Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tohero Ireo Hery Ara-panahy Ratsy

Tohero Ireo Hery Ara-panahy Ratsy

Toko Faha-12

Tohero Ireo Hery Ara-panahy Ratsy

1. Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy rehefa nifanatrika tamin’ireo fanahy ratsy izy?

TAORIAN’NY batisany avy hatrany, i Jesosy Kristy dia nankany amin’ny efitr’i Jodia mba hivavaka sy hisaintsaina. Tany i Satana Devoly dia nitady ny hampandika azy ny lalàn’Andriamanitra. Kanefa nanilika ny jonon’ny Devoly i Jesosy ka tsy tratra tao amin’ny fandriny. Nifanandrina tamin’ny fanahy ratsy hafa i Jesosy nandritra ny fanompoany teto an-tany. Na dia izany aza, dia namerimberina niteny mafy sy nanohitra azy ireny izy. — Lioka 4:1-13; 8:26-34; 9:37-43.

2. Handinika fanontaniana inona avy isika?

2 Ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly milazalaza ireny fifanatrehana ireny dia tokony hampiaiky antsika fa tena misy ireo hery ara-panahy ratsy. Mitady ny hamitaka ny olona izy ireo. Kanefa, afaka manohitra ireny fanahy ratsy ireny isika. Avy aiza anefa ireo fanahy ratsy? Nahoana izy ireo no mitady ny hamitaka ny olombelona? Ary fomba inona avy no ampiasain’izy ireo mba hahazoana izay iriny? Ny fahitana ny valin’ny fanontaniana toy ireo dia hanampy anao hanohitra ireo hery ara-panahy ratsy.

IREO HERY ARA-PANAHY RATSY — NY NIAVIANY SY NY TANJONY

3. Ahoana no nahatonga an’i Satana Devoly hisy?

3 Nanao zavaboary ara-panahy sesehena, ela be talohan’ny namoronany ny olombelona, i Jehovah Andriamanitra. (Joba 38:4, 7). Araka ny nohazavaina tao amin’ny Toko Faha-6, ny iray tamin’ireny anjely ireny dia nanolokolo faniriana hanana olombelona hanompo azy fa tsy hanompo an’i Jehovah. Nikatsaka izany zava-kendrena izany io anjely ratsy io ka nanohitra sy nanendrikendrika ny Mpamorona, ary nanipy hevitra tamin’ilay vehivavy voalohany mihitsy aza fa mpandainga Andriamanitra. Mety indrindra àry raha nanjary fantatra ho Satana (mpanohitra) Devoly (mpanendrikendrika) io zavaboary ara-panahy mpikomy io. — Genesisy 3:1-5; Joba 1:⁠6.

4. Ahoana no nanotan’ny anjely sasany tamin’ny andron’i Noa?

4 Tatỳ aoriana, dia nisy anjely hafa niandany tamin’i Satana Devoly. Tamin’ny andron’ilay lehilahy marina atao hoe Noa, dia nandao ny fanompoany tany an-danitra ny sasany tamin’ireo, ka naka vatana ara-nofo mba hanomezana fahafaham-po ny filany hiray tamim-behivavy teto an-tany. Tsy isalasalana fa nitaona an’ireny anjely ireny hanaraka izany lalan’ny tsy fankatoavana izany, i Satana. Izany dia nitarika ho amin’ny fiterahan’izy ireo taranaka safiotra nantsoina hoe Nefilima, izay nanjary mpampijaly kely sady nahery setra. Rehefa nahatonga ilay Safo-drano lehibe i Jehovah, izy io dia nandringana ny olombelona feno fahasimbana ara-pitondran-tena ary koa ireo zanaka tsy araka ny natiora nateraky ny anjely tsy mpankato ireo. Afa-nandositra ny fandringanana ireo anjely mpikomy tamin’ny fampanjavonana ny vatany ara-nofo sy tamin’ny fiverenana tany amin’ny faritra ara-panahy. Nifehy an’ireny demonia ireny anefa Andriamanitra tamin’ny fitondrana azy ireny toy ny persona tsy faniry izay honina any amin’ny maizina ara-panahy. (Genesisy 6:1-7, 17; Joda 6). I Satana, ilay “lohan’ny demonia”, sy ireo anjeliny ratsy, na dia izany aza, dia mbola nanohy nanaraka ny lalan’ny fikomiany ihany. (Lioka 11:15). Inona no zava-kendren’izy ireo?

