Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Antony Itondran’ny Fananana Fiainana Araka An’Andriamanitra Fahasambarana

Ny Antony Itondran’ny Fananana Fiainana Araka An’Andriamanitra Fahasambarana

Toko Faha-13

Ny Antony Itondran’ny Fananana Fiainana Araka An’Andriamanitra Fahasambarana

1. Nahoana isika no afaka milaza fa mitondra fahasambarana ny lalan’i Jehovah?

I JEHOVAH no ilay “Andriamanitra sambatra”, ary maniry anao hifaly amin’ny fiainana izy. (1 Timoty 1:11, NW ). Amin’ny fandehanana amin’ny lalany ianao dia afaka mahita soa sy mahatsapa fahatoniana izay lalina sady maharitra, toy ny ony iray tsy mitsaha-mikoriana. Ny fandehanana amin’ny lalan’Andriamanitra koa dia manosika ny tena hanatontosa asam-pahamarinana tsy an-kijanona, “tahaka ny onjan-drano-masina”. Izany dia mitondra fahasambarana marina. — Isaia 48:17, 18.

2. Ahoana no ahafahan’ny Kristiana ho sambatra na dia entina amin’ny fomba ratsy aza izy ireo indraindray?

2 Mety hanohitra ny sasany hoe: ‘Indraindray ny olona dia mijaly noho ny fanaovany ny marina.’ Marina izany, ary izany no nitranga tamin’ireo apostolin’i Jesosy. Na dia nenjehina aza anefa izy ireo, dia faly ary nanohy “nanambara ny vaovao tsara ny amin’ny Kristy”. (Asan’ny Apostoly 5:40-42, NW ). Afaka mianatra lesona lehibe avy amin’izany isika. Ny iray amin’izany dia hoe ny fananantsika fiainana araka an’Andriamanitra dia tsy manome antoka fa hoentin’ny hafa amin’ny fomba tsara foana isika. “[Raha ny marina, NW ]”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly, “izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.” (2 Timoty 3:12). Ny anton’izany dia satria manohitra an’ireo izay miaina araka an’Andriamanitra i Satana sy ny tontolony. (Jaona 15:18, 19; 1 Petera 5:⁠8). Ny tena fahasambarana anefa dia tsy miankina amin’ny zavatra ivelany. Izy io kosa dia avy amin’ny fiekena mafy fa manao ny tsara isika, ka noho izany dia mahazo ny tsikim-pankasitrahan’Andriamanitra. — Matio 5:10-12; Jakoba 1:2, 3; 1 Petera 4:13, 14.

3. Amin’ny ahoana ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah no tokony hanan-kery eo amin’ny fiainan’ny olona iray?

3 Misy olona mihevitra fa afaka mahazo sitraka amin’Andriamanitra ho tambin’ny fanaovan’izy ireo asa fanehoam-pitiavam-pivavahana tsindraindray izy ireo, nefa afaka manadino azy amin’ny fotoana hafa. Tsy tahaka izany ny fanompoam-pivavahana marina amin’i Jehovah Andriamanitra. Izy io dia manan-kery eo amin’ny fitondran-tenan’ny olona iray mandritra ny ora ifohazany rehetra, isan’andro isan’andro, isan-taona isan-taona. Izany no antony iantsoana azy io koa hoe “ny làlana”. (Asan’ny Apostoly 19:⁠9, fanamarihana ambany pejy; Isaia 30:21). Izy io dia fomba fiaina araka an’Andriamanitra izay mitaky ny hitenenantsika sy hanaovantsika zavatra mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra.

4. Nahoana no ahitan-tsoa ny fanaovana fiovana mba hiainana araka ireo lalan’Andriamanitra?

4 Rehefa misy mpianatra ny Baiboly vaovao mahita fa mila manao fiovana sasany ny tenany mba hampifaliana an’i Jehovah, dia mety hanontany tena izy ireo hoe: ‘Moa ve tena mendrika ny hanarahana azy ny fiainana araka an’Andriamanitra?’ Afaka mahazo antoka ianao fa izany tokoa no izy. Nahoana? Satria “Andriamanitra dia fitiavana”, ka noho izany, ireo lalany dia natao mba hahitantsika soa. (1 Jaona 4:⁠8). Hendry koa Andriamanitra ka mahafantatra izay tsara indrindra ho antsika. Koa satria tsitoha i Jehovah Andriamanitra, dia afaka manatanjaka antsika hanatanteraka ny faniriantsika hampifaly azy amin’ny fialana amin’ny fahazaran-dratsy iray, izy. (Filipiana 4:13). Andeha isika handinika fotopoto-pitsipika sasany tafiditra amin’ny fiainana araka an’Andriamanitra ka hahita hoe amin’ny ahoana ny fampiharana azy ireo no mitondra fahasambarana.

