Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Fijaliana Hisy?

Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Fijaliana Hisy?

Toko Faha-8

Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Fijaliana Hisy?

1, 2. Manao ahoana ny fihetsiky ny olona matetika eo anoloan’ny fijalian’ny olombelona?

REHEFA mamely ny loza, ka mandrava fananana ary maka ain’olona, dia maro no tsy mahazo hoe nahoana no mitranga ny zavatra mahatsiravina toy izany. Ny hafa kosa sahiran-tsaina noho ny habetsahana sy ny halozana ary ny maha-tsy mifaditra ovana ny heloka bevava sy ny herisetra. Ianao koa dia mety hanontany tena hoe: ‘Nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy?’

2 Noho izy ireo tsy nahita valiny nahafa-po tamin’io fanontaniana io, dia olona maro no tsy manam-pinoana an’Andriamanitra intsony. Mihevitra izy ireo fa tsy miraharaha ny olombelona izy. Ny hafa kosa, izay manaiky ny fijaliana ho zavatra anisan’ny fiainana, dia manjary tezitra mafy ka manome tsiny an’Andriamanitra noho ny faharatsiana rehetra eo amin’ny fitambaran’olona. Raha nahatsapa zavatra toy izany ianao, dia tsy isalasalana fa ho tena liana amin’ireo fanambaran’ny Baiboly momba ireo raharaha ireo.

TSY AVY AMIN’ANDRIAMANITRA NY FIJALIANA

3, 4. Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa tsy avy amin’i Jehovah ny ratsy sy ny fijaliana?

3 Manome toky antsika ny Baiboly fa tsy avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny fijaliana hitantsika manodidina antsika. Ohatra, izao no nosoratan’i Jakoba, mpianatra kristiana: “Raha misy [ao anatin’ny fisedrana, NW ], aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no [misedra, NW ] ahy; fa Andriamanitra tsy azon’ny ratsy [sedraina, NW ], sady tsy mba [misedra, NW ] olona Izy”. (Jakoba 1:13). Noho izany antony izany, dia tsy afaka ny ho avy amin’Andriamanitra ireo zava-tsarotra maro be manototra ny olombelona. Tsy mitondra fisedrana amin’ny olona izy mba hoe hahatonga azy ireo ho mendrika ny fiainana any an-danitra. Tsy mampijaly ny olona koa izy noho izay lazaina fa zava-dratsy nataon’izy ireo tamin’ny fiainany teo aloha. — Romana 6:⁠7.

4 Fanampin’izany, na dia zavatra mahatsiravina maro aza no natao tamin’ny anaran’Andriamanitra na ny an’i Kristy, dia tsy misy na inona na inona ao amin’ny Baiboly toa milaza fa nisy tamin’izy ireo nankasitraka na oviana na oviana ny fanaovan-javatra toy izany. Andriamanitra sy i Kristy dia tsy manana ifandraisana amin’ireo izay mihambo ho manompo azy nefa mamitaka sy misoloky, mamono sy mandroba, ary manao zavatra hafa maro izay mahatonga ny fijalian’ny olombelona. Raha ny marina aza, dia “fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny làlan’ny ratsy fanahy”. “Lavitra ny ratsy fanahy” Andriamanitra. — Ohabolana 15:9, 29.

5. Inona avy no sasany amin’ireo toetra tsaran’i Jehovah, ary inona no tsapany amin’ireo zavaboariny?

5 Ny Baiboly dia milazalaza an’i Jehovah ho ‘miantra indrindra sady be famindrampo’. (Jakoba 5:11). Ambarany fa “Jehovah tia rariny”. (Salamo 37:28; Isaia 61:⁠8). Tsy mitady izay hamaliana faty izy. Miahy amim-pangoraham-po ny zavaboariny izy ary manome azy rehetra izay tsara indrindra mba hahasambatra azy ireo. (Asan’ny Apostoly 14:16, 17). Nanao izany hatramin’ny vao niandohan’ny fiainana teto an-tany mihitsy, i Jehovah.

