Jesosy Kristy — Ilay Fanalahidin’ny Fahalalana An’Andriamanitra
Toko Faha-4
Jesosy Kristy — Ilay Fanalahidin’ny Fahalalana An’Andriamanitra
1, 2. Tamin’ny ahoana ireo fivavahan’itỳ tontolo itỳ no nanimba ny fanalahidin’ny fahalalana an’Andriamanitra?
MIJORO eo am-baravarana ianao, mitsapatsapa amin’ny lakilenao. Mangatsiaka sady maizina ny andro, ary may ny hiditra ao an-trano ianao — nefa tsy mandeha ilay lakile. Toa ilay tena izy ilay izy, nefa tsy mety mivoha ilay hidim-baravarana. Mahakivy! Mijery an’ilay lakile indray ianao. Ilay tena izy tokoa àry ve io ampiasainao io? Nisy nanimba àry ve ilay lakile?
2 Izany dia sary tena mifanentana tsara amin’izay nataon’ny fisafotofotoana ara-pivavahan’itỳ tontolo itỳ tamin’ny fahalalana an’Andriamanitra. Raha ny marina no lazaina, dia maro no nanimba ilay lakile, na fanalahidy, manokatra io fahalalana io mba ho azontsika — i Jesosy Kristy. Misy fivavahana nanala ilay fanalahidy, ka ninia tsy nahalala an’i Jesosy tsotra izao. Ny hafa nanolana ny hevitry ny anjara asan’i Jesosy, ka nivavaka taminy, tamin’ny fanaovana azy ho ilay Andriamanitra Tsitoha. Na ahoana na ahoana, ny fahalalana an’Andriamanitra dia mihidy amintsika, raha tsy misy fahatakarana araka ny marina momba io persona tena lehibe io, dia i Jesosy Kristy.
3. Nahoana no mety ny hiantsoana an’i Jesosy hoe ny fanalahidin’ny fahalalana an’Andriamanitra?
3 Mety hotsaroanao fa nilaza i Jesosy hoe: “Izao no midika ho fiainana mandrakizay: ny fandraisany fahalalana anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy an’ilay nirahinao, i Jesosy Kristy.” (Jaona 17:3, NW ). Rehefa niteny an’io i Jesosy, dia tsy hoe nirehareha akory. Ny Soratra Masina dia mamerimberina manasongadina fa ilaina ny fahalalana araka ny marina an’i Kristy. (Efesiana 4:13, NW; Kolosiana 2:2, NW; 2 Petera 1:8, NW; 2:20, NW ). “Izy [Jesosy Kristy] no ambaran’ny mpaminany rehetra”, hoy ny nomarihin’ny apostoly Petera. (Asan’ny Apostoly 10:43). Ary hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “[Jesosy] Izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.” (Kolosiana 2:3). I Paoly aza dia nilaza mihitsy fa ny teny fikasan’Andriamanitra rehetra dia tanteraka avokoa noho i Jesosy. (2 Korintiana 1:20). Koa i Jesosy Kristy àry no ilay fanalahidin’ny fahalalana an’Andriamanitra. Ny fahalalantsika an’i Jesosy dia tsy maintsy ho afaka amin’izay fanolanan-kevitra rehetra raha ny amin’ny maha-izy azy sy ny anjara asany ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra. Nahoana anefa ireo mpanara-dia an’i Jesosy no mihevitra azy ho ny persona lehibe indrindra ao amin’ny fikasan’Andriamanitra?
ILAY MESIA NAMPANANTENAINA
4, 5. Fanantenana inona avy no nifantoka tamin’ny Mesia, ary ahoana no niheveran’ny mpianatr’i Jesosy azy?
4 Hatramin’ny andron’ilay lehilahy nahatoky natao hoe Abela, ireo mpanompon’Andriamanitra dia niandry tamim-panantenana sy tamim-pahadodonana an’ilay Taranaka nambaran’ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mialoha. (Genesisy 3:15; 4:1-8; Hebreo 11:4). Naharihary fa ilay Taranaka dia hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra amin’ny maha-Mesia, midika hoe “Voahosotra”, azy. “Hanampina ny fahotana” izy, ary ireo voninahitry ny Fanjakany dia efa nambara mialoha tao amin’ireo salamo. (Daniela 9:24-26; Salamo 72:1-20). Iza no ho voaporofo ho ilay Mesia?