MITERAKA FAHASAMBARANA NY FANAOVANA NY MARINA

5. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny lainga sy ny halatra?

5 I Jehovah no ilay “Andriamanitry ny fahamarinana”. (Salamo 31:⁠5). Tsy isalasalana fa maniry hanaraka ny ohatra omeny sy ho fantatra ho toy ny olona milaza ny marina, ianao. Ny fanaovana ny marina dia mitarika ho amin’ny fahatsapana fananana haja sy ny fahatsiarovana ho mandry feizay. Noho ny fanaovana ny tsy marina fahita aoka izany eto amin’itỳ tontolo feno fahotana itỳ anefa, dia mila izao fampahatsiahivana izao ny Kristiana: “Samia milaza ny marina amin’ny namany avy hianareo rehetra (⁠.⁠.⁠.⁠). Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina (⁠.⁠.⁠.⁠), mba hisy homeny izay tsy manana.” (Efesiana 4:25, 28). Ireo mpiasa kristiana dia manao asa mendri-koderaina amin’ny andro iray. Raha tsy hoe manome azy lalana angaha ny mpampiasa azy, dia tsy maka zavatra izay azy io izy ireo. Na any am-piasana izany, na any an-tsekoly, na ao an-trano, ny mpivavaka amin’i Jehovah iray dia tsy maintsy ‘manao ny marina amin’ny zava-drehetra’. (Hebreo 13:18, NW ). Na iza na iza manao ny fandaingana na ny fangalarana ho fahazarana dia tsy afaka mahazo sitraka amin’Andriamanitra. — Deoteronomia 5:17; Apokalypsy 21:⁠8.

6. Amin’ny ahoana no mety hankalaza an’i Jehovah ny fanaovan’ny olona iray matahotra an’Andriamanitra ny marina?

6 Miteraka fitahiana maro ny fanaovana ny marina. I Selina dia vehivavy afrikana maty vady sy sahirana iray, izay tia an’i Jehovah Andriamanitra sy ireo fotopoto-pitsipiny marina. Indray andro izy dia nahita poketra iray nisy boky nilaza kaonty amin’ny banky sy vola be. Nampiasa boky misy ny lisitr’ireo mpamandrika telefaonina izy ka afaka nahita ny tompony — mpivarotra iray izay nisy nandroba. Saika tsy nino ilay rangahy rehefa nitsidika azy i Selina, na dia narary be aza, ka namerina ny tao anatin’ilay poketra rehetra. “Tsy maintsy valian-tsoa ny fanaovana ny marina toy izao”, hoy izy sady nanome vola an’i Selina izy. Ny zava-dehibe kokoa anefa dia nidera ny fivavahan’i Selina io rangahy io. Eny, ny fanaovan-javatra amim-pahamarinana dia mampahamendrika ny fampianaran’ny Baiboly, sy mankalaza an’i Jehovah Andriamanitra ary mitondra fahasambarana ho an’ireo mpivavaka aminy manao ny marina. — Titosy 2:10; 1 Petera 2:⁠12.

MITONDRA FAHASAMBARANA NY FAHALALAHAN-TANANA

7. Inona no maha-ratsy ny filokana?

7 Misy fahasambarana ho an’ny malala-tanana, fa ny mpierina kosa tsy “handova ny fanjakan’Andriamanitra”. (1 Korintiana 6:10). Ny endriny fahita iray amin’ny fierenana dia ny filokana, izay fanandramana hahita tombony avy amin’ny fahavoazan’ny hafa. Tsy mankasitraka ireo izay “mierina amin’ny tombony azo amin’ny tsy marina” i Jehovah. (1 Timoty 3:⁠8, NW ). Na dia rehefa ara-dalàna aza ny filokana ary na dia rehefa miloka noho ny fahafinaretana aza ny olona iray, dia mety handevozin’izany izy ka hampitombo fahazarana iray izay nanimba fiainan’olona maro. Ny filokana matetika dia mitondra fahasahiranana ho an’ny fianakavian’ilay mpiloka, izay mety tsy hanana vola firy tavela hividianana ny zavatra tena ilaina toy ny sakafo sy ny fitafiana. — 1 Timoty 6:⁠10.

