Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Manjo An’ireo Olo-malalantsika Nody Mandry?

Inona no Manjo An’ireo Olo-malalantsika Nody Mandry?

Toko Faha-9

Inona no Manjo An’ireo Olo-malalantsika Nody Mandry?

1. Inona no tsapan’ny olona rehefa mamely ny olo-malala iray ny fahafatesana?

“MIJALY ny tena rehefa nody mandry ny olona malalan’ny tena satria ny fahafatesana dia famoizana mitarika ho amin’ny fahabangana tsy hay takarina.” Izany no nolazain’ny zanakalahy iray rehefa nody mandry ny rainy, ary fotoana fohy taorian’izay dia ny reniny. Ny fahatsapany fangirifiriana sy famoizana lalina dia nahatonga azy hahatsiaro ho “tototra ara-pihetseham-po”. Angamba ianao efa nahatsapa zavatra mitovy amin’izany. Mety ho nanontany tena ianao hoe aiza no misy ireo olo-malalanao ary koa raha hahita azy ireo indray ianao indray andro any.

2. Fanontaniana mahasanganehana inona avy no mipoitra momba ny fahafatesana?

2 Ny ray aman-dreny sasany nidonam-pahoriana dia nilazana hoe: “Mioty ireo voninkazo tsara tarehy indrindra ho any aminy any an-danitra Andriamanitra.” Tena izany tokoa ve no izy? Moa ve ireo olo-malalantsika nody mandry nankany amin’ny faritra ara-panahy iray? Moa ve izany ilay antsoin’ny sasany hoe Nirvana, izay lazalazaina ho fahatsapana fahasambarana tanteraka satria afaka amin’ny fanaintainana sy ny faniriana rehetra? Moa ve ireo izay tiantsika nandingana ny varavarana ho amin’ny fiainana tsy misy fetezan-ko faty any amin’ny paradisa? Na, araka ny filazan’ny hafa, moa ve ny fahafatesana fianjerana ho ao amin’ny fijalijaliana tsy misy farany natao ho an’ireo izay nanota tamin’Andriamanitra? Moa ve ny maty afaka manan-kery eo amin’ny fiainantsika? Mba hahazoana valiny marina ho an’ireo fanontaniana ireo, dia mila mijery ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, isika.

INONA MOA NY “FANAHY [ESPRIT ]” AO AMIN’NY OLOMBELONA?

3. Inona no fihevitr’i Socrate sy i Platon momba ny maty, ary inona no herin’izany eo amin’ny olona amin’izao andro izao?

3 Ireo filozofa grika fahiny nantsoina hoe Socrate sy Platon dia nino fa tsy maintsy misy zavatra iray izay tsy mety maty ao anatin’ny lehilahy sy ny vehivavy — fanahy (âme) iray izay manohy miaina aorian’ny fahafatesana ka tsy tena maty na oviana na oviana. Maneran-tany, dia olona an-tapitrisany maro no mino izany amin’izao andro izao. Io finoana io matetika dia miteraka tahotra ny maty sy fiahiana ny amin’izay hahasoa azy ireo. Ny Baiboly dia mampianatra antsika zavatra hafa tanteraka noho izany momba ny maty.

4. a) Inona no lazain’ny Genesisy amintsika momba ny fanahy (âme)? b) Inona no nofofonin’Andriamanitra tao amin’i Adama mba hahavelona azy?

4 Eo am-pandinihana ny momba ny toetran’ny maty, isika dia tokony hitadidy fa ilay raintsika tany am-boalohany, i Adama, dia tsy hoe nanana fanahy (âme) akory. Izy dia fanahy (âme). Tamin’ny alalan’ny asa famoronana nahatahotra iray, Andriamanitra dia namolavola ny olombelona — ilay fanahy (âme) — avy tamin’ireo foto-javatra tamin’ny tany ary avy eo dia nofofoniny “fofonaina mahavelona” tao aminy. Hoy ny lazain’ny Genesisy 2:⁠7 amintsika: “Vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona [“fanahy (âme) velona”, NW ] izy.” Ny ain’i Adama dia nampaharetin’ny fifohany rivotra. Na dia izany aza, dia mihoatra noho ny fitsofana rivotra tao amin’ny havokavoky ny olona no tafiditra rehefa nofofonin’Andriamanitra fofonaina mahavelona i Adama. Ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny “herim-piainana” izay miasa ao amin’ireo zavaboary velona eto an-tany. — Genesisy 7:⁠22NW.

