Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manapaka ny Fanjakan’Andriamanitra

Manapaka ny Fanjakan’Andriamanitra

Toko Faha-10

Manapaka ny Fanjakan’Andriamanitra

1, 2. Tamin’ny ahoana ny fitondram-panjakan’olombelona no voaporofo ho tsy mahay?

ANGAMBA efa fantatrao izany hoe mividy fitaovana iray izay hitanao tatỳ aoriana fa tsy nandeha akory. Aoka hatao hoe niantso mpanamboatra iray ianao. Tsy ela taorian’ny “nanamboarany” azy anefa, dia simba ilay izy. Nandiso fanantenana toy inona moa izany!

2 Mitovy amin’izany koa ny amin’ny fitondram-panjakan’olombelona. Ny olombelona dia naniry foana fitondram-panjakana izay hanome antoka ny amin’ny fiadanana sy ny fahasambarana. Kanefa, ireo fikelezana aina mafy mba hanamboarana ireo fahasimbana teo amin’ny fitambaran’olona dia tsy tena nahomby. Fanekem-pihavanana maro be no natao — sy nodikaina avy eo. Ambonin’izany, fitondram-panjakana iza moa no nahafongotra ny fahantrana, ny fanavakavahana, ny heloka bevava, ny aretina ary ny fahasimban’ny tontolo iainana? Tsy azo amboarina intsony ny fanapahan’olombelona. Na dia i Solomona, Mpanjaka hendry teo amin’ny Isiraely, aza dia nanontany hoe: “Ary hataon’izay olombelona ahoana no hahafantatra ny làlany?” — Ohabolana 20:⁠24.

3. a) Inona no foto-kevitry ny fitorian’i Jesosy? b) Amin’ny fomba ahoana avy no ilazalazan’ny olona sasany ny Fanjakan’Andriamanitra?

3 Aza mamoy fo! Tsy nofinofy fotsiny ny fitondram-panjakana mafy orina iray haneran-tany. Izy io no foto-kevitry ny fitorian’i Jesosy. Niantso azy io hoe “ny fanjakan’Andriamanitra” izy, ary nampianatra ny mpanara-dia azy mba hangataka azy io amin’ny vavaka. (Lioka 11:⁠2; 21:31). Mazava ho azy fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia tononina matetika any amin’ireo fivoriana ara-pivavahana. Raha ny marina aza, dia olona an-tapitrisany maro no mangataka azy io amin’ny vavaka isan’andro rehefa mamerina ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo (antsoina koa hoe ny Rainay Izay any An-danitra na vavaka fakan-tahaka) izy ireo. Maro samihafa anefa ny valin-teny omen’ny olona, rehefa anontaniana izy hoe: “Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?” Misy milaza hoe: “Ao am-ponao izy io.” Ny hafa miantso azy io hoe ny lanitra. Ny Baiboly dia manome valiny mazava tsara, araka ny ho hitantsika.

FANJAKANA IRAY MANAN-JAVA-KENDRENA

4, 5. Nahoana i Jehovah no nifidy ny hampisy fomba vaovao isehoan’ny fiandrianany, ary inona no hotanterahin’izany?

4 Efa Mpanjaka, na Mpanapaka Manam-piandrianana, teo amin’izao rehetra izao foana i Jehovah Andriamanitra. Noho izy namorona ny zava-drehetra no mahatonga azy ho amin’izany toerana misandratra izany. (1 Tantara 29:11; Salamo 103:19; Asan’ny Apostoly 4:24). Ilay Fanjakana notorin’i Jesosy anefa dia manarakaraka, na hoe mitana ny toerana faharoa aorian’ny fiandrianan’Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao. Manan-java-kendrena voafaritra tsara io Fanjakana Mesianika io, nefa inona moa izany?

