Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahità Tsy Fananana Ahiahy eo Anivon’ny Vahoakan’Andriamanitra

Mahità Tsy Fananana Ahiahy eo Anivon’ny Vahoakan’Andriamanitra

Toko Faha-17

Mahità Tsy Fananana Ahiahy eo Anivon’ny Vahoakan’Andriamanitra

1, 2. Amin’ny ahoana ny tarehin-javatra misy ny olombelona no toy izay misy ny olona ao amin’ny faritra ravan’ny tafio-drivotra iray?

ALAO sary an-tsaina hoe nisy tafio-drivotra nahery vaika iray nandrava ny faritra onenanao. Rava ny tranonao, ary very ny fanananao rehetra. Zara raha misy sakafo. Toa tsy misy fanantenana ny tarehin-javatra. Avy eo dia misy fanampiana ara-nofo tonga tsy nampoizina. Tondraka ny fanomezana sakafo sy fitafiana. Misy trano vaovao iray amboarina ho anao. Azo antoka fa ho velom-pankasitrahana an’ilay olona nanao ireo fanomezana ireo ho azonao raisina ianao.

2 Misy zavatra azo ampitahaina amin’izany mitranga amin’izao andro izao. Toy io tafio-drivotra io, ny fikomian’i Adama sy i Eva dia niteraka fahasimbana lehibe ho an’ny taranak’olombelona. Very ilay fonenana Paradisan’ny olombelona. Nanomboka tamin’izay, ireo fitondram-panjakan’olombelona dia tsy nanome fialofana tamin’ny ady sy ny heloka bevava ary ny tsy rariny, ho an’ny olona. Ny fivavahana dia namela olona sesehena ho faty noana sakafo ara-panahy mahasalama. Amin’ny heviny ara-panahy anefa, i Jehovah Andriamanitra ankehitriny dia manome sakafo sy fitafiana ary fialofana. Ahoana no anaovany izany?

“NY MPANOMPO MAHATOKY SY MALINA”

3. Ahoana no nanaovan’i Jehovah fanomezana ho an’ny olombelona, araka ny asehon’ny ohatra inona avy?

3 Ny fanampiana ara-nofo mazàna dia zaraina amin’ny alalan’ny fitaovam-pampifandraisana voalamina iray, ary i Jehovah dia nanao fanomezana ara-panahy tamin’ny fomba mitovy amin’izany koa, ho an’ny vahoakany. Ohatra, ireo Isiraelita dia “kongregasionan’i Jehovah” nandritra ny 1 500 taona teo ho eo. Teo anivon’izy ireo dia nisy ireo izay nanompo tamin’ny naha-fitaovam-pampifandraisan’Andriamanitra mba hampianatra ny Lalàny. (1 Tantara 28:⁠8, NW; 2 Tantara 17:7-9). Tamin’ny taonjato voalohany am.⁠f.⁠i., i Jehovah dia niteraka ny fandaminana kristiana. Nisy kongregasiona niforona, ary dia niasa teo ambany fitarihan’ny fitambara-mpitantana iray voaforon’ny apostoly sy ny loholona, izy ireo. (Asan’ny Apostoly 15:22-31). Toy izany koa amin’izao andro izao, i Jehovah dia mifampiraharaha amin’ny vahoakany amin’ny alalan’ny fitambaran’olona voalamina iray. Ahoana no ahafantarantsika izany?

4. Voaporofo fa iza moa “ny mpanompo mahatoky sy malina” amin’ny andro maoderina, ary amin’ny fomba ahoana no ahazoana an’ireo fanomezana ara-panahy avy amin’Andriamanitra?

