Fampiononana ho An’ireo Ketraka
Fampiononana ho An’ireo Ketraka
“Izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny”. (Romana 8:22). Lehibe aoka izany ny fahorian’ny olombelona tamin’ny fotoana nanoratana ireo teny ireo, 1 900 taona mahery izay. Maro ny olona ketraka tamin’izany. Noho izany, dia nampirisihina toy izao ireo Kristiana: “Miresaha amin’ny fomba mampionona amin’ny fanahy ketraka.” — 1 Tesaloniana 5:14, New World Translation.
Amin’izao andro izao, dia vao mainka aza lehibe noho ny tamin’izany ny fijalian’ny olombelona, ary maro noho ny hatramin’izay ireo olona ketraka. Tokony hahagaga antsika anefa ve izany? Tsy dia izany loatra, satria ny Baiboly dia mampahafantatra izao andro izao ho “ny andro farany” ary miantso azy hoe “andro sarotra tsy mora setraina”. (2 Timoty 3:1-5, NW). Nilaza mialoha i Jesosy Kristy fa, mandritra ny andro farany, dia hisy “zava-mahatahotra”. — Lioka 21:7-11; Matio 24:3-14.
Rehefa iharan’ny tebiteby, tahotra, alahelo na fihetseham-po ratsy hafa toy izany amin’ny fomba maharitra ny olona, matetika dia manjary ketraka. Ny mahatonga ny fahaketrahana na ny alahelo izaitsizy dia mety ho ny fahafatesan’ny olon-tiana iray, ny fisaraham-panambadiana, ny famoizana asa na ny aretina iray tsy mety mitsahatra. Manjary ketraka koa ny olona rehefa mamboly fahatsapana ho tsinontsinona ny tenany, rehefa mihevitra ny tenany ho olona tsy mahomby na amin’inona na amin’inona sady nandiso fanantenana ny rehetra, izy. Na iza na iza dia mety ho resin’ny tarehin-javatra feno fihenjanana, kanefa rehefa mamboly fahatsapana fahaverezan-toky ny olona iray ka tsy mety mahita izay hivoahana avy amin’ny tarehin-javatra ratsy iray, dia mety hiteraka fahaketrahana mafy izany.
Nisy olona tamin’ny andro taloha nahatsapa fihetseham-po toy izany. Nijaly noho ny aretina sy ny fisehoan-javatra nampalahelo nihatra taminy i Joba. Nihevitra izy fa nandao azy Andriamanitra, hany ka nilaza fa naharikoriko azy ny fiainana. (Joba 10:1; 29:2, 4, 5). Ketraka i Jakoba noho ny toa fahafatesan’ny zanany lahy, ka tsy nety nampiononina ary naniry ho faty. (Genesisy 37:33-35). Nahatsiaro tena ho meloka ho nanao fahadisoana lehibe i Davida ka nitaraina hoe: “Nandritra ny andro aho dia nandehandeha nalahelo. Nanjary vahotra aho.” — Salamo 38:6, 8, NW; 2 Korintiana 7:5, 6.
Amin’izao andro izao, dia maro no nanjary ketraka noho izy ireo mitaky zavatra be loatra amin’ny tenany, ka miezaka ny hanaraka isan’andro fahazarana izay tsy efan’ny fahafahany ara-tsaina, ara-pihetseham-po ary ara-batana. Toa mety hisy fiantraikany eo amin’ny vatana ny fihenjanana ampian’ny eritreritra sy fihetseham-po tsy manorina, ka mahatonga tsy fifandanjana simika ao amin’ny atidoha ary miteraka fahaketrahana. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 14:30.
Ny fanampiana izay ilain’izy ireo
I Epafrodito, Kristiana iray avy tany Filipy tamin’ny taonjato voalohany, dia nanjary “difotra alahelo, satria efa [ren’ny namany] fa narary izy”. I Epafrodito, izay nanjary narary taorian’ny nanirahan’ny namany azy ho any Roma mba hitondra hanina ho an’ny apostoly Paoly, dia nihevitra angamba fa nandiso fanantenana ny namany ary koa fa noraisin’izy ireo ho toy ny olona tsy mahomby na amin’inona na amin’inona izy. (Filipiana 2:25-27; 4:18). Tamin’ny fomba ahoana no nitondran’ny apostoly Paoly fanampiana?