8. Ahoana no namelan’i Jesosy ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fahalalahan-tanana, ary ahoana no ahafahantsika ho malala-tanana?

8 Noho ny fahalalahan-tanany amim-pitiavana, ny Kristiana dia mahita fifaliana manampy ny hafa, indrindra fa ireo mpiray finoana aminy sahirana. (Jakoba 2:15, 16). Talohan’ny nahatongavany teto an-tany i Jesosy dia nandinika ny fahalalahan-tanan’Andriamanitra tamin’ny olombelona. (Asan’ny Apostoly 14:16, 17). Ny tenan’i Jesosy mihitsy dia nanome ny fotoanany sy ny talentany ary na dia ny ainy koa aza ho an’ny olombelona. Noho izany, dia tena tsara toerana izy mba hilaza hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35). Niresaka tamin’ny fomba tsara ny amin’ilay mpitondratena nahantra izay nanisy farantsakely roa tamim-pahalalahan-tanana tao anatin’ny fandatsahan-drakitry ny tempoly, koa i Jesosy, satria nanome ny “fivelomany rehetra” izy io. (Marka 12:41-44). Ny Isiraelita fahiny sy ny Kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia ohatra ny amin’ny fahalalahan-tanana feno fifaliana tamin’ny fanomezana fanohanana ara-nofo ny kongregasiona sy ny asa momba ilay Fanjakana. (1 Tantara 29:⁠9; 2 Korintiana 9:11-14). Ho fanampin’ny fanomezana ara-nofo ho an’ireo zava-kendrena ireo, ny Kristiana amin’ny andro ankehitriny dia faly manolotra fiderana ho an’Andriamanitra sy mampiasa ny fiainany eo amin’ny fanompoana azy. (Romana 12:⁠1; Hebreo 13:15). Tahin’i Jehovah izy ireo, noho izy ireo mampiasa ny fotoanany sy ny tanjany ary ny fananany hafa, anisan’izany ny volany, mba hanohanana ny fanompoam-pivavahana marina sy hampandrosoana ny asa fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana maneran-tany. — Ohabolana 3:9, 10.

LAFIN-JAVATRA HAFA MAMPITOMBO NY FAHASAMBARANA

9. Inona no maha-ratsy ny fisotroana tafahoatra fisotro misy alkaola?

9 Mba hahasambatra azy, ny Kristiana dia tsy maintsy ‘miaro ny fahaizany misaina’ koa. (Ohabolana 5:1, 2, NW ). Izany dia mitaky ny hamakiany ny Tenin’Andriamanitra sy zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly madio sy ny hisaintsainana momba azy ireo. Misy zavatra tokony hohalavirina anefa. Ohatra, ny fisotroana tafahoatra zavatra misy alkaola dia afaka mahatonga ny olona iray hamoy ny fifehezany ny fisainany. Rehefa ao anatin’izany ny sainy, dia olona maro no manao fitondran-tena maloto, manao zavatra amin-kerisetra ary mahatonga loza mahafaty. Tsy mahagaga raha milaza ny Baiboly hoe tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra ny mpimamo! (1 Korintiana 6:10). Tapa-kevitra ny hihazona ‘ny sainy ho miorina tsara’ ny Kristiana marina, ka manalavitra ny fimamoana, ary izany dia manampy ho amin’ny fampitomboana ny fahasambarana eo anivon’izy ireo. — Titosy 2:2-6NW.

10. a) Nahoana ny Kristiana no tsy mampiasa sigara sy paraky? b) Inona avy no soa entin’ny fialana amin’ny fahazarana manandevo?

