Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fanompoam-pivavahan’iza no Eken’Andriamanitra?

Ny Fanompoam-pivavahan’iza no Eken’Andriamanitra?

Toko Faha-5

Ny Fanompoam-pivavahan’iza no Eken’Andriamanitra?

1. Inona no nirin’ny vehivavy samaritana iray ho fantatra momba ny fanompoam-pivavahana?

EFA mba nanontany tena ve ianao hoe: ‘Ny fanompoam-pivavahan’iza no eken’Andriamanitra?’ Nety ho tonga tao an-tsain’ny vehivavy iray io fanontaniana io, rehefa niresaka tamin’i Jesosy Kristy teo akaikin’ny Tendrombohitra Gerizima tany Samaria, izy. Nisarika ny saina ho amin’ny fahasamihafana teo amin’ny fanompoam-pivavahan’ny Samaritana sy ny an’ny Jiosy izy, ka nanao hoe: “Ny razantsika nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity; fa hianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.” (Jaona 4:20). Moa ve i Jesosy nilaza tamin’ilay vehivavy samaritana fa manaiky ny fanompoam-pivavahana rehetra Andriamanitra? Sa izy nilaza fa misy zavatra voafaritra tsara takina mba hampifaliana an’Andriamanitra?

2. Mba hamaliana ilay vehivavy samaritana, inona moa no notenenin’i Jesosy?

2 Hoy ny valin-teny nanaitra nataon’i Jesosy: “Avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny Ray.” (Jaona 4:21). Efa natahotra an’i Jehovah sy nivavaka tamin’andriamani-kafa teo amin’ny Tendrombohitra Gerizima hatramin’ny ela be ny Samaritana. (2 Mpanjaka 17:33). Izao i Jesosy Kristy dia nilaza fa sady tsy io toerana io no tsy i Jerosalema no ho zava-dehibe eo amin’ny fanompoam-pivavahana marina.

FANOMPOAM-PIVAVAHANA AMIN’NY FANAHY SY NY FAHAMARINANA

3. a) Nahoana ny Samaritana no tsy tena nahalala an’Andriamanitra? b) Amin’ny fomba ahoana no mety hahalalan’ny Jiosy nahatoky sy ny hafa koa an’Andriamanitra?

3 Nanohy nilaza toy izao tamin’ilay vehivavy samaritana i Jesosy: “Hianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin’izay fantatray, satria avy amin’ny Jiosy ny famonjena.” (Jaona 4:22). Nanana hevi-diso ara-pivavahana ny Samaritana ary tsy nanaiky ho ara-tsindrimandry afa-tsy ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly — ary ireo ihany tao amin’ny fitambaran-tsoratr’izy ireo manokana fantatra ho ny Pentateuque Samaritana. Noho izany, dia tsy dia tena nahalala an’Andriamanitra izy ireo. Kanefa, ny Jiosy dia nanankinana ny fahalalana ny Soratra Masina. (Romana 3:1, 2, NW ). Ny Soratra Masina dia nanome an’ireo Jiosy nahatoky sy izay hafa rehetra naniry hihaino, izay nilain’izy ireo mba hahalalana an’Andriamanitra.

4. Araka an’i Jesosy, inona moa no hilain’ny Jiosy sy ny Samaritana hatao mba ho azon’Andriamanitra ekena ny fanompoam-pivavahany?

4 Raha ny tena izy, i Jesosy dia nampiseho fa na ny Jiosy na ny Samaritana dia samy tsy maintsy nanitsy ny fomba nanolorany fanompoam-pivavahana mba hampifaliana an’Andriamanitra. Hoy izy: “Avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:23, 24). Mila ny mivavaka amin’Andriamanitra “amin’ny fanahy” isika, atosiky ny fo feno finoana sy fitiavana. Azo atao ny mivavaka amin’Andriamanitra ‘amin’ny fahamarinana’ amin’ny fianarana ny Teniny, ny Baiboly, sy amin’ny fivavahana aminy araka ny fahamarinany naharihariny. May ny hanao izany ve ianao?

5. a) Inona no hevitry ny hoe “fanompoam-pivavahana”? b) Inona no tsy maintsy ataontsika raha irintsika ny haneken’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahantsika?