4 Nilaza i Jesosy fa amin’ny fotoan’ny fanatrehany, rehefa hahazo ny fahefana ao amin’ilay Fanjakana izy, “ny mpanompo mahatoky sy malina” dia ho hita hanome “sakafo amin’ny fotoana mety” ho an’ireo mpanara-dia Azy. (Matio 24:45-47, NW ). Rehefa tafapetraka ho Mpanjaka any an-danitra i Jesosy tamin’ny 1914, iza moa no voaporofo ho io “mpanompo” io? Azo antoka fa tsy ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana izany. Ny ankamaroan’izy ireo dia namahana ny andian’ondriny tamin’ny fampielezan-kevitra izay nanohana ny fitondram-panjakan’ny fireneny manokana, tamin’ny Ady Lehibe Voalohany. Nisy sakafo ara-panahy nety sy tamin’ny fotoana nilana azy anefa nozarain’ny antokona Kristiana marina izay voahosotry ny fanahy masin’Andriamanitra ary anisan’izay nantsoin’i Jesosy hoe “ondry vitsy”. (Lioka 12:32). Ireny Kristiana voahosotra ireny dia nitory ny Fanjakan’Andriamanitra, fa tsy ny fitondram-panjakan’olombelona akory. Ho vokany, rehefa nandeha ireo taona, dia an-tapitrisany maro tamin’ireo “ondry hafa” manana fironana marina, no niaraka tamin’ilay “mpanompo” voahosotra mba hanaraka ny fivavahana marina. (Jaona 10:16). Mampiasa ny “mpanompo mahatoky”, sy ny Fitambara-mpitantany amin’ny andro ankehitriny Andriamanitra, ka mitarika ny vahoakany voalamina mba hahatonga ny sakafo sy ny fitafiana ary ny fialofana ara-panahy ho azon’izay rehetra maniry hahazo izany fanomezany izany, raisina.

“SAKAFO AMIN’NY FOTOANA METY”

5. Toe-piainana ara-panahy manao ahoana no misy eto amin’itỳ tontolo itỳ amin’izao andro izao, nefa inona no ataon’i Jehovah momba izany?

5 Hoy i Jesosy: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.” (Matio 4:⁠4). Mampalahelo anefa fa ny ankabeazan’ny olona dia tsy maneho fiheverana an’ireo tenin’Andriamanitra. Araka ny nambaran’i Amosa, mpaminanin’i Jehovah, mialoha, dia misy “mosary (⁠.⁠.⁠.⁠), tsy fanirian-kanina, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah”. (Amosa 8:11). Na dia ireo olona mpivavaka be aza dia mosarena ara-panahy. Na dia izany aza, i Jehovah dia tia “ny [karazan’olona, NW ] rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina”. (1 Timoty 2:3, 4). Mifanaraka amin’izany, dia manome sakafo ara-panahy tondraka izy. Aiza anefa no ahazoana azy io?

6. Ahoana no namahanan’i Jehovah ny vahoakany teo amin’ny ara-panahy tamin’ny andro taloha?

6 Tao anatin’ny tantara manontolo, i Jehovah dia nizara sakafo ara-panahy ho an’ny vahoakany tamin’ny naha-antokon’olona azy ireo. (Isaia 65:13). Ohatra, ireo mpisorona isiraelita dia nanangona lehilahy sy vehivavy ary ankizy mba hampianarina ny Lalàn’Andriamanitra niaraka. (Deoteronomia 31:9, 12). Teo ambany fitarihan’ny fitambara-mpitantana, ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia nandamina kongregasiona ary nanao fivoriana mba hampianarana sy hampaherezana ny rehetra. (Romana 16:⁠5, NW; Filemona 1, 2, NW ). Manaraka io modely io ny Vavolombelon’i Jehovah. Asaina an-tanan-droa ianao mba hanatrika ireo fivoriany rehetra.

7. Ahoana no ifandraisan’ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana kristiana amin’ny fahalalana sy ny finoana?