10 Ny vatana madio dia anisan’ny manome fahasambarana. Kanefa, olona maro no manjary andevozin-javatra manimba. Ohatra, diniho ny fampiasana sigara sy paraky. Ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana dia mitatitra fa ny fifohana sigara dia “mamono olona telo tapitrisa isan-taona”. Afaka ny ho sarotra ny fialana amin’ny fahazarana mifoka sigara sy mihinam-paraky, noho ireo vokatra mihelin’ny fialana aminy. Etsy an-danin’izany kosa, dia olona mpifoka taloha maro no mahita fa salama kokoa izy ireo ary manam-bola kokoa ho an’ny zavatra ilain’ny ankohonany. Eny, ny fandresena ny fahazarana mifoka sigara sy mihinam-paraky na ny fanandevozan’ny zavatra manimba hafa dia ho anisan’ny hanome vatana madio sy feon’ny fieritreretana madio ary fahasambarana marina. — 2 Korintiana 7:⁠1.

FAHASAMBARANA AO AMIN’NY FANAMBADIANA

11. Inona no takina mba hananana fanambadiana manan-kaja ara-dalàna sy maharitra?

11 Ireo izay miara-miaina toy ny mpivady dia tokony hahazo antoka fa voasoratra ara-dalàna eo anatrehan’ny manam-pahefana sivily ny fanambadian’izy ireo. (Marka 12:17). Mila ny mihevitra ny fanambadiana ho toy ny andraikitra lehibe koa izy ireo. Marina fa mety hanjary ho tena ilaina ny fisarahan-toerana rehefa misy fandavana tsy hamelona ny ankohonana, herisetra tafahoatra, na fandrahonana tanteraka ny fahasalamana ara-panahy. (1 Timoty 5:⁠8; Galatiana 5:19-21). Ny tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 7:10-17 anefa dia mampirisika ireo mpivady mba hiara-mitoetra. Mazava ho azy fa mba hisian’ny fahasambarana marina, dia tsy maintsy mahatoky amin’ny vadiny izy ireo. Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.” (Hebreo 13:⁠4). Ny teny hoe “fandriana” dia milaza firaisana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray izay mivady ara-dalàna. Tsy misy fifandraisana hafa, idiran’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, toy ny fananana vady mihoatra ny iray, ka ho azo lazalazaina hoe ‘manan-kaja amin’ny olona rehetra’. Ambonin’izany, ny Baiboly dia manameloka ny firaisana alohan’ny fanambadiana sy ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. — Romana 1:26, 27; 1 Korintiana 6:⁠18.

12. Inona avy no sasany amin’ireo voka-dratsin’ny fijangajangana?

12 Mety hitondra fotoam-pahafinaretana ara-batana vetivety ny fijangajangana, nefa tsy miteraka fahasambarana marina izy io. Tsy mahafaly an’Andriamanitra izy io ary afaka manimba maharitra ny feon’ny fieritreretan’ilay olona. (1 Tesaloniana 4:3-5). Ny mety ho vokatra mampalahelon’ny firaisana tsy ara-dalàna dia ny SIDA sy ny aretina hafa mifindra avy amin’ny firaisana. “Notombanana fa olona maherin’ny 250 tapitrisa maneran-tany no voan’ny angatra, ary tokony ho 50 tapitrisa no voan’ny tety, isan-taona”, hoy ny ambaran’ny tatitra ara-pitsaboana iray. Eo koa ny zava-manahirana momba ny fitondrana vohoka tsy nirina. Ny Federasiona Iraisam-pirenena Momba ny Fandrindram-piterahana dia mitatitra fa, maneran-tany, dia ankizivavy eo anelanelan’ny 15 sy 19 taona maherin’ny 15 tapitrisa no bevohoka isan-taona, ary ny ampahatelon’ireo dia manala zaza. Ny fandinihana iray natao dia nampiseho fa any amin’ny tany iray atsy Afrika, ny zava-manahirana ateraky ny fanalana zaza dia mitarika ho amin’ny 72 isan-jaton’ny fahafatesana rehetra eo amin’ny zatovovavy. Mety tsy ho voan’ny aretina na ho bevohoka ny mpijangajanga sasany, nefa tsy ho afa-mandositra ny ratra ara-pihetseham-po. Maro no mamoy ny fahatsapany fananana haja ary mankahala ny tenany mihitsy aza.

13. Zava-manahirana fanampiny inona avy no ateraky ny fanitsakitsaham-bady, ary inona no miandry an’ireo izay manohy mijangajanga sy manitsakitsa-bady?