5 Nanantitrantitra i Jesosy fa maniry fanompoam-pivavahana marina Andriamanitra. Izany dia mampiseho fa misy endri-panompoam-pivavahana izay tsy azon’i Jehovah ekena. Ny hevitry ny hoe manolotra fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra dia hoe manome azy fanajana ara-pivavahana sy manolotra fanompoana masina ho azy. Raha maniry haneho fanajana ny mpanapaka mahery iray ianao, dia azo inoana fa ho may ny hanompo azy sy hanao izay hampifaly azy. Azo antoka àry fa maniry ny hampifaly an’Andriamanitra isika. Noho izany, dia tsy hilaza fotsiny isika hoe: ‘Mety amiko ny fivavahako’, fa mila ny mahazo antoka kosa isika fa mahafeno ireo fepetra takin’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahantsika.

FANAOVANA NY SITRAPON’NY RAY

6, 7. Nahoana i Jesosy no tsy manaiky ny olona sasany izay mihambo ho mpianany?

6 Andeha isika hamaky ny Matio 7:21-23 ary hijery raha afaka mamaritra lafin-javatra fototra iray izay hamantarana raha azon’Andriamanitra ekena daholo ny fanompoam-pivavahana rehetra na tsia. Hoy i Jesosy: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia [zavaboary ara-panahy ratsy] tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.”

7 Tena ilaina eo amin’ny fanompoam-pivavahana marina ny fanekena an’i Jesosy Kristy ho Tompo. Misy zavatra tsy ho ampy anefa amin’ny fanompoam-pivavahan’ny maro amin’ireo izay mihambo ho mpianatr’i Jesosy. Nilaza i Jesosy fa hisy hanao “asa lehibe”, toy izay antsoina hoe fanasitranana mahagaga. Kanefa, tsy hanao izay nolazain’i Jesosy hoe tena lehibe izy ireo. Tsy ‘hanao ny sitrapon’ny Rainy’ izy ireo. Raha maniry ny hampifaly an’Andriamanitra isika, dia tsy maintsy mianatra hoe inona no sitrapon’ny Ray ary avy eo dia manao azy io.

FAHALALANA ARAKA NY MARINA — FIAROVANA

8. Mba hanaovantsika ny sitrapon’Andriamanitra, inona moa no takina, ary fomba fijery diso inona no tsy maintsy halavirintsika?

8 Mitaky fahalalana araka ny marina an’i Jehovah Andriamanitra sy an’i Jesosy Kristy ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Izany fahalalana izany dia mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Azo antoka àry fa isika rehetra dia haniry ny hihevitra ho zava-dehibe ny fahazoana fahalalana araka ny marina avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Misy milaza fa tsy ilaina ny hanahy ny amin’izany, raha mbola tso-po sy be zotom-po eo amin’ny fanompoam-pivavahantsika koa isika. Ny hafa milaza hoe: ‘Arakaraka ny havitsian’ny zavatra fantatrao no hahakely ny zavatra takina aminao.’ Kanefa, ny Baiboly dia mampirisika antsika mba hampitombo ny fahalalantsika an’Andriamanitra sy ny fikasany. — Efesiana 4:13, NW; Filipiana 1:9, NW; Kolosiana 1:⁠9NW.

9. Ahoana no iarovan’ny fahalalana araka ny marina antsika, ary nahoana isika no mila izany fiarovana izany?

9 Izany fahalalana izany dia fiarovana amin’ny fandotoana ny fanompoam-pivavahantsika. Niresaka momba ny zavaboary ara-panahy iray, izay mihambo ho “anjelin’ny mazava”, ny apostoly Paoly. (2 Korintiana 11:14). Manafina ny maha-tena izy azy toy izany io zavaboary ara-panahy io — i Satana — ka miezaka ny hamitaka antsika hanao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Misy zavaboary ara-panahy hafa nanjary niaraka tamin’i Satana, ka nandoto koa ny fanompoam-pivavahan’ny olona, satria hoy i Paoly: “Izay zavatra aterin’ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin’ny demonia, fa tsy amin’Andriamanitra”. (1 Korintiana 10:20). Azo inoana fa maro no nihevitra fa nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ny fomba tsara ny tenany, na dia tsy nanao izay nirin’Andriamanitra aza. Voafitaka hanaraka fanompoam-pivavahan-diso maloto izy ireny. Hianatra bebe kokoa momba an’i Satana sy ireo demonia isika any aoriana, fa ireo fahavalon’Andriamanitra ireo aloha dia tena nandoto ny fanompoam-pivavahan’ny olombelona mihitsy.