5, 6. a) Inona no atao hoe “herim-piainana”? b) Inona no mitranga rehefa mitsahatra tsy mamelona ilay vatana ilay “fanahy [esprit]” voatonona ao amin’ny Salamo 146:⁠4?

5 Inona no atao hoe “herim-piainana”? Izy io dia ilay tselatr’aina tena lehibe izay napetrak’Andriamanitra tao amin’ny vatana tsy nisy ain’i Adama. Io hery io avy eo dia ampaharetin’ny fifohana rivotra. Inona anefa ilay “fanahy [esprit]” asiana firesahana ao amin’ny Salamo 146:4? Hoy ny lazain’io andinin-teny io momba ny olona iray izay nody mandry: “Miala ny [fanahiny (esprit), NW ], ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” Rehefa nampiasa ny teny hoe “fanahy [esprit]” tamin’io fomba io ireo mpanoratra ny Baiboly, dia tsy tao an-tsain’izy ireo akory ny hoe fanahy (âme) iray miala amin’ny vatana ka manohy miaina aorian’ny nahafatesan’ny vatana.

6 Ilay “fanahy [esprit]” izay mandao ny olombelona amin’ny fahafatesana dia ilay herim-piainana izay avy tamin’ny Mpamorona antsika. (Salamo 36:⁠9; Asan’ny Apostoly 17:28). Io herim-piainana io dia tsy manana na dia iray aza amin’ireo toetra mampiavaka ilay zavaboary velominy, tsy misy hafa amin’ny tsy andraisan’ny herin’aratra ireo lafin-toetran’ilay fitaovana omeny hery. Rehefa maty ny olona iray, ilay fanahy (esprit) (herim-piainana) dia mitsahatra tsy mamelona ireo selan’ilay vatana, mitovy be dia be amin’ny jiro iray izay maty rehefa vonoina ny herin’aratra. Rehefa mijanona tsy mampaharitra ilay vatan’olombelona ny herim-piainana, dia maty ny olona — ilay fanahy (âme). — Salamo 104:29; Mpitoriteny 12:1, 7.

“HIVERINA HO AMIN’NY VOVOKA INDRAY HIANAO”

7. Inona no hanjo an’i Adama raha tsy nankato an’Andriamanitra izy?

7 Nanazava mazava tsara izay ho dikan’ny hoe fahafatesana ho an’i Adama mpanota i Jehovah. Hoy Andriamanitra: “Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:19). Hiverina aiza i Adama? Any amin’ny tany, any amin’ny vovoka izay namoronana azy. Rehefa maty i Adama, dia hitsahatra tsy hisy tsotra izao!

8. Amin’ny maha-fanahy (âme) azy ireo, amin’ny heviny ahoana ny olombelona no tsy mihoatra noho ny biby?

8 Momba izany, ny fahafatesan’olombelona dia tsy misy hafa amin’ny an’ny biby. Izy ireo koa dia fanahy (âme), ary ilay fanahy (esprit), na herim-piainana, mitovy ihany no manome hery azy ireo. (Genesisy 1:24). Ao amin’ny Mpitoriteny 3:19, 20, dia milaza amintsika toy izao i Solomona, lehilahy hendry: “Toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina [“fanahy (esprit)”, NW ] ananan’izy rehetra; ary [amin’ny fahafatesana dia] tsy misy ihoaran’ny olona noho ny biby; (⁠.⁠.⁠.⁠) avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray izy rehetra.” Nihoatra noho ny biby ny olona, satria noforonina tahaka ny endrik’Andriamanitra, nanome taratr’ireo toetra tsaran’i Jehovah. (Genesisy 1:26, 27). Kanefa, rehefa maty ny olombelona sy ny biby, dia samy miverina any amin’ny vovoka.