5 Araka ny nohazavaina tao amin’ny Toko Faha-6, ilay mpivady olombelona voalohany dia nikomy tamin’ny fahefan’Andriamanitra. Noho ireo raharaha nipoitra, dia nifidy ny hitondra fomba vaovao isehoan’ny fiandrianany i Jehovah. Nanambara ny fikasany hampipoitra ‘taranaka’ iray izay hanorotoro an’ilay Menarana, dia i Satana, sy hanaisotra ireo vokatry ny ota nolovan’ny olombelona, Andriamanitra. Ilay ‘taranaka’ lehibe indrindra dia i Jesosy Kristy, ary “ny fanjakan’Andriamanitra” no ilay fitaovana izay handresena tanteraka an’i Satana. Amin’ny alalan’ny Fanjakany, i Jesosy Kristy dia hamerina amin’ny laoniny ny fanapahana ny tany amin’ny anaran’i Jehovah ary hanamarina, indray mandeha ka ho mandrakizay, ny zon’Andriamanitra hanana fiandrianana. — Genesisy 3:15; Salamo 2:2-9.

6, 7. a) Aiza moa ilay Fanjakana, ary iza ilay Mpanjaka sy ireo mpiara-manapaka aminy? b) Iza avy ireo olom-pehezin’ilay Fanjakana?

6 Araka ny nandikan’ny Baiboly malagasy ny tenin’i Jesosy tamin’ireo Fariseo ratsy fanahy, dia hoy izy: “Ny fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo.” (Lioka 17:21). Moa ve i Jesosy te hilaza tamin’izany fa tao amin’ny fo ratsin’ireny olona feno fahasimbana ara-pitondran-tena ireny ilay Fanjakana? Tsia. Ny fandikana araka ny marina kokoa ilay teny grika tany am-boalohany dia hoe: “Ny fanjakan’Andriamanitra dia efa eo aminareo (fanamarihana ambany pejy; izahay no manao sora-mandry) [“eo anivonareo”, NW ].” I Jesosy, izay teo anivon’izy ireo, dia niresaka araka izany momba ny tenany ho toy ilay Mpanjaka ho avy. Tsy zavatra ao am-pon’ny olona iray velively akory ny Fanjakan’Andriamanitra, fa fitondram-panjakana tena misy sy miasa izay manana mpanapaka sy olom-pehezina. Izy io dia fitondram-panjakana any an-danitra, satria antsoina hoe “ny fanjakan’ny lanitra” sy “ny fanjakan’Andriamanitra”. (Matio 13:11; Lioka 8:10). Tamin’ny fahitana, i Daniela mpaminany dia nahita ilay Mpanapaka ao aminy ho “toy ny zanak’olona” nentina teo anatrehan’Andriamanitra Tsitoha ary nomena “fanapahana sy voninahitra ary fanjakana [maharitra] (⁠.⁠.⁠.⁠) mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy”. (Daniela 7:13, 14). Iza moa io Mpanjaka io? Ny Baiboly dia miantso an’i Jesosy Kristy hoe “ny Zanak’olona”. (Matio 12:40; Lioka 17:26). Eny, nanendry an’i Jesosy Kristy Zanany ho Mpanjaka i Jehovah.

7 Tsy manapaka irery i Jesosy. Miaraka aminy dia misy 144 000 izay “navotana niala tamin’ny tany” mba ho mpanjaka sady mpisorona miaraka aminy. (Apokalypsy 5:9, 10; 14:1, 3; Lioka 22:28-30). Ny olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia ho fianakavian’olombelona iray haneran-tany izay hanaiky ny fitarihan’i Kristy. (Salamo 72:7, 8). Ahoana anefa no ahazoantsika antoka fa ilay Fanjakana dia tena hanamarina tokoa ny fiandrianan’Andriamanitra sy hamerina ireo toe-piainana tao amin’ny paradisa ho eto amin’ny tanintsika?

NY MAHA-TENA MISY NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

8, 9. a) Amin’ny ohatra inona no azontsika ampisehoana fa azo ianteherana ireo fampanantenana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra? b) Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa zavatra tena misy ilay Fanjakana?