10. Inona no hataonao raha toa ka misy olona minia manapoizina ny fitoeran-dranonao, ary mahatonga antsika ho voaomana tsara hanao inona moa ny fahalalana araka ny marina ny Tenin’Andriamanitra?

10 Raha fantatrao fa nisy ninia nanapoizina ny fitoeran-dranonao, mbola hisotro rano avy ao ihany ve ianao? Azo antoka fa hanao zavatra avy hatrany ianao mba hahitana loharano azo antoka sy madio. Ny fahalalana araka ny marina ny Tenin’Andriamanitra dia mahatonga antsika ho voaomana tsara mba hamantatra ny fivavahana marina ka hanilika ireo loto mahatonga ny fanompoam-pivavahana tsy ho azon’Andriamanitra ekena.

DIDIN’OLOMBELONA HO FAMPIANARANA

11. Inona no diso tamin’ny fanompoam-pivavahan’ny Jiosy maro?

11 Fony teto an-tany i Jesosy, dia Jiosy maro no tsy nanao zavatra nifanaraka tamin’ny fahalalana araka ny marina an’Andriamanitra. Noho izany dia namoy ny fahafahana hanana toeran’olo-madio teo anatrehan’i Jehovah izy ireny. ­Mikasika azy ireny, dia hoy ny nosoratan’i Paoly: “Vavolombelon’ireny aho fa mazoto ho an’Andriamanitra izy saingy tsy araka ny fahalalana [araka ny marina, NW ].” (Romana 10:⁠2). Nanapa-kevitra samirery ny amin’ny fomba hanolorana fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra izy ireny, fa tsy nihaino izay nolazainy kosa.

12. Inona no nandoto ny fanompoam-pivavahan’ny Isiraely, ary inona no vokany?

12 Ny Isiraelita dia nanaraka fivavahana madio avy tamin’Andriamanitra tany am-boalohany, nefa nanjary voaloton’ny fampianarana sy ny filozofian’olombelona izy io. (Jeremia 8:8, 9, Malakia 2:8, 9; Lioka 11:52). Na dia nihevitra aza ireo filoha ara-pivavahana jiosy, fantatra tamin’ny anarana hoe Fariseo, fa azon’Andriamanitra nekena ny fanompoam-pivavahany, dia hoy ny nolazain’i Jesosy tamin’izy ireo: “Marina ny naminanian’Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: ‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy.’ ” — Marka 7:6, 7.

13. Ahoana no mety hanaovantsika zavatra toy ireo Fariseo?

13 Mety hanao zavatra toy ny nataon’ireo Fariseo ve isika? Mety hitranga izany raha manaraka lovantsofina ara-pivavahana nolovantsika isika, fa tsy mandinika kosa izay nolazain’Andriamanitra momba ny fanompoam-pivavahana. Nampitandrina ny amin’io loza tena misy io i Paoly, ka nanoratra hoe: “Ny Fanahy milaza marina fa amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia”. (1 Timoty 4:⁠1). Koa tsy ampy àry ny manombana fotsiny hoe mahafaly an’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahantsika. Toa an’ilay vehivavy samaritana izay nifankahita tamin’i Jesosy, isika dia mety ho nandova ny fomba fanompoam-pivavahantsika avy tamin’ireo ray aman-drenintsika. Mila ny mahazo antoka anefa isika fa manao zavatra izay mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra.

MITANDREMA MBA TSY HAMPAHATEZITRA AN’ANDRIAMANITRA

14, 15. Na dia efa manana fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra ihany aza isika, nahoana isika no mila ny mitandrina?

14 Raha tsy hoe mitandrina angaha isika, dia mety hanao zavatra izay tsy azon’Andriamanitra ekena. Ohatra, ny apostoly Jaona dia niankohoka teo an-tongotry ny anjely iray “mba hivavaka aminy”. Nampitandrina toy izao anefa ilay anjely: “Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ireo rahalahinao izay mitana ny filazana an’i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho”. (Apokalypsy 19:10). Noho izany, moa ve ianao mahita fa ilainao ny mahazo antoka fa tsy voaloton’ny fanompoan-tsampy na inona na inona ny fanompoam-pivavahanao? — 1 Korintiana 10:⁠14.

15 Rehefa nisy Kristiana nanomboka nanaraka fanao ara-pivavahana izay tsy nahafaly an’Andriamanitra, dia hoy ny fanontanian’i Paoly: “Nahoana hianareo no dia miverina indray ho amin’ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray? Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra. Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo.” (Galatiana 4:8-11). Nahazo fahalalana an’Andriamanitra ireny olona ireny, nefa tatỳ aoriana dia nanao fahadisoana tamin’ny fitandremana fanao ara-pivavahana sy andro fety izay tsy azon’Andriamanitra nekena. Araka ny notenenin’i Paoly, dia mila ny “mamantatra izay ankasitrahan’ny Tompo” isika. — Efesiana 5:⁠10.

16. Ahoana no anampian’ny Jaona 17:16 sy ny 1 Petera 4:⁠3 antsika hanapa-kevitra raha mampifaly an’Andriamanitra ny fety sy ny fanao sasany?

16 Tsy maintsy mahazo antoka isika ny hanalavitra fety ara-pivavahana sy fanao hafa izay mandika ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra. (1 Tesaloniana 5:21). Ohatra, hoy i Jesosy momba ireo mpanara-dia azy: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16). Moa ve ny fivavahanao manaraka fombafomba sy fety izay mandika ny fotopoto-pitsipiky ny fialanalanana raha ny amin’ireo raharahan’itỳ tontolo itỳ? Sa ireo mpikambana ao amin’ny fivavahanao indraindray mandray anjara amin’ny fanao sy ny fankalazana izay mety hanarahana fitondran-tena mifanentana amin’izay nolazalazain’ny apostoly Petera? Hoy ny nosoratany: “Ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny jentilisa tamin’ny nandehanana tamin’ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra”. — 1 Petera 4:⁠3.

17. Nahoana isika no tokony hanalavitra izay rehetra manome taratry ny toe-tsain’itỳ tontolo itỳ?

17 Nanantitrantitra ny ilana hanalavirana izay fanao rehetra manome taratry ny toe-tsain’itỳ tontolo tsy matahotra an’Andriamanitra manodidina antsika itỳ, ny apostoly Jaona. Hoy ny nosoratan’i Jaona: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:15-17). Voamarikao ve fa ireo izay “manao ny sitrapon’Andriamanitra” dia haharitra mandrakizay? Eny, raha manao ny sitrapon’Andriamanitra isika ka manalavitra ireo fanaovan-javatra izay manome taratry ny toe-tsain’itỳ tontolo itỳ, dia afaka manantena fiainana mandrakizay!

ARAHO IREO FARI-PITSIPIKA AMBONIN’ANDRIAMANITRA

18. Tamin’ny ahoana ny Korintiana sasany no diso hevitra raha ny amin’ny fitondran-tena, ary inona no tokony hianarantsika avy amin’izany?

18 Ny irin’Andriamanitra ho mpivavaka aminy dia ireo izay manaraka ireo fari-pitsipiny ara-pitondran-tena ambony. Nisy tany Korinto fahizay nihevitra tamim-pahadisoana fa hilefitra tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena Andriamanitra. Hitantsika fa diso hevitra aoka izany izy ireo rehefa mamaky ny 1 Korintiana 6:9, 10 isika. Raha tiantsika ny hanolotra fanompoam-pivavahana azon’Andriamanitra ekena, dia tsy maintsy mampifaly azy amin’ny teny sy ny atao isika. Moa ve ny endri-panompoam-pivavahanao mahatonga anao ho afaka hanao izany? — Matio 15:⁠8; 23:1-3.

19. Inona no vokatry ny fanompoam-pivavahana marina eo amin’ny fitondrantsika ny hafa?

19 Tokony hanome taratr’ireo fari-pitsipik’Andriamanitra koa ny fifampiraharahantsika amin’ny hafa. I Jesosy Kristy dia nampirisika antsika hitondra ny hafa amin’ny fomba tiantsika hitondran’izy ireo antsika, satria izany dia anisan’ny fanompoam-pivavahana marina. (Matio 7:12). Mariho izay noteneniny koa momba ny fanehoana fitiavan-drahalahy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Ny mpianatr’i Jesosy dia tsy maintsy mifankatia sy manao soa amin’ireo mpiara-mivavaka aminy sy amin’ny hafa koa. — Galatiana 6:⁠10.

FANOMPOAM-PIVAVAHANA AMIN’NY FANAHY MANONTOLO

20, 21. a) Karazana fanompoam-pivavahana inona no takin’Andriamanitra? b) Nahoana i Jehovah no nanda ny fanompoam-pivavahan’ny Isiraely tamin’ny andron’i Malakia?

20 Ao am-ponao ianao dia mety haniry hanolotra fanompoam-pivavahana azon’Andriamanitra ekena. Raha izany no izy, dia tsy maintsy manana ny fomba fijerin’i Jehovah momba ny fanompoam-pivavahana ianao. Nanantitrantitra i Jakoba mpianatra fa ny fomba fijerin’Andriamanitra no zava-dehibe, fa tsy ny antsika. Hoy i Jakoba: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.” (Jakoba 1:27). Noho ny faniriana hampifaly an’Andriamanitra, ny tsirairay amintsika dia mila ny mandinika ny fanompoam-pivavahantsika mba hahazoana antoka fa tsy voaloton’ny fanao tsy araka an’Andriamanitra izy io. Mila ny mahazo antoka koa isika fa tsy manadino zavatra izay heveriny ho tena lehibe. — Jakoba 1:⁠26.

21 Ny fanompoam-pivavahana madio sy amin’ny fanahy manontolo ihany no mampifaly an’i Jehovah. (Matio 22:37; Kolosiana 3:23). Rehefa latsaka noho izany no nomen’ny firenen’ny Isiraely an’Andriamanitra, dia hoy izy: “Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy?” Nampahatezitra an’Andriamanitra izy ireo tamin’ny fanolorana ho azy biby jamba sy mandringa ary marary ho sorona, ka nolaviny izany zavatra nataony teo amin’ny fanompoam-pivavahana izany. (Malakia 1:6-8). Mendrika ny hotolorana ny endri-panompoam-pivavahana madio indrindra i Jehovah ary tsy manaiky na inona na inona latsaka noho ny fifikirana tsy mizarazara izy. — Eksodosy 20:⁠5, NW; Ohabolana 3:⁠9; Apokalypsy 4:⁠11.

22. Raha irintsika ny haneken’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahantsika, inona moa no hohalavirintsika, ary inona no hataontsika?

22 Ilay vehivavy samaritana niresaka tamin’i Jesosy dia toa liana ny hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra tamin’ny fomba nankasitrahany. Raha izany no faniriantsika, dia hanalavitra ny fampianarana sy ny fanao mandoto rehetra isika. (2 Korintiana 6:14-18). Hikely aina kosa isika mba hahazo fahalalana araka ny marina an’Andriamanitra sy hanao ny sitrapony. Hifikitra akaiky amin’ireo fepetra takiny amin’ny fanompoam-pivavahana azony ekena isika. (1 Timoty 2:3, 4). Ny Vavolombelon’i Jehovah dia miezaka mafy mba hanao izany indrindra, ary mampirisika anao amim-pitiavana izy ireo mba hiaraka aminy hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. (Jaona 4:24). Hoy i Jesosy: “Ny Ray (⁠.⁠.⁠.⁠) mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.” (Jaona 4:23). Antenaina fa olona tahaka izany ianao. Toa an’ilay vehivavy samaritana, dia tsy isalasalana fa ho tianao ny hahazo ny fiainana mandrakizay. (Jaona 4:13-15). Mahita olona mihantitra sy maty anefa ianao. Ny toko manaraka dia hanazava ny antony.

TSAPAO NY FAHALALANAO

Araka ny aseho ao amin’ny Jaona 4:23, 24, fanompoam-pivavahana inona moa no eken’Andriamanitra?

Ahoana no ahafahantsika mamantatra raha faly amin’ny fanao sy ny fankalazana sasany Andriamanitra?

Inona avy no fepetra takina sasany amin’ny fanompoam-pivavahana azo ekena?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 44]