5 Alao sary an-tsaina ny fientanam-po tsapan’ny lehilahy jiosy tanora iray nantsoina hoe Andrea, rehefa nihaino ireo tenin’i Jesosy avy tany Nazareta izy. Nihazakazaka nankany amin’i Simona Petera rahalahiny izy ary nilaza taminy hoe: “Efa nahita ny Mesia izahay”. (Jaona 1:41). Ireo mpianatr’i Jesosy dia niaiky fa izy no ilay Mesia nampanantenaina. (Matio 16:16). Ary ny Kristiana marina dia vonona ny hamoy ny ainy noho ny finoana fa i Jesosy no ilay Mesia, na Kristy, nambara mialoha. Inona no porofo nananan’izy ireo? Andeha isika handinika fanaporofoan-kevitra telo.
POROFO FA I JESOSY NO MESIA
6. a) Firazanana inona no tokony hiavian’ilay Taranaka nampanantenaina, ary ahoana no ahafantarantsika fa avy tamin’io firazanana io i Jesosy? b) Nahoana no tsy ho azon’iza na iza niaina taorian’ny 70 am.f.i. atao ny hanaporofo ny fihamboany ho ny Mesia?
6 Ny filazam-pirazanan’i Jesosy dia manorina ny fototra voalohany hahafantarana azy ho ilay Mesia nampanantenaina. Nilaza tamin’i Abrahama mpanompony i Jehovah fa ho avy ao amin’ny fianakaviany ilay Taranaka nampanantenaina. I Isaka zanak’i Abrahama sy i Jakoba zanak’i Isaka ary i Joda zanak’i Jakoba dia samy nahazo fampanantenana nitovy tamin’izany. (Genesisy 22:18; 26:2-5; 28:12-15; 49:10). Nihanifintina ny lisitry ny firazanan’ny Mesia, taonjato maro tatỳ aoriana, rehefa nilazana i Davida Mpanjaka fa avy amin’ny fianakaviany no hivoahan’Izy io. (Salamo 132:11; Isaia 11:1, 10). Ny fitantaran’ny Filazantsaran’i Matio sy i Lioka dia manamarina fa avy tamin’io fianakaviana io i Jesosy. (Matio 1:1-16; Lioka 3:23-38). Na dia nanana fahavalo maro nankahala azy aza i Jesosy, tsy nisy na dia iray tamin’ireo aza nihaika ny firazanany fantatra tsara. (Matio 21:9, 15). Mazava àry fa ny filazam-pirazanany dia tsy azo isalasalana velively. Kanefa, ireo firaketana an-tsoratra momba ny fianakaviana jiosy dia foana rehefa nandroba an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. ny Romana. Taorian’izay, dia tsy nisy na dia iray aza afaka nanaporofo ny fihamboany ho ilay Mesia nampanantenaina.
7. a) Inona no fanaporofoan-kevitra faharoa fa i Jesosy no Mesia? b) Ahoana no nahatanterahan’ny Mika 5:1, raha ny amin’i Jesosy?
7 Ny faminaniana tanteraka dia fanaporofoan-kevitra faharoa. Faminaniana am-polony maro ao amin’ireo Soratra Hebreo no milazalaza ireo lafiny maro samihafa tamin’ny fiainan’ny Mesia. Tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i., i Mika mpaminany dia nanambara mialoha fa io mpanapaka lehibe io dia ho teraka tao amin’ny tanànan’i Betlehema tsy dia nanao ahoana. Tanàna roa tany Isiraely no nantsoina hoe Betlehema, fa io faminaniana io kosa dia namaritra tsara hoe iza ilay izy: i Betlehema Efrata, izay nahaterahan’i Davida Mpanjaka. (Mika 5:1). Ny ray aman-drenin’i Jesosy, i Josefa sy i Maria, dia nipetraka tany Nazareta, 150 kilaometatra teo ho eo tany avaratr’i Betlehema. Fony i Maria bevohoka anefa, dia nandidy ny vahoaka rehetra mba hisoratra anarana tany amin’ny tanàna niaviany avy ilay mpanapaka romana nantsoina hoe Aogosto Kaisara. * Koa tsy maintsy nitondra ny vadiny bevohoka nankany Betlehema, izay nahaterahan’i Jesosy, àry i Josefa. — Lioka 2:1-7.