9. Manao ahoana ny toetran’ny maty, ary aiza no alehan’izy ireo?

9 Nanome fanazavana fanampiny ny amin’izay dikan’ny hoe fahafatesana i Solomona, ka nanao hoe: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona”. Eny, ny maty dia tsy mahalala na inona na inona mihitsy. Momba izany, dia nampirisika mafy toy izao i Solomona: “Izay rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny [Sheola, fanamarihana ambany pejy] izay alehanao.” (Mpitoriteny 9:5, 10). Aiza no alehan’ny maty? Any amin’ny Sheola, (Hebreo: sheʼohlʹ), ny fasana iombonan’ny olombelona. Ireo olo-malalantsika nody mandry dia tsy mahalala na inona na inona. Tsy mijaly izy ireny, ary tsy afaka manan-kery eo amintsika na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.

10. Nahoana isika no afaka milaza fa tsy voatery ho ny farany ny fahafatesana?

10 Moa ve isika rehetra sy ireo olo-malalantsika tsy maintsy miaina afa-tsy taona vitsivitsy monja ary avy eo dia mitsahatra tsy misy mandrakizay? Tsia, raha araka ny Baiboly. Tamin’ny fotoan’ny fikomian’i Adama, avy hatrany i Jehovah Andriamanitra dia nandamina ny hisian’ny fandaharana mba hamafana tsy hisy intsony ireo vokatra mahatsiravin’ny otan’ny olombelona. Tsy anisan’ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona ny fahafatesana. (Ezekiela 33:11; 2 Petera 3:⁠9). Noho izany, ny fahafatesana dia tsy voatery ho ny farany ho antsika na ho an’ireo olo-malalantsika.

“MATORY”

11. Ahoana no nilazalazan’i Jesosy ny toetran’i Lazarosy sakaizany nody mandry?

11 Fikasan’i Jehovah ny hamonjy antsika sy ireo olo-malalantsika nody mandry avy amin’ny fahafatesana adamika. Noho izany, ny Tenin’Andriamanitra dia miresaka momba ny maty ho toy ny matory. Ohatra, raha vantany vao nahafantatra i Jesosy Kristy fa nody mandry i Lazarosy sakaizany, dia hoy ny nolazainy tamin’ireo mpianany: “Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.” Koa satria tsy takatr’ireo mpianatra avy hatrany ny dikan’io fanambarana io, dia niteny tamin’ny fomba mazava i Jesosy hoe: “Maty Lazarosy”. (Jaona 11:11, 14). Avy eo i Jesosy dia nankany amin’ny tanànan’i Betania, izay nisy an’i Marta sy i Maria, anabavin’i Lazarosy, nitomany ny fahafatesan’ny anadahiny. Rehefa nilaza tamin’i Marta i Jesosy hoe: “Hitsangana ny anadahinao”, dia naneho ny finoany ny fikasan’Andriamanitra hamafa tsy hisy intsony ny vokatry ny fahafatesana teo amin’ny fianakavian’ny olombelona i Marta. Hoy izy: “Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.” — Jaona 11:23, 24.

12. Fanantenana inona momba ny maty no nananan’i Marta nidonam-pahoriana?

12 Tsy naneho hevitra momba ny fanahy (âme) tsy mety maty sy manohy miaina any an-toeran-kafa aorian’ny fahafatesana, i Marta. Tsy nino izy fa efa nankany amin’ny faritra ara-panahy iray mba hanohy ny fisiany tany i Lazarosy. Nino ilay fanantenana mahatalanjona ny fitsanganana amin’ny maty i Marta. Azony fa, tsy fanahy (âme) tsy mety maty akory no nandao ny vatan’i Lazarosy, fa hoe nitsahatra tsy nisy kosa ny anadahiny nody mandry. Ny fanafody dia ho ny fitsanganan’ny anadahiny amin’ny maty.