FIANDOHANA LAVORARY

6. Ahoana no anisian’ny angano sasany resaka an-kolaka momba ny tantaran’ny olombelona tany am-boalohany?

6 Isika rehetra dia zatra mahita sy mahatsapa fanaintainana sy fijaliana. Noho izany, dia mety ho sarotra ny maka sary an-tsaina ny fotoana iray tsy isian’ny fijaliana, nefa izany no izy tany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona. Na dia ny anganon’ny firenena sasany aza dia manisy resaka an-kolaka momba ny fiandohana sambatra toy izany. Ao amin’ny angano grika, ny voalohany amin’ireo “Fe-potoana Dimy Nisian’ny Olombelona” dia nantsoina hoe “Fe-potoana Volamena”. Nandritra io fe-potoana io ny olombelona dia nanana fiainana sambatra, tsy nisy fisasarana sy fanaintainana ary ireo voka-dratsin’ny fahanterana. Ireo Sinoa dia milaza fa nandritra ny fotoana nanjakan’ny Emperora Mavo (Huang-Ti) tao amin’ny angano, ny olona dia niaina tao anatin’ny fiadanana, ary nifanaraka tsara na dia tamin’ireo herin’ny natiora sy ireo biby dia aza. Ireo Persianina, Ejipsianina, Tibetana, Perovianina ary Meksikanina dia samy manana angano momba ny fotoam-pahasambarana sy fahatanterahana tany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona.

7. Nahoana Andriamanitra no namorona ny tany sy ny olombelona?

7 Ireo anganon’ireo firenena dia mamerina fotsiny ilay firaketana an-tsoratra tranainy indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona, ny Baiboly. Izy io dia mampahafantatra amintsika fa Andriamanitra dia nametraka ny mpivady olombelona voalohany, i Adama sy i Eva, tao amin’ny paradisa iray nantsoina hoe sahan’i Edena ary nandidy azy ireo hoe: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy”. (Genesisy 1:28). Ireo ray aman-drenintsika voalohany dia nanana ny fahatanterahana sy ny fahatsinjovana hahita ny tany manontolo ho tonga paradisa iray hiainan’ny fianakavian’olombelona tanteraka ao anatin’ny fiadanana sy ny fahasambarana maharitra. Izany no fikasan’Andriamanitra tamin’ny namoronany ny tany sy ny olombelona. — Isaia 45:⁠18.

FIHAIKANA FENO HARATSIAM-PANAHY

8. Nantenaina mba hankato ilay didy hoe ahoana i Adama sy i Eva, nefa inona no nitranga?

8 Mba hihazonana ny fankasitrahan’Andriamanitra, i Adama sy i Eva dia tsy maintsy nitan-tena mba tsy hihinana tamin’ny “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy”. (Genesisy 2:16, 17). Raha nankato ny lalàn’i Jehovah izy ireo, dia tsy ho nisy fijaliana nanimba ny fiainan’ny olombelona. Tamin’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra, dia ho nampiseho ny fitiavany an’i Jehovah sy ny tsy fivadihany taminy izy ireo. (1 Jaona 5:⁠3). Araka ny nianarantsika tao amin’ny Toko Faha-6 anefa, dia tsy izany no nitranga. Nampirisihin’i Satana i Eva, ka nihinana voa tamin’ilay hazo. Tatỳ aoriana, dia nihinana tamin’ilay voankazo voarara koa i Adama.

9. Raharaha inona nahakasika an’i Jehovah no napoitran’i Satana?

9 Hitanao ve ny maha-zava-dehibe ilay zava-nitranga? Namely ny toeran’i Jehovah, tamin’ny naha-Avo Indrindra azy, i Satana. Tamin’ny filazana hoe: “Tsy ho faty tsy akory hianareo”, ny Devoly dia nanipaka ny tenin’Andriamanitra nanao hoe: “Ho faty tokoa hianao.” Ireo tenin’i Satana fanampiny dia te hilaza fa i Jehovah dia nisakana an’i Adama sy i Eva tsy hahalala fa afaka ny ho tonga tahaka an’Andriamanitra izy ireo, izany hoe tsy hila Azy mba hanapahan-kevitra ny amin’izay tsara sy izay ratsy. Noho izany, ny fihaikan’i Satana dia nitondra fisalasalana momba ny zon’i Jehovah hitana ny toeran’ny Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao. — Genesisy 2:17; 3:1-6.