5. Manana zava-kendrena inona i Satana sy ireo demoniany, ary inona no ampiasain’izy ireo mba hamandrihana ny olona?

5 Ny zava-kendrena feno haratsiam-panahin’i Satana sy ireo demonia dia ny hampiodina ny olona hiala amin’i Jehovah Andriamanitra. Noho izany, ireo fanahy ratsy ireo dia namitaka sy nampitahotra ary nanafika ny olona nandritra ny tantaran’ny olombelona manontolo. (Apokalypsy 12:⁠9). Misy ohatra amin’ny andro ankehitriny manamarina fa ny fanafihan’ireo demonia izao dia tsy mifaditra ovana kokoa noho ny hatramin’izay. Mba hamandrihana ny olona, ireo demonia matetika dia mampiasa ny spiritisma amin’ny endriny rehetra. Ahoana no ampiasan’ireo demonia io jono io, ary ahoana no ahafahanao miaro tena?

NY FOMBA ITADIAVAN’IREO FANAHY RATSY HAMITAKA ANAO

6. Inona no atao hoe spiritisma, ary inona avy no endriny sasany aminy?

6 Inona no atao hoe spiritisma? Izy io dia fifandraisana amin’ireo demonia, na fanahy ratsy, na mivantana izany na amin’ny alalan’ny mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy. Ny ataon’ny spiritisma ho an’ireo demonia dia mitovy amin’ny ataon’ny jono ho an’ireo mpihaza: Manintona ny remby. Ary tsy misy hafa amin’ny fampiasan’ny mpihaza iray karazana jono samihafa mba hisarihana ireo biby ho latsaka ao amin’ny fandriny, dia toy izany koa no ampirisihan’ireo fanahy ratsy hanaraka endriny maro samihafa amin’ny spiritisma mba hitondrana ny olombelona ho eo ambany fifehezany. (Ampitahao amin’ny Salamo 119:110.) Ny sasany amin’ireny endrika ireny dia ny fisikidianana, ny majika, ny fitadiavana fambara, ny fanaovana ody ratsy, ny fitokavana, ny fakana hevitra amin’ireo mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy ary ny fanontaniana amin’ny maty.

7. Miely patrana ve ny spiritisma, ary nahoana izy io no miroborobo na dia any amin’ny tany lazaina fa kristiana aza?

7 Mandaitra ilay jono, satria manintona ny olona maneran-tany ny spiritisma. Ireo izay miaina any amin’ny tanàna kely any anaty ala dia mankany amin’ny mpimasy, ary ireo mpiasa birao any amin’ny tanàn-dehibe dia maka hevitra amin’ny mpanandro. Miroborobo ny spiritisma na dia any amin’ny tany lazaina fa kristiana aza. Atoron’ny fikarohana natao fa any Etazonia fotsiny, dia gazetiboky 30 eo ho eo, izay maherin’ny 10 000 000 ny fitambaran’ny isan’ny mivoaka aminy, no atokana ho an’ny endriny maro samihafa amin’ny spiritisma. Ireo Brezilianina dia mandany maherin’ny 500 tapitrisa dolara [380 000 tapitrisa ariary] amin’ny zavajavatra kely momba ny spiritisma isan-taona. Kanefa, ny 80 isan-jaton’ireo mankany amin’ny foibem-pivavahana momba ny spiritisma any amin’io tany io dia Katolika vita batisa izay mamonjy Lamesa koa. Koa satria manao spiritisma ny klerjy sasany, dia maro amin’ireo mpivavaka no mieritreritra fa eken’Andriamanitra ny fanaovana azy io. Izany tokoa ve anefa no izy?

