Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza moa Ilay Andriamanitra Marina?

Iza moa Ilay Andriamanitra Marina?

Toko Faha-3

Iza moa Ilay Andriamanitra Marina?

1. Nahoana no olona maro no manaiky ireo teny fanokafana ny Baiboly?

REHEFA mijery ny lanitra amin’ny alina mazava ianao, moa ve ianao tsy talanjona mahita kintana maro be aoka izany? Ahoana no anazavanao ny fisian’izy ireo? Ary ahoana ny amin’ireo zavamananaina eto an-tany — ireo voninkazo samy hafa loko, ireo vorona sy ny hirany mahafinaritra, ireo trozona matanjaka izay miantsambotsambotra ao amin’ny ranomasimbe? Tsy mety tapitra ny fitanisana azy ireo. Tsy afaka nipoitra ho azy izany rehetra izany. Tsy mahagaga raha olona maro no manaiky ireo teny fanokafana ny Baiboly manao hoe: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”! — Genesisy 1:⁠1.

2. Inona no lazain’ny Baiboly momba an’Andriamanitra, ary inona no ampirisihany mba hataontsika?

2 Mizarazara be ny olombelona raha ny momba an’Andriamanitra. Misy mihevitra fa Andriamanitra dia hery iray tsy manana ny maha-izy azy. Olona an-tapitrisany maro no mivavaka amin’ny razany maty, noho ny finoana fa lavitra loatra Andriamanitra ka tsy azo hatonina. Mampiharihary anefa ny Baiboly fa ilay Andriamanitra marina dia persona tena misy izay mampiseho fiheverana feno fitiavana antsika isam-batan’olona. Izany no antony ampirisihan’izy io antsika mba “hitady an’Andriamanitra”, amin’ny filazana fa “tsy mba lavitra antsika rehetra Izy”. — Asan’ny Apostoly 17:⁠27.

3. Nahoana no tsy azo atao ny manao sarin’Andriamanitra?

3 Manao ahoana ny endrik’Andriamanitra? Ny vitsivitsy tamin’ireo mpanompony dia nahazo fahitana ny amin’ny fanatrehany be voninahitra. Tamin’ireny izy dia nampiseho ny tenany nipetraka teo ambony seza fiandrianana iray, ka nisy famirapiratana nahatahotra nivoaka avy teo aminy. Kanefa, ireo izay nahazo izany fahitana izany dia tsy nilazalaza mihitsy ny amin’ny tarehy miavaka iray. (Daniela 7:9, 10; Apokalypsy 4:2, 3). Izany no izy satria “Andriamanitra dia Fanahy”; tsy manana vatana ara-nofo izy. (Jaona 4:24). Raha ny marina, dia tsy azo atao ny manao sary ara-bakiteny marina an’ilay Mpamorona antsika, satria “tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana”. (Jaona 1:18; Eksodosy 33:20). Na dia izany aza, ny Baiboly dia mampianatra antsika zavatra be dia be momba an’Andriamanitra.

MANANA ANARANA ILAY ANDRIAMANITRA MARINA

4. Inona avy no anaram-boninahitra sasany misy heviny izay ampiharina amin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly?

4 Ao amin’ny Baiboly, ilay Andriamanitra marina dia lazalazaina amin’ny teny toy ny hoe “Andriamanitra Tsitoha”, “Avo Indrindra”, “Mpamorona Lehibe”, “Mpampianatra Lehibe”, “Tompo Manam-piandrianana” ary “Mpanjaka tsy manan-taloha”. (Genesisy 17:⁠1; Salamo 50:14; Mpitoriteny 12:⁠1, NW; Isaia 30:20, NW; Asan’ny Apostoly 4:24, NW; 1 Timoty 1:17). Ny fisaintsainana momba ireo anaram-boninahitra ireo dia afaka manampy antsika hampitombo ny fahalalantsika an’Andriamanitra.