13 Na dia azo atao aza ny mamela ny heloka amin’ny fanitsakitsaham-bady, izy io dia antony ara-dalàna araka ny Soratra Masina ahafahan’ilay vady tsy manan-tsiny misara-panambadiana. (Matio 5:32, NW; ampitahao amin’ny Hosea 3:1-5.) Rehefa mitarika ho amin’ny faharavan’ny fanambadiana iray ny fahalotoam-pitondran-tena toy izany, izany dia mety hamela holatra ara-pihetseham-po lalina eo amin’ilay vady tsy manan-tsiny sy ireo ankizy. Mba hahasoa ny fianakavian’ny olombelona, ny Tenin’Andriamanitra dia mampiseho fa ho tonga amin’ireo mpijangajanga sy mpanitsakitsa-bady tsy mibebaka ny didim-pitsarany ho fanamelohana. Ambonin’izany, dia asehon’izy io mazava fa ireo izay zatra manao fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy dia “tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra”. — Galatiana 5:19, 21.

“TSY NAMAN’IZAO TONTOLO IZAO”

14. a) Inona avy no endriny sasany amin’ny fanompoan-tsampy halavirin’ny olona iray matahotra an’Andriamanitra? b) Tari-dalana inona no omena ao amin’ny Jaona 17:14 sy Isaia 2:⁠4?

14 Ireo izay maniry hampifaly an’i Jehovah ka hahazo ireo fitahiana hoentin’ilay Fanjakana dia manalavitra ny fanompoan-tsampy na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona. Asehon’ny Baiboly fa ratsy ny manao sary sy mivavaka amin’izy ireny, anisan’izany ny an’i Kristy, na ny an’i Maria, renin’i Jesosy. (Eksodosy 20:4, 5; 1 Jaona 5:21). Koa ny Kristiana marina àry dia tsy mankamasina sarimasina sy lakroa ary sary. Manalavitra ny endriny an-kolaka kokoa amin’ny fanompoan-tsampy koa izy ireo, toy ny fanompoam-pivavahana amin’ny saina sy ny fihirana hira manome voninahitra firenena. Rehefa terena hanao zavatra toy izany izy ireo, dia mahatsiaro ny tenin’i Jesosy tamin’i Satana hoe: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.” (Matio 4:8-10). Nilaza i Jesosy fa ny mpanara-dia azy dia “tsy naman’izao tontolo izao”. (Jaona 17:14). Izany dia midika hoe mialanalana eo amin’ny raharaha ara-politika ary miaina amim-pilaminana mifanaraka amin’ny Isaia 2:⁠4, izay manao hoe: “Hitsara ny adin’ny jentilisa Izy [Jehovah Andriamanitra] ka hampiaiky firenena maro; dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.”

15. Inona no atao hoe Babylona Lehibe, ary inona no ataon’ny mpianatra ny Baiboly vaovao maro mba hivoahana eo aminy?

15 Ny hoe “tsy naman’izao tontolo izao” dia midika koa hoe manapaka ny fifandraisana rehetra amin’i “Babylona lehibe”, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Niely avy tany Babylona fahizay ny fanompoam-pivavahana maloto mandra-pitanany fahefana ara-panahy manimba eo amin’ny olona maneran-tany. I “Babylona lehibe” dia mahafaoka ny fivavahana rehetra izay tsy mifanaraka amin’ny fahalalana an’Andriamanitra ireo foto-pampianarany sy fanaony. (Apokalypsy 17:1, 5, 15). Tsy misy mpivavaka mahatoky eo anatrehan’i Jehovah hanao zavatra fampiraisam-pinoana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanolorana fanompoam-pivavahana miaraka amin’ny fivavahana hafa, na amin’ny fanaovan-javatra ara-panahy hiraisana amin’ny tapany inona na tapany inona amin’i Babylona Lehibe. (Nomery 25:1-9; 2 Korintiana 6:14). Noho izany, dia mpianatra ny Baiboly vaovao maro no mandefa taratasy fialana any amin’ilay fandaminana ara-pivavahana misy azy. Izany dia nampanakaiky kokoa azy ireo an’ilay Andriamanitra marina, araka ny nampanantenaina hoe: “ ‘Mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo.’ ” (2 Korintiana 6:17; Apokalypsy 18:4, 5). Tsy izany faneken’ilay Raintsika any an-danitra izany ve no irinao mafy?