8 Alao sary an-tsaina hoe nisy afo nandrava ny tranonao. Izao dia misy namana iray manana ny fahafahana hanorina indray ny tranonao sy hanome sakafo ho an’ny fianakavianao, ka mampanantena ny hanao izany. Raha nilaza ny marina taminao foana izany namanao izany, moa ve ianao tsy hino azy? Eritrereto hoe nody avy niasa ianao ny ampitson’iny ka nahita fa efa nanomboka nanadio ireo poti-javatra main’ny afo sahady ireo mpiasa sady nitondrana sakafo ny fianakavianao. Tsy isalasalana fa hatoky tanteraka ianao fa amin’ny farany, dia tsy vitan’ny hoe ho tafaverina amin’ny laoniny ny zava-drehetra fa ho tsara kokoa noho ny taloha mihitsy aza.

9 Mitovy amin’izany koa, fa i Jehovah dia manome toky antsika fa zavatra tena misy ilay Fanjakana. Araka ny hita ao amin’ny bokin’ny Hebreo ao amin’ny Baiboly, dia lafiny maro tamin’ny Lalàna no tandindon’ny fandaharana ny amin’ilay Fanjakana. (Hebreo 10:⁠1). Nisy fahitana mialoha ny Fanjakan’Andriamanitra koa niharihary teo amin’ny fanjakan’ny Isiraely teto an-tany. Tsy fitondram-panjakana tsotra fotsiny izy iny, satria ireo mpanapaka teo aminy dia nipetraka teo ambonin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah”. (1 Tantara 29:23). Ambonin’izany, dia efa nambara mialoha hoe: “Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ny tongony, mandra-pahatongan’i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.” (Genesisy 49:10). * Eny, tao amin’io firazana-mpanjaka jodiana io no hahaterahan’i Jesosy, ilay Mpanjaka maharitra ao amin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra. — Lioka 1:32, 33.

10. a) Oviana no napetraka ny fanorenan’ny Fanjakana Mesianikan’Andriamanitra? b) Asa lehibe inona no hotarihin’ireo mpiara-manapaka amin’i Jesosy eto an-tany?

10 Ny fanorenan’ny Fanjakana Mesianikan’Andriamanitra dia napetraka fony nofantenana ireo apostolin’i Jesosy. (Efesiana 2:19, 20; Apokalypsy 21:14). Ireo no voalohany amin’ireo 144 000 hanapaka any an-danitra, amin’ny maha-mpiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy. Raha mbola eto an-tany ireo ho mpiara-manapaka aminy ireo dia hitarika ezaka manokana fanaovana fanambarana, ho fanarahana ilay didin’i Jesosy manao hoe: “Mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina”. — Matio 28:⁠19.

11. Ahoana no anatanterahana ny asa fitoriana ilay Fanjakana amin’izao andro izao, ary inona no tanterahin’izany?

11 Ny didy mba hanao mpianatra ankehitriny dia ankatoavina amin’ny ambaratonga mbola tsy nisy toy izany. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manambara ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana maneran-tany, mifanaraka amin’ny teny ara-paminanian’i Jesosy manao hoe: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity [vaovao tsaran’ilay, NW ] fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14). Ny lafiny iray amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana dia ny fanatanterahana fandaharam-pampianarana lehibe iray. Ireo izay manaiky ireo lalàna sy fotopoto-pitsipiky ny Fanjakan’Andriamanitra dia efa mahita sahady fiadanana sy firaisan-tsaina izay tsy hain’ireo fitondram-panjakan’olombelona entina. Izany rehetra izany dia manome porofo mazava tsara fa zavatra tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra!

12. a) Nahoana no mety ny iantsoana ireo mpanambara ilay Fanjakana hoe Vavolombelon’i Jehovah? b) Amin’ny ahoana ny Fanjakan’Andriamanitra no tsy mitovy amin’ireo fitondram-panjakan’olombelona?