7 Mazava ho azy fa mety ho efa nianatra zavatra betsaka ianao tamin’ny fianaranao manokana ny Baiboly. Angamba nisy olona nanampy anao. (Asan’ny Apostoly 8:30-35). Ny finoanao anefa dia mety ho azo oharina amin’ny zavamaniry iray izay halazo sy ho faty raha tsy omena fikarakarana sahaza azy. Noho izany, dia tsy maintsy mahazo hanina ara-panahy mety ianao. (1 Timoty 4:⁠6, NW ). Ireo fivoriana kristiana dia manome fandaharam-pampianarana mitohy, nokendrena mba hanomezana hanina ara-panahy anao sy hanampiana anao tsy hitsahatra ny hampitombo ny finoanao eo am-panitaranao ny fahalalanao an’Andriamanitra. — Kolosiana 1:9, 10.

8. Nahoana isika no ampirisihina mba hanatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah?

8 Mahatanteraka zava-kendrena tena lehibe hafa iray koa ireo fivoriana. Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona”. (Hebreo 10:24, 25). Ny teny grika nadika hoe “mampandroso” dia afaka midika koa hoe “mandranitra”. Hoy ny ambaran’ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Ny vy maharanitra ny vy, toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ny sakaizany.” (Ohabolana 27:17). Isika rehetra dia samy mila ‘fandranitana’ mitohy. Ireo fanerena isan’andro avy amin’itỳ tontolo itỳ dia afaka manadombo ny finoantsika. Rehefa manatrika ireo fivoriana kristiana isika, dia misy fifanakalozana fampaherezana. (Romana 1:11, 12, NW ). Ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona dia manaraka ny fananaran’ny apostoly Paoly mba ‘hifananatra sy hifampahatanjaka’, ka ireo zavatra ireo dia mandranitra ny finoantsika. (1 Tesaloniana 5:11). Ny fanatrehantsika tsy tapaka ireo fivoriana kristiana dia manondro koa fa tia an’Andriamanitra isika, sady manome antsika fahafahana hidera azy. — Salamo 35:⁠18.

“MITAFIA FITIAVANA”

9. Ahoana no namelan’i Jehovah ohatra raha ny amin’ny fanehoana fitiavana?

9 Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Mitafia fitiavana, fa fehy fampiraisana tonga lafatra izy io.” (Kolosiana 3:14, NW ). Nanome antsika io fitafiana io tamin-katsaram-panahy i Jehovah. Tamin’ny fomba ahoana? Afaka maneho fitiavana ny Kristiana satria izy io dia iray amin’ireo vokatry ny fanahy masin’i Jehovah izay nomen’Andriamanitra. (Galatiana 5:22, 23). I Jehovah mihitsy no naneho ny fitiavana lehibe indrindra tamin’ny fanirahana ny Zanany lahitokana mba hahafahantsika hanana fiainana mandrakizay. (Jaona 3:16). Io fanehoam-pitiavana fara tampony io dia nanome antsika modely mba hanehoana io toetra tsara io. “Raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Jaona, “dia mba tokony hifankatia koa isika.” — 1 Jaona 4:⁠11.

10. Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny “fitambaran-drahalahy manontolo”?

10 Ny fanatrehanao ireo fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana dia hanome anao fahafahana faran’izay tsara hampiseho fitiavana. Any ianao dia hahita karazan’olona be dia be. Tsy isalasalana fa hahatsiaro ho voasinton’ny maro aminy avy hatrany ianao. Mazava ho azy fa samy hafa ny toetran’ny olona na dia eo anivon’ireo izay manompo an’i Jehovah aza. Angamba tamin’ny lasa ianao dia nanalavitra fotsiny an’ireo olona izay tsy nitovy zava-nahaliana na lafin-toetra taminao. Ny Kristiana anefa dia tokony ‘hanana fitiavana ny fitambaran-drahalahy manontolo’. (1 Petera 2:17, NW ). Noho izany, dia ataovy ho tanjonao ny hahafantatra an’ireo any amin’ny Efitrano Fanjakana — na dia ireo olona mety tsy hitovy taona, toetra, firazanana na fari-pahaizana aminao aza. Azo inoana fa ho hitanao fa faran’izay miavaka raha ny amin’ny toetra iray maha-te ho tia ny tsirairay aminy.