8. a) Oviana ary tamin’ny alalan’ny fisehoan-javatra inona no nanomboka ireo “herinandro” 69? b) Naharitra hafiriana ireo “herinandro” 69, ary inona no nitranga rehefa nifarana izy ireo?
8 Tamin’ny taonjato fahenina al.f.i., i Daniela mpaminany dia nanambara mialoha fa ny “Mesia Andriana” dia hiseho 69 “herinandro” aorian’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema. (Daniela 9:24, 25). Ny tsirairay tamin’ireo “herinandro” ireo dia naharitra fito taona. * Araka ny Baiboly sy ny tantara tsy ara-pivavahana, ny didy momba ny hanamboarana an’i Jerosalema dia navoaka tamin’ny 455 al.f.i. (Nehemia 2:1-8). Koa tokony hiseho 483 (69 impito) taona aorian’ny taona 455 al.f.i. àry ny Mesia. Izany dia mitondra antsika ho amin’ny taona 29 am.f.i., dia ny taona nanosoran’i Jehovah an’i Jesosy tamin’ny fanahy masina. Tamin’izay i Jesosy dia tonga “Kristy” (midika hoe “Voahosotra”), na Mesia. — Lioka 3:15, 16, 21, 22.
9. a) Ahoana no nahatanterahan’ny Salamo 2:2? b) Inona avy no faminaniana hafa sasany tanteraka tamin’i Jesosy? (Jereo ilay tabilao.)
9 Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no nanaiky an’i Jesosy ho ilay Mesia nampanantenaina, ary efa nanambara izany mialoha ny Soratra Masina. Araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Salamo 2:2, i Davida Mpanjaka dia nahazo tsindrimandry tamin’Andriamanitra mba hanambara mialoha hoe: “Ireo mpanjakan’ny tany mitsangana, ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany [“voahosony”, NW ]”. Io faminaniana io dia toa nilaza fa hiray saina ireo mpanapaka avy tany amin’ny tany mihoatra ny iray mba hamely Ilay Voahosotra, na Mesian’i Jehovah. Ary izany tokoa no nitranga. Ireo mpanapaka ara-pivavahana jiosy sy i Heroda Mpanjaka ary i Pontio Pilato, governora romana, dia samy nandray anjara tamin’ny famonoana an’i Jesosy ho faty. I Heroda sy i Pilato, izay mpifahavalo teo aloha, dia nanjary mpisakaiza tsy nivadika, nanomboka tamin’izay. (Matio 27:1, 2; Lioka 23:10-12; Asan’ny Apostoly 4:25-28). Mba hahazoana porofo fanampiny fa i Jesosy no Mesia, dia jereo, aza fady, ilay tabilao mitondra ny lohateny hoe “Faminaniana Sasantsasany Miavaka Momba ny Mesia”, miaraka amin’itỳ toko itỳ.
10. Tamin’ny fomba ahoana avy no nanamarinan’i Jehovah fa i Jesosy no Ilay Voahosotra nampanantenainy?
10 Ny teny fanamarinan’i Jehovah Andriamanitra dia fanaporofoan-kevitra fahatelo manohana ny maha-Mesia an’i Jesosy. Naniraka anjely i Jehovah mba hampahafantarana tamin’ny olona fa i Jesosy no ilay Mesia nampanantenaina. (Lioka 2:10-14). Raha ny marina, nandritra ny fiainan’i Jesosy teto an-tany, ny tenan’i Jehovah mihitsy dia niteny avy tany an-danitra, ka naneho ny fankasitrahany an’i Jesosy. (Matio 3:16, 17; 17:1-5). Nanome an’i Jesosy hery hanaovana fahagagana i Jehovah Andriamanitra. Ny tsirairay tamin’ireo dia porofo fanampiny avy tamin’Andriamanitra fa i Jesosy no Mesia, satria Andriamanitra dia tsy hanome hery hanaovana fahagagana na oviana na oviana ho an’ny mpisandoka iray. Nampiasa ny fanahiny masina koa i Jehovah mba hanomezana tsindrimandry ho amin’ny fitantarana ao amin’ireo Filazantsara, hany ka ny porofon’ny maha-Mesia an’i Jesosy dia tonga tapany amin’ny Baiboly, ilay boky nadika sy nozaraina be indrindra teo amin’ny tantara. — Jaona 4:25, 26.
11. Manao ahoana ny habetsahan’ny porofo fa i Jesosy no Mesia?
11 Ireo karazana porofo ireo miaraka dia mahafaoka zava-misy an-jatony maro izay mampahafantatra an’i Jesosy ho ilay Mesia nampanantenaina. Mazava àry fa ny Kristiana marina dia nihevitra azy araka ny marina ho ‘ilay nambaran’ny mpaminany rehetra’ sy ny fanalahidin’ny fahalalana an’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 10:43). Misy zavatra betsaka kokoa tokony hianarana momba an’i Jesosy Kristy anefa, ankoatra ny maha-Mesia azy. Avy taiza izy? Nanao ahoana ny toetrany?
NY FISIAN’I JESOSY TALOHAN’NY NAHA-OLOMBELONA AZY
12, 13. a) Ahoana no ahafantarantsika fa nisy tany an-danitra i Jesosy talohan’ny nahatongavany teto an-tany? b) Iza moa “ny Teny”, ary inona no nataony talohan’ny naha-olombelona azy?
12 Azo zaraina ho ambaratonga telo ny fiainan’i Jesosy. Ny voalohany dia nanomboka ela be talohan’ny nahaterahany teto an-tany. Ny Mika 5:1 dia nilaza fa ny nivoahan’ny Mesia dia ‘hatry ny fahagola, dia hatrizay hatrizay’. Ary i Jesosy dia nilaza tsotra izao fa ‘avy tany ambony’, izany hoe avy tany an-danitra, izy. (Jaona 8:23; 16:28). Hafiriana no nisiany tany an-danitra talohan’ny nahatongavany teto an-tany?
13 I Jesosy dia nantsoina hoe ny ‘Zanakalahy tokan’Andriamanitra’, satria namorona azy nivantana i Jehovah. (Jaona 3:16). Tamin’ny naha-“Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao” azy, avy eo i Jesosy dia nampiasain’Andriamanitra mba hamorona ny zavatra hafa rehetra. (Kolosiana 1:15; Apokalypsy 3:14). Ny Jaona 1:1 (NW ) dia milaza fa “ny Teny” (i Jesosy tamin’ny fisiany talohan’ny naha-olombelona azy) dia niaraka tamin’Andriamanitra “tamin’ny voalohany”. Koa ny Teny àry dia niaraka tamin’i Jehovah fony “ny lanitra sy ny tany” noforonina. Niresaka tamin’ny Teny Andriamanitra rehefa nilaza hoe: “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika”. (Genesisy 1:1, 26). Mitovy amin’izany koa, ny Teny dia tsy maintsy ho ilay “mpità-marika [“mpiasa faran’izay mahay”, NW ]” malalan’Andriamanitra, izay voalazalaza ao amin’ny Ohabolana 8:22-31 ho ny fahendrena raisina ho toy ny persona, niasa mafy teo anilan’i Jehovah tamin’ny fanaovana ny zava-drehetra. Rehefa avy nanome aina azy i Jehovah, ny Teny dia nandany taonjato maro tsy voaisa niarahana tamin’Andriamanitra tany an-danitra talohan’ny naha-olombelona azy teto an-tany.
14. Nahoana i Jesosy no antsoina hoe ny “endrik’Andriamanitra tsy hita”?
14 Tsy mahagaga àry raha miantso an’i Jesosy hoe ny “endrik’Andriamanitra tsy hita” ny Kolosiana 1:15! Noho ireo taona tsy hita isa nifaneraseran’izy ireo akaiky, ilay Zanaka nankato dia nanjary tsy misy hafa amin’ny Rainy, dia i Jehovah. Izany dia antony iray hafa maha-fanalahidin’ny fahalalana an’Andriamanitra manome fiainana, an’i Jesosy. Ny zavatra rehetra nataon’i Jesosy fony izy teto an-tany dia toy ny ho nanaovan’i Jehovah azy indrindra. Noho izany, ny fahafantarana an’i Jesosy dia midika koa hoe fampitomboana ny fahalalantsika an’i Jehovah. (Jaona 8:28; 14:8-10). Mazava àry fa tena iankinan’ny aina ny fahafantarana bebe kokoa momba an’i Jesosy Kristy.
NY FIAINAN’I JESOSY TETO AN-TANY
15. Ahoana no nahaterahan’i Jesosy ho zazakely lavorary?
15 Ny ambaratonga faharoa eo amin’ny fiainan’i Jesosy dia teto an-tany. Nanaiky an-tsitrapo izy rehefa namindra ny ainy avy tany an-danitra ho ao am-bohoky ny virjiny jiosy nahatoky iray nantsoina hoe Maria, Andriamanitra. ‘Nanaloka’ an’i Maria ny fanahy masina, na hery miasa, maherin’i Jehovah, ka nahatonga azy ho bevohoka sy hiteraka zazakely lavorary iray tamin’ny farany. (Lioka 1:34, 35). Tsy nandova tsy fahatanterahana i Jesosy, satria avy tamin’ny Loharano tanteraka iray ny ainy. Notezaina tao amin’ny tokantrano tsotsotra iray izy, dia zanaka natsangan’i Josefa mpandrafitra, ary lahimatoan’ilay fianakaviana maro anaka. — Isaia 7:14; Matio 1:22, 23; Marka 6:3.
16, 17. a) Taiza i Jesosy no nahazo hery hanaovana fahagagana, ary inona avy no sasany tamin’izy ireo? b) Inona avy no toetra sasany nasehon’i Jesosy?
16 Ny fifikirana lalina tamin’i Jehovah Andriamanitra nananan’i Jesosy dia efa niharihary sahady fony izy 12 taona. (Lioka 2:41-49). Rehefa lehibe i Jesosy ka niroso hanao ny fanompoany teo amin’ny faha-30 taonany, dia nampiseho ny fitiavany lalina ny mpiara-belona taminy koa. Rehefa nanome azy hery hanaovana fahagagana ny fanahy masina, dia nanasitrana tamim-pangoraham-po ny narary, ny nandringa, ny kilemaina, ny jamba, ny marenina, ny boka izy. (Matio 8:2-4; 15:30). Namahana olona noana an’arivony maro i Jesosy. (Matio 15:35-38). Nampitony tafio-drivotra iray izay nahatandindomin-doza ny ain’ireo namany izy. (Marka 4:37-39). Raha ny marina, dia nanangana ny maty mihitsy izy. (Jaona 11:43, 44). Zava-misy voamarina tsara teo amin’ny tantara ireny fahagagana ireny. Na dia ireo fahavalon’i Jesosy aza dia niaiky fa ‘nanao famantarana maro’ izy. — Jaona 11:47, 48.
17 Nanao dia nanerana ilay tany niaviany i Jesosy, ka nampianatra ny olona momba ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 4:17). Namela ohatra faran’izay tsara koa izy raha ny amin’ny faharetana sy ny fahalalana ny antonona. Na dia rehefa nandiso fanantenana azy aza ireo mpianany, dia hoy ny nomarihiny tamim-pahaiza-mangoraka: “Mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.” (Marka 14:37, 38). Kanefa, i Jesosy dia be herim-po sady niteny tsy nihambahamba tamin’ireo izay nanamavo ny fahamarinana sy nampahory ny tsy nanan-kery. (Matio 23:27-33). Ambonin’ny zava-drehetra, dia naka tahaka tamin’ny fomba tonga lafatra ny oha-pitiavan’ny Rainy izy. Vonona ny ho faty mihitsy aza i Jesosy mba hananan’ny olombelona tsy tanteraka fanantenana raha ny amin’ny hoavy. Tsy mahagaga àry raha mety ny hiresahantsika an’i Jesosy ho ny fanalahidin’ny fahalalana an’Andriamanitra! Eny, izy no ilay fanalahidy velona! Nahoana anefa isika no manao hoe fanalahidy velona? Izany dia mitondra antsika ho amin’ilay ambaratonga fahatelo eo amin’ny fiainany.
JESOSY AMIN’IZAO ANDRO IZAO
18. Ahoana no tokony ho fahitantsika an’i Jesosy Kristy amin’izao andro izao?
18 Na dia manao tatitra momba ny fahafatesan’i Jesosy aza ny Baiboly, dia velona izy ankehitriny! Raha ny marina, dia olona an-jatony maro velona tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. no vavolombelona nanatri-maso fa nitsangana tamin’ny maty izy. (1 Korintiana 15:3-8). Araka ny faminaniana, taorian’izay izy dia nipetraka teo an-tanana ankavanan’ny Rainy ary niandry ny handray ny fahefan’ny mpanjaka any an-danitra. (Salamo 110:1; Hebreo 10:12, 13). Koa ahoana àry no tokony ho fahitantsika an’i Jesosy amin’izao andro izao? Tokony hieritreritra azy ho toy ny zazakely tsy manan-kery ao amin’ny fihinanam-bilona ve isika? Sa ho toy ny lehilahy fadiranovana iray eo am-pamonoana azy? Tsia. Mpanjaka mahery sy efa manapaka izy ankehitriny! Ary tsy ho ela intsony izao, dia hampiharihary ny fanapahany eto amin’ny tanintsika feno zava-manahirana izy.
19. Zavatra inona no hataon’i Jesosy amin’ny hoavy efa akaiky?
19 Ao amin’ny Apokalypsy 19:11-15, i Jesosy Kristy Mpanjaka dia lazalazaina amin’ny teny toa hitan’ny maso, ho toy ny avy amin-kery lehibe mba handringana ny ratsy fanahy. Tsy maintsy ho may toy inona moa io Mpanapaka be fitiavana any an-danitra io ny hamarana ny fijaliana mampahory olona an-tapitrisany maro amin’izao andro izao! Ary may tsy misy hafa amin’izany koa izy ny hanampy ireo izay miezaka mafy mba hanahaka ny ohatra tonga lafatra navelany fony izy teto an-tany. (1 Petera 2:21). Maniry ny hiaro azy ireo amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, antsoina matetika hoe Haramagedona, izay manatona haingana, izy, mba hahafahan’izy ireo hiaina mandrakizay, amin’ny maha-olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra hiaina eto an-tany azy ireo. — Apokalypsy 7:9, 14; 16:14, 16.
20. Inona no hataon’i Jesosy ho an’ny olombelona mandritra ny Fanjakany Arivo Taona?
20 Mandritra ny Fanjakam-piadanana Arivo Taonan’i Jesosy nambara mialoha, dia hanao fahagagana ho an’ny olombelona rehetra izy. (Isaia 9:5, 6; 11:1-10; Apokalypsy 20:6). Hanasitrana ny aretina rehetra i Jesosy ary hamarana ny fahafatesana. Hanangana amin’ny maty olona an’arivo tapitrisany maro izy, mba hananan’izy ireo fahafahana hiaina mandrakizay eto an-tany. (Jaona 5:28, 29). Mino izahay fa hientan-kafaliana ianao hianatra bebe kokoa momba ny Fanjakany Mesianika ao amin’ny toko iray any aoriana. Mahazoa toky ny amin’izao: Tsy azontsika alaina sary an-tsaina akory ny fiainantsika hahatalanjona aoka izany eo ambanin’ny fanapahan’ilay Fanjakana. Zava-dehibe toy inona moa ny hoe manjary mahafantatra tsaratsara kokoa an’i Jesosy Kristy! Eny, tena ilaina ny tsy hanadinoantsika an’i Jesosy, ilay fanalahidy velon’ny fahalalana an’Andriamanitra izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 7 Io fanoratana anarana io dia nanome ho an’ny Empira Romana fahafahana tsara kokoa hitaky hetra. Noho izany, tsy fantatr’i Aogosto akory fa nanampy tamin’ny fanatanterahana faminaniana iray momba ny mpanapaka iray izay ‘hampandeha mpampiasa iray ho any amin’izay tsara indrindra amin’ny fanjakany’, ny tenany. Io faminaniana io ihany dia nanambara mialoha fa ilay “andriana vita fanekena aminy”, na ny Mesia, dia “hindaosina hiala” amin’ny andron’ilay mpandimby an’io mpanapaka io. Novonoina nandritra ny fotoana nanjakan’i Tiberio, mpandimby an’i Aogosto, i Jesosy. — Daniela 11:20-22.
^ feh. 8 Ireo Jiosy fahiny mazàna dia nanisa herinandron-taona. Ohatra, tsy misy hafa amin’ny naha-andro Sabata ny andro fahafito, dia toy izany koa fa ny taona fahafito dia taona Sabata. — Eksodosy 20:8-11; 23:10, 11.
TSAPAO NY FAHALALANAO
Amin’ny ahoana ny filazam-pirazanan’i Jesosy no manohana ny filazany ny tenany ho ny Mesia?
Inona avy no faminaniana sasany momba ny Mesia tanteraka tamin’i Jesosy?
Ahoana no nampisehoan’i Jehovah mivantana fa i Jesosy no Ilay Voahosony?
Nahoana i Jesosy no ilay fanalahidy velon’ny fahalalana an’Andriamanitra?
[Fanontaniana]
[Tabilao, pejy 37]
FAMINANIANA SASANTSASANY MIAVAKA MOMBA NY MESIA
FAMINANIANA FISEHOAN-JAVATRA FAHATANTERAHANA
NY FIAINANY EO AM-BOALOHANY
Isaia 7:14 Hateraky ny virjiny Matio 1:18-23
Jeremia 31:15 Hovonoina ireo zazakely Matio 2:16-18
aorian’ny hahaterahany
NY FANOMPOANY
Isaia 61:1, 2 Ny asa nasain’Andriamanitra Lioka 4:18-21
hataony
Isaia 8:23–9:1 Hahatonga ny olona Matio 4:13-16
hahita mazava lehibe
ny fanompoany
Salamo 69:9 Ho be zotom-po ho an’ Jaona 2:13-17
ny tranon’i Jehovah
Isaia 53:1 Tsy hinoana Jaona 12:37, 38
Zakaria 9:9; Hiditra ao Jerosalema Matio 21:1-9
Salamo 118:26 hitaingina zana-boriky;
hohobina toy ny mpanjaka sy
ilay avy amin’ny anaran’i Jehovah
NY HAMADIHANA AZY SY NY HAHAFATESANY
Salamo 41:9; Apostoly iray hivadika; Asan’ny Apostoly
109:8 hamadika an’i Jesosy Asa. 1:15-20
ary hosoloana atỳ aoriana
Zakaria 11:12 Hisy hamadika amin’ny Matio 26:14, 15
sekely volafotsy 30
Salamo 27:12 Vavolombelona sandoka Matio 26:59-61
hampiasaina mba
hanamelohana azy
Salamo 22:18 Hilokana ny fitafiany Jaona 19:23, 24
Isaia 53:12 Hatao ho isan’ny mpanota Matio 27:38
Salamo 22:7, 8 Hotenenin-dratsy Marka 15:29-32
eo am-pialana aina
Salamo 69:21 Homena vinaingitra Marka 15:23, 36
Isaia 53:5; Holefonina Jaona 19:34, 37
Isaia 53:9 Halevina miaraka amin’ny Matio 27:57-60
mpanan-karena
Salamo 16:8-11, Hatsangana alohan’ny Asan’ny
fanamarihana fahalovana Apostoly Asa. 2:25-32;
ambany pejy Asa. 13:34-37
[Sary, pejy 35]
Nanome an’i Jesosy hery hanasitranana ny marary Andriamanitra