5. Iza no anaran’Andriamanitra, ary impiry izy io no miseho ao amin’ireo Soratra Hebreo?

5 Kanefa, Andriamanitra dia manana anarana tsy manan-tsahala iray izay miseho efa ho im-7 000 ao amin’ireo Soratra Hebreo fotsiny — matetika kokoa noho ireo anaram-boninahiny. Teo amin’ny 1 900 taona lasa izay, ireo Jiosy dia nitsahatra tsy nanonona ny anaran’Andriamanitra, noho ny finoanoam-poana. Ny teny hebreo ao amin’ny Baiboly dia nosoratana tsy nisy zanatsoratra. Noho izany, dia tsy misy fomba hamaritana marina ny fomba nanononan’i Mosesy na i Davida na ny hafa tamin’ny andro fahiny ireo renisoratra efatra (יהוה) mahaforona ny anaran’Andriamanitra. Misy manam-pahaizana manoro hevitra fa mety ho notononina hoe “Iaveh” ny anaran’Andriamanitra, kanefa tsy azon’izy ireo antoka ny amin’izany. Ny fanononana amin’ny teny anglisy hoe “Jehovah” no nampiasaina nandritra ny taonjato maro, ary ny mifanitsy aminy amin’ny teny maro dia eken’ny besinimaro amin’izao andro izao. — Jereo ny Eksodosy 6:⁠3 sy ny Isaia 26:⁠4.

NY ANTONY TOKONY HAMPIASANAO NY ANARAN’ANDRIAMANITRA

6. Inona no lazain’ny Salamo 83:18 momba an’i Jehovah, ary nahoana isika no tokony hampiasa ny anarany?

6 Ny anarana tsy manan-tsahalan’Andriamanitra hoe Jehovah dia mba hanavahana azy amin’ny andriamani-kafa rehetra. Izany no antony isehoan’io anarana io matetika aoka izany ao amin’ny Baiboly, indrindra fa ao amin’ilay tapany amin’ny teny hebreo. Mpandika teny maro no tsy mampiasa ny anaran’Andriamanitra, nefa hoy ny lazain’ny Salamo 83:18 mazava tsara: “Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” Koa mety àry ny hampiasantsika ny anarana manokan’Andriamanitra rehefa miresaka momba azy isika.

7. Inona no ampianarin’ny hevitry ny anaran’i Jehovah antsika momba an’Andriamanitra?

7 Ny anarana hoe Jehovah dia endrika iray isehoan’ny matoanteny hebreo iray midika hoe “manjary”. Araka izany, ny anaran’Andriamanitra dia midika hoe “Mahatonga Izy”. Mampahafantatra ny tenany ho ilay Mpikasa Lehibe àry i Jehovah Andriamanitra. Mahatonga ireo fikasany ho zavatra tena misy foana izy. Ilay Andriamanitra marina ihany no afaka mitondra ara-drariny an’io anarana io, satria raha ny olombelona, dia tsy afaka mahazo antoka mihitsy izy ireo raha hahomby ny fikasany na tsia. (Jakoba 4:13, 14). I Jehovah irery no afaka milaza hoe: “Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa (⁠.⁠.⁠.⁠) ambinina amin’izay ampandehanako azy.” — Isaia 55:⁠11.

8. Fikasana inona no nambaran’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy?

8 Ireo patriarika hebreo Abrahama sy Isaka ary Jakoba dia samy “niantso ny anaran’i Jehovah”, nefa tsy nahafantatra ny hevitra fenon’ilay anaran’Andriamanitra izy ireo. (Genesisy 21:33; 26:25; 32:⁠10; Eksodosy 6:⁠3). Rehefa nahariharin’i Jehovah tatỳ aoriana ny fikasany hanafaka ny Isiraelita, taranak’izy ireo, avy tamin’ny fanandevozana tany Egypta sy hanome azy ireo “tany tondra-dronono sy tantely”, dia nety ho toa zavatra tsy azo natao izany. (Eksodosy 3:17). Na dia izany aza, Andriamanitra dia nanasongadina ny maha-mandrakizay ny hevitry ny anarany tamin’ny filazana tamin’i Mosesy mpaminaniny hoe: “Izao no holazainao amin’ny Zanak’Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.” — Eksodosy 3:⁠15.

