Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fahefan’iza no Tokony Hekenao?

Ny Fahefan’iza no Tokony Hekenao?

Toko Faha-14

Ny Fahefan’iza no Tokony Hekenao?

1, 2. Mitondra loza daholo ve ny endri-pahefana rehetra? Hazavao.

NY HOE “fahefana” dia teny manafintohina olona maro. Mora azo ny anton’izany, satria matetika no misy manampatra ny fahefany — any am-piasana sy ao amin’ny fianakaviana ary avy amin’ireo fitondram-panjakana. Milaza araka ny zavatra tena misy ny Baiboly hoe: “Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.” (Mpitoriteny 8:⁠9). Eny, maro no nanapaka ny hafa tamin’ny fomba tsy refesi-mandidy sy feno fitiavan-tena.

2 Tsy ny fahefana rehetra anefa no mitondra loza. Ohatra, ho azo atao ny hilaza hoe mampihatra fahefana amintsika ny vatantsika. Izy io dia “mandidy” antsika hifoka rivotra, hihinana, hisotro ary hatory. Mampahory ve izany? Tsia. Ny fanarahana ireo zavatra takina amintsika ireo dia mba hahasoa antsika. Na dia mety ho tsy iniana atao aza ny fanekena ireo zavatra ilain’ny vatantsika ireo, dia misy endri-pahefana hafa izay mitaky ny fanekentsika an-tsitrapo. Mandiniha ohatra sasantsasany.

ILAY FAHEFANA TAMPONY

3. Nahoana i Jehovah no manana zo ny hantsoina hoe “Tompo Manam-piandrianana”?

3 Mihoatra ny in-300 i Jehovah no antsoina hoe “Tompo Manam-piandrianana” (NW ) ao amin’ny Baiboly. Ny tompom-piandrianana dia izay manana fahefana tampony. Inona no manome an’i Jehovah ny zo hitana io toerana io? Hoy ny avalin’ny Apokalypsy 4:11: “Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.”

4. Amin’ny fomba ahoana no ifidianan’i Jehovah hampiharana ny fahefany?

4 Amin’ny maha-Mpamorona antsika azy, i Jehovah dia manana ny zo hampihatra ny fahefany araka izay tiany. Mety ho toa hampahatahotra izany, indrindra fa rehefa heverintsika ‘ny haben’ny fahatanjahan’Andriamanitra’. Antsoina hoe “Andriamanitra Tsitoha” izy — teny izay mampita ny hevitra ny amin’ny hery manafotra, amin’ny teny hebreo. (Isaia 40:26; Genesisy 17:⁠1). Kanefa, i Jehovah dia mampiseho ny heriny amin’ny fomba feno fahavononana hanasoa ny hafa, satria ny toetrany lehibe indrindra dia ny fitiavana. — 1 Jaona 4:⁠16.

5. Nahoana no tsy sarotra ny manaiky ny fahefan’i Jehovah?

5 Na dia nampitandrina aza i Jehovah fa hitondra famaizana tamin’ny mpanao ratsy tsy nibebaka izy, i Mosesy dia nahafantatra fa, voalohany indrindra izy dia “Andriamanitra [marina, NW ], dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny”. (Deoteronomia 7:⁠9). Alao sary an-tsaina fotsiny ange e! Ilay Fahefana Tampony eo amin’izao rehetra izao dia tsy manery antsika hanompo azy. Voasintona ho aminy kosa isika, noho ny fitiavany. (Romana 2:⁠4; 5:⁠8). Fahafinaretana mihitsy aza ny fanekena ny fahefan’i Jehovah, satria ireo lalàny dia mitondra soa ho antsika foana amin’ny farany. — Salamo 19:7, 8.

6. Ahoana no nipoiran’ilay raharaha ny amin’ny fahefana tao amin’ny sahan’i Edena, ary inona no vokany?

6 Nanda ny fiandrianan’Andriamanitra ireo ray aman-drenintsika voalohany. Naniry ny hanapa-kevitra ho an’ny tenany manokana ny amin’izay tsara sy izay ratsy izy ireo. (Genesisy 3:4-6). Ho vokany, dia noroahina tao amin’ny fonenany Paradisa izy ireo. Taorian’izay i Jehovah dia namela ny olombelona hamorona rafi-pahefana izay hahatonga azy ireo hiaina ao amin’ny fitambaran’olona milamina, na dia tsy tanteraka aza. Inona avy no sasany amin’izany fahefana izany, ary hatraiza no antenain’Andriamanitra ny hanekentsika azy ireo?

“IREO FAHEFANA AMBONY”

7. Iza moa “ireo fahefana ambony”, ary manao ahoana ny toeran’izy ireo raha oharina amin’ny fahefan’Andriamanitra?

7 Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky [ireo fahefana ambony, NW ]. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra”. Iza moa ireo “fahefana ambony”? Ny tenin’i Paoly ao amin’ireo andininy manaraka dia mampiseho fa izany dia ireo fahefana ao amin’ny fitondram-panjakan’olombelona. (Romana 13:1-7; Titosy 3:⁠1). Tsy avy amin’i Jehovah akory ireo fahefana ao amin’ny fitondram-panjakan’ny olona, fa misy noho ny fanomezan-dalana avy aminy kosa izy ireo. Koa afaka nanoratra àry i Paoly hoe: “[Ireo fahefana, NW ] misy dia voatendrin’Andriamanitra.” Inona no atoron’izany momba ny fahefana eto an-tany toy izany? Fa izy io dia manarakaraka, na hoe ambany kokoa noho ny fahefan’Andriamanitra. (Jaona 19:10, 11). Noho izany, rehefa mifanipaka ny lalàn’ny olombelona sy ny lalàn’Andriamanitra, ny Kristiana dia tsy maintsy tarihin’ny feon’ny fieritreretany nampiofanin’ny Baiboly. ‘Andriamanitra no tokony heken’izy ireo mihoatra noho ny olona.’ — Asan’ny Apostoly 5:29.

8. Inona no soa raisinao avy amin’ireo fahefana ambony, ary ahoana no ahafahanao mampiseho ny fanekenao azy ireo?

8 Matetika anefa ireo fahefana ambony ao amin’ny fitondram-panjakana dia manao zavatra amin’ny maha-‘mpanompon’Andriamanitra [ho antsika mba hahasoa, NW ] antsika’. (Romana 13:⁠4). Amin’ny fomba ahoana avy? Eritrereto fotsiny ireo asa fanampiana maro be atolotr’ireo fahefana ambony, toy ny asan’ny paositra, ny polisy sy ny famonjena hain-trano, ny fikarakarana ny fahadiovana ary ny fampianarana. “Noho izany no andoavanareo vola hetra”, hoy ny nosoratan’i Paoly, “fa mpanompon’Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny.” (Romana 13:⁠6). Raha ny amin’ny vola hetra na izay adidy araka ny lalàna hafa rehetra, dia tokony “hitondra tena amim-pahamarinana” isika. — Hebreo 13:18NW.

9, 10. a) Amin’ny ahoana ireo fahefana ambony no mifanaraka amin’ny fandaharan’Andriamanitra? b) Nahoana no tsy hety ny hanoherana ireo fahefana ambony?

9 Indraindray, ireo fahefana ambony dia mampiasa ny fahefany amin’ny fomba ratsy. Moa ve izany manafaka antsika amin’ny andraikitsika hanohy hanaiky azy ireo? Tsia. Mahita ireo zavatra tsy mety ataon’ireo fahefana ireo i Jehovah. (Ohabolana 15:⁠3). Ny fileferany eo anoloan’ny fisian’ny fanapahan’olombelona akory tsy midika fa manakimpy ny masony eo anoloan’ny faharatsian’izy io izy; ary tsy miandry antsika hanao izany izy. Eny tokoa, tsy ho ela Andriamanitra dia ‘hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra ireo’, ka hanolo azy ireo amin’ny fanapahan’ny fitondram-panjakana marin’ny tenany. (Daniela 2:44). Mandra-pahatongan’izany anefa, ireo fahefana ambony dia mahatanteraka zava-kendrena mahasoa iray.

10 Hoy ny nohazavain’i Paoly: “Izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny [fandaharan’Andriamanitra, NW ]”. (Romana 13:⁠2). “Fandaharan’Andriamanitra” ireo fahefana ambony satria mitandro filaminana ihany izy ireo. Raha tsy nisy tokoa izany, dia fisafotofotoana tanteraka sy fanjakan’i Baroa no hanjaka. Ny fanoherana azy ireo dia tsy ho araka ny Soratra Masina sady ho hadalana. Mba hampisehoana izany, dia alao sary an-tsaina hoe vao avy nodidiana ianao, ary misy zaitra manakombona ilay fery. Na dia tsy anisan’ny vatana aza ireo zaitra, dia mahatanteraka zava-kendrena iray mandritra ny fotoana voafetra. Mety hitera-doza ny fanesorana azy ireo aloha loatra. Mitovy amin’izany koa fa ireo fahefana ao amin’ny fitondram-panjakan’olombelona dia tsy anisan’ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany. Mandra-panapaky ny Fanjakany ny tany amin’ny fomba feno anefa, dia mihazona ny fitambaran’olona tsy hisaratsaraka ireo fitondram-panjakan’olombelona, ka manatontosa asa iray izay mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra amin’izao fotoana izao. Tokony hanohy hanaiky ireo fahefana ambony àry isika, no sady hanome ny toerana voalohany ho an’ny lalàn’Andriamanitra sy ny fahefany.

FAHEFANA AO AMIN’NY FIANAKAVIANA

11. Ahoana no hanazavanao ny fotopoto-pitsipika ny amin’izay lohany?

11 Ny fianakaviana no fototry ny fitambaran’olona. Eo anivony, ny lehilahy iray sy ny vadiny dia afaka mahita fisakaizana mahafa-po, ary ireo ankizy dia azo arovana sy ampiofanina ho amin’ny fiainan’olon-dehibe. (Ohabolana 5:15-21; Efesiana 6:1-4). Izany fandaharana ambony izany dia mila ny halamina amin’ny fomba izay hahafahan’ireo mpianakavy hiaina ao anatin’ny fihavanana sy ny fifanarahana. Ny fomba anatanterahan’i Jehovah izany dia amin’ny alalan’ny fotopoto-pitsipika ny amin’izay lohany, voafintina amin’ireto teny hita ao amin’ny 1 Korintiana 11:⁠3 ireto: “Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.”

12, 13. Iza no lohan’ny fianakaviana, ary inona no azo ianarana avy amin’ny fomba nampiharan’i Jesosy ny maha-lohany azy?

12 Ny lehilahy no lohan’ny fianakaviana. Kanefa, misy lohany koa eo amboniny — i Jesosy Kristy. Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny [kongregasiona, NW ] ka nanolorany ny tenany hamonjy azy”. (Efesiana 5:25). Manome taratry ny fanekeny an’i Kristy ny lehilahy iray rehefa mitondra ny vadiny amin’ny fomba nitondran’i Jesosy foana ny kongregasiona. (1 Jaona 2:⁠6). Fahefana lehibe no napetraka tamin’i Jesosy, nefa nampihatra izany tamin’ny fahamoram-panahy sy ny fitiavana ary ny fahalalana ny antonona faran’izay lehibe izy. (Matio 20:25-28). Tamin’ny naha-lehilahy azy, i Jesosy dia tsy nanampatra mihitsy ny toeram-pahefana nananany. ‘Nalemy fanahy sady tsy niavona am-po’ izy, ary niantso ireo mpanara-dia azy hoe “sakaiza” fa tsy “mpanompo”. “Hamelombelona anareo aho”, hoy ny nampanantenainy azy ireo, ary dia izany tokoa no nataony. — Matio 11:28, 29, NW; Jaona 15:⁠15.

13 Ny ohatr’i Jesosy dia mampianatra an’ireo lehilahy manambady fa tsy toeram-panapahana amim-pahasiahana akory ny maha-loham-pianakaviana kristiana azy ireo. Toeram-panajana sy fitiavana feno fahafoizan-tena kosa izy io. Izany dia hanilika mazava tsara ny fitondrana ratsy ny vadiny eo amin’ny ara-batana na eo amin’ny teny atao. (Efesiana 4:29, 31, 32; 5:28, 29; Kolosiana 3:19). Raha toa ny lehilahy kristiana iray ka mitondra amin’ny fomba ratsy toy izany ny vadiny, ireo asany tsara hafa dia tsy hisy vidiny, ary ireo vavaka hataony dia ho voasakana. — 1 Korintiana 13:1-3; 1 Petera 3:⁠7.

14, 15. Ahoana no anampian’ny fahalalana an’Andriamanitra ny vehivavy iray hanaiky ny vadiny?

14 Rehefa manahaka ny ohatr’i Kristy ny lehilahy iray, dia mora kokoa ho an’ny vadiny ny manaraka ireto tenin’ny Efesiana 5:22, 23 ireto: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny [kongregasiona, NW ]”. Tsy misy hafa amin’ny tokony haneken’ny lehilahy iray an’i Kristy no tsy maintsy aneken’ny vehivavy iray ny vadiny. Ataon’ny Baiboly mazava tsara koa fa ireo vehivavy mahay dia mendrika ny hahazo voninahitra sy dera noho ny fahendreny sy ny fahazotoany miasa araka an’Andriamanitra. — Ohabolana 31:10-31, fanamarihana ambany pejy.

15 Voafetra ny faneken’ny vehivavy kristiana iray ny vadiny. Izany dia midika fa Andriamanitra, fa tsy ny olona akory, no tsy maintsy ankatoaviny, raha toa ka hitarika ho amin’ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra ny fanekena amin’ny raharaha iray. Na dia amin’izay aza, ny toerana hentitra tanan’ny vehivavy iray dia tokony hohalefahin’ny “toe-tsaina tony sy feno halemem-panahy”. Tokony hiharihary fa nahatonga azy ho vady tsara kokoa ny fahalalana araka an’Andriamanitra. (1 Petera 3:1-4, NW ). Ho marina koa izany ny amin’ny lehilahy kristiana iray izay tsy mpino ny vadiny. Ny fanarahany ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly dia tokony hahatonga azy ho vady tsara kokoa.

16. Ahoana no ahafahan’ireo ankizy manahaka ny ohatra navelan’i Jesosy fony izy mbola kely?

16 Manoritra ny anjara asan’ny ankizy ny Efesiana 6:⁠1, ka manambara hoe: “Maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany.” Ireo ankizy kristiana dia manaraka ny ohatr’i Jesosy, izay nanohy nanaiky ny ray aman-dreniny fony izy nihalehibe. Tamin’ny naha-zazalahy nankato azy, izy dia “nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona”. — Lioka 2:51, 52.

17. Mety hisy vokany inona eo amin’ireo zanany ny fomba ampiharan’ny ray aman-dreny fahefana?

17 Ny fomba iantsorohan’ny ray aman-dreny ireo andraikiny dia mety hanan-kery eo amin’ny hoe hanaja ny fahefana ny zanany sa hikomy amin’izany. (Ohabolana 22:⁠6). Koa hety àry ny hanontanian’ny ray aman-dreny tena hoe: ‘Moa ve aho mampihatra ny fahefako amim-pitiavana sa amim-pahasiahana? Moa ve aho milefitra loatra?’ Antenaina amin’ny ray na ny reny iray matahotra an’Andriamanitra ny haha-feno fitiavana sy fiheverana azy, kanefa ho hentitra raha ny amin’ny fifikirana amin’ireo fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra. Mifanentana tsara ny nanoratan’i Paoly hoe: “Hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, [ara-bakiteny: ‘manosika azy ho amin’ny fahatezerana’], fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy.” — Efesiana 6:⁠4; Kolosiana 3:⁠21.

18. Ahoana ho tokony hampiharan’ny ray aman-dreny fifehezana?

18 Tokony hizaha taratra akaiky ireo fomba fampiofanany ny ray aman-dreny, indrindra fa raha irin’izy ireo hankato ka hitondra fifaliana ho azy, ireo zanany. (Ohabolana 23:24, 25). Ao amin’ny Baiboly, ny anatra, na hoe fifehezana (NW ), dia endriny iray amin’ny fampianarana, voalohany indrindra. (Ohabolana 4:⁠1; 8:33). Mifamatotra amin’ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy izy io, fa tsy amin’ny fahatezerana sy ny halozana. Noho izany, ny ray aman-dreny kristiana dia mila ny manao zavatra amim-pahendrena ka hitan-tena rehefa mifehy ireo zanany. — Ohabolana 1:⁠7.

NY FAHEFANA AO AMIN’NY KONGREGASIONA

19. Ahoana no nanomezan’Andriamanitra fandaharana ho amin’ny filaminana tsara ao amin’ny kongregasiona kristiana?

19 Koa satria Andriamanitra milamina i Jehovah, dia araka ny azon’ny saina ekena ny hanomezany fitarihana amim-pahefana sy amin’ny fomba voalamina tsara ho an’ny vahoakany. Araka izany, dia nanendry an’i Jesosy ho ny Lohan’ny kongregasiona kristiana izy. (1 Korintiana 14:33, 40, NW; Efesiana 1:20-23, NW ). Eo ambany fitarihana tsy hita mason’i Kristy, Andriamanitra dia nanome lalana ny hisian’ny fandaharana iray hiandrasan’ny loholona voatendry ao amin’ny kongregasiona tsirairay ny andian’ondry, amin’ny zotom-panahy sy an-tsitrapo ary amim-pitiavana. (1 Petera 5:2, 3). Misy mpanampy amin’ny fanompoana manampy azy ireo amin’ny fomba maro samihafa ary manao asa fanampiana sarobidy eo anivon’ny kongregasiona. — Filipiana 1:⁠1NW.

20. Nahoana isika no tokony hanaiky tsara ireo loholona kristiana voatendry, ary nahoana izany no mitondra soa?

20 Mikasika ireo loholona kristiana, dia hoy ny nosoratan’i Paoly: “Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana, fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.” (Hebreo 13:17). Tamim-pahendrena, Andriamanitra dia nanankina tamin’ireo mpiandraikitra kristiana ny andraikitra hikarakara izay zavatra ilain’ireo ao anatin’ny kongregasiona, eo amin’ny ara-panahy. Tsy mahaforona kilasin’ny klerjy akory ireny loholona ireny. Mpanompo sady andevon’Andriamanitra izy ireny, manolotra fanampiana raha ny amin’izay zavatra ilain’ireo mpiara-mivavaka aminy, tsy misy hafa amin’ny nataon’i Jesosy Kristy, Mpampianatra antsika. (Jaona 10:14, 15). Ny fahafantarantsika fa misy lehilahy mahafeno fepetra araka ny Soratra Masina mihevitra ny fandrosoantsika sy ny fitomboantsika ara-panahy dia mampirisika antsika hiara-miasa sy hanaiky tsara. — 1 Korintiana 16:⁠16.

21. Ahoana no itadiavan’ireo loholona voatendry hanampy ireo Kristiana namany, eo amin’ny ara-panahy?

21 Indraindray, dia mety hisy ondry hania na hanjary hotandindomin-doza noho ny zava-manimba eo amin’izao tontolo izao. Eo ambany fitarihan’ilay Lohan’ny Mpiandry, ireo loholona, amin’ny maha-mpiandry lefitra azy ireo, dia mailo hahita izay zavatra ilain’ireo eo ambany fiadidiany ary manome azy ireo fiheverana manokana amim-paharisihana. (1 Petera 5:⁠4). Mitsidika ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona izy ireo ary manolotra teny fampaherezana. Fantatr’ireo loholona fa mitady handrava ny fiadanan’ny vahoakan’Andriamanitra ny Devoly, ka maneho ny fahendrena avy any ambony izy ireo rehefa mandamina izay zava-manahirana rehetra. (Jakoba 3:17, 18). Manao ezaka mafy izy ireo mba hihazonana ny firaisan-tsaina sy ny maha-iray ny finoana, zavatra izay nangatahin’ny tenan’i Jesosy tamin’ny vavaka. — Jaona 17:20-22; 1 Korintiana 1:⁠10.

22. Fanampiana inona no omen’ireo loholona rehefa misy fanaovan-dratsy?

22 Ahoana raha azom-pahoriana ny Kristiana iray na manjary kivy noho izy nanao fahotana iray? Ny torohevitra ara-baiboly mampitony sy ny vavaka avy amin’ny fo ataon’ireo loholona ho azy dia afaka manampy mba hamerenana azy ho amin’ny fahasalamana ara-panahy. (Jakoba 5:13-15). Ireny lehilahy ireny, izay voatendrin’ny fanahy masina, dia manana koa ny fahefana hampihatra fifehezana sy hananatra izay rehetra manaraka lalan’ny fanaovan-dratsy na mahatandindomin-doza ny fahadiovana ara-panahy sy ara-pitondran-tenan’ny kongregasiona. (Asan’ny Apostoly 20:28, NW; Titosy 1:⁠9; 2:15). Mba hihazonana ny kongregasiona ho madio, dia mety ho tena ilaina ny hanaovan’ny isam-batan’olona tatitra momba ny fanaovan-dratsy lehibe. (Levitikosy 5:⁠1). Raha manaiky ny fifehezana sy ny fananarana araka ny Soratra Masina ny Kristiana iray nanao fahotana lehibe ka manome porofon’ny tena fibebahana, dia hampiana izy. Mazava ho azy fa roahina ireo mikiry mandika ny lalàn’Andriamanitra ka tsy mibebaka. — 1 Korintiana 5:9-13.

23. Inona no omen’ireo mpiandraikitra kristiana mba hahasoa ny kongregasiona?

23 Nanambara mialoha ny Baiboly fa eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy Mpanjaka, dia hisy lehilahy matotra ara-panahy hotendrena mba hanome fampiononana sy fiarovana ary famelombelomana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. (Isaia 32:1, 2). Handray ny fitarihana izy ireo amin’ny maha-mpitory ny filazantsara sy mpiandry ary mpampianatra azy, mba hampandrosoana ny fitomboana ara-panahy. (Efesiana 4:11, 12, 16, NW ). Na dia mety hananatra sy hiteny ary handrisika mafy an’ireo mpiray finoana aminy aza ireo mpiandraikitra kristiana indraindray, dia ny fampiharana ny fampianarana mahasoa miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra omen’ireo loholona no manampy hihazona ny rehetra eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana. — Ohabolana 3:11, 12; 6:23; Titosy 2:⁠1NW.

EKEO NY FOMBA FIHEVERAN’I JEHOVAH MOMBA NY FAHEFANA

24. Momba ny raharaha inona no itsapana antsika isan’andro?

24 Ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany dia notsapaina raha ny amin’ny raharaha momba ny fanekena fahefana. Tsy mahagaga raha miatrika fitsapana mitovy amin’izany isika isan’andro. Nampandroso ny toe-tsain’ny fikomiana teo amin’ny olombelona i Satana Devoly. (Efesiana 2:⁠2, NW ). Ny lalan’ny tsy fiankinana dia atao hiseho ho mahasodoka sy ambony kokoa noho ny an’ny fanekena.

25. Inona avy ireo soa azo avy amin’ny fandavana ny toe-tsaina mikomin’itỳ tontolo itỳ sy ny fanekena ny fahefana ampiharin’Andriamanitra na avelany hisy?

25 Tsy maintsy mandà ny toe-tsaina mikomin’itỳ tontolo itỳ anefa isika. Amin’ny fanaovantsika izany, isika dia hahita fa mitondra valisoa sarobidy ny fanekena araka an’Andriamanitra. Ohatra, hisoroka ireo tebiteby sy fahakiviana fahitan’ireo izay mihantsy zava-manahirana avy amin’ireo fahefana tsy ara-pivavahana, isika. Hampihena ny fifandonana izay manjaka ao amin’ny fianakaviana maro isika. Ary hahita ireo soa entin’ny fifaneraserana mafana sy feno fitiavana amin’ireo mpiray finoana amintsika kristiana, koa isika. Ambonin’ny zavatra hafa rehetra, ny fanekentsika araka an’Andriamanitra dia hiteraka fifandraisana tsara amin’i Jehovah, ilay Fahefana Tampony.

TSAPAO NY FAHALALANAO

Ahoana no ampiharan’i Jehovah ny fahefany?

Iza moa “ireo fahefana ambony”, ary ahoana no anohizantsika manaiky azy ireo?

Andraikitra inona no apetraky ny fotopoto-pitsipika ny amin’izay lohany eo amin’ny mpianakavy tsirairay?

Ahoana no ahafahantsika mampiseho fanekena ao amin’ny kongregasiona kristiana?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 134]

MANAIKY, FA TSY MITADY HANONGAM-PANJAKANA AKORY

Amin’ny alalan’ny asa fitoriana ampahibemaso ataony, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manondro ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany fanantenan’ny olombelona ny amin’ny fiadanana sy filaminana marina. Ireo mpitory be zotom-po ny Fanjakan’Andriamanitra ireo anefa dia tsy mitady velively ny hanongana ireo fitondram-panjakana any amin’ny tany misy azy. Mifanohitra amin’izany fa ny Vavolombelona dia anisan’ireo olom-pirenena manaja sy manara-dalàna indrindra. “Raha tahaka ny Vavolombelon’i Jehovah ny fivavahana rehetra”, hoy ny manam-pahefana iray ao amin’ny tany iray atsy Afrika, “dia tsy hahita vonoana olona, vaky trano, fandikan-dalàna, mpigadra ary baomba ataomika isika. Tsy ho voatery hidiana mandrakariva ireo varavarana.”

Manaiky izany ireo manam-pahefana any amin’ny tany maro, ka nanome lalana ny tsy hanakantsakanana ny asa fitorian’ny Vavolombelona. Any amin’ny tany hafa, dia nesorina ny fandrarana na ny fameperana rehefa takatr’ireo manam-pahefana fa fitaomana ho amin’ny tsara ny Vavolombelon’i Jehovah. Izany dia araka ny nosoratan’ny apostoly Paoly momba ny fankatoavana ireo fahefana ambony, manao hoe: “Aza mitsahatra manao ny tsara, dia hahazo dera avy aminy ianareo.” — Romana 13:1, 3NW.