fisehoan-javatra voarakitra an-tsoratra isika, dia ho afaka hahita ny tenantsika eo amin’ny toeran’ireo olona tafiditra amin’izany. Amin’izany isika dia ho afaka handray soa avy amin’ireo ohatra tsara ary hanalavitra ireo fandrika nahazo ireo mpanao ratsy. Kanefa izao fanontaniana tena lehibe izao dia mitaky valiny: Ahoana no ahazoantsika antoka fa tena ara-tsindrimandrin’Andriamanitra izay vakintsika ao amin’ny Baiboly?

AFAKA MITOKY AMIN’NY BAIBOLY VE IANAO?

10. a) Nahoana no misy olona mihevitra fa lany andro ny Baiboly? b) Inona no lazain’ny 2 Timoty 3:16, 17 amintsika momba ny Baiboly?

10 Angamba ianao nahamarika fa boky maro manolotra torohevitra no manjary lany andro rehefa afaka taona vitsivitsy monja. Ahoana ny amin’ny Baiboly? Tranainy be izy io, ary efa ho 2 000 taona izay no lasa hatramin’ny nanoratana ireo teny farany ao aminy. Noho izany, dia misy mihevitra fa tsy azo ampiharina amin’izao androntsika maoderina izao izy io. Raha ara-tsindrimandrin’Andriamanitra anefa ny Baiboly, ny torohevitra ao anatiny dia tokony ho araka ny toetr’andro foana na dia eo aza ny fahanterany. Ny Soratra Masina dia tokony ‘hahasoa foana ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra’. — 2 Timoty 3:16, 17.

11-13. Nahoana isika no afaka milaza fa azo ampiharina amin’izao androntsika izao ny Baiboly?

11 Ahariharin’ny fandinihana akaiky fa ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly dia azo ampiharina amin’izao andro izao, tsy misy hafa amin’ny tamin’ny nanoratana azy ireo voalohany. Momba ny toetran’ny olombelona, ohatra, ny Baiboly dia manome taratry ny fahatakaran-javatra lalina izay azo ampiharina amin’ny taranaka rehetra. Hitantsika mora foana izany amin’ny Toritenin’i Jesosy teo An-tendrombohitra, izay hita ao amin’ny bokin’i Matio, toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7. Io toriteny io dia nanohina aoka izany ny fon’i Mohandas K. Gandhi, filoha karàna nody mandry tsy ela izay, hany ka voalaza fa nilaza toy izao tamin’ny governora anglisy iray izy: “Rehefa ho tonga amin’ny fifanarahana miorina amin’ireo fampianaran’i Kristy voasoratra ao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra ny taninao sy ny ahy, dia ho voalamintsika, tsy ireo zava-manahirana ny tanintsika roa tonta ihany, fa ny an’izao tontolo izao manontolo koa.”

12 Tsy mahagaga raha manohina ny fon’ny olona ireo fampianaran’i Jesosy! Tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra, dia nasehony tamintsika ny lalan’ny tena fahasambarana. Nohazavainy ny fomba handaminana fifamaliana. Nanome toromarika momba ny fomba tokony hivavahana i Jesosy. Nanondro ny fihetsika mampiseho fahendrena indrindra tokony hananana eo anatrehan’ny zavatra ara-nofo ilaintsika izy ary nanome ny Fitsipika Volamena eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa araka ny tokony ho izy. Ny fomba hamantarana ny fitaka ara-pivavahana sy ny fomba hananana hoavy azo antoka koa dia anisan’ireo hevitra voafaoka ao amin’io toriteny io.

13 Ao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra, ary koa manerana ireo pejiny hafa rehetra, ny Baiboly dia milaza amintsika mazava izay tokony hataontsika sy izay tokony hohalavirintsika mba hanatsarana ny fiainantsika. Azo ampiharina aoka izany ny torohevitra ao aminy, hany ka voatosika hiteny toy izao ny mpanabe iray: “Na dia mpanolo-tsaina any amin’ny fianarana ambony, sy manana licence sy maîtrise, ary efa namaky boky be dia be momba ny fahasalamana ara-tsaina sy ny psikolojia, aza aho, dia nahita fa ny torohevitry ny Baiboly momba ny raharaha toy ny fananana fanambadiana sambatra sy ny fisorohana ny ditran’ny tanora ary ny fahazoana sy ny fihazonana namana dia ambony lavitra noho izay rehetra novakiko na nianarako tany amin’ny fianarana ambony.” Ho fanampin’ny maha-azo ampiharina sy maha-araka ny toetr’andro azy, ny Baiboly dia azo ianteherana koa.

ARAKA NY MARINA SY AZO ITOKIANA

14. Inona no mampiseho fa araka ny marina ny Baiboly eo amin’ny ara-tsiansa?

14 Na dia tsy boky momba ny siansa aza ny Baiboly, dia araka ny marina izy io eo amin’ny ara-tsiansa. Ohatra, tamin’ny fotoana ninoan’ny ankamaroan’ny olona fa fisaka ny tany, i Isaia mpaminany dia nilaza fa izy io dia ‘faribolana’ (Hebreo: chugh, izay mitondra ny hevitra hoe “bola” eto). (Isaia 40:22, NW ). Ny hevitra ny amin’ny tany miendrika bola dia tsy neken’ny besinimaro raha tsy an’arivony taona maro taorian’ny andron’i Isaia. Ankoatra izany, ny Joba 26:⁠7 — nosoratana maherin’ny 3 000 taona lasa izay — dia manambara fa Andriamanitra dia “manantona ny tany amin’ny tsy misy”. Hoy ny nolazain’ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly: “Ny fomba nahafantaran’i Joba ny fahamarinana, izay noporofoin’ny astronomia, hoe mihantona tsy misy manohana eny amin’ny habakabaka ny tany, dia fanontaniana iray izay tsy voavalin’ireo mandà ny maha-ara-tsindrimandry ny Soratra Masina, mora foana.”

15. Amin’ny ahoana ny fatokiana ny Baiboly no hamafisin’ny fomba fitantara ao aminy?

15 Ny fomba fitantara hita ao amin’ny Baiboly koa dia manamafy ny fatokiantsika an’io boky tranainy io. Tsy mitovy amin’ny angano, fa ireo fisehoan-javatra voafaoka ao amin’ny Baiboly dia mifandray amin’ny olona sy daty voafaritra tsara. (1 Mpanjaka 14:25; Isaia 36:⁠1; Lioka 3:1, 2). Afa-tsy izany koa, raha ­nanitatra saika mandrakariva ny fitantarana momba ny fandresen’ireo mpanapaka teo aminy, sy nanafina ny faharesena sy ny fahadisoan’izy ireny, ireo mpanoratra tantara fahiny, ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly kosa dia feno fahatsorana ary nilaza ny marina — na dia momba ny fahotana lehibe nataon’ny tenany aza. — Nomery 20:7-13; 2 Samoela 12:7-14; 24:⁠10.

BOKIM-PAMINANIANA

16. Inona no porofo mahery indrindra fa ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly?

16 Ny faminaniana tanteraka dia manome ny porofo mampiaiky indrindra fa ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly. Ny Baiboly dia mirakitra faminaniana maro izay tanteraka tamin’ny an-tsipiriany. Miharihary fa raha olombelona tsotra dia tsy ho afaka ny ho tompon’andraikitra ny amin’izany. Inona àry no ao ambadik’ireny faminaniana ireny? Ny Baiboly mihitsy dia milaza fa “tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina [na hery miasan’Andriamanitra] azy”. (2 Petera 1:21). Mandiniha ohatra sasantsasany.

17. Faminaniana inona avy no nanambara mialoha ny fianjeran’i Babylona, ary ahoana no nahatanterahan’izy ireny?

17 Ny nianjeran’i Babylona. I Isaia sy i Jeremia dia samy nanambara mialoha ny hianjeran’i Babylona eo an-tanan’ny Mediana sy ny Persiana. Mahavariana fa ny faminanian’i Isaia momba io fisehoan-javatra io dia noraketina an-tsoratra, 200 taona teo ho eo talohan’ny naharesy an’i Babylona! Ireto lafiny manaraka amin’ilay faminaniana ireto izao dia voaporofon’ny tantara: ny Ony Eofrata nanjary tankina tamin’ny fampiviliana ireo ranony ho ao amin’ny farihy iray voatr’olombelona; (Isaia 44:27; Jeremia 50:38); sy ny fanaovana tsirambina ny fiarovana teo am-bavahadin’ny ranon’i Babylona; (Isaia 45:⁠1); ary ny fandresena azy tamin’ny alalan’ny mpanapaka iray nantsoina hoe Kyrosy. — Isaia 44:⁠28.

18. Ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly teo amin’ny fisondrotan’ny “mpanjakan’i Grisia” sy ny fianjerany?

18 Ny nisandratan’ny “mpanjakan’i Grisia” sy ny nianjerany. Tao amin’ny fahitana iray, i Daniela dia nahita osilahy iray namely ondrilahy iray, ka nanapaka ireo tandroka roan’izy io. Avy eo, dia tapaka ny tandroka lehiben’ilay osilahy, ary nisy tandroka efatra nipoitra naka ny toerany. (Daniela 8:1-8). Hoy ny fanazavana nomena an’i Daniela: “Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan’i Media sy Persia. Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan’i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony dia ny mpanjaka voalohany. Ary ny amin’ilay efa tapaka, ka nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin’ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy.” (Daniela 8:20-22). Mifanaraka tsara amin’io faminaniana io, taonjato roa teo ho eo tatỳ aoriana, “ny mpanjakan’i Grisia”, i Aleksandra Lehibe, dia nanongana ilay Empira nanan-tandroka roa, dia ny Mediana sy Persiana. Maty i Aleksandra tamin’ny 323 al.⁠f.⁠i. ka naka ny toerany ny efatra tamin’ireo jeneraliny tamin’ny farany. Kanefa, tsy nisy tamin’ireo fanjakana nanaraka ireo afaka nifampitaha hery tamin’ny empiran’i Aleksandra.

19. Faminaniana inona avy no tanteraka tamin’i Jesosy Kristy?

19 Ny fiainan’i Jesosy Kristy. Ireo Soratra Hebreo dia mirakitra faminaniana am-polony maro izay tanteraka tamin’ny nahaterahan’i Jesosy, ny fanompoany, ny nahafatesany ary ny nitsanganany tamin’ny maty. Ohatra, maherin’ny 700 taona mialoha, i Mika dia nanambara mialoha fa ny Mesia, na hoe Kristy, dia ho teraka tao Betlehema. (Mika 5:⁠1; Lioka 2:4-7). I Isaia, niaina tamin’ny andron’i Mika, dia nanambara mialoha fa hokapohina sy hororana ny Mesia. (Isaia 50:⁠6; Matio 26:67). Dimanjato taona mialoha, i Zakaria dia naminany fa hisy hamadika amin’ny sekely volafotsy 30 ny Mesia. (Zakaria 11:12; Matio 26:15). Maherin’ny arivo taona mialoha, i Davida dia nanambara mialoha ireo toe-javatra nifandray tamin’ny fahafatesan’i Jesosy Mesia. (Salamo 22:7, 8, 18; Matio 27:35, 39-43). Ary taonjato dimy teo ho eo mialoha, ny faminanian’i Daniela dia nampiharihary ny fotoana hisehoan’ny Mesia sy ny ho faharetan’ny fanompoany ary ny ho fotoan’ny fahafatesany. (Daniela 9:24-27). Izany dia santionany fotsiny amin’ireo faminaniana tanteraka tamin’i Jesosy Kristy. Ho hitanao fa hahafa-po ny famakiana be dia be lavitra noho izany momba azy any aoriana.

20. Tokony hanome antsika fatokiana manao ahoana ny maha-tonga lafatra ny Baiboly raha ny amin’ny fahatanterahan’ireo faminaniana?

20 Faminaniana ara-baiboly maro hafa nolazaina ela be mialoha no efa tanteraka. ‘Kanefa’, hoy angamba ianao, ‘amin’ny ahoana izany no mahakasika ny fiainako?’ Hevero izao: Raha misy olona nilaza ny marina taminao nandritra ny taona maro, moa ve ianao hisalasala tampoka ny aminy rehefa hilaza zavatra hafa iray izy? Tsia! Andriamanitra dia nilaza ny marina manerana ny Baiboly manontolo. Moa ve izany tsy tokony hanorina ny fitokianao amin’izay ampanantenain’ny Baiboly, toy ireo faminaniany momba ny paradisa eto an-tany ho avy? Tena afaka manana ilay fatokiana nananan’i Paoly, iray tamin’ireo mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany, izay nanoratra fa ‘Andriamanitra dia tsy mahay mandainga’, tokoa isika. (Titosy 1:⁠2). Ankoatra izany, rehefa mamaky ny Soratra Masina isika, ka mampihatra ny torohevitra ao anatiny, dia maneho ilay fahendrena izay tsy ho azon’ny olombelona amin’ny ezaky ny tenany manokana, satria ny Baiboly no ilay boky mampiharihary ny fahalalana an’Andriamanitra izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay.

“MAMPITOMBOA FANIRIANA MAFY” NY FAHALALANA AN’ANDRIAMANITRA

21. Inona no tokony hataonao raha misy zavatra ianaranao avy ao amin’ny Baiboly ka toa mahakivy anao?

21 Eo am-pianaranao ny Baiboly, dia azo inoana fa hianatra zavatra izay ho hafa noho ny nampianarina anao tamin’ny lasa ianao. Mety ho hitanao mihitsy aza fa tsy mahafaly an’Andriamanitra ny sasany amin’ireo fanao ara-pivavahana ankamaminao. Hianaranao fa Andriamanitra dia manana fari-pitsipika momba ny tsara sy ny ratsy ambony kokoa noho ireo izay fahita ao amin’itỳ tontolo milefitra loatra itỳ. Mety ho toa hahakivy izany amin’ny voalohany. Mahareta anefa! Diniho amim-pitandremana ny Soratra Masina mba hahitana ny fahalalana an’Andriamanitra. Aoka ianao ho vonona hanaiky fa ny torohevitra ao amin’ny Baiboly dia mety hitaky ny hanitsianao ny fisainanao sy ny zavatra ataonao.

22. Nahoana ianao no mianatra ny Baiboly, ary ahoana no ahafahanao manampy ny hafa hahatakatra izany?

22 Mety hisy namana sy havana tsara fikasa hanohitra ny fianaranao ny Baiboly, nefa hoy i Jesosy: “Ary amin’izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra. Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra.” (Matio 10:32, 33). Mety hisy hatahotra sao ho tafiditra ao anatin’ny antokom-pivavahana iray, na ho feno firehetana ara-pivavahana, ianao. Raha ny tena izy, anefa, ny hany ataonao dia ny miezaka mafy hahazo fahalalana araka ny marina an’Andriamanitra sy ny fahamarinany, fotsiny. (1 Timoty 2:3, 4). Mba hanampiana ny hafa hahatakatra izany, dia aoka ianao tsy hanao zavatra tafahoatra, tsy hirona hifamaly amin’ny hafa, rehefa miresaka aminy momba izay ianaranao. (Filipiana 4:⁠5). Tadidio fa maro no ‘voataona tsy amin-teny’ rehefa hitany ny porofo fa tena mandray soa avy amin’ny fahalalana ny Baiboly ny olona. — 1 Petera 3:1, 2.

23. Ahoana no ahafahanao ‘mampitombo faniriana mafy’ ny fahalalana an’Andriamanitra?

23 Mampirisika antsika toy izao ny Baiboly: “Tahaka ny zaza vao teraka dia [mampitomboa faniriana mafy ny ronono tsy misy fangarony, izay an’ny teny, NW ]”. (1 Petera 2:⁠2). Ny zazakely iray dia miankina amin’ny hanina avy amin’ny reniny ary tsy manaiky raha tsy omena azy izany zavatra ilainy izany. Mitovy amin’izany koa, isika dia miankina amin’ny fahalalana avy amin’Andriamanitra. “Mampitomboa faniriana mafy” ny Teniny amin’ny fanohizana ny fianaranao. Eny tokoa, ataovy ho zava-kendrenao ny hamaky ny Baiboly isan’andro. (Salamo 1:1-3). Izany dia hitondra fitahiana tondraka ho anao, satria hoy ny Salamo 19:11 momba ireo lalàn’Andriamanitra: “Amin’ny fitandremana azy misy valiny lehibe.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Ny hoe al.f.i. dia midika hoe “alohan’ny Fanisan-taona Iraisana”, izay araka ny marina kokoa noho ny hoe av.J.C. (“avant Jésus Christ” na hoe “talohan’i Jesosy Kristy”). Ny hoe am.f.i. dia milaza hoe “amin’ny Fanisan-taona Iraisana”, antsoina matetika hoe A.D., avy amin’ny hoe anno Domini, izay midika hoe “amin’ny taonan’ny Tompontsika”.

TSAPAO NY FAHALALANAO

Amin’ny fomba ahoana avy ny Baiboly no tsy ­manana ny mitovy aminy?

Nahoana ianao no afaka mitoky amin’ny Baiboly?

Inona no manaporofo aminao fa Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 14]

FANTARO TSARA NY BAIBOLINAO

Tsy voatery ho sarotra ny fahafantarana tsara ny Baiboly. Ampiasao ny fanondroam-pejy mba hianarana ny filaharana sy ny toeran’ireo boky ao amin’ny Baiboly.

Misy toko sy andininy ireo boky ao amin’ny Baiboly mba hanamorana ny fijerena azy ireo. Ireo fizarana ho toko dia nampiana nandritra ny taonjato faha-13, ary ny mpanao pirinty frantsay iray tamin’ny taonjato faha-16 no toa nizara ireo Soratra Grika ho andininy araka ny fantatra ankehitriny. Ny Baiboly feno voalohany nanana toko sy andininy dia ny fanontana frantsay iray, nivoaka tamin’ny 1553.

Rehefa misy andinin-teny voalaza ato amin’itỳ boky itỳ, ilay tarehimarika voalohany dia manondro ny toko, ary ilay manaraka, ny andininy. Ohatra, ny filazana hoe “Ohabolana 2:5” dia midika hoe ny bokin’ny Ohabolana, toko faha-2, andininy faha-5. Rehefa mijery ireo andinin-teny voalaza ianao, tsy ho ela dia hanavanana anao ny fitadiavana ireo andinin-teny.

Ny fomba tsara indrindra hahafantarana tsara ny Baiboly dia ny famakiana azy isan’andro. Amin’ny voalohany, dia mety ho toa sarotra izany. Raha mamaky toko telo na dimy isan’andro, arakaraka ny halavany, anefa ianao, dia hamita ny famakiana ny Baiboly iray manontolo ao anatin’ny herintaona. Nahoana raha manomboka anio?

[Efajoro, pejy 19]

NY BAIBOLY — BOKY IRAY TSY MANAN-TSAHALA

• Ny Baiboly dia “ara-tsindrimandrin’Andriamanitra”. (2 Timoty 3:16, NW ). Na dia olombelona aza no nanoratra ireo teny, dia Andriamanitra no nitarika ny fisainan’izy ireo, hany ka tena “ny tenin’Andriamanitra” ny Baiboly. — 1 Tesaloniana 2:⁠13.

• Ny Baiboly dia nosoratan’ny mpandray anjara tokony ho 40 avy tamin’ny fiaviana maro isan-karazany, tao anatin’ny fe-potoana naharitra taonjato 16. Na dia izany aza, ilay vokatra farany dia mirindra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.

• Ny Baiboly dia tafita hatramin’izao na dia betsaka noho ny tamin’ny boky hafa rehetra aza ny fifandirana momba azy. Nandritra ny Moyen Âge, dia nisy olona nodorana teo amin’ny hazo noho izy ireo nanana ny Soratra Masina fotsiny.

• Ny Baiboly no boky fatra-piely voalohany indrindra eto an-tany. Nadika tamin’ny fiteny maherin’ny 2 000 izy io, na manontolo na tapatapany. An’arivo tapitrisany maro taminy no efa natao pirinty, ary zara raha misy toerana tsy ahitana azy eto ambonin’ny tany.

• Ny fizarana tranainy indrindra ao amin’ny Baiboly dia vita tamin’ny taonjato faha-16 al.⁠f.⁠i. Izany dia talohan’ny nipoiran’ny Rig-Veda hindoa (tokony ho tamin’ny 1300 al.⁠f.⁠i.), na ny “Kanônan’ireo Harona Telo” bodista (taonjato fahadimy al.⁠f.⁠i.), na ny Korana silamo (taonjato fahafito am.⁠f.⁠i.), ary ny Nihongi shinto (720 am.⁠f.⁠i.).

[Sary, pejy 20]