NY ANTONY ANAMELOHAN’NY BAIBOLY NY FANAOVANA SPIRITISMA

8. Inona no fomba fiheveran’ny Soratra Masina momba ny spiritisma?

8 Raha nampianarina ianao fa ny endriny sasany amin’ny spiritisma dia fomba ifandraisana amin’ny fanahy tsara, dia mety ho gaga rehefa mianatra izay lazain’ny Baiboly momba ny spiritisma. Nampitandremana ny vahoakan’i Jehovah hoe: “Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra [“ireo mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy”, NW ], na mitady saina amin’ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy”. (Levitikosy 19:31, Izahay no manao sora-mandry; 20:6, 27). Ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly dia mampitandrina fa “ny mpanao ody ratsy [“mpanao spiritisma”, NW ]” dia hiafara any amin’ny “farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa [mandrakizay]”. (Apokalypsy 21:⁠8; 22:15). Ny endriny rehetra amin’ny spiritisma dia tsy ankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra. (Deoteronomia 18:10-12). Nahoana no izany no izy?

9. Nahoana isika no afaka manatsoaka hevitra fa tsy avy amin’i Jehovah ireo hafatra avy any amin’ny tontolo ara-panahy amin’ny andro ankehitriny?

9 Naniraka fanahy tsara, na anjely marina, mba hifampiresaka tamin’ny olombelona sasany talohan’ny nahavitan’ny Baiboly, i Jehovah. Hatramin’ny nahavitany, ny Tenin’Andriamanitra dia nanome ny tari-dalana ilain’ny olombelona mba hanompoana an’i Jehovah amin’ny fomba azony ekena. (2 Timoty 3:16, 17; Hebreo 1:1, 2). Tsy hibirioka amin’ny Teniny masina izy mba hanomezana hafatra ho an’ny mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy. Ny hafatra rehetra toy izany avy any amin’ny tontolo ara-panahy amin’ny andro ankehitriny dia avy amin’ireo fanahy ratsy. Afaka mitarika ho amin’ny fampahoriana tsy an-kijanona avy amin’ireo demonia, ary na dia ho amin’ny fahatongavana ho eo ambany fifehezan’ireo fanahy ratsy mihitsy aza, ny fanaovana spiritisma. Noho izany, Andriamanitra dia mampitandrina antsika amim-pitiavana mba tsy ho tafiditra amin’izay fanao rehetra momba ny spiritisma. (Deoteronomia 18:14; Galatiana 5:19-21, NW ). Ambonin’izany, raha toa ka manohy manao spiritisma isika rehefa avy nahafantatra ny fomba fihevitr’i Jehovah momba azy io, dia hiandany amin’ireo fanahy ratsy mpikomy ka ho fahavalon’Andriamanitra. — 1 Samoela 15:23, NW; 1 Tantara 10:13, 14; Salamo 5:⁠4.

10. Inona no atao hoe fisikidianana, ary nahoana isika no tokony hanalavitra azy io?

10 Ny endriny be mpitia iray amin’ny spiritisma dia ny fisikidianana — ny fanandramana hahafantatra momba ny hoavy na ny tsy fantatra amin’ny alalan’ireo fanahy. Ny endriny sasany amin’ny fisikidianana dia ny fanandroana, ny fijerena baolina kristaly, ny filazana ny hevitry ny nofy, ny fahaiza-mamaky ny soritra amin’ny tanana ary ny famantarana ny hoavy amin’ny fampiasana karatra tarot. Maro no mihevitra ny fisikidianana ho zava-mahafinaritra tsy mampaninona, nefa ny Baiboly dia mampiseho fa mifanindran-dalana ireo mpamantatra ny hoavy sy ireo fanahy ratsy. Ohatra, ny Asan’ny Apostoly 16:16-19 (NW ) dia manonona “ny demonian’ny fisikidianana iray” izay nahatonga ny ankizivavy iray hampihatra ny “fahaiza-milaza zavatra mialoha”. Kanefa, very ny fahaizany mamantatra ny hoavy rehefa voaroaka ilay demonia. Mazava fa ny fisikidianana dia jono iray ampiasain’ireo demonia mba hisarihana ny olona ho latsaka ao amin’ny fandriny.