FAMOTOPOTORANA NY AMIN’IREO FANKALAZANA FANAO ISAN-TAONA

16. Nahoana ny Kristiana marina no tsy mankalaza ny Krismasy?

16 Ny fiainana araka an’Andriamanitra dia manafaka antsika amin’ny fankalazana fetin’izao tontolo izao, izay enta-mavesatra matetika. Ohatra, ny Baiboly dia tsy mampiharihary ny andro marina nahaterahan’i Jesosy. ‘Noheveriko hoe teraka tamin’ny 25 Desambra ange i Jesosy e!’, hoy ny mety ho fihiakan’ny sasany. Tsy mety ho izany no izy satria maty tamin’ny lohataonan’ny taona 33 am.⁠f.⁠i. (any amin’ny ila bolan-tany avaratra) izy, fony izy 33 taona sy tapany. Ambonin’izany, tamin’ny fotoana nahaterahany, ireo mpiandry ondry dia “nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin’ny alina”. (Lioka 2:⁠8). Any amin’ny tanin’i Isiraely, amin’ny faramparan’ny Desambra dia mangatsiaka sady manorana ny andro, ka hohazonina any am-pialofana ny ondry amin’ny alina, mba hiarovana azy ireo amin’ny toetr’andro amin’ny ririnina. Raha ny tena izy, ny 25 Desambra dia natokan’ny Romana ho andro nahaterahan’ny masoandro andriamaniny. Taonjato maro taorian’ny naha-teto an-tany an’i Jesosy, dia nandray an’io daty io ny Kristiana mpivadi-pinoana mba hankalazana ny nahaterahan’i Kristy. Noho izany, ny Kristiana marina dia tsy mankalaza na ny Krismasy na izay fety hafa rehetra miorina amin’ny finoana ara-pivavahan-diso. Noho izy ireo manolotra fifikirana tsy mizarazara amin’i Jehovah, dia tsy mitandrina fety izay manao olona mpanota na firenena ho sampy, koa izy ireo.

17. Nahoana ny olona matahotra an’Andriamanitra no tsy manao lanonana fankalazana andro nahaterahana, ary nahoana ny ankizy kristiana no sambatra na dia izany aza?

17 Ny Baiboly dia tsy manonona amin’ny fomba voafaritra tsara afa-tsy fankalazana andro nahaterahana roa, izay samy nahakasika lehilahy tsy nanompo an’Andriamanitra. (Genesisy 40:20-22; Matio 14:6-11). Koa satria ny Soratra Masina tsy mampiharihary ny daty nahaterahan’i Jesosy Kristy, lehilahy tanteraka, nahoana isika no hanome fiheverana manokana ny andro nahaterahan’ny olombelona tsy tanteraka? (Mpitoriteny 7:⁠1). Mazava ho azy fa ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra dia tsy miandry andro manokana iray vao hampiseho fitiavana ny zanany. Hoy ny nomarihin’ny ankizivavy kristiana iray 13 taona: “Mahafinaritra be ny fiarahanay sy ny fianakaviako. (⁠.⁠.⁠.⁠) Tena akaiky ny ray aman-dreniko aho, ary rehefa manontany ahy ny ankizy hafa hoe nahoana aho no tsy mankalaza fety, dia ilazako izy ireo hoe isan’andro aho no manao fankalazana.” Hoy ny tanora kristiana iray 17 taona: “Ao an-tranonay, dia mandavantaona izahay no mifanolotra fanomezana.” Fahasambarana lehibe kokoa no tsapa rehefa atolotra tsy an-tery ny fanomezana.

18. Fankalazana fanao isan-taona inona no nandidian’i Jesosy ny mpanara-dia azy mba hotandreman’izy ireo, ary mampahatsiahy antsika momba ny inona izy io?