13. Fahefana nomen’Andriamanitra inona no ananan’i Jesosy, ary ahoana no nampisehoany izany fahefana izany?

13 I Jesosy Kristy no ilay nomen’i Jehovah Andriamanitra fahefana mba hanavotra ny olombelona. (Hosea 13:14). Noho izany, mba hamaliana ny fanambaran’i Marta, dia hoy i Jesosy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” (Jaona 11:25). Nasehon’i Jesosy ny fahefana nomen’Andriamanitra azy momba izany rehefa nankany amin’ny fasan’i Lazarosy, izay maty efatra andro, izy ka namerina azy ho amin’ny fiainana. (Jaona 11:38-44). Alao sary an-tsaina fotsiny ny fifalian’ireo izay nahita io fananganana maty io na ny hafa koa nataon’i Jesosy Kristy! — Marka 5:35-42; Lioka 7:12-16.

14. Nahoana ny fitsanganana amin’ny maty sy ny hevitra ny amin’ny fanahy (âme) tsy mety maty no tsy mifanaraka?

14 Miatoa kely ka diniho izao: Tsy hisy olona hila ny hatsangana amin’ny maty, na hoe haverina ho amin’ny fiainana, raha toa ka misy fanahy (âme) tsy mety maty manohy miaina aorian’ny fahafatesana. Raha ny marina aza, dia tsy ho hatsaram-panahy velively ny hananganana olona sahala amin’i Lazarosy ho amin’ny fiainana tsy tanteraka eto an-tany indray, raha toa ka efa nifindra nankany amin’ny valisoa mahatalanjona any an-danitra izy. Raha ny tena izy, ny Baiboly dia tsy mampiasa mihitsy ny teny hoe “fanahy [âme] tsy mety maty”. Milaza kosa ny Soratra Masina fa tena maty ny fanahy (âme) olombelona manota. (Ezekiela 18:4, 20). Koa asehon’ny Baiboly àry fa ny fandaharana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty no tena fanafody ho an’ny fahafatesana.

“NY OLONA REHETRA AO AMIN’NY FASAM-PAHATSIAROVANA”

15. a) Inona no hevitry ny teny hoe “fitsanganana amin’ny maty”? b) Nahoana ny fananganana olona amin’ny maty no tsy miteraka zava-manahirana ho an’i Jehovah Andriamanitra?

15 Ny teny nampiasain’ny mpianatr’i Jesosy ho an’ny hoe “fitsanganana amin’ny maty” dia midika ara-bakiteny hoe “mitsangana” na “mijoro”. Izany dia fitsanganana avy amin’ny fahafatesana tsy misy aina — raha azo atao ny milaza izany, dia hoe fitsanganana avy ao amin’ny fasana iombonan’ny olombelona. Afaka manangana olona iray mora foana i Jehovah Andriamanitra. Nahoana? Satria i Jehovah no Loharanon’ny fiainana. Amin’izao andro izao, ny olombelona dia afaka mandray amin’ny vidéocassette ny feo sy ny sarina lehilahy sy vehivavy ary afaka mandefa ireny fandraisana feo sy sary ireny indray aorian’ny ahafatesan’ilay olona. Azo antoka àry fa ilay Mpamorona antsika tsitoha dia afaka mirakitra ireo tsipiriany momba ny olona na iza na iza ary manangana io olona io ihany, amin’ny fanomezana azy vatana vaovao vao novolavolaina.

16. a) Fampanantenana inona no nomen’i Jesosy momba izay rehetra ao amin’ny fasam-pahatsiarovana? b) Inona no hamaritra hoe ho hita ho fitsanganana manao ahoana ny an’ny olona iray?