11. Amin’ny ahoana ireo fanandramana hifampiresaka amin’ny maty no mitarika ho ao amin’ny fandrika?

11 Raha malahelo noho ny fahafatesan’ny hava-malala iray na ny namana akaiky iray ianao, dia mety ho sodokan’ny jono hafa iray mora foana. Mety hanome anao vaovao manokana ny mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy, na mety hiteny amin’ny feo izay toa ny an’ilay olona maty. Mitandrema! Ny fanandramana hifampiresaka amin’ny maty dia mitarika ho ao amin’ny fandrika. Nahoana? Satria tsy afaka miteny ny maty. Araka ny tsy isalasalana fa tsaroanao, ny Tenin’Andriamanitra dia milaza mazava fa rehefa maty ny olona iray, dia “miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany”. “Tsy mba mahalala na inona na inona” ny maty. (Salamo 146:⁠4; Mpitoriteny 9:5, 10). Ambonin’izany, dia ireo demonia, raha ny tena izy, no fantatra ho manahaka ny feon’ireo olona nody mandry sy manome vaovao momba ilay olona maty ho an’ny mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy. (1 Samoela 28:3-19). Koa “ny mpanontany amin’ny maty” àry dia voafandrik’ireo fanahy ratsy ary manao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’i Jehovah Andriamanitra. — Deoteronomia 18:11, 12; Isaia 8:⁠19.

SADY MANINTONA NO MANAFIKA

12, 13. Inona no porofo fa mikiry maka fanahy sy mampahory tsy an-kijanona ny olona ireo demonia?

12 Rehefa manaraka ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra momba ny spiritisma ianao, dia manifika ny jonon’ireo demonia. (Ampitahao amin’ny Salamo 141:9, 10; Romana 12:⁠9.) Midika ve izany fa hijanona tsy hitady hamabo anao intsony ireo fanahy ratsy? Tsy izany velively! Rehefa avy naka fanahy an’i Jesosy intelo i Satana, dia “nihataka taminy mandra-pisin’ny fotoana mety hafa”. (Lioka 4:13, NW ). Mitovy amin’izany koa, fa ireo fanahy feno kiry dia tsy vitan’ny hoe manintona olona fotsiny, fa manafika azy ireo koa.

13 Tsarovy ilay fandinihana nataontsika teo aloha momba ny fanafihan’i Satana an’i Joba, mpanompon’Andriamanitra. Ny Devoly dia nahatonga ny famoizana ny omby aman’ondriny sy ny fahafatesan’ny ankamaroan’ireo mpanompony. Namono an’ireo zanak’i Joba mihitsy aza i Satana. Nanaraka izany, dia namely ny tenan’i Joba tamin’ny aretina nampanaintaina izy. Nihazona ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra anefa i Joba ka voatahy be dia be. (Joba 1:7-19; 2:7, 8; 42:12). Hatramin’izay, ireo demonia dia nahatonga ny olona sasany ho moana na jamba ary nanohy niravoravo noho ny fijalian’ny olombelona. (Matio 9:32, 33; 12:22; Marka 5:2-5). Amin’izao andro izao, dia misy tatitra mampiseho fa ireo demonia dia mampahory tsy an-kijanona ny olona sasany eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy, ary mahalasa adala ny hafa. Manosika ny hafa koa ho amin’ny famonoana olona sy ny famonoan-tena, izay fahotana amin’Andriamanitra, izy ireo. (Deoteronomia 5:17; 1 Jaona 3:15). Na dia izany aza, dia olona an’arivony maro izay voafandrik’ireny fanahy ratsy ireny taloha no afaka nanafa-tena. Ahoana no nahafahan’izy ireo nanao izany? Nanao izany izy ireo tamin’ny fanaovana dingana tena lehibe.

NY FOMBA ANOHERANA IREO FANAHY RATSY

14. Mifanaraka amin’ny ohatr’ireo Kristiana efesiana tamin’ny taonjato voalohany, ahoana no ahafahanao manohitra ireo fanahy ratsy?