11. Nahoana ianao no tsy tokony ho voahelingelin’ny toetran’olona maro samihafa eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah?

11 Ny maha-samy hafa ny toetran’ireo olona ao amin’ny kongregasiona dia tsy voatery hanelingelina anao. Mba hampisehoana izany, dia alao sary an-tsaina hoe misy fiara maro be miara-manao dia aminao eo amin’ny lalana iray. Tsy mamindra amin’ny hafainganam-pandeha mitovy izy rehetra, no sady tsy mitovy ny hatsaran’izy rehetra. Ny sasany efa nanao kilaometatra maro teo amin’ilay dia, fa ny hafa kosa, toa anao, dia vao nanomboka ilay dia. Na manao ahoana na manao ahoana anefa ireo fahasamihafana ireo, dia samy manohy ilay dia eo amin’ilay lalana izy rehetra. Mitovy amin’izany koa ny amin’ireo olona mahaforona ny kongregasiona iray. Tsy mamboly ireo toetra kristiana amin’ny hafainganam-pandeha mitovy izy rehetra. Ankoatra izany, dia tsy mitovy ny toetrany ara-batana na ara-pihetseham-po. Ny sasany efa nanompo an’i Jehovah hatramin’ny taona maro; ny hafa kosa vao nanomboka. Kanefa, samy manohy ilay dia eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay izy rehetra, ‘tafakambana tsara, miray saina sy hevitra’. (1 Korintiana 1:10). Noho izany, dia tadiavo ireo toetra tsara, fa tsy ireo fahalemen’ireo ao amin’ny kongregasiona kosa. Ny fanaovanao izany dia hanafana ny fonao, satria ho takatrao fa Andriamanitra dia eo amin’ireo olona ireo marina tokoa. Ary azo antoka fa ao no tianao hisy anao. — 1 Korintiana 14:⁠25.

12, 13. a) Raha misy olona ao amin’ny kongregasiona manafintohina anao, inona moa no azonao atao? b) Nahoana no zava-dehibe ny tsy hitanana fahatezerana?

12 Koa satria tsy tanteraka ny olona rehetra, indraindray dia mety hilaza na hanao zavatra izay hahasosotra anao ny olona iray ao amin’ny kongregasiona. (Romana 3:23). Hoy ny nosoratan’i Jakoba mpianatra araka ny zavatra tena misy: “Tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka”. (Jakoba 3:⁠2). Hanao ahoana ny fihetsikao raha misy olona manafintohina anao? Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Ny [fahaiza-mahataka-javatry, NW ] ny olona manindry ny fahatezerany, ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.” (Ohabolana 19:11). Ny hoe manana fahaiza-mahataka-javatra dia midika hoe mahita ny ao ambadiky ny miseho ivelany amin’ny tarehin-javatra iray, mahatakatra ireo lafin-javatra fototra mahatonga ny olona iray hiteny na hanao zavatra amin’ny fomba iray. Ny ankamaroantsika dia mampiasa fahaiza-mahataka-javatra lehibe mba hanalana tsiny ny fahadisoan’ny tenantsika manokana. Nahoana raha mampiasa azy io koa mba hahatakarana sy hanaronana ireo tsy fahatanterahan’ny hafa? — Matio 7:1-5; Kolosiana 3:⁠13.

13 Aza hadinoina na oviana na oviana fa tsy maintsy mamela ny heloky ny hafa isika raha tiantsika ny hahazo famelan-keloka avy amin’i Jehovah. (Matio 6:9, 12, 14, 15). Raha manaraka ny fahamarinana isika, dia hitondra ny hafa amim-pitiavana. (1 Jaona 1:6, 7; 3:14-16; 4:20, 21). Noho izany, raha mahita zava-manahirana noho ny olona iray ao amin’ny kongregasiona ianao, dia miezaha mba tsy hitana fahatezerana. Raha mitafy fitiavana ianao, dia hiezaka mafy mba handamina ilay zava-manahirana, ary tsy hisalasala hiala tsiny raha nahatonga fahatafintohinana. — Matio 5:23, 24; 18:15-17.