12 Hoy ny nolazain’i Jehovah tamin’ireo Isiraelita: “Hianareo no vavolombeloko, (⁠.⁠.⁠.⁠) sady mpanompoko izay efa nofidiko”. (Isaia 43:10-12). I Jesosy, ilay “Vavolombelona marina”, dia nanambara tamin-jotom-po ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Apokalypsy 1:⁠5; Matio 4:17). Koa mety àry ny itondran’ireo mpanambara ilay Fanjakana amin’ny andro ankehitriny ilay anarana voatondron’Andriamanitra hoe Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana anefa ny Vavolombelona no mandany fotoana sy ezaka be dia be aoka izany iresahana amin’ny hafa momba ny Fanjakan’Andriamanitra? Manao izany izy ireo satria ilay Fanjakana no hany fanantenan’ny olombelona. Ireo fitondram-panjakan’olombelona dia hifarana indray andro any, fa ny Fanjakan’Andriamanitra kosa tsy hifarana na oviana na oviana. Ny Isaia 9:5, 6 dia miantso an’i Jesosy, ilay Mpanapaka ao aminy, hoe “Andrian’ny fiadanana” ary manampy hoe: “Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana”. Ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy mitovy amin’ny fitondram-panjakan’olombelona — eo anio fa ho voaongana rahampitso. Hoy tokoa ny lazain’ny Daniela 2:44: “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, (⁠.⁠.⁠.⁠) fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”

13. a) Inona avy no sasany amin’ireo zava-manahirana izay hokarakarain’ny Fanjakan’Andriamanitra amim-pahombiazana? b) Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa ho tanteraka ireo fampanantenan’Andriamanitra?

13 Mpanjaka olombelona iza no hahavita hanafoana ny ady, ny heloka bevava, ny aretina, ny mosary ary ny tsy fananan-trano ipetrahana? Ankoatra izany, mpanapaka eto an-tany iza no ho afaka hanangana amin’ny maty ireo izay nody mandry? Hikarakara ireo raharaha ireo ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Mpanjakany. Io Fanjakana io dia tsy hisy lesoka, toy ny fitaovana tsy mandeha tsara ka mila ny hamboarina tsy tapaka. Hahomby kosa ny Fanjakan’Andriamanitra, satria hoy ny nampanantenain’i Jehovah: “Tsy hiverina amiko foana [ny teniko izay aloaky ny vavako], raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.” (Isaia 55:11). Tsy maintsy hahomby ny fikasan’Andriamanitra, nefa rahoviana no hanomboka ny fanapahan’ilay Fanjakana?

NY FANAPAHAN’ILAY FANJAKANA — RAHOVIANA?

14. Tsy fahazoan-kevitra inona no tao amin’ireo mpianatr’i Jesosy momba ilay Fanjakana, nefa inona no fantatr’i Jesosy momba ny fanapahany?

14 “Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Isiraely?” Io fanontanian’ny mpianatr’i Jesosy io dia nampiharihary fa tamin’izay izy ireo dia mbola tsy nahafantatra ny zava-kendren’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fotoana voatondro hanombohan’ny fanapahan’izy io. Nampitandrina azy ireo mba tsy hanombantombana momba ilay raharaha i Jesosy, ka nanao hoe: “Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ny Ray amin’ny fahefany ihany.” Fantatr’i Jesosy fa voatokana ho amin’ny hoavy, fotoana ela aorian’ny hitsanganany amin’ny maty sy hiakarany any an-danitra, ny fanapahany ny tany. (Asan’ny Apostoly 1:6-11; Lioka 19:11, 12, 15). Efa nambaran’ny Soratra Masina mialoha izany. Tamin’ny fomba ahoana?

15. Amin’ny ahoana ny Salamo 110:⁠1 no manome antsika fahazavana momba ny fotoana hanapahan’i Jesosy?

15 Nanisy firesahana ara-paminaniana an’i Jesosy hoe ‘Tompo’ i Davida Mpanjaka, ka nanao hoe: “Izao no lazain’i Jehovah amin’ny Tompoko: Mipetraha eo an-tànako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.” (Salamo 110:⁠1; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:34-36.) Atoron’io faminaniana io fa ny fanapahan’i Jesosy dia tsy hanomboka aorian’ny niakarany ho any an-danitra avy hatrany. Mbola hiandry eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra kosa izy aloha. (Hebreo 10:12, 13). Haharitra hafiriana izany fiandrasana izany? Rahoviana no hanomboka ny fanapahany? Manampy antsika hahita ny valin’izany ny Baiboly.

16. Inona no nitranga tamin’ny 607 al.⁠f.⁠i. ary tamin’ny ahoana izany no nifandray tamin’ny Fanjakan’Andriamanitra?

16 Ny hany tanàna teto an-tany nametrahan’i Jehovah ny anarany dia i Jerosalema. (1 Mpanjaka 11:36). Izy io koa no renivohitry ny fanjakana iray teto an-tany nankasitrahan’Andriamanitra, izay tandindon’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Noho izany, dia tena nisy heviny lehibe ny nandringanan’ny Babyloniana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.⁠f.⁠i. Io fisehoan-javatra io dia nanamarika ny fiandohan’ny fiatoan’ny fanapahana nivantana nampiharin’Andriamanitra teo amin’ny vahoakany teto an-tany, fiatoana izay haharitra ela. Taonjato enina teo ho eo tatỳ aoriana, dia natoron’i Jesosy fa mbola nitohy ihany io fe-potoana niatoan’ny fanapahana io, satria hoy izy: “Jerosalema hohitsahin’ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny [fotoana voatondro ho an’ireo firenena, NW ].” — Lioka 21:⁠24.

17. a) Inona moa ny “fotoana voatondro ho an’ireo firenena”, ary hafiriana no tokony haharetan’izy io? b) Oviana no nanomboka sy nifarana ny “fotoana voatondro ho an’ireo firenena”?

17 Mandritra “ny fotoana voatondro ho an’ireo firenena”, ireo fitondram-panjakana eto amin’itỳ tontolo itỳ dia homena lalana hampiato ny fanapahana nankasitrahan’Andriamanitra. Izany fe-potoana izany dia nanomboka tamin’ny fandringanana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.⁠f.⁠i., ary natoron’i Daniela fa izy io dia hitohy mandritra ny “fetr’andro fito”. (Daniela 4:20-22). Maharitra hafiriana izany? Ny Baiboly dia mampiseho fa ny “fetr’andro” telo sy tapany dia mira 1 260 andro. (Apokalypsy 12:6, 14). Io fe-potoana io ampitomboina roa, na hoe fetr’andro fito, dia hanome 2 520 andro. Tsy nisy na inona na inona mendri-komarihina anefa nitranga tamin’ny faran’io fe-potoana fohy io. Rehefa ampiharina amin’ny faminanian’i Daniela ny hoe “ny andro iray hosoloana taona iray”, ka isaina manomboka amin’ny 607 al.⁠f.⁠i. anefa ny 2 520 taona, dia tonga eo amin’ny taona 1914 am.⁠f.⁠i. isika. — Nomery 14:34; Ezekiela 4:⁠6.

18. Inona no nataon’i Jesosy fotoana fohy taorian’ny nahazoany ny fahefana tao amin’ilay Fanjakana, ary inona no fiantraikan’izany teto an-tany?