18 Ho an’ireo izay manaraka fiainana araka an’Andriamanitra, dia misy andro iray isan-taona tokony hotandremana manokana. Izany dia ny Sakafo Harivan’ny Tompo, antsoina matetika hoe Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Momba azy io, dia hoy ny nandidian’i Jesosy ny mpanara-dia azy: “Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.” (Lioka 22:19, 20; 1 Korintiana 11:23-25). Rehefa nanorina io sakafo io tamin’ny alin’ny 14 Nisana, taona 33 am.⁠f.⁠i., i Jesosy, dia nampiasa mofo tsy nisy lalivay sy divay mena, izay nampiseho ny vatan’olombelona tsy nisy ota sy ny ra tanteraka nananany. (Matio 26:26-29). Ny Kristiana voahosotry ny fanahy masin’Andriamanitra no mandray amin’ireo marika ireo. Noraisina tao amin’ny fanekena vaovao sy ny fanekena ho amin’ilay Fanjakana izy ireo, ary manana fanantenana ny ho any an-danitra. (Lioka 12:32; 22:20, 28-30, NW; Romana 8:16, 17; Apokalypsy 14:1-5). Na dia izany aza, dia misy soa raisin’ireo rehetra manatrika amin’ilay takariva mifanandrify amin’ny 14 Nisana amin’ny kalandrie jiosy fahizay. Ampahatsiahivina azy ireo ny fitiavana nasehon’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy tamin’ilay sorona mitondra fanavotana amin’ny ota izay mahatonga ny fiainana mandrakizay hety ho an’ireo izay mahazo sitraka amin’Andriamanitra. — Matio 20:28; Jaona 3:⁠16.

ASA SY FIALAM-BOLY

19. Zava-tsarotra inona no atrehin’ny Kristiana eo am-pikarakarana ny antom-pivelomany?

19 Manana adidy hiasa mafy sy hahazo izay zavatra ilainy mba hahavelomana ny Kristiana marina. Mitondra fahatsapana fahafaham-po ho an’ny loham-pianakaviana ny fanatontosana izany. (1 Tesaloniana 4:11, 12). Mazava ho azy fa raha mifanipaka amin’ny Baiboly ny asan’ny Kristiana iray, izany dia hanaisotra aminy ny fahasambarany. Kanefa, indraindray dia sarotra ho an’ny Kristiana iray ny mahita asa izay mifanaraka amin’ireo fari-pitsipiky ny Baiboly. Ohatra, takina amin’ny mpiasa sasany ny hamitaka ireo clients. Etsy an-danin’izany kosa, dia mpampiasa maro no ho vonona ny handefitra mba hitsimbinana ny feon’ny fieritreretan’ny mpiasa iray manao ny marina, noho izy ireo tsy maniry hamoy mpiasa mendri-pitokiana. Na inona na inona mitranga anefa, dia afaka mahazo antoka ianao fa hitahy ny ezaka ataonao mba hahitana asa izay hanome anao feon’ny fieritreretana madio, Andriamanitra. — 2 Korintiana 4:⁠2.

20. Nahoana isika no tokony hahay hifantina eo am-pifidianana fialam-boly?

20 Koa satria maniry ny mpanompony ho sambatra Andriamanitra, dia mila ny mandanjalanja ny asa mafy amin’ny fe-potoam-panarian-dia sy fialan-tsasatra mamelombelona aina isika. (Marka 6:31; Mpitoriteny 3:12, 13). Mampirisika ny hananana fialam-boly tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra ny tontolon’i Satana. Mba hampifaliana an’Andriamanitra anefa, dia tsy maintsy mahay mifantina isika raha ny amin’ny boky vakintsika, sy ny fandaharana amin’ny radio mbamin’ny mozika henointsika, ary koa ny rindran-kira, ny sarimihetsika, ny tantara an-tsehatra, ny fandaharana amin’ny televiziona ary ny vidéos jerentsika. Raha mifanipaka amin’ireo fampitandremana ao amin’ny andinin-teny toy ny Deoteronomia 18:10-12 sy Salamo 11:5 ary Efesiana 5:3-5 ny fialam-boly nofidintsika tamin’ny lasa, dia hampifaly an’i Jehovah isika ary ho sambatra kokoa, raha manao fanitsiana.

FANAJANA NY AINA SY NY RA

21. Amin’ny ahoana ny fanajana ny aina no tokony hanan-kery eo amin’ny fomba fiheverantsika momba ny fanalana zaza, ary koa eo amin’ny fahazarantsika sy ny fitondran-tenantsika?