14. Toetra tsara inona avy no tokony hotafintsika?

14 Misy toetra tsara hafa mifandray akaiky amin’ny fitiavana tokony ho tafiditra ao amin’ny fitafiantsika ara-panahy. Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana”. Ireo lafin-toetra ireo, izay voafaoka ao amin’ny fitiavana, dia anisan’ilay “toetra vaovao” araka an’Andriamanitra. (Kolosiana 3:10, 12). Hanao ny ezaka hitafy amin’io fomba io ve ianao? Raha mitafy ny fitiavan-drahalahy indrindra ianao no hanana ny marika iray famantarana ny mpianatr’i Jesosy, satria hoy izy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:⁠35.

TOERANA TSY ANANANA AHIAHY

15. Amin’ny ahoana ny kongregasiona no toy ny fialofana?

15 Ny kongregasiona koa dia fialofana, toeram-piarovana ahafahanao tsy manana ahiahy. Ao ianao dia hahita olona mahitsy fo izay miezaka mafy mba hanao izay tsara eo imason’Andriamanitra. Maro amin’izy ireo no efa nanaisotra ireo fanao sy fihetsika ratsy izay mety hiezahanao horesena koa. (Titosy 3:⁠3). Afaka manampy anao izy ireo, satria asaina “mifampitondra izay mahavesatra” isika. (Galatiana 6:⁠2). Mazava ho azy fa ny fanarahana lalana iray izay mitarika ho any amin’ny fiainana mandrakizay dia andraikitrao manokana amin’ny farany. (Galatiana 6:⁠5; Filipiana 2:12). Kanefa, i Jehovah dia nanome ny kongregasiona kristiana ho fitaovana mahatalanjona ahazoana fanampiana sy fanohanana. Na dia mety hampahory toy inona aza ireo zava-manahirana anao, dia manana fanampiana sarobidy iray azonao anovozana ianao — kongregasiona be fitiavana iray izay hanohana anao amin’ny fotoam-pahoriana na famoizana. — Ampitahao amin’ny Lioka 10:29-37; Asan’ny Apostoly 20:⁠35.

16. Fanampiana inona no omen’ireo loholon’ny kongregasiona?

16 Anisan’ireo izay ho avy hanohana anao koa dia ireo “fanomezana lehilahy” — loholona, na mpiandraikitra, voatendry ao amin’ny kongregasiona, izay miandry ny andian’ondry an-tsitrapo sy amin’ny zotom-panahy. (Efesiana 4:8, 11, 12, NW; Asan’ny Apostoly 20:28, NW; 1 Petera 5:2, 3, NW ). Momba azy ireo, dia hoy ny faminanian’i Isaia: “Hisy lehilahy ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ho ranovelona ao amin’ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana.” — Isaia 32:⁠2.

17. a) Karazana fanampiana inona no tena tian’i Jesosy homena indrindra? b) Fanomezana inona no nampanantenain’Andriamanitra fa hataony ho an’ny vahoakany?

17 Fony teto an-tany i Jesosy, dia nampalahelo fa tsy nisy fiandraiketana feno fitiavana avy tamin’ireo filoha ara-pivavahana. Nampihetsi-po lalina azy ny toe-piainana nisy ny olona, ka naniry indrindra ny hanampy azy ireo teo amin’ny ara-panahy izy. Onena azy ireo i Jesosy satria “nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry”. (Matio 9:36). Mifanentana toy inona moa izany mba hilazalazana ny toe-javatra mahonena amin’ny andro ankehitriny misy ny olona maro, izay miaritra zava-manahirana mahafadiranovana, nefa tsy misy olona azony itodihana mba hahazoana fanampiana sy fampiononana ara-panahy! Ny vahoakan’i Jehovah anefa tena manana fanampiana ara-panahy, satria hoy ny nampanantenainy: “Hanendry mpiandry ho azy Aho, ka dia hiandry azy ireo; ka tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy, sady tsy hisy tsy ho voavory”. — Jeremia 23:⁠4.