18 Moa ve i Jesosy nanomboka nanjaka tany an-danitra tamin’io fotoana io? Ireo antony araka ny Soratra Masina ilazana fa izany no izy dia hodinihina ao amin’ny toko manaraka. Mazava ho azy fa ny niandohan’ny fanapahan’i Jesosy dia tsy ho voamariky ny fiadanana eto an-tany avy hatrany. Ny Apokalypsy 12:7-12 dia mampiseho fa raha vao hahazo ilay Fanjakana i Jesosy, dia handroaka an’i Satana sy ireo anjely demonia avy any an-danitra. Hidika ho loza ho an’ny tany izany, nefa mampahery ny mamaky fa ny Devoly dia tsy manana afa-tsy ‘andro kely sisa’. Tsy ho ela, dia ho afaka hifaly isika, tsy satria fotsiny hoe manapaka ny Fanjakan’Andriamanitra, fa satria hitondra fitahiana ho an’ny tany sy ny olombelona mankato koa izy io. (Salamo 72:7, 8). Ahoana no ahafantarantsika fa hitranga tsy ho ela izany?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Ny anarana hoe Silo dia midika hoe “Ilay Manana Azy Io; Ilay Tompony”. Tatỳ aoriana, dia nanjary niharihary fa i “Silo” dia i Jesosy Kristy, ilay “Liona avy amin’ny firenen’i Joda”. (Apokalypsy 5:⁠5). Ny sasany tamin’ireo Targum jiosy dia nanolo fotsiny ny teny hoe “Silo” tamin’ny hoe “Mesia” na hoe “ny Mesia mpanjaka”.

TSAPAO NY FAHALALANAO

Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra, ary avy aiza izy io no manapaka?

Iza no manapaka ao amin’ilay Fanjakana, ary iza avy no ho olom-peheziny?

Ahoana no nanomezan’i Jehovah toky antsika fa zavatra tena misy ny Fanjakany?

Oviana no nanomboka sy nifarana ny “fotoana voatondro ho an’ireo firenena”?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 94]

FISEHOAN-JAVATRA LEHIBE SASANY MIFANDRAY AMIN’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

• Nanambara ny fikasany hampipoitra ‘taranaka’ iray izay hanorotoro ny lohan’ilay Menarana, dia i Satana Devoly, i Jehovah. — Genesisy 3:⁠15.

• Tamin’ny 1943 al.⁠f.⁠i., dia natoron’i Jehovah fa io ‘taranaka’ io dia ho olona avy amin’ny taranak’i Abrahama. — Genesisy 12:1-3, 7; 22:⁠18.

• Ny faneken’ny Lalàna nomena ny Isiraely tamin’ny 1513 al.⁠f.⁠i. dia “aloky ny zava-tsoa ho avy”. — Eksodosy 24:6-8; Hebreo 10:⁠1.

• Ny fanjakan’ny Isiraely teto an-tany dia nanomboka tamin’ny 1117 al.⁠f.⁠i., ary nitohy tatỳ aoriana tao amin’ny firazanan’i Davida. — 1 Samoela 11:15; 2 Samoela 7:8, 16.

• Noringanina tamin’ny 607 al.⁠f.⁠i. i Jerosalema, ka nanomboka ny “fotoana voatondro ho an’ireo firenena”. — 2 Mpanjaka 25:8-10, 25, 26; Lioka 21:24NW.

• Tamin’ny 29 am.⁠f.⁠i., i Jesosy dia voahosotra ho Mpanjaka Voatendry ka nanomboka ny fanompoany teto an-tany. — Matio 3:16, 17; 4:⁠17; 21:9-11.

• Tamin’ny 33 am.⁠f.⁠i., i Jesosy dia niakatra tany an-danitra, ka tany izy dia niandry teo an-tanana ankavanan’Andriamanitra mandra-panomboky ny fanapahany. — Asan’ny Apostoly 5:30, 31; Hebreo 10:12, 13.

• Nahazo ny seza fiandrianana ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra i Jesosy tamin’ny 1914 am.⁠f.⁠i., rehefa nifarana ny “fotoana voatondro ho an’ireo firenena”. — Apokalypsy 11:⁠15.

• Natsipy ho etỳ amin’ny manodidina ny tany i Satana sy ireo demoniany ary mitondra loza mitombo hatrany ho an’ny olombelona. — Apokalypsy 12:9-12.

• Miandraikitra ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra maneran-tany i Jesosy. — Matio 24:14; 28:19, 20.