14 Inona no fomba iray ahafahanao manohitra ireo fanahy ratsy sy miaro ny tenanao sy ny fianakavianao amin’ny fandrik’izy ireo? Ireo Kristiana tany Efesosy tamin’ny taonjato voalohany izay nanao spiritisma talohan’ny nahatongavany ho mpino, dia nanao dingana hentitra. Vakintsika fa “maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ny olona rehetra”. (Asan’ny Apostoly 19:19). Na dia tsy nanao spiritisma aza ianao, dia ario izay zavatra rehetra fampiasa amin’ny spiritisma na mamofompofona azy. Tafiditra amin’izany ny boky, gazetiboky, vidéos, sary peta-drindrina, mozika noraisina feo ary zavatra ampiasaina ho amin’ny zava-kendrena momba ny spiritisma. Tafiditra amin’izany koa ireo sampy sy ody atao fiaro ary zavajavatra hafa anaovana mba hiarovan-tena, ary koa fanomezana avy amin’ny mpanao spiritisma. (Deoteronomia 7:25, 26; 1 Korintiana 10:21). Mba hampisehoana izany: Ny mpivady iray tany Thaïlande dia nampahorin’ny demonia tsy an-kijanona nandritra ny ela be. Avy eo izy ireo dia nanary ireo zavatra nifandray tamin’ny spiritisma. Inona no vokany? Afaka tamin’ireo fanafihan’ny demonia izy ireo ary taorian’izay dia tena nanao fandrosoana ara-panahy.

15. Mba hanoherana ireo hery ara-panahy ratsy, inona no dingana tena ilaina hatao hafa koa?

15 Mba hanoherana ireo fanahy ratsy, ny dingana hafa iray tena ilaina hatao dia ny fampiharana ny torohevitry ny apostoly Paoly hitafy ny fiadiana ara-panahy rehetra nomen’Andriamanitra. (Efesiana 6:11-17). Tsy maintsy manamafy ny fiarovany amin’ireo fanahy ratsy ny Kristiana. Inona no tafiditra amin’io dingana io? “[Ambonin’ny zava-drehetra, NW ]”, hoy i Paoly, “dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy.” Eny tokoa, arakaraka ny hahatanjahan’ny finoanao, no hitomboan’ny fahaizanao hanohitra ireo hery ara-panahy ratsy. — Matio 17:14-20.

16. Ahoana no ahafahanao manatanjaka ny finoanao?

16 Ahoana no ahafahanao manatanjaka ny finoanao? Amin’ny fanohizana mianatra ny Baiboly sy mampihatra ny toroheviny eo amin’ny fiainanao. Ny tanjaky ny finoan’ny tena dia miankina be dia be amin’ny maha-mafy orina ny fotony — ny fahalalana an’Andriamanitra. Tsy manaiky ve ianao fa ny fahalalana araka ny marina azonao ka noraisinao am-po teo am-pianaranao ny Baiboly, dia nampitombo ny finoanao? (Romana 10:10, 17). Noho izany, dia tsy isalasalana fa, eo am-panohizanao izany fianarana izany sy eo am-panaovanao ho fahazarana ny fanatrehana ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia vao mainka hihamafy hatrany ny finoanao. (Romana 1:11, 12; Kolosiana 2:6, 7). Ho manda fiarovana mafy amin’ireo fanafihan’ny demonia izy io. — 1 Jaona 5:⁠5.

17. Dingana fanampiny inona avy no mety ho tena ilaina hatao mba hanoherana ireo hery ara-panahy ratsy?

17 Dingana fanampiny inona avy no mety hataon’ny olona iray tapa-kevitra ny hanohitra ireo hery ara-panahy ratsy? Nila fiarovana ireo Kristiana efesiana satria niaina tao amin’ny tanàn-dehibe iray nanjakan’ny demonisma. Noho izany, dia hoy ny nolazain’i Paoly tamin’izy ireo: “Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy”. (Efesiana 6:18). Koa satria miaina eo amin’ny tontolo iray anjakan’ireo demonia isika, ny fivavahana faran’izay mafy mba hahazoana ny fiarovan’Andriamanitra dia tena ilaina mba hanoherana ireo fanahy ratsy. (Matio 6:13). Manampy amin’io lafiny io ny fanohanana ara-panahy sy ireo vavaky ny loholona voatendry ao amin’ny kongregasiona kristiana. — Jakoba 5:13-15.

AZA ATSAHATRA NY ADY ATAONAO AMIN’IREO FANAHY RATSY

18, 19. Inona no azo atao raha manakotaba ny olona iray indray ireo demonia?

18 Na dia rehefa avy nanao ireny dingana fototra ireny aza anefa ny olona sasany, dia mbola nokotabain’ireo fanahy ratsy ihany. Ohatra, ny lehilahy iray tany Côte d’Ivoire dia niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ary dia nanapotika ireo ody rehetra nataony fiaro. Taorian’izay izy dia nanao fandrosoana tsara dia tsara, nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah, ary dia natao batisa. Herinandro taorian’ny batisany anefa, dia nanomboka nanakotaba azy indray ireo demonia, ary nisy feo nilaza taminy mba handao ny finoany vaovao. Raha toa ka mitranga aminao izany, moa ve izany hidika fa namoy ny fiarovan’i Jehovah ianao? Tsy voatery ho izany no izy.

19 Na dia nanana ny fiarovan’Andriamanitra aza i Jesosy Kristy, lehilahy tanteraka, dia nahare ny feon’i Satana Devoly, ilay zavaboary ara-panahy ratsy. Nampiseho izay tokony hatao amin’ny toe-javatra toy izany i Jesosy. Hoy ny nolazainy tamin’ny Devoly: “Mandehana hianao, ry Satana”. (Matio 4:3-10). Tahaka izany koa, ianao dia tokony handa tsy hihaino feo avy any amin’ny tontolo ara-panahy. Tohero ireo fanahy ratsy amin’ny fiantsoana an’i Jehovah mba hahazoana fanampiana. Eny, mivavaha amin’ny feo avo, amin’ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra. Hoy ny Ohabolana 18:10: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.” Nanao izany ilay lehilahy kristiana tany Côte d’Ivoire, ary dia nijanona tsy nampahory azy tsy an-kijanona intsony ireo fanahy ratsy. — Salamo 124:⁠8; 145:⁠18.

20. Ho famintinana, inona no azonao atao mba hanoherana ireo fanahy ratsy?

20 Namela ireo fanahy ratsy hisy hatrany i Jehovah, nefa mampiseho ny heriny izy, indrindra fa mba hamonjena ny vahoakany, ary ambara manerana ny tany ny anarany. (Eksodosy 9:16). Raha mitoetra ho akaikin’Andriamanitra ianao, dia tsy mila ny hatahotra ireo fanahy ratsy. (Nomery 23:21, 23; Jakoba 4:7, 8; 2 Petera 2:⁠9). Voafetra ny herin’izy ireo. Nofaizina izy ireo tamin’ny andron’i Noa, noroahina avy tany an-danitra vao haingana izay, ary izao dia miandry ny fitsarana farany. (Joda 6; Apokalypsy 12:⁠9; 20:1-3, 7-10, 14). Raha ny marina aza, dia matahotra ny fandringanana azy ho avy izy ireo. (Jakoba 2:19). Koa na mitady hanintona anao amin’ny alalan’ny karazana jono iray ireo fanahy ratsy, na manafika anao amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, dia afaka manohitra azy ireo ianao. (2 Korintiana 2:11). Andosiro ny endriny rehetra amin’ny spiritisma, ampiharo ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra ary tadiavo ny fankasitrahan’i Jehovah. Ataovy tsy misy hataka andro izany, satria miankina amin’ny fanoheranao ireo hery ara-panahy ratsy ny fiainanao!

TSAPAO NY FAHALALANAO

Amin’ny fomba ahoana no itadiavan’ireo fanahy ratsy hamitaka ny olona?

Nahoana ny Baiboly no manameloka ny spiritisma?

Ahoana no ahafahan’ny olona iray ­manafa-tena amin’ireo hery ara-panahy ratsy?

Nahoana ianao no tokony tsy hitsahatra hanohitra ireo fanahy ratsy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 110]

Ahoana no fomba fiheveranao ny spiritisma amin’ireo endriny maro?