9. Nanao ahoana ny fiheveran’i Farao an’i Jehovah?

9 Nangataka an’i Farao, mpanjakan’i Egypta, mba hamela ny Isiraelita handeha hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah tany an’efitra, i Mosesy. Hoy anefa ny navalin’i Farao, izay noheverina ho andriamanitra koa sady nivavaka tamin’andriamanitra egyptiana hafa: “Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? Tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely.” — Eksodosy 5:1, 2.

10. Tany Egypta fahizay, zavatra inona moa no nataon’i Jehovah mba hanatanterahana ny fikasany nahakasika ny Isiraelita?

10 Avy eo i Jehovah dia nanao zavatra miandalana mba hanatanterahana ny fikasany, araka ny hevitry ny anarany. Nitondra loza folo tamin’ireo Egyptiana fahiny izy. Ilay loza farany dia namono ny lahimatoan’i Egypta rehetra, anisan’izany ny zanakalahin’i Farao mpiavonavona. Tamin’izay ireo Egyptiana dia may ny hampandefa ny Isiraely. Kanefa nisy Egyptiana, izay tohina aoka izany ny fony noho ny herin’i Jehovah, hany ka niaraka tamin’ireo Isiraelita mba handao an’i Egypta izy ireo. — Eksodosy 12:35-38.

11. Fahagagana inona no nataon’i Jehovah teo amin’ny Ranomasina Mena, ary inona no voatery neken’ireo fahavalony?

11 Niainga mba hisambotra indray an’ireo andevony i Farao feno kiry sy ny tafiny, niaraka tamin’ny kalesy fitondra miady an-jatony maro. Rehefa nanakaiky ireo Egyptiana, dia nampiasa fahagagana Andriamanitra ka nampisaraka ny Ranomasina Mena, mba hahafahan’ny Isiraelita hita teo amin’ny tany maina. Rehefa niditra teo amin’ny fanambanin’ny ranomasina ireo mpanenjika, dia “nanala ny kodian’ny kalesiny [i Jehovah] ka nampahasarotra ny nandehanany”. Hoy ny fihiakan’ireo mpiady egyptiana: “Aoka handositra ny tavan’ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin’ny Egyptiana ho an’ireo.” Kanefa efa diso aoriana loatra tamin’izay. Niantonta ireo rindrin-drano goavana ka “nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan’i Farao rehetra”. (Eksodosy 14:22-25, 28). Nanao anarana lehibe ho an’ny tenany i Jehovah tamin’izany, ary dia mbola tsaroana mandrak’ankehitriny iny fisehoan-javatra iny. — Josoa 2:9-11.

12, 13. a) Inona no hevitry ny anaran’Andriamanitra ho antsika amin’izao andro izao? b) Inona no ilain’ny olona ianarana maika dia maika, ary nahoana?

12 Manan-keviny lehibe ho antsika amin’izao andro izao ilay anarana nataon’Andriamanitra ho an’ny tenany. Ny anarany hoe Jehovah dia antoka fa hanao izay hahatanteraka izay rehetra nokasainy hatao izy. Tafiditra amin’izany ny fanatanterahana ilay fikasany tany am-boalohany hahatonga ny tanintsika ho paradisa. (Genesisy 1:28; 2:⁠8). Mba hahatongavana amin’izany, Andriamanitra dia hanafoana an’ireo mpanohitra rehetra ny fiandrianany amin’izao andro izao, satria hoy ny nambarany: “Ho fantany fa Izaho no Jehovah.” (Ezekiela 38:⁠23). Avy eo Andriamanitra dia hanatanteraka ny fampanantenany hanafaka ireo mpivavaka aminy ho ao amin’ny tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana. — 2 Petera 3:⁠13.

13 Izay rehetra maniry hahazo sitraka amin’Andriamanitra dia tsy maintsy mianatra ny hiantso ny anarany amim-pinoana. Hoy ny ampanantenain’ny Baiboly: “Izay rehetra miantso ny anaran’[i Jehovah, NW ] no hovonjena.” (Romana 10:13). Eny, ny anarana hoe Jehovah dia manan-keviny lehibe. Afaka mitarika anao ho amin’ny fahasambarana tsy hanam-pahataperana ny fiantsoanao ny anaran’i Jehovah, ilay Andriamanitrao sady Mpanafaka anao.

IREO TOETRAN’ILAY ANDRIAMANITRA MARINA

14. Toetran’Andriamanitra fototra inona avy no asongadin’ny Baiboly?

14 Ny fianarana ny amin’ny nanafahana ny Isiraely avy tany Egypta dia manasongadina toetra fototra efatra ananan’Andriamanitra amin’ny fomba voalanjalanja tanteraka. Ny fifampiraharahany tamin’i Farao dia nampiharihary ny heriny mahatahotra. (Eksodosy 9:16). Ny fomba faran’izay mampiseho fahaizana nandaminan’Andriamanitra iny tarehin-javatra nisafotofoto iny dia nampiseho ny fahendreny tsy manam-paharoa. (Romana 11:33). Nampiharihary ny fitiavany ny rariny izy tamin’ny fanaovan-javatra ho famaizana an’ireo olona feno kiry izay nanohitra sy nampahory ny vahoakany. (Deoteronomia 32:⁠4). Ny toetra faran’izay miavak’Andriamanitra iray dia ny fitiavana. Nampiseho fitiavana niavaka i Jehovah tamin’ny fanatanterahana ny fampanantenany momba ireo taranak’i Abrahama. (Deoteronomia 7:⁠8). Nampiseho fitiavana koa izy tamin’ny famelana Egyptiana sasany hamoy andriamani-diso ka handray soa be dia be tamin’ny fiandaniana tamin’ilay hany Andriamanitra marina.

15, 16. Tamin’ny fomba ahoana avy no nampisehoan’Andriamanitra fitiavana?

15 Eo am-pamakianao ny Baiboly, dia hanamarika ianao fa ny fitiavana no toetra lehibe indrindran’Andriamanitra, ary mampiseho azy io amin’ny fomba maro izy. Ohatra, noho ny fitiavana no nahatongavany ho Mpamorona ka nizarany ny fifaliana hiaina tamin’ny zavaboary ara-panahy aloha. Tia an’Andriamanitra sady midera azy ireo anjely an-jato tapitrisany maro ireo. (Joba 38:4, 7; Daniela 7:10). Nampiseho fitiavana koa Andriamanitra tamin’ny namoronana ny tany sy nanomanana azy io mba hiainan’ny olombelona ao anatin’ny fahasambarana. — Genesisy 1:1, 26-28; Salamo 115:⁠16.

16 Mandray soa avy amin’ny fitiavan’Andriamanitra isika amin’ny fomba maro loatra ka tsy ho azo tononina. Voalohany aloha, tamim-pitiavana, Andriamanitra dia nanao ny vatantsika tamin’ny fomba mahatalanjona aoka izany mba hahafahantsika hankafy ny fiainana. (Salamo 139:14). Miseho ny fitiavany amin’ny fanomezany ‘ranonorana avy eny amin’ny lanitra sy taon-jina ka mahavoky ny fontsika amin’ny hanina sy ny fifaliana’. (Asan’ny Apostoly 14:17). “Mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy [mihitsy aza Andriamanitra] ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Matio 5:45). Ny fitiavana dia manosika koa ny Mpamorona antsika hanampy antsika hahazo ny fahalalana an’Andriamanitra sy hanompo azy amim-pahasambarana amin’ny maha-mpivavaka aminy. Eny tokoa, “Andriamanitra dia fitiavana”. (1 Jaona 4:⁠8). Misy lafiny maro hafa koa anefa amin’ny toetrany.

“ANDRIAMANITRA MAMINDRA FO SY MIANTRA”

17. Inona no ianarantsika momba an’Andriamanitra ao amin’ny Eksodosy 34:6, 7?

17 Rehefa avy nita ny Ranomasina Mena ny Isiraelita, dia mbola nila ny hahafantatra an’Andriamanitra tsaratsara kokoa ihany. Nahatsapa izany zavatra nilainy izany i Mosesy ka nivavaka hoe: “Raha nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ny làlanao hahalalako Anao, mba hahitako fitia eo imasonao”. (Eksodosy 33:13). Nanjary nahafantatra tsaratsara kokoa an’Andriamanitra i Mosesy rehefa avy nahare izao fanambarana nataon’ny tenan’Andriamanitra izao: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po [“tsy mora tezitra”, NW ] sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka”. (Eksodosy 34:6, 7). Mampifandanja ny fitiavany amin’ny rariny Andriamanitra, ka tsy miaro ireo mpanota an-tsitrapo amin’ireo vokatry ny fanaovan-dratsiny.

18. Ahoana no nisehoan’i Jehovah ho be famindram-po?

18 Araka ny nianaran’i Mosesy, dia mampiseho famindram-po i Jehovah. Ny olona iray mamindra fo dia onena ireo izay mijaly ka miezaka ny hitondra fanamaivanana ho azy ireo. Araka izany, Andriamanitra dia nampiseho fangoraham-po tamin’ny olombelona tamin’ny fanaovana izay hisian’ny fanamaivanana maharitra amin’ny fijaliana sy ny aretina ary ny fahafatesana. (Apokalypsy 21:3-5). Mety hiharan’ny loza noho ny toe-piainana misy eo amin’itỳ tontolo ratsy itỳ ireo mpivavaka amin’Andriamanitra, na mety hanao zavatra tsy amim-pahendrena izy ireo ka hahita zava-manahirana. Raha mitodika amim-panetren-tena any amin’i Jehovah anefa izy ireo mba hahazoana fanampiana, dia hampionona sy hanampy azy ireo izy. Nahoana? Satria maneho amim-pamindram-po fiheverana feno fitiavana an’ireo mpivavaka aminy izy. — Salamo 86:15; 1 Petera 5:6, 7.

19. Nahoana isika no afaka milaza fa miantra Andriamanitra?

19 Olona maro mitana fahefana no mitondra ny hafa amin-kasiahana. Mifanohitra amin’izany kosa fa toy inona moa ny fiantran’i Jehovah ireo mpanompony manetry tena! Na dia izy aza no fahefana ambony indrindra eo amin’izao rehetra izao, dia mampiseho hatsaram-panahy miavaka, amin’ny ankapobeny, amin’ny olombelona rehetra izy. (Salamo 8:3, 4; Lioka 6:35). Miantra ny isam-batan’olona koa i Jehovah, ka mamaly ireo fitalahoana sitraka ataon’izy ireo. (Eksodosy 22:25, 26; Lioka 18:13, 14). Mazava ho azy fa tsy voatery haneho sitraka na famindram-po na amin’iza na amin’iza Andriamanitra. (Eksodosy 33:19). Noho izany, dia mila maneho fankasitrahana lalina ny famindram-po sy ny fiantran’Andriamanitra isika. — Salamo 145:1, 8.

TSY MORA TEZITRA, TSY MIZAHA TAVAN’OLONA, MARINA

20. Inona no mampiseho fa i Jehovah dia sady tsy mora tezitra no tsy mizaha tavan’olona?

20 Tsy mora tezitra i Jehovah. Kanefa, izany akory tsy midika hoe tsy manao zavatra izy, satria nanao zavatra tokoa izy tamin’ny fandringanana an’i Farao feno kiry sy ny tafiny tao amin’ny Ranomasina Mena. Tsy mizaha tavan’olona koa i Jehovah. Noho izany, ilay vahoaka nanehoany sitraka, izany hoe ny Isiraelita, tamin’ny farany dia tsy nahazo sitraka taminy intsony noho ny nikirizan’izy ireo nanao ratsy. Andriamanitra dia manaiky ho mpivavaka aminy, olona avy amin’ny firenena rehetra, saingy ireo izay manaraka ireo lalany marina ihany. — Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

21. a) Inona no ampianarin’ny Apokalypsy 15:2-4 antsika momba an’Andriamanitra? b) Inona no hanamora kokoa ny fanaovantsika izay lazain’Andriamanitra fa marina?