21 Mba hahitana fahasambarana marina, dia mila ny mihevitra ny ain’olombelona ho masina, tsy misy hafa amin’i Jehovah, isika. Mandrara antsika tsy hamono olona ny Teniny. (Matio 19:16-18). Raha ny marina, ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Isiraely dia mampiseho fa mihevitra ny tsaika ho toy ny aina sarobidy — fa tsy zavatra tokony horinganina — izy. (Eksodosy 21:22, 23). Raha ny amin’izany, dia tsy tokony hihevitra ny aina ho toy ny tsy misy vidiny firy isika, amin’ny fampiasana sigara sy paraky, amin’ny fanimbana ny vatantsika amin’ny alalan’ny zava-mahadomelina na ny alkaola, na amin’ny fihaikana loza tsy amin’ny antony. Sady tsy tokony handray anjara amin’izay fanaovan-javatra rehetra mahatandindomin-doza ny aina isika no tsy tokony hanao tsirambina fepetra fiarovana, zavatra izay mety hitarika ho amin’ny fivesarana trosan-dra. — Deoteronomia 22:⁠8.

22. a) Inona no fiheverana araka an’Andriamanitra momba ny ra sy ny fampiasana azy io? b) Ny ran’iza ihany no tena mamonjy aina?

22 Nilaza tamin’i Noa sy ny fianakaviany i Jehovah fa ny ra dia mampiseho ny fanahy (âme), na ny aina. Noho izany, dia nandrara azy ireo tsy hihinana ra na inona na inona Andriamanitra. (Genesisy 9:3, 4, NW ). Koa satria taranak’izy ireo isika, dia mifehy antsika rehetra iny lalàna iny. Nilaza tamin’ny Isiraelita i Jehovah fa ny ra dia tokony haidina amin’ny tany ary tsy tokony hampiasaina ho an’ny zava-kendren’ny olombelona manokana. (Deoteronomia 12:15, 16). Ary ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra dia naverina indray rehefa nomena toromarika ny Kristiana tamin’ny taonjato voalohany hoe: ‘Fadio ny ra.’ (Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Noho ny fanajana ny fahamasinan’ny aina, ny olona matahotra an’Andriamanitra dia tsy manaiky fampidiran-dra, na dia manizingizina aza ny hafa fa hamonjy ny ainy izany fanao izany. Fomba fitsaboana hafa maro azon’ny Vavolombelon’i Jehovah ekena, no voaporofo fa tena mandaitra ary tsy mahatonga ny tena hisetra ireo loza mety hateraky ny fampidiran-dra. Fantatry ny Kristiana fa ny ra nalatsak’i Jesosy ihany no tena mamonjy aina. Ny finoana azy io dia mitondra famelan-keloka sy fahatsinjovana fiainana mandrakizay. — Efesiana 1:⁠7.

23. Inona avy no valisoa sasany avy amin’ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra?

23 Mazava fa mitaky ezaka ny fananana fiainana araka an’Andriamanitra. Mety hiteraka fanarabiana avy amin’ny mpianakavy na ny olom-pantatra izany. (Matio 10:32-39; 1 Petera 4:⁠4). Mihoatra lavitra noho izay fisedrana rehetra anefa ny valisoan’ny fananana fiainana toy izany. Izany dia mitarika ho amin’ny fananana feon’ny fieritreretana madio ary manome fisakaizana madio amin’ny mpiara-mivavaka amin’i Jehovah. (Matio 19:27, 29). Avy eo koa dia alao sary an-tsaina ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao sy marin’Andriamanitra. (Isaia 65:17, 18). Ary fifaliana toy inona moa no hita amin’ny fanarahana ny torohevitry ny Baiboly sy ny fampifaliana ny fon’i Jehovah amin’izany! (Ohabolana 27:11). Tsy mahagaga raha mitondra fahasambarana ny fananana fiainana araka an’Andriamanitra! — Salamo 128:1, 2.

TSAPAO NY FAHALALANAO

Inona avy no antony sasany itondran’ny fananana fiainana araka an’Andriamanitra fahasambarana?

Mety hitaky fanaovana fiovana inona avy ny fiainana araka an’Andriamanitra?

Nahoana ianao no maniry hanana fiainana araka an’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 124, 125]

Fanaovan-javatra ara-panahy voalanjalanja amin’ny fe-potoam-pialan-tsasatra no anisan’ny manome ny fahasambaran’ireo izay manana fiainana araka an’Andriamanitra