10. Hevitra inona avy no natsipin’i Satana momba ny olombelona?

10 Nanipy hevitra koa i Satana Devoly fa tsy hitoetra ho mpankato an’i Jehovah ny olona raha tsy rehefa hahitany tombontsoa ihany ny fankatoavany an’Andriamanitra. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nisalasalana ny tsy fivadihan’ny olombelona. Niampanga i Satana fa tsy hisy olombelona hitoetra tsy hivadika amin’Andriamanitra an-tsitrapo. Io fiampangana feno haratsiam-panahy nataon’i Satana io dia aharihary mazava tsara ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly momba an’i Joba, mpanompon’i Jehovah nahatoky izay nandia fitsapana lehibe, fotoana fohy talohan’ny 1600 al.⁠f.⁠i. Rehefa mamaky ireo toko roa voalohany ao amin’ny bokin’i Joba ianao, dia afaka mahazo fahaiza-mahatakatra ny anton’ny fijalian’ny olombelona sy ny antony amelan’Andriamanitra azy io hisy.

11. Karazan’olona nanao ahoana moa i Joba, nefa inona no fiampangana nataon’i Satana?

11 I Joba, izay “olona marina sy mahitsy”, dia nanjary latsaka teo ambanin’ny famelezan’i Satana. Voalohany aloha, dia nanome antony nanosika ratsy an’i Joba i Satana tamin’ny fanontaniana hoe: “Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran’i Joba an’Andriamanitra?” Avy eo, dia niteny ratsy tamin-kafetsena an’Andriamanitra sy an’i Joba ny Devoly, tamin’ny fiampangana fa nividy ny tsy fivadihan’i Joba i Jehovah tamin’ny fiarovana sy ny fitahiana azy. “Fa ahinjiro ange ny tànanao”, hoy ny fihaikan’i Satana an’i Jehovah, “ka tendreo izay ananany rehetra — raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!” — Joba 1:8-11.

12. a) Fanontaniana inona avy no tsy azo novaliana raha tsy rehefa namela an’i Satana hitsapa an’i Joba Andriamanitra? b) Inona no vokatry ny fitsapana an’i Joba?

12 Moa ve i Joba nanompo an’i Jehovah noho ireo zava-tsoa rehetra azony avy tamin’Andriamanitra fotsiny? Moa ve ny tsy fivadihan’i Joba ho afaka ny hitoetra tsy hisy hokianina ao anatin’ny fitsapana? Etsy an-danin’izany, moa ve i Jehovah ampy fatokiana ny mpanompony mba hamelana azy hotsapaina? Ho azo novaliana ireo fanontaniana ireo raha hamela an’i Satana hampihatra ny fitsapana faran’izay mafy tamin’i Joba i Jehovah. Ny lalam-pahatokiana narahin’i Joba tao anatin’ilay fitsapana navelan’Andriamanitra hisy, araka ny tantaraina ao amin’ny bokin’i Joba, dia hita ho fanamarinana lalina ny fahamarinan’i Jehovah sy ny tsy fivadihan’ny olombelona. — Joba 42:1, 2, 12.

13. Amin’ny ahoana isika no tafiditra amin’izay nitranga tany Edena sy tamin’i Joba?

13 Izay nitranga tao amin’ny sahan’i Edena sy tamin’i Joba, anefa, dia misy heviny lalina kokoa. Tafiditra amin’ireo raharaha napoitran’i Satana ny olombelona rehetra, anisan’izany isika amin’izao andro izao. Notenenin-dratsy ny anaran’Andriamanitra, ary niharan’ny fihaikana ny fiandrianany. Nanehoana fisalasalana ny fahitsian’ny zavaboarin’Andriamanitra, dia ny olombelona izany. Tsy maintsy nalamina ireo raharaha ireo.

NY FOMBA HANDAMINANA IREO RAHARAHA IREO

14. Rehefa mifanandrina amin’ny fihaikana feno haratsiam-panahy ny olona iray ampangain’ny hafa, inona moa no mety hataony?

14 Mba hampisehoana izany amin’ny alalan’ny fanoharana, dia aoka hatao hoe ray na reny be fitiavana manan-janaka maromaro eo anivon’ny fianakaviana sambatra iray ianao. Aoka hatao hoe manely lainga ny iray amin’ireo mpifanila trano aminao, ka miampanga anao ho ray na reny ratsy. Ahoana raha milaza ilay mpifanila trano aminao fa tsy tia anao ireo zanakao, fa ny antony ijanonan’izy ireo eo aminao dia noho izy ireo tsy mahalala toeran-kafa tsara kokoa haleha fotsiny, ary koa fa hiala eo izy ireo, raha misy manome azy ireo fahafahana ho amin’izany. ‘Zavatra tsisy dikany izany!’, hoy angamba ianao. Eny, nefa ahoana no hanaporofoanao izany? Ny ray aman-dreny sasany dia mety hanao zavatra amim-pisafoahana. Tsy vitan’ny hoe hiteraka zava-manahirana hafa ny fihetsika mahery vaika toy izany, fa vao mainka hanamarina an’ilay lainga. Ny fomba mahafa-po handaminana zava-manahirana toy izany dia ny fanomezana ho an’ilay mpiampanga anao fahafahana hanaporofo ny filazany, ary ho an’ireo zanakao fahafahana hanamarina fa tia anao amim-pahatsorana izy ireo.

15. Fomba ahoana no nofidin’i Jehovah mba handaminana ny fihaikan’i Satana?

15 I Jehovah dia tahaka ilay ray be fitiavana. I Adama sy i Eva dia azo ampitahaina amin’ireo ankizy, ary i Satana dia mifanitsy tsara amin’ilay mpifanila trano mpandainga. Tsy nandringana an’i Satana sy i Adama ary i Eva avy hatrany tamim-pahendrena Andriamanitra, fa namela kosa an’ireo mpanao ratsy ireo ho velona ihany mandritra ny fotoana kelikely. Izany dia namela an’ireo ray aman-drenintsika voalohany hanana fotoana hanombohana ny fianakavian’olombelona. Izany koa dia nanome ho an’ny Devoly fahafahana hanaporofo raha marina na tsia ny filazany, mba hahavoalamina ireo raharaha ireo. Hatrany am-boalohany anefa, dia efa fantatr’Andriamanitra fa hisy olombelona hitoetra tsy hivadika aminy ka hanaporofo amin’izany fomba izany fa mpandainga i Satana. Velom-pankasitrahana toy inona moa isika noho i Jehovah nanohy nitahy sy nanampy an’ireo izay tia azy! — 2 Tantara 16:⁠9; Ohabolana 15:⁠3.

INONA NO VOAPOROFO?

16. Ahoana no nahatonga itỳ tontolo itỳ ho eo ambanin’ny herin’i Satana?

16 Saika nandritra ny tantaran’olombelona rehetra, i Satana dia nomena fahalalahana feno mba hamolavola ny teti-dratsiny hanapaka eo amin’ny olombelona. Anisan’ny zavatra hafa, dia nampihatra fahefana teo amin’ireo hery ara-politika izy ary nampandroso fivavahana izay nitarika an-kolaka ny fanompoam-pivavahana ho aminy fa tsy ho amin’i Jehovah. Tamin’izany ny Devoly dia tonga “ny andriamanitr’izao tontolo izao”, ary antsoina hoe “andrianan’izao tontolo izao” izy. (2 Korintiana 4:⁠4; Jaona 12:31). Eny tokoa, “izao tontolo izao (⁠.⁠.⁠.⁠) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. (1 Jaona 5:19). Midika ve izany fa voaporofon’i Satana ny filazany fa ho afaka ny hitarika ny olombelona rehetra hiala amin’i Jehovah Andriamanitra izy? Tsy izany velively! Sady namela an’i Satana ho velona ihany i Jehovah no nanohy nanatanteraka ny fikasan’ny tenany manokana. Inona àry no ahariharin’ny Baiboly momba ny famelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy?

17. Inona no tokony hotadidintsika ao an-tsaina momba ny antony isian’ny faharatsiana sy ny fijaliana?

17 Tsy avy amin’i Jehovah ny faharatsiana sy ny fijaliana. Koa satria i Satana no mpanapaka itỳ tontolo itỳ sady andriamanitr’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia izy sy ireo izay miandany aminy no tompon’andraikitra amin’ny toe-piainana misy ny fitambaran’olona ankehitriny sy amin’ny fahoriana rehetra nampijaly ny olombelona. Tsy misy na dia iray aza afaka milaza ara-drariny fa Andriamanitra no loharanon’izany zava-tsarotra izany. — Romana 9:⁠14.

18. Inona no noporofoin’ny famelan’i Jehovah ny faharatsiana sy ny fijaliana hisy momba ilay hevitra ny amin’ny tsy fiankinana amin’Andriamanitra?

18 Ny famelan’i Jehovah ny faharatsiana sy ny fijaliana hisy dia nanaporofo fa tsy nitondra tontolo tsara kokoa ny tsy fiankinana amin’Andriamanitra. Tsy azo lavina fa voamariky ny loza nisesy ny tantara. Ny anton’izany dia noho ny olombelona nifidy ny hanaraka ny lalan’ny tsy fiankinany manokana ka tsy nampiseho tena fanajana ny tenin’Andriamanitra sy ny sitrapony. Rehefa nanaraka tsy tamim-pahatokiana “ny alehany avy” ny vahoakan’i Jehovah fahiny sy ny mpitarika azy ireo, ka nanda ny teniny, dia loza nahatsiravina no vokany. Tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminaniny Andriamanitra dia nilaza tamin’izy ireo hoe: “Mahazo henatra ny hendry, raiki-tahotra sy voasambotra izy; indro, ny tenin’i Jehovah dia nolaviny, ka inona intsony no fahendrena ananany?” (Jeremia 8:5, 6, 9). Tsy nanaraka ireo fari-pitsipik’i Jehovah ny olombelona amin’ny ankapobeny, ka tonga toy ny sambo iray tsy misy familiana, ary atambolimbolin’ny ranomasina misamboaravoara.

19. Inona no porofo fa tsy afaka mampiodina ny olombelona rehetra hiala amin’Andriamanitra i Satana?

19 Ny famelan’Andriamanitra ny faharatsiana sy ny fijaliana hisy dia nanaporofo koa fa tsy nahavita nampiala ny olombelona rehetra tamin’i Jehovah i Satana. Asehon’ny tantara fa nisy foana olona nitoetra ho nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra, na inona na inona fakam-panahy na fijaliana nampiharina tamin’izy ireo. Nandritra ireo taonjato lasa, dia niharihary ny herin’i Jehovah hamonjy ny mpanompony, ary nambara tamin’ny tany rehetra ny anarany. (Eksodosy 9:16; 1 Samoela 12:22). Ny Hebreo toko faha-11 dia milaza amintsika momba ny filaharan’olo-nahatoky maro be, anisan’izany i Abela, i Enoka, i Noa, i Abrahama ary i Mosesy. Ny Hebreo 12:⁠1 dia miantso azy ireo hoe ‘vavolombelona maro be toy ny rahona’. Ohatra ny amin’ny finoana an’i Jehovah tsy mihozongozona izy ireo. Amin’izao andro maoderina izao koa, dia maro no nanome ny ainy, tamin’ny tsy fivadihana tsy azo noravana tamin’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny finoany sy ny fitiavany, ireny olona ireny dia manaporofo amin’ny fomba tsy azo lavina fa tsy afaka mampiodina ny olombelona rehetra hiala amin’Andriamanitra i Satana.

20. Nanaporofo inona momba an’Andriamanitra sy ny olombelona ny famelan’i Jehovah ny faharatsiana sy ny fijaliana hisy?

20 Farany, ny famelan’i Jehovah ny faharatsiana sy ny fijaliana hitohy dia nanome ny porofo fa i Jehovah, ilay Mpamorona, ihany no manana ny fahaizana sy ny zo hanapaka eo amin’ny olombelona ka hitondra fitahiana sy fahasambarana mandrakizay ho azy ireo. Nandritra ny taonjato maro, ny olombelona dia nanandrana karazana fitondram-panjakana maro. Inona anefa no vokany? Ireo zava-manahirana sy olana lehibe atrehin’ireo firenena amin’izao andro izao dia porofo ampy tsara fa tena marina fa ‘manapaka ny namany ny olona ka mampiditra loza aminy’, araka ny asehon’ny Baiboly. (Mpitoriteny 8:⁠9). I Jehovah ihany no afaka mamonjy antsika ka hanatanteraka ny fikasany tany am-boalohany. Amin’ny fomba ahoana no hanaovany izany, ary rahoviana?

21. Inona no hatao amin’i Satana, ary iza no hampiasaina mba hanatanteraka izany?

21 Taorian’ny naha-latsaka an’i Adama sy i Eva tao amin’ny teti-dratsin’i Satana avy hatrany, Andriamanitra dia nanambara ny fikasany momba ny fomba iray hitondrany famonjena. Izao no nambaran’i Jehovah momba an’i Satana: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:15). Izany fanambarana izany dia nanome antoka fa tsy havela hanao ireo asa ratsiny mandrakizay ny Devoly. Amin’ny maha-Mpanjakan’ilay Fanjakana Mesianika azy, ilay Taranaka nampanantenaina, i Jesosy Kristy, dia ‘hanorotoro ny lohan’i Satana’. Eny, “tsy ho ela” izao, i Jesosy dia hanorotoro an’i Satana mpikomy! — Romana 16:20NW.

INONA NO HATAONAO?

22. a) Fanontaniana inona avy no tsy maintsy atrehinao? b) Na dia manampatra ny hatezerany amin’ireo olo-mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra aza i Satana, afaka mahazo antoka ny amin’inona moa izy ireo?

22 Mahafantatra ireo raharaha niadian-kevitra ianao izao, koa iza no hiandanianao? Moa ve ianao hanaporofo amin’ny asanao fa mpanohana tsy mivadika an’i Jehovah ianao? Koa satria fantatr’i Satana fa kely sisa ny fotoany, dia hanao izay rehetra azony atao izy mba hanamparana ny hatezerany amin’ireo izay maniry hihazona tsy fivadihana amin’Andriamanitra. (Apokalypsy 12:12). Afaka mitodika any amin’Andriamanitra mba hahazoana fanampiana anefa ianao, satria “fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny [fisedrana, NW ]”. (2 Petera 2:⁠9). Tsy hamela anao halaim-panahy mihoatra noho izay zakanao izy, ary hanisy lalana hahafahanao mba hahazakanao fakam-panahy. — 1 Korintiana 10:⁠13.

23. Inona no azontsika andrasana amim-panantenana sy amim-patokiana?

23 Amim-patokiana, dia aoka isika hiandry amim-panantenana ny fotoana handraisan’i Jesosy Kristy Mpanjaka anjara mba hamelezana an’i Satana sy izay rehetra manaraka azy. (Apokalypsy 20:1-3). Hanafoana an’izay rehetra tompon’andraikitra amin’ireo fahoriana sy fikorontanana mafy nampijaly ny olombelona, i Jesosy. Mandra-pahatongan’izany fotoana izany, ny endriky ny fijaliana mampanaintaina indrindra dia ny famoizana ireo olo-malalantsika amin’ny fahafatesana. Vakio ny toko manaraka mba hahitana izay manjo azy ireny.

TSAPAO NY FAHALALANAO

Ahoana no ahafantarantsika fa tsy avy amin’i ­Jehovah ny fijalian’ny olombelona?

Raharaha inona avy no napoitran’i Satana tao ­Edena ka natao mazava tsara tamin’ny andron’i Joba?

Inona no noporofoin’ny famelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy?

[Fanontaniana]