18. Nahoana isika no tokony hanatona loholona iray raha mila fanampiana ara-panahy?

18 Ataovy izay hahafantarana ireo loholona voatendry ao amin’ny kongregasiona. Manana fanandraman-javatra be dia be izy ireo raha ny amin’ny fampiharana ny fahalalana an’Andriamanitra, satria nahafeno ireo toetra takina mba ho mpiandraikitra, voasoritra ao amin’ny Baiboly. (1 Timoty 3:1-7, NW; Titosy 1:5-9, NW ). Aza misalasala manatona ny iray amin’izy ireo raha mila fanampiana ara-panahy ianao mba handresena fahazarana iray na lafin-toetra iray izay mifanipaka amin’ny fepetra takin’Andriamanitra. Ho hitanao fa ireo loholona dia manaraka ny fananaran’i Paoly manao hoe: “Omeo toky [ireo fanahy (âme) ketraka, NW ]; ampaherezo ny reraka; mandefera amin’ny olona rehetra.” — 1 Tesaloniana 2:7, 8; 5:⁠14.

MIFALIA AMIN’NY TSY FANANANA AHIAHY MIARAKA AMIN’NY VAHOAKAN’I JEHOVAH

19. Fitahiana inona avy no efa narotsak’i Jehovah tamin’ireo izay mitady tsy fananana ahiahy ao anatin’ny fandaminany?

19 Na dia miaina eo anivon’ny toe-piainana tsy tanteraka aza isika ankehitriny, i Jehovah dia manome antsika sakafo sy fitafiana ary fialofana ara-panahy. Mazava ho azy fa tsy maintsy miandry ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra isika mba hahitana ireo soa avy amin’ny paradisa ara-bakiteny. Ireo izay anisan’ny fandaminan’i Jehovah ­anefa ankehitriny dia mifaly amin’ny tsy fananana ahiahy ao amin’ny paradisa ara-panahy. Mikasika azy ireo, dia hoy ny faminanian’i Ezekiela: “[Honina ao anatin’ny tsy fananana ahiahy tokoa izy, NW ], ary tsy hisy hanaitaitra azy.” — Ezekiela 34:28; Salamo 4:⁠8.

20. Ahoana no hanoneran’i Jehovah izay rehetra mety hafointsika noho ny fanompoam-pivavahana aminy?

20 Afaka ny ho velom-pankasitrahana toy inona moa isika noho i Jehovah manao fanomezana ara-panahy feno fitiavana amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany! Manatòna akaiky ny vahoakan’Andriamanitra. Aza miahotra noho ny tahotra noho izay mety hoeritreretin’ny namana na ny havana momba anao, satria hoe mandray fahalalana an’Andriamanitra ianao. Mety hisy tsy hankasitraka satria hoe mifanerasera amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy manatrika ireo fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana ianao. Hanonitra be dia be izay rehetra afoinao noho ny fanompoam-pivavahana aminy anefa Andriamanitra. (Malakia 3:10). Ambonin’izany, dia hoy i Jesosy: “Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao — dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ny fanenjehana — ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.” (Marka 10:29, 30). Eny, na inona na inona nilaozanao na tsy maintsy iaretanao, dia afaka mahita fisakaizana maharavoravo sy tsy fananana ahiahy ara-panahy eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra ianao!

TSAPAO NY FAHALALANAO

Iza moa ilay “mpanompo mahatoky sy malina”?

Fandaharana inona no nataon’i Jehovah mba hamahanana antsika ara-panahy?

Ahoana no ahafahan’ireo ao amin’ny kongregasiona kristiana manampy antsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 165]