16 Hoy i Jesosy Kristy: “Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra [ao amin’ny fasam-pahatsiarovana, NW ] ny feony [ny an’i Jesosy]; dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana.” (Jaona 5:28, 29). Izay rehetra ao amin’ny fahatsiarovan’i Jehovah dia hatsangana amin’ny maty ary hampianarina araka ireo lalany. Ho an’ireo izay manao zavatra mifanaraka amin’ny fahalalana an’Andriamanitra, izany dia ho hita ho fitsanganana ho amin’ny fiainana. Kanefa, ho hita ho fitsanganana ho amin’ny fanamelohana kosa izany ho an’ireo izay mandà ireo fampianarana sy ny fanapahan’Andriamanitra.

17. Iza avy no hitsangana amin’ny maty?

17 Mazava ho azy fa ireo izay nanaraka lalana marina, tamin’ny naha-mpanompon’i Jehovah azy, dia hatsangana amin’ny maty. Raha ny marina aza, ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty dia nanatanjaka olona maro hiatrika fahafatesana, na dia tamin’izay nisian’ny fanenjehana nahery vaika aza. Fantatr’izy ireo fa ho afaka ny hamerina azy ireo ho amin’ny fiainana Andriamanitra. (Matio 10:28). Olona an-tapitrisany maro anefa no maty tsy nampiseho raha hanaraka ireo fari-pitsipika marin’Andriamanitra izy ireo na tsia. Hatsangana amin’ny maty koa ireny. Natoky ny fikasan’i Jehovah momba izany ny apostoly Paoly, ka nanao hoe: “Manantena amin’Andriamanitra aho (⁠.⁠.⁠.⁠) fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny [tsy marina, NW ].” — Asan’ny Apostoly 24:⁠15.

18. a) Fahitana inona momba ny fitsanganana amin’ny maty no azon’ny apostoly Jaona? b) Inona no ringanina ao amin’ny “farihy afo”, ary inona no asehon’io “farihy” io?

18 Ny apostoly Jaona dia nahazo fahitana nampientana ny amin’ny olona natsangana tamin’ny maty izay nitsangana teo anatrehan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Avy eo dia hoy ny nosoratan’i Jaona: “Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny [Hadesy, fanamarihana ambany pejy] namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. Ary ny fahafatesana sy ny [Hadesy, fanamarihana ambany pejy] dia natsipy tany amin’ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo.” (Apokalypsy 20:12-14). Eritrereto ange izany e! Ny maty rehetra izay ao amin’ny fahatsiarovan’Andriamanitra dia manana ny fahatsinjovana ny hafahana avy amin’ny Hadesy, (Grika: haiʹdes), na Sheola, dia ny fasana iombonan’ny olombelona. (Salamo 16:10; Asan’ny Apostoly 2:31). Izy ireo dia hanana fahafahana hampiseho amin’ny alalan’ny zavatra hataony raha hanompo an’Andriamanitra izy na tsia. Avy eo “ny fahafatesana sy ny Hadesy” dia hatsipy ao amin’izay antsoina hoe “farihy afo”, izay mampiseho fandringanana tanteraka, toy ilay teny hoe “Gehena”. (Lioka 12:⁠5, fanamarihana ambany pejy). Ilay fasana iombonan’ny olombelona mihitsy dia hatao babangoana ka hitsahatra tsy hisy rehefa ho vita ny fitsanganana amin’ny maty. Mampionona toy inona moa ny mianatra avy ao amin’ny Baiboly fa tsy mampijalijaly na iza na iza Andriamanitra! — Jeremia 7:30, 31.

FITSANGANANA AMIN’NY MATY HO AIZA?

19. Nahoana ny sasany amin’ny olombelona no hitsangana ho any an-danitra, ary karazana vatana inona no homen’Andriamanitra azy ireo?