Naniraka an’i Epafrodito hody niaraka tamin’ny taratasy iray nanao toy izao, ho an’ireo namany filipiana, izy: “Raiso toy ny mahazatra ao amin’ny Tompo [i Epafrodito] amin’ny fifaliana rehetra; ary aza mitsahatra mankamamy ny karazan’olona toy izany.” (Filipiana 2:28-30, NW). Ny firesahan’i Paoly tamim-pankasitrahana aoka izany momba azy sy ny fandraisan’ireo Filipiana azy tamin-kafanam-po sy firaiketam-po, dia azo antoka fa tsy maintsy nampionona an’i Epafrodito ary nanampy mba hanamaivana ny fahaketrahany.
Tsy misy isalasalana fa ny torohevitry ny Baiboly mba ‘hiresaka amin’ny fomba mampionona amin’ny fanahy ketraka’ no tsara indrindra. “Mila ny mahafantatra ianao fa miahy ny aminao manokana ny hafa”, hoy ny vehivavy iray izay voan’ny fahaketrahana. “Mila ny mahare olona milaza aminao ianao hoe ‘Azoko tsara ny manjo anao; tsy maintsy mbola hihatsara indray ianao’.”
Ilay olona ketraka mazàna dia mila manao ny dingana voalohany mba hitady olona mahay mipetraka eo amin’ny toerany mba hamborahany ny fihetseham-pony aminy. Tokony ho olona mahay mihaino sy manana faharetana be izany olona izany. Tokony hanalavitra
ny fandevilevena ilay olona ketraka sy ny fanaovana teny mitsara azy toy ny hoe ‘Tsy tokony hanana fihetseham-po toy izany ianao’, na ny hoe ‘Fihetsika ratsy izany arahinao izany’, izy io. Malemy ny fihetseham-pon’ny olona ketraka iray ary ny teny feno fanakianana toy izany dia tsy hanao afa-tsy ny hahatonga azy hanana fiheverana ratsy kokoa ihany momba ny tenany.Mety hihevi-tena ho tsinontsinona ny olona ketraka iray. (Jona 4:3). Kanefa, tokony hotadidin’ny olona iray fa ny tena zava-dehibe dia ny fomba fiheveran’Andriamanitra azy. ‘Tsy nahoan’ny olona’ i Jesosy Kristy, kanefa izany dia tsy nanova ny tena vidiny teo imason’Andriamanitra. (Isaia 53:3). Matokia fa, tsy misy hafa amin’ny itiavan’Andriamanitra ny Zanany malala no itiavany anao koa. — Jaona 3:16.
Onena ireo nijaly i Jesosy ary niezaka hanampy azy hahita izay tena vidin’ny tenan’izy ireo manokana. (Matio 9:36; 11:28-30; 14:14). Nanazava izy fa Andriamanitra dia mihevitra ho sarobidy na dia ireo tsintsina kely sady tsy misy vidiny aza. “Tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray akory aza”, hoy izy. Heveriny ho sarobidy lavitra toy inona àry ny olombelona izay miezaka hanao ny sitrapony! Hoy i Jesosy momba azy ireo: “Na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.” — Lioka 12:6, 7.
Marina fa mety ho sarotra amin’ny olona iray ketraka mafy ka difotr’ireo fahalemeny sy kileman-toetrany, ny hino fa mihevitra azy ho sarobidy toy izany Andriamanitra. Mety hino mafy izy fa tsy mendrika ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fiahiany ny tenany. Mety ‘hanameloka antsika ny fontsika’, hoy ny eken’ny Tenin’Andriamanitra. Kanefa izany ve no lafin-javatra tokony hanapaka eo amin’ilay tarehