Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Mihantitra sy Maty?

Nahoana Isika no Mihantitra sy Maty?

Toko Faha-6

Nahoana Isika no Mihantitra sy Maty?

1. Inona no tsy hain’ny mpahay siansa hazavaina momba ny fiainan’ny olombelona?

IREO mpahay siansa dia tsy mahalala hoe nahoana ny olombelona no mihantitra sy maty. Toa tokony tsy hitsahatra ny hihavao ireo selantsika ary toa tokony hiaina mandrakizay isika. Hoy ny boky hoe Hyojun Soshikigaku (Histolojia Ankapobe): “Zava-miafina lehibe ny fifandraisan’ny fandrosoan’ny sela ho amin’ny fahanterana sy ny fandrosoan’ny olona iray ho amin’ny fahanterana sy ny fahafatesany.” Mpahay siansa maro no mino fa misy fetra “voajanahary sy raiki-tampisaka” amin’ny fiainana. Mihevitra ve ianao fa marina ny azy ireo?

2. Inona no nataon’ny olona sasany noho ny fiainana mandalo fotsiny?

2 Ny olombelona dia naniry mafy foana ny hanana fiainana lava ary nanandrana ny hahatratra ny tsy fetezan-ko faty mihitsy aza. Nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra al.⁠f.⁠i., dia nisy fanafody noheverina ho nahatonga ny tsy fetezan-ko faty hety, nanintona ny sain’ireo andriana sinoa. Nisy emperora sinoa sasany tatỳ aoriana nanandrana izay nantsoina hoe fanafody mahela velona — vita tamin’ny volavelona (mercure) — ka maty! Manerana ny tany, ny olona dia mino fa ny fahafatesana dia tsy mamarana ny fiainany. Ny Bodista, ny Hindoa, ny Silamo, ary ny hafa koa dia samy manana fanantenana mamirapiratra ny amin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, dia maro no manantena fiainana any ankoatra ao anatin’ny fahasambarana any an-danitra.

3. a) Nahoana ny olombelona no maniry mafy fiainana mandrakizay? b) Fanontaniana inona avy momba ny fahafatesana no ilaina hovaliana?

3 Ny hevitra momba ny fahasambarana aorian’ny fahafatesana dia manome taratry ny faniriana mafy fiainana mandrakizay. “Ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony”, hoy ny Baiboly mikasika ilay hevitra ny amin’ny mandrakizay izay napetrak’Andriamanitra tao amintsika. (Mpitoriteny 3:11). Namorona ireo olombelona voalohany hanana ny fanantenana hoe ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany, izy. (Genesisy 2:16, 17). Nahoana àry ny olombelona no maty? Ahoana no nidiran’ny fahafatesana teto amin’itỳ tontolo itỳ? Ny fahalalana omen’Andriamanitra dia manome fahazavana momba ireo fanontaniana ireo. — Salamo 119:105.

TETIKA MAHATSIRAVINA IRAY

4. Ahoana no nampahafantaran’i Jesosy an’ilay mpanao heloka bevava tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’ny olombelona?

4 Ny mpanao heloka bevava iray dia mitady hanafina ny porofon’ny zavatra nataony. Marina koa izany ny amin’ilay tompon’andraikitra amin’ny heloka bevava iray izay niteraka ny fahafatesan’olona an’arivo tapitrisany maro. Nataony izay hahavoafono zava-miafina ny fahafatesan’ny olombelona. Nampahafantatra an’io mpanao heloka bevava io i Jesosy rehefa nilaza toy izao tamin’ireo nitady hamono Azy: “Hianareo avy amin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ny marina, satria tsy misy marina aminy.” — Jaona 8:31, 40, 44.

5. a) Ahoana no niandohan’ilay tonga Satana Devoly? b) Inona no hevitry ny teny hoe “Satana” sy “Devoly”?

5 Eny, ny Devoly dia “mpamono olona” feno haratsiam-panahy. Mampiharihary ny Baiboly fa persona tena misy izy, fa tsy ny faharatsiana ao am-pon’ny olona iray fotsiny akory. (Matio 4:1-11). Na dia noforonina ho anjely marina aza izy, dia “tsy nitoetra tamin’ny marina”. Tena mety toy inona moa ny anomezana azy ny anarana hoe Satana Devoly! (Apokalypsy 12:⁠9). Antsoina hoe “Satana”, na “mpanohitra”, izy satria nanohitra sy nanda an’i Jehovah. Io mpanao heloka bevava io dia antsoina koa hoe “Devoly”, izay midika hoe “mpanendrikendrika”, satria nampiseho an’Andriamanitra tamin’ny fomba diso sy feno fitenenan-dratsy izy.

6. Nahoana i Satana no nikomy tamin’Andriamanitra?

6 Inona no nanosika an’i Satana hikomy tamin’Andriamanitra? Ny fierenana. Nitsiriritra tamim-pierenana ny fa­no­mpoam-pivavahana azon’i Jehovah avy tamin’ny olombelona izy. Tsy nanilika ny faniriana hahazo izany fanompoam-pivavahana izany, izay ny Mpamorona ihany no manana ny zo hanana azy, ny Devoly. (Ampitahao amin’ny Ezekiela 28:12-19.) Nanolokolo io faniriana feno fierenana io kosa ilay anjely tonga Satana, mandra-pahatongan’izy io hotorontoronina ka niterahany ota. — Jakoba 1:14, 15.

7. a) Inona no mahatonga ny fahafatesan’ny olombelona? b) Inona moa no atao hoe ota?

7 Nofantarintsika izao ilay meloka nanao ilay heloka bevava nitarika ho amin’ny fahafatesan’ny olombelona. Inona anefa no antony voafaritra tsara nahatonga ny fahafatesan’ny olombelona? Hoy ny Baiboly: “Ny ota no fanindronan’ny fahafatesana”. (1 Korintiana 15:56). Ary inona moa no atao hoe ota? Mba hahazoana ny hevitr’io teny io, dia andeha isika handinika ny heviny amin’ireo fiteny nanoratana ny Baiboly tany am-boalohany. Ny matoanteny hebreo sy grika adika mazàna hoe “manota” dia midika hoe “tsy mahavoa” amin’ny heviny hoe tsy mahavoa marika iray na tsy mahatratra tanjona iray. Inona ilay marika tsy tratrantsika rehetra? Ny mariky ny fankatoavana tonga lafatra an’Andriamanitra. Tamin’ny fomba ahoana anefa no nidiran’ny ota teto amin’itỳ tontolo itỳ?

NY FOMBA NANATANTERAHANA ILAY TETIKA

8. Tamin’ny fomba ahoana no nanandraman’i Satana hahazo ny fanompoam-pivavahan’ny olombelona?

8 Namolavola tamim-pitandremana tetika iray izay noheveriny fa hitarika azy hanapaka teo amin’ny olombelona rehetra sy hahazo ny fanompoam-pivavahan’izy ireo, i Satana. Nanapa-kevitra izy ny hitaona an’ilay mpivady olombelona voalohany, i Adama sy i Eva, hanota tamin’Andriamanitra. I Jehovah dia nanome an’ireo ray aman-drenintsika voalohany fahalalana izay ho nitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Fantatr’izy ireo fa tsara ny Mpamorona azy ireo, satria nametraka azy ireo tao amin’ny saha tsara tarehin’i Edena izy. I Adama indrindra indrindra no nahatsapa ny hatsaram-pon’ilay Rainy tany an-danitra, rehefa nanome azy vady tsara tarehy sy nanampy azy, Andriamanitra. (Genesisy 1:26, 29; 2:7-9, 18-23). Niankina tamin’ny fankatoavana an’Andriamanitra ny hitohizan’ny fiainan’ilay mpivady olombelona voalohany.

9. Didy inona no nomen’Andriamanitra an’ilay olombelona voalohany, ary nahoana izany no araka ny antonona?

9 Nandidy an’i Adama toy izao Andriamanitra: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:16, 17). Amin’ny maha-Mpamorona azy, i Jehovah Andriamanitra dia nanana ny zo hametra fari-pitsipika ara-pitondran-tena sy hamaritra izay tsara sy izay ratsy ho an’ny zavaboariny. Araka ny antonona ilay didiny satria i Adama sy i Eva dia afaka nihinana voa tamin’ireo hazo hafa rehetra tao amin’ilay saha. Afaka nampiseho ny fankasitrahany noho ny fanapahan’i Jehovah ara-drariny izy ireo tamin’ny fankatoavana io lalàna io, fa tsy tamin’ny fanorenana tamim-piavonavonana ny fari-pitsipika ara-pitondran-tenan’ny tenany manokana.

10. a) Ahoana no nanatonan’i Satana ny olombelona mba hisarihana azy ireo hiandany taminy? b) Inona no antony nolazain’i Satana fa nanosika an’i Jehovah? d) Inona no heverinao momba ny famelezan’i Satana an’Andriamanitra?

10 Nanao tetika mba hisarihana ireo olombelona voalohany hiala tamin’Andriamanitra ny Devoly. Mba hamitahana azy ireo hiandany taminy, dia nandainga i Satana. Nampiasa menarana iray ny Devoly, tsy misy hafa amin’ny fampiasan’ny ventriloque (olona mahay miteny toy ny avy any an-kibo) iray sariolona iray, ka nanontany an’i Eva hoe: “Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha?” Rehefa nanonona ilay didin’Andriamanitra i Eva, dia hoy ny nambaran’i Satana: “Tsy ho faty tsy akory hianareo”. Avy eo izy dia nanome antony manosika ratsy an’i Jehovah tamin’ny fitenenana hoe: “Fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 3:1-5). Nanipy hevitra tamin’izany ny Devoly fa nihazona zavatra tsara tsy ho azon’izy ireo Andriamanitra. Famelezana feno fanendrikendrehana re izany natao tamin’ilay Ray marina sy be fitiavana any an-danitra, dia i Jehovah, izany!

11. Ahoana no nahatongavan’i Adama sy i Eva ho mpiray tsikombakomba tamin’i Satana?

11 Nijery an’ilay hazo indray i Eva, ka dia toa faniry indrindra ny voan’ilay izy izao. Koa naka ilay voankazo àry izy ka nihinana azy. Tatỳ aoriana, ny vadiny dia nanaraka azy an-tsitrapo tamin’io fahotana io, dia ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra. (Genesisy 3:⁠6). Na dia voafitaka aza i Eva, na izy na i Adama dia samy nanohana ilay tetik’i Satana hanapaka ny taranak’olombelona. Raha ny marina no lazaina, dia tonga mpiray tsikombakomba taminy izy ireo. — Romana 6:16; 1 Timoty 2:⁠14.

12. Inona no nateraky ny fikomian’ny olombelona tamin’Andriamanitra?

12 Tsy maintsy niatrika ny vokatry ny nataony i Adama sy i Eva. Tsy tonga tahaka an’Andriamanitra, ka hoe nahazo fahalalana manokana, izy ireo. Nahatsapa henatra kosa aza izy ireo ka niafina. Niantso an’i Adama i Jehovah mba hamaliana azy amin’ny helony, ka nanonona ny didim-pitsarany nanao hoe: “Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:19). ‘Tamin’ilay andro’ nihinanan’ireo ray aman-drenintsika voalohany tamin’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, dia nomelohin’Andriamanitra izy ireo ka maty, araka ny fomba fijeriny. Avy eo dia noroahina avy tao amin’ny Paradisa izy ireo ka nanomboka ny fikororosiany ho amin’ny fahafatesana ara-bakiteny.

NY FOMBA NIELEZAN’NY OTA SY NY FAHAFATESANA

13. Ahoana no nielezan’ny ota tamin’ny taranak’olombelona rehetra?

13 Toa nahomby i Satana tamin’ny tetiny hahazo ny fivavahan’ny olombelona. Kanefa, tsy afaka nihazona ireo mpivavaka taminy ho velona izy. Rehefa nanomboka nihatra tamin’ilay mpivady olombelona voalohany ny vokatry ny ota, dia tsy afaka nanome fahatanterahana ho an’ny taranany intsony izy ireo. Toy ny soratra voasokitra eo amin’ny vato, ny ota dia voasokitra lalina tao amin’ny fototarazon’ireo ray aman-drenintsika voalohany. Araka izany, dia tsy afaka namokatra afa-tsy taranaka tsy tanteraka izy ireo. Koa satria notorontoronina taorian’ny nanotan’i Adama sy i Eva ny zanany rehetra, dia nandova ota sy fahafatesana ny taranak’izy ireo. — Salamo 51:⁠5; Romana 5:⁠12.

14. a) Amin’iza no azo ampitovina ireo izay tsy manaiky ny fahotany? b) Ahoana no nampahafantarana tamin’ny Isiraelita ny naha-mpanota azy ireo?

14 Amin’izao andro izao anefa, dia maro no tsy mino fa mpanota ny tenany. Any amin’ny faritra sasany amin’ny tany, dia tsy fantatra akory mazàna ny hevitra ny amin’ny ota nolovana. Izany anefa tsy porofo fa tsy misy ny ota. Ny ankizilahy kely iray maloto tarehy dia mety hilaza fa madio ny tenany, ary mety tsy hiaiky ny amin’ny mifanohitra amin’izany raha tsy rehefa avy mijery fitaratra. Ny Isiraelita fahiny dia nitovy be dia be tamin’ny ankizilahy kely toy izany rehefa nahazo ny Lalàn’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy mpaminaniny. Nataon’ilay Lalàna mazava tsara fa nisy ny ota. “Tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin’ny lalàna”, hoy ny nohazavain’ny apostoly Paoly. (Romana 7:7-12). Toy ilay ankizilahy kely mijery fitaratra, tamin’ny fampiasana ilay Lalàna mba hijerena ny tenany, ireo Isiraelita, dia afaka nahita fa tsy nadio ny tenany teo imason’i Jehovah.

15. Inona no ahariharin’ny fijerena ny fitaratry ny Tenin’Andriamanitra?

15 Amin’ny fijerentsika ny fitaratry ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny fanamarihantsika ireo fari-pitsipika ao aminy, dia hitantsika fa tsy tanteraka isika. (Jakoba 1:23-25). Ohatra, diniho izay nolazain’i Jesosy Kristy tamin’ireo mpianany momba ny hitiavana an’Andriamanitra sy ny namany, araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Matio 22:37-40. Impiry moa ny olombelona no tsy nahatratra ny marika tamin’ireo lafiny ireo! Ny feon’ny fieritreretan’ny maro dia tsy voatsindrona akory noho ny tsy fanehoana fitiavana an’Andriamanitra na ny namany. — Lioka 10:29-37.

TANDREMO NY TETIKADIN’I SATANA!

16. Inona no azontsika atao mba hanalavirana tsy ho voan’ny tetik’i Satana, ary nahoana izany no sarotra?

16 I Satana dia mitady ny hampanota antsika an-tsitrapo. (1 Jaona 3:⁠8). Misy fomba hanalavirana tsy ho voan’ny tetika ampiasainy ve? Eny, nefa izany dia mitaky ny hiadiantsika amin’ireo fironana hanota an-tsitrapo. Tsy mora izany satria tena mahery ny fironana hanota nolovantsika. (Efesiana 2:⁠3). I Paoly dia tena tsy maintsy niady mafy. Nahoana? Satria nitoetra tao anatiny ny ota. Raha maniry hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra isika, isika koa dia mila ny miady amin’ireo fironana hanota ao anatintsika. — Romana 7:14-24; 2 Korintiana 5:⁠10.

17. Inona no mahatonga ny ady atao amin’ireo fironantsika hanota ho sarotra kokoa?

17 Koa satria i Satana mitady tsy an-kijanona fahafahana hisarika antsika amim-pitaka handika ireo lalàn’Andriamanitra, dia tsy mora ny ady ataontsika amin’ny ota. (1 Petera 5:⁠8). Nanahy ny amin’ireo Kristiana namany i Paoly ka nanao hoe: “Matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny [hafetseny, NW ]”. (2 Korintiana 11:⁠3). Mampiasa tetik’ady mitovy amin’izany i Satana amin’izao andro izao. Manandrana mamafy voan’ny fisalasalana momba ny hatsaram-pon’i Jehovah sy ny soa azo avy amin’ny fankatoavana ireo didin’Andriamanitra izy. Ny Devoly dia manandrana manararaotra ireo fironantsika hanota nolovana sy hahatonga antsika hanaraka ny lalan’ny avonavona, ny fierenana, ny fankahalana ary ny fanavakavahana.

18. Amin’ny fomba ahoana no ampiasan’i Satana an’itỳ tontolo itỳ mba hampirisihana hanota?

18 Ny iray amin’ireo paika ampiasain’ny Devoly hamelezana antsika dia itỳ tontolo itỳ, izay mipetraka eo aminy. (1 Jaona 5:19). Raha tsy mitandrina isika, dia hanery antsika hanaraka ny lalan’ny ota izay mandika ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tenan’Andriamanitra ny olona feno fahasimbana ara-pitondran-tena sy manao ny tsy marina eo amin’itỳ tontolo itỳ. (1 Petera 4:3-5). Olona maro no minia tsy miraharaha ireo lalàn’Andriamanitra ary manakifika ireo fanairan’ny feon’ny fieritreretany mihitsy aza, ka mahatonga azy io ho donto amin’ny farany. (Romana 2:14, 15; 1 Timoty 4:1, 2). Misy manjary manaraka miandalana lalana iray izay na dia ny feon’ny fieritreretany tsy tanteraka aza dia tsy namela azy hanaraka azy io taloha. — Romana 1:24-32; Efesiana 4:17-19.

19. Nahoana no tsy ampy ny manana fiainana madio ara-pitondran-tena fotsiny?

19 Tena fahombiazana lehibe ny fananana fiainana madio ara-pitondran-tena eto amin’itỳ tontolo itỳ. Mba hampifaliana ny Mpamorona antsika anefa, dia mihoatra noho izany no takina. Tsy maintsy manana finoana an’Andriamanitra koa isika ary mahatsapa fananana andraikitra eo anatrehany. (Hebreo 11:⁠6). “Izay mahalala hanao [izay tsara, NW ], nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.” (Jakoba 4:17). Eny, ny finiavana tsy hiraharaha an’Andriamanitra sy ny didiny dia efa endriny iray amin’ny ota.

20. Ahoana no mety hanandraman’i Satana hisakana anao tsy hanao izay tsara, nefa inona no hanampy anao hanohitra izany fanerena izany?

20 I Satana dia tena azo inoana fa hampirisika ny hisian’ny fanoherana ny fikatsahanao ny fahalalana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fianaranao ny Baiboly. Antenaina amim-pahatsoram-po fa tsy hamela izany fanerena izany hisakana anao tsy hanao izay tsara ianao. (Jaona 16:⁠2). Na dia mpanapaka maro aza no nino an’i Jesosy nandritra ny fanompoany, dia tsy nanaiky azy izy ireo, satria natahotra ny holavin’ny fiaraha-monina nisy azy. (Jaona 12:42, 43). Tsy miantra i Satana manandrana mampitahotra izay rehetra mitady ny fahalalana an’Andriamanitra. Kanefa, tokony hotadidinao sy hankasitrahanao foana ireo zavatra mahatalanjona nataon’i Jehovah. Mety ho afaka hanampy an’ireo mpanohitra hanana fankasitrahana mitovy amin’izany mihitsy aza ianao.

21. Ahoana no mety handresentsika itỳ tontolo itỳ sy ireo fironan’ny tenantsika hanota?

21 Raha mbola tsy tanteraka koa isika, dia hanota foana. (1 Jaona 1:⁠8). Na dia izany aza, dia manana fanampiana isika mba hanaovana io ady io. Eny, azo atao ny mivoaka ho mpandresy amin’ny ady ataontsika amin’ilay ratsy, dia i Satana Devoly. (Romana 5:21). Tamin’ny faran’ny fanompoany teto an-tany i Jesosy dia nampahery an’ireo mpanara-dia azy tamin’ireto teny ireto: “Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” (Jaona 16:33). Na dia ho an’ny olombelona tsy tanteraka aza, dia azo atao ny mandresy itỳ tontolo itỳ noho ny fanampian’Andriamanitra. I Satana dia tsy afa-mihazona an’ireo izay manohitra azy sy ‘manaiky an’Andriamanitra’. (Jakoba 4:⁠7; 1 Jaona 5:18, NW ). Araka ny ho hitantsika, Andriamanitra dia nanome lalana hivoahana amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana.

TSAPAO NY FAHALALANAO

Iza moa i Satana Devoly?

Nahoana ny olombelona no mihantitra sy maty?

Inona moa no atao hoe ota?

Amin’ny fomba ahoana no isarihan’i Satana ny olona hanota an-tsitrapo amin’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 54]