19 Misy lehilahy sy vehivavy, izay voafetra ny isany, hatsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra. Amin’ny maha-mpanjaka sady mpisorona miaraka amin’i Jesosy azy ireo, dia handray anjara amin’ny fikosohana ny vokatra rehetran’ny fahafatesana nolovan’ny olombelona tamin’i Adama, lehilahy voalohany, izy ireo. (Romana 5:12; Apokalypsy 5:9, 10). Firy no horaisin’Andriamanitra ho any an-danitra mba hiara-manapaka amin’i Kristy? ­Araka ny Baiboly, dia 144 000 monja. (Apokalypsy 7:⁠4; 14:⁠1). Hanome vatana ara-panahy ho an’ny tsirairay amin’ireo hatsangana amin’ny maty ireo i Jehovah, mba hahafahan’izy ireo hiaina any an-danitra. — 1 Korintiana 15:35, 38, 42-45; 1 Petera 3:⁠18.

20. Inona no ho hitan’ny olombelona mankato, anisan’izany ireo hatsangana amin’ny maty?

20 Ny ankamaroan’ireo izay nody mandry dia hatsangana ho eto an-tany zary paradisa. (Salamo 37:11, 29; Matio 6:10). Ny antony iray hananganana olona sasany ho any an-danitra dia mba hamitana ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany. I Jesosy Kristy sy ireo 144 000 any an-danitra dia hitondra miandalana ny olombelona mankato ho amin’ilay fahatanterahana izay narian’ireo ray aman-drenintsika tany am-boalohany. Ho tafiditra amin’izany ireo hatsangana amin’ny maty, araka ny natoron’i Jesosy rehefa nilaza tamin’ilay lehilahy niala aina izay nohomboana teo akaikiny izy hoe: “Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” — Lioka 23:42, 43NW.

21. Araka an’i Isaia mpaminany sy ny apostoly Jaona, inona no hiafaran’ny fahafatesana?

21 Eto amin’ny tany zary Paradisa, ny fahafatesana, izay miteraka fahatsiarovana ho zava-poana aoka izany, dia hesorina. (Romana 8:19-21). I Isaia mpaminany dia nanambara fa ‘hofoanan’i Jehovah Andriamanitra tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana’. (Isaia 25:⁠8). Ny apostoly Jaona dia nomena fahitana iray ny amin’ny fotoana hahitan’ny olombelona mankato fahafahana amin’ny fanaintainana sy ny fahafatesana. Eny, “Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:1-4.

22. Inona no herin’ny fahalalana momba ny fitsanganana amin’ny maty eo aminao?

22 Ireo fampianarana mazavan’ny Baiboly dia manaisotra ny fisafotofotoana momba izay manjo an’ireo maty. Ny Soratra Masina dia manambara amin’ny fomba mazava fa ny fahafatesana no “fahavalo farany” hofoanana. (1 Korintiana 15:26). Hery sy fampiononana toy inona moa no azontsika tovozina avy amin’ny fahalalana momba ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty! Ary afaka ny ho faly toy inona moa isika fa ireo olo-malalantsika nody mandry izay ao amin’ny fahatsiarovan’Andriamanitra dia hofohazina avy amin’ny torimason’ny fahafatesana mba hifaly amin’ireo zava-tsoa rehetra tehiriziny ho an’izay tia azy! (Salamo 145:16). Hotanterahin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fitahiana toy izany. Rahoviana anefa no tokony hanombohan’ny fanapahan’izy io? Andeha isika hijery izany.

TSAPAO NY FAHALALANAO

Inona moa ny fanahy (esprit) ao amin’ny olombelona?

Ahoana no hilazalazanao ny toetran’ny maty?

Iza avy no hatsangana amin’ny maty?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 85]

Tsy misy hafa amin’ny niantsoan’i Jesosy an’i Lazarosy avy tao am-pasana, dia toy izany koa fa olona an-tapitrisany maro no hatsangana amin’ny maty

[Sary, pejy 86]

Hanjaka ny fifaliana rehefa ‘hofoanan’Andriamanitra tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana’