Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fomba Ahafahanao Manatona Akaiky An’Andriamanitra

Ny Fomba Ahafahanao Manatona Akaiky An’Andriamanitra

Toko Faha-16

Ny Fomba Ahafahanao Manatona Akaiky An’Andriamanitra

1. Fitoviana inona avy no hita miharihary ao amin’ny fivavahana maro?

NY MPIZAHA tany iray nitsidika tany iray any Atsinanana dia talanjona noho ireo fombafomba ara-pivavahana hitany tao amin’ny tempoly bodista iray. Na dia tsy ny an’i Maria na i Kristy aza ireo sary tao, dia maro tamin’ireo fombafomba no nitovy tamin’ny an’ny fiangonany any amin’ny taniny. Ohatra, voamariny ny fampiasana sapile sy ny fanaovana vavaka lavareny. Nisy hafa koa nanao fampitahana toy izany. Na any Atsinanana na any Andrefana, dia mahavariana fa mitovy ireo fomba itadiavan’ireo mpivavaka hanatona akaiky an’Andriamanitra na an’ireo zavatra ivavahan’izy ireo.

2. Ahoana no nilazalazana ny vavaka, ary noho ny antony inona no ivavahan’ny olona maro?

2 Olona maro no mitady indrindra ny hanatona akaiky an’Andriamanitra amin’ny fivavahana aminy. Ny vavaka dia nolazalazaina ho “firesahan’ny olona iray amin’ny masina — Andriamanitra, ireo andriamanitra, ny faritra ivelan’ny hitan’ny maso, na ireo hery mihoatra noho ny an’ny olombelona”. (The New Encyclopædia Britannica). Rehefa manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka anefa ny sasany, dia tsy mieritreritra afa-tsy momba izay azony avy amin’ilay izy. Ohatra, ny lehilahy iray dia nanontany ny Vavolombelon’i Jehovah iray indray mandeha hoe: “Raha mivavaka ho ahy ianao, moa ve ho voalamina ireo zava-manahirana hitako ao amin’ny fianakaviako sy any am-piasako ary eo amin’ny fahasalamako?” Hita fa izany no noheveriny, nefa olona maro no mivavaka ary mahita fa mbola eo ihany ireo zava-manahirana azy. Koa mety hanontany tena isika hoe: ‘Nahoana tokoa isika no tokony hanatona akaiky an’Andriamanitra?’

NY ANTONY TOKONY HANATONANA AKAIKY AN’ANDRIAMANITRA

3. Tokony havantana amin’iza ny vavaka ataontsika, ary nahoana?

3 Ny vavaka akory tsy hoe fombafomba tsy misy dikany, no sady tsy hoe fomba hahazoana zavatra fotsiny koa. Ny antony lehibe iray hanatonana an’Andriamanitra dia mba hananana fifandraisana akaiky aminy. Noho izany, ireo vavaka ataontsika dia tokony havantana amin’i Jehovah Andriamanitra. “Jehovah dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy”, hoy i Davida mpanao salamo. (Salamo 145:18). Manasa antsika mba hiditra ao amin’ny fifandraisana milamina aminy i Jehovah. (Isaia 1:18). Ireo izay manaiky izany fanasana izany dia mitovy hevitra amin’ilay mpanao salamo izay nilaza hoe: “Izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy”. Fa nahoana? Satria ireo izay manatona akaiky an’i Jehovah Andriamanitra dia hahita fahasambarana sy fiadanan-tsaina marina. — Salamo 73:⁠28.

4, 5. a) Nahoana no zava-dehibe ny hivavahana amin’Andriamanitra? b) Karazana fifandraisana manao ahoana amin’Andriamanitra no azontsika aorina amin’ny alalan’ny vavaka?

4 Nahoana isika no tokony hivavaka amin’Andriamanitra mba hahazoana fanampiana raha efa ‘fantany izay tokony ho antsika, raha tsy mbola mangataka aminy aza isika’? (Matio 6:⁠8; Salamo 139:⁠4). Ny vavaka dia mampiseho fa manam-pinoana an’Andriamanitra isika sady mihevitra azy ho ny Loharanon’ny “fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra”. (Jakoba 1:17; Hebreo 11:⁠6). Sitrak’i Jehovah ireo vavaka ataontsika. (Ohabolana 15:⁠8). Faly izy mahare ireo teny anehoantsika fankasitrahana sy fiderana misy heviny, tsy misy hafa amin’ny ray iray izay faly mahare ny zanany kely milaza teny fankasitrahana feno fahatsoram-po. (Salamo 119:108). Eo amin’izay misy fifandraisana tsara eo amin’ny ray sy ny zanaka, dia misy fifampiresahana mafana. Ny zaza iray izay tian-drainy dia maniry hiresaka aminy. Marina koa izany raha ny amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Raha tena mankasitraka izay ianarantsika momba an’i Jehovah sy ny fitiavana nasehony antsika isika, dia hanana faniriana mafy hilaza izany aminy amin’ny alalan’ny vavaka. — 1 Jaona 4:16-18.

5 Rehefa manatona an’ilay Andriamanitra Avo Indrindra isika, dia tokony ho feno fanajana, na dia tsy misy ilana ny hanahy be loatra momba izay teny marina tokony hampiasaintsika aza. (Hebreo 4:16). Afaka mankeo amin’i Jehovah foana isika. Ary tombontsoa toy inona moa ny fahafahantsika ‘mandoatra ny fontsika’ amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka! (Salamo 62:⁠8). Ny fankasitrahana an’i Jehovah dia mitarika ho amin’ny fifandraisana mafana aminy, tahaka izay nananan’i Abrahama, lehilahy nahatoky, tamin’ny naha-sakaizan’Andriamanitra azy. (Jakoba 2:23). Rehefa mivavaka amin’ilay Tompo Manam-piandrianana eo amin’izao rehetra izao anefa isika, dia tsy maintsy manaraka ireo fepetra takiny mba hanatonana azy.

FEPETRA TAKINA MBA HANATONANA AKAIKY AN’ANDRIAMANITRA

6, 7. Na dia tsy mitaky fandoavam-bola aza Andriamanitra mba hihainoana ireo vavaka ataontsika, inona no takiny amintsika rehefa mivavaka isika?

6 Ilaina ve ny vola mba hanatonana an’Andriamanitra? Olona maro no mandoa vola amin’ny klerjy mba hanaovan’ireo vavaka ho azy. Misy aza mino fa ireo vavaka ataony dia ho re arakaraka ny habetsahan’ny fanomezana ataony. Kanefa, ny Tenin’Andriamanitra dia tsy milaza fa misy fanomezana ara-bola takina mba hanatonantsika an’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka. Ireo fanomezany ara-panahy sy ireo fitahiana noho ny fifandraisana aminy amin’ny alalan’ny vavaka dia azo raisina tsy misy fandoavam-bola. — Isaia 55:1, 2.

7 Inona àry no takina? Ny toetran’ny fo tsara dia zavatra tena ilaina iray. (2 Tantara 6:29, 30; Ohabolana 15:11). Ao am-pontsika isika dia tsy maintsy maneho finoana an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny maha-“Mpihaino vavaka” sy “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” azy. (Salamo 65:⁠2; Hebreo 11:⁠6). Tsy maintsy manana fo manetry tena koa isika. (2 Mpanjaka 22:19; Salamo 51:17). Tao amin’ny iray tamin’ireo fanoharany, i Jesosy Kristy dia nampiseho fa rehefa nanatona an’Andriamanitra ny mpamory hetra nanetry tena iray izay nanana toetran’ny fo tsy nanambony tena, dia voaporofo ho marina kokoa noho ny Fariseo nizahozaho iray. (Lioka 18:10-14). Rehefa manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka isika, dia aoka hotadidintsika fa “fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po”. — Ohabolana 16:⁠5.

8. Raha maniry ny hamalian’Andriamanitra ireo vavaka ataontsika isika, tsy maintsy manadio tena amin’inona moa isika?

8 Raha maniry ny hamalian’Andriamanitra ireo vavaka ataontsika isika, dia tsy maintsy manadio tena amin’ny fitondran-tena misy fahotana. Rehefa nampirisika ny hafa mba hanatona akaiky an’Andriamanitra i Jakoba mpianatra, dia nanampy teny hoe: “Diovy ny tànanareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.” (Jakoba 4:⁠8). Na dia ireo mpanao ratsy aza dia afaka ny ho tafiditra ao amin’ny fifandraisana milamina amin’i Jehovah raha mibebaka sy mahafoy ny fomba fiainany taloha izy ireo. (Ohabolana 28:13). Tsy afaka mahazo lalana hiresaka amin’i Jehovah isika raha mody miseho ho nanadio ny lalantsika fotsiny. “Ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, fa ny tavan’ny Tompo dia tezitra amin’ny mpanao ratsy”, hoy ny Tenin’Andriamanitra. — 1 Petera 3:⁠12.

9. Amin’ny alalan’iza no tokony hanatonantsika an’i Jehovah, ary nahoana?

9 Hoy ny ambaran’ny Baiboly: “Tsy misy olona marina ambonin’ny tany izay manao tsara ka tsy manota.” (Mpitoriteny 7:20). Noho izany dia mety hanontany ianao hoe: ‘Ahoana àry no ahafahantsika manatona an’i Jehovah Andriamanitra?’ Hoy ny avalin’ny Baiboly: “Raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina”. (1 Jaona 2:⁠1). Na dia mpanota aza isika, dia afaka manatona an’Andriamanitra amin’ny fahasahiana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, izay maty ho avotra ho antsika. (Matio 20:28). Izy no hany fitaovam-pifandraisana ahafahantsika manatona an’i Jehovah Andriamanitra. (Jaona 14:⁠6). Tsy tokony hihevitra ny vidin’ny sorom-panavotan’i Jesosy ho mandeha ho azy isika ka ho zatra manota amim-piniavana. (Hebreo 10:26, NW ). Kanefa, raha miezaka mafy isika mba tsy hanao izay ratsy ary anefa manao diso indraindray, dia afaka mibebaka sy mangataka famelan-keloka amin’Andriamanitra. Rehefa manatona azy amin’ny fo manetry tena isika, dia hihaino antsika izy. — Lioka 11:⁠4.

FAHAFAHANA HIRESAKA AMIN’ANDRIAMANITRA

10. Raha ny amin’ny vavaka, ahoana no ahafahantsika manahaka an’i Jesosy, ary inona avy no fahafahana sasany hanaovana vavaka mitokana?

10 I Jesosy Kristy dia nihevitra ny fifandraisany tamin’i Jehovah ho tena sarobidy. Noho izany, dia naka fotoana mba hiresahana tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny vavaka natao nitokana izy. (Marka 1:35; Lioka 22:40-46). Haneho ­fahendrena isika raha manahaka ny ohatr’i Jesosy ka mivavaka amin’Andriamanitra tsy tapaka. (Romana 12:12). Mety ny hanombohana ny andro amin’ny fanononana vavaka, ary alohan’ny handehanana hatory, dia afaka misaotra ara-drariny an’i Jehovah noho ny asa tamin’ny andro isika. Mandritra ny andro, dia aoka ianao ho tapa-kevitra ny hanatona an’Andriamanitra “mandrakariva”. (Efesiana 6:18). Afaka mivavaka mangina ao am-pontsika mihitsy aza isika, noho ny fahafantarana fa afaka mahare antsika i Jehovah. Ny firesahana mitokana amin’Andriamanitra dia manampy antsika hanamafy ny fifandraisantsika aminy, ary ny fivavahana amin’i Jehovah isan’andro dia manampy antsika hanatona azy akaiky kokoa ihany.

11. a) Nahoana ireo fianakaviana no tokony hiara-mivavaka? b) Inona no dikan’ny fanaovanao hoe “Amena” amin’ny faran’ny vavaka iray?

11 Mihaino ireo vavaka atolotra amin’ny anaran’ny antokon’olona koa i Jehovah. (1 Mpanjaka 8:22-53). Afaka manatona akaiky an’Andriamanitra amin’ny maha-fianakaviana isika, ka ny loham-pianakaviana no mitarika amin’izany. Izany dia manamafy ny fatoram-pianakaviana, ary manjary ho tena misy i Jehovah ho an’ireo ankizy rehefa mihaino ny ray aman-dreniny mivavaka amim-panetren-tena amin’Andriamanitra izy ireo. Ahoana raha misy olona iray misolo tena ny antokon’olona iray amin’ny alalan’ny vavaka, angamba any amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah? Raha anisan’ny mpanatrika isika, dia aoka isika hihaino tsara, amin’izay, amin’ny faran’ilay vavaka, dia ho afaka hilaza amin’ny fo manontolo isika hoe “Amena”, izay midika hoe “Ho to anie izany”. — 1 Korintiana 14:⁠16.

VAVAKA IZAY HENOIN’I JEHOVAH

12. a) Nahoana Andriamanitra no tsy mamaly vavaka sasany? b) Nahoana isika no tsy tokony tsy hifantoka afa-tsy amin’ireo zavatra ilaintsika manokana rehefa mivavaka?

12 Mety hisy hihevitra fa tsy mamaly ny vavaka ataony Andriamanitra, na dia mivavaka aminy amin’ny alalan’i Kristy aza izy ireo. Kanefa, hoy ny apostoly Jaona: “Raha mangataka zavatra araka ny sitrapon[’Andriamanitra] isika, dia mihaino antsika Izy”. (1 Jaona 5:14). Koa mila ny mangataka araka ny sitrapon’Andriamanitra àry isika. Koa satria liana amin’izay mahasoa antsika ara-panahy izy, izay zavatra rehetra misy fiantraikany eo amin’ny fahasalamantsika ara-panahy dia antom-bavaka mety avokoa. Tsy maintsy manohitra ny fakam-panahy hifantoka amin’ny zavatra ilaintsika ara-nofo ranofotsiny isika. Ohatra, na dia araka ny tokony ho izy aza ny mivavaka mba hahazoana fahaiza-mahataka-javatra sy fahatanjahan-tsaina mba hizakana ilay aretina, ireo fanahiana momba ny fahasalamana dia tsy tokony hampanadino ireo raharaha ara-panahy. (Salamo 41:1-3). Rehefa nanjary tsapan’ny vehivavy kristiana iray fa niahy be loatra ny amin’ny fahasalamany izy, dia nangataka fanampiana tamin’i Jehovah izy mba hananany ny fomba fijery araka ny tokony ho izy momba ny aretiny. Ho vokany, dia nanjary fanahiana madinika lavitra ireo zava-nanahirana azy ara-pahasalamana, ary tsapany fa nomena “hery mihoatra noho ny mahazatra” izy. (2 Korintiana 4:⁠7, NW ). Nihamafy ny faniriany hitondra fanampiana ara-panahy ho an’ny hafa, ary dia tonga mpitory ilay Fanjakana manontolo andro izy.

13. Araka ny atoro ao amin’ny Matio 6:9-13, inona avy no foto-kevitra mety sasany azontsika ampidirina ao amin’ireo vavaka ataontsika?

13 Inona no azontsika ampidirina ao amin’ireo vavaka ataontsika, mba hahafaly an’i Jehovah ny mihaino azy ireo? Nampianatra an’ireo mpianany ny fomba fivavaka i Jesosy Kristy. Tao amin’ilay vavaka fakan-tahaka voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Matio 6:9-13 izy dia nanoritra modely iray ny amin’ireo foto-kevitra azontsika angatahina ara-drariny amim-bavaka. Inona no tokony ho ny zavatra hahintsika voalohany indrindra ao amin’ireo vavaka ataontsika? Ny anarana sy ny Fanjakan’i Jehovah Andriamanitra dia tsy maintsy ho ny loha laharana. Mety ny hangatahantsika momba izay ilaintsika ara-nofo. Zava-dehibe koa ny mangataka ny famelana ny fahotantsika sy ny fanafahana amin’ny fakam-panahy sy amin’ilay ratsy, dia i Satana Devoly. Tsy tian’i Jesosy ny hanaovantsika an’io vavaka io ho lavareny na ny hamerimberenantsika azy io, ka hanaovantsika piliavava azy io, tsy misy fieritreretana momba izay dikany. (Matio 6:⁠7). Ho karazana fifandraisana manao ahoana moa izany raha mampiasa teny mitovy ihany isaky ny miresaka amin-drainy ny zaza iray?

14. Ankoatra ny fangatahana, vavaka inona avy no tokony hatolotsika?

14 Ankoatra ny fangatahana sy ny fitalahoana avy amin’ny fo, dia tokony hanolotra vavaka misy fiderana sy fisaorana isika. (Salamo 34:⁠1; 92:⁠1; 1 Tesaloniana 5:18). Afaka mivavaka ho an’ny hafa koa isika. Ny vavaka momba ireo rahalahintsika sy anabavintsika ara-panahy izay mijaly na enjehina dia mampiseho ny fiheverantsika azy ireny, ary faly i Jehovah mahare antsika maneho fiahiana toy izany. (Lioka 22:32; Jaona 17:20; 1 Tesaloniana 5:25). Raha ny marina, dia hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” — Filipiana 4:6, 7.

MAHARETA AMIN’NY FIVAVAHANA

15. Inona no tokony hotadidintsika raha toa tsy mahazo valiny ireo vavaka ataontsika?

15 Na dia mihamahazo fahalalana an’Andriamanitra aza ianao, dia mety hihevitra fa tsy mahazo valiny indraindray ireo vavaka ataonao. Mety ho izany no izy satria mety ho tsy fotoana hamalian’Andriamanitra vavaka iray voafaritra tsara izao. (Mpitoriteny 3:1-9). Mety hamela ny tarehin-javatra iray hitohy kelikely i Jehovah, nefa tena mamaly vavaka izy ary mahalala ny fotoana tsara indrindra hanaovana izany. — 2 Korintiana 12:7-9.

16. Nahoana isika no tokony hanana fikirizana amin’ny vavaka, ary amin’ny ahoana ny fanaovana izany no afaka misy fiantraikany eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra?

16 Ny fikirizantsika amin’ny fivavahana dia mampiharihary ny fahalianantsika avy ao am-po ny amin’izay lazaintsika amin’Andriamanitra. (Lioka 18:1-8). Ohatra, mety hangataka an’i Jehovah mba hanampy antsika handresy fahalemena iray isika. Amin’ny faharetantsika amin’ny fivavahana sy amin’ny fanaovantsika zavatra mifanaraka amin’ireo fangatahantsika, dia mampiseho ny fahatsoram-pontsika isika. Tokony hanao fangatahana voafaritra tsara sy amim-pahamarinana isika. Zava-dehibe indrindra ny mivavaka mafy rehefa tojo fakam-panahy isika. (Matio 6:13). Rehefa manohy mivavaka isika eo am-piezahantsika hifehy ireo fironantsika hanota, dia hahita ny fomba hanampian’i Jehovah antsika. Izany dia hampiorina ny finoantsika ary hanamafy ny fifandraisantsika aminy. — 1 Korintiana 10:13; Filipiana 4:⁠13.

17. Ahoana no handraisantsika soa avy amin’ny toe-tsaina mahatsiaro hivavaka eo am-panompoana an’Andriamanitra?

17 Amin’ny fambolena toe-tsaina mahatsiaro hivavaka eo am-panolorantsika fanompoana masina ho an’i Jehovah Andriamanitra, dia hanjary hahatakatra isika fa tsy manompo azy amin’ny herintsika manokana. I Jehovah no mahatonga antsika ­hahavita izany. (1 Korintiana 4:⁠7). Ny fanekentsika izany dia hanampy antsika hanetry tena ary hanatsara ny fifandraisantsika aminy. (1 Petera 5:5, 6). Eny, manana antony marim-pototra tokony haharetana amin’ny fivavahana isika. Ireo vavaka amim-pahatsorana ataontsika sy ny fahalalana sarobidy ny amin’ny fomba hanatonana akaiky an’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra dia hahatonga ny fiainantsika ho sambatra marina.

TSY MANDEHA ILA NY FIFAMPIRESAHANA AMIN’I JEHOVAH

18. Ahoana no ahafahantsika mihaino an’Andriamanitra?

18 Raha tiantsika ny hihainoan’Andriamanitra ireo vavaka ataontsika, dia tsy maintsy mihaino izay lazainy isika. (Zakaria 7:13). Tsy mandefa hafatra amin’ny alalan’ny mpaminany nahazo tsindrimandry tamin’Andriamanitra intsony izy, ary azo antoka fa tsy mampiasa fomba araka ny spiritisma. (Deoteronomia 18:10-12). Afaka mihaino an’Andriamanitra anefa isika amin’ny fianarana ny Teniny, ny Baiboly. (Romana 15:⁠4; 2 Timoty 3:16, 17). Tsy misy hafa amin’ny mety hilantsika hamboly fitiavana sakafo ara-nofo mahasalama ho antsika, no ampirisihana mafy antsika mba ‘hampitombo fitiavana mafy ny ronono tsy misy fangarony izay an’ny teny’. Mambole fitiavana sakafo ara-panahy amin’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra isan’andro. — 1 Petera 2:2, 3, NW; Asan’ny Apostoly 17:⁠11.

19. Inona no soa raisinao avy amin’ny fisainana momba izay vakinao ao amin’ny Baiboly?

19 Saino izay vakinao ao amin’ny Baiboly. (Salamo 1:1-3; 77:11, 12). Izany dia midika hoe mamakafaka ao an-tsaina ilay zavatra novakina. Ho azonao ampitahaina amin’ny fandevonan-kanina izany. Afaka mandevona sakafo ara-panahy ianao amin’ny fampifandraisana izay vakinao amin’ny zavatra efa fantatrao. Diniho ny fiantraikan’ilay zavatra vakinao eo amin’ny fiainanao, na eritrereto izay aharihariny momba ireo toetra tsaran’i Jehovah sy ireo fifampiraharahany amin’ny hafa. Araka izany, amin’ny alalan’ny fianarana manokana, dia afaka mandray ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah ianao. Izany dia hampanatona akaiky kokoa anao an’Andriamanitra ary hanampy anao hizaka ireo zava-manahirana isan’andro.

20. Amin’ny ahoana ny fanatrehantsika ireo fivoriana kristiana no manampy antsika hanatona akaiky an’Andriamanitra?

20 Afaka manatona akaiky an’Andriamanitra koa ianao amin’ny fihainoana ny Teniny dinihina any amin’ireo fivoriana kristiana, tsy misy hafa amin’ny nihainoan’ireo Isiraelita tamim-pitandremana rehefa niangona mba hihaino ny famakiana ampahibemaso ny Lalàn’Andriamanitra izy ireo. Ireo mpampianatra tamin’izany andro izany dia nanazava tsara ny hevitry ny Lalàna novakiny, ka nanampy araka izany an’ireo mpihaino azy mba hahazo izany tsara sy ho voatosika hampihatra izay reny. Izany dia nitarika ho amin’ny fifaliana lehibe. (Nehemia 8:8, 12). Koa ataovy ho fahazaranao ny hanatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. (Hebreo 10:24, 25). Izany dia hanampy anao hahazo ny hevitry ny fahalalana an’Andriamanitra ary avy eo dia hampihatra azy io eo amin’ny fiainanao ka hitondra fahasambarana ho anao. Ny maha-anisan’ny firahalahiana kristiana maneran-tany anao dia hanampy anao hitoetra ho akaiky an’i Jehovah. Ary araka ny ho hitantsika, dia afaka mahita tsy fananana ahiahy marina eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra ianao.

TSAPAO NY FAHALALANAO

Nahoana ianao no tokony hanatona akaiky an’i Jehovah?

Inona avy no fepetra takina sasany mba hanatonana akaiky an’Andriamanitra?

Inona no azonao ampidirina ao amin’ireo vavaka ataonao?

Nahoana ianao no tokony haharitra amin’ny fivavahana?

Ahoana no ahafahanao mihaino an’i Jehovah amin’izao andro izao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 157]