21 Ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly dia manasongadina ny maha-zava-dehibe ny hianarana momba ireo ‘fitsarana marin’Andriamanitra’. Milaza amintsika izy io fa mihira toy izao ireo zavaboary any an-danitra: “Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha; mahitsy sy marina ny làlanao, ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.” (Apokalypsy 15:2-4). Mampiseho tahotra mahasoa an’i Jehovah, na fanajana ara-pivavahana azy, isika amin’ny fanarahana izay lazainy fa marina. Mora kokoa ny fanaovana izany raha mitadidy ny fahendren’Andriamanitra sy ny fitiavany isika. Ny baikony rehetra dia natao mba hahitantsika soa avokoa. — Isaia 48:17, 18.

“JEHOVAH ANDRIAMANITSIKA DIA JEHOVAH IRAY IHANY”

22. Nahoana ireo izay manaiky ny Baiboly no tsy mivavaka amina Trinite iray?

22 Nivavaka tamin’andriamanitra maro ny Egyptiana fahiny, fa i Jehovah kosa dia “Andriamanitra saro-piaro [“mitaky fifikirana tsy mizarazara”, NW ]”. (Eksodosy 20:⁠5). Nampahatsiahy an’ireo Isiraelita i Mosesy fa i “Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany”. (Deoteronomia 6:⁠4, izahay no manao sora-mandry.) Namerina ireo teny ireo i Jesosy Kristy. (Marka 12:28, 29). Noho izany, ireo izay manaiky ny Baiboly ho ny Tenin’Andriamanitra dia tsy mivavaka amina Trinite iray izay voaforona persona na andriamanitra telo izay iray. Raha ny marina, ny teny hoe “Trinite” dia tsy miseho ao amin’ny Baiboly akory. Ilay Andriamanitra marina dia Persona iray, miavaka tsara amin’i Jesosy Kristy. (Jaona 14:28; 1 Korintiana 15:28). Ny fanahy masin’Andriamanitra dia tsy persona akory. Izy io dia ny hery miasan’i Jehovah, ampiasain’ny Tsitoha mba hanatanterahana ny fikasany. — Genesisy 1:⁠2; Asan’ny Apostoly 2:1-4, 32, 33; 2 Petera 1:20, 21.

23. a) Ahoana no hitomboan’ny fitiavanao an’Andriamanitra? b) Inona no notenenin’i Jesosy momba ny fitiavana an’Andriamanitra, ary inona no ilaintsika hianarana momba an’i Kristy?

23 Rehefa mandinika ny maha-mahatalanjona an’i Jehovah ianao, moa ve ianao tsy manaiky fa mendrika ny fanompoam-pivavahanao izy? Eo am-pianaranao ny Teniny, ny Baiboly, dia hanjary hahafantatra azy tsaratsara kokoa ianao ary hianatra izay takiny aminao mba hahazoanao soa sy fahasambarana mandrakizay. (Matio 5:3, 6). Fanampin’izany, dia hitombo ny fitiavanao an’Andriamanitra. Tena mety izany, satria hoy i Jesosy: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.” (Marka 12:30). Miharihary fa i Jesosy dia nanana fitiavana an’Andriamanitra toy izany. Inona anefa no ahariharin’ny Baiboly momba an’i Jesosy Kristy? Inona no anjara asany ao amin’ny fikasan’i Jehovah?

TSAPAO NY FAHALALANAO

Iza no anaran’Andriamanitra, ary impiry izy io no ampiasaina ao amin’ireo Soratra Hebreo?

Nahoana ianao no tokony hampiasa ny anaran’Andriamanitra?

Toetran’i Jehovah Andriamanitra inona avy no manintona anao indrindra indrindra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 29]

Fantatrao tsara ve ny Mpamorona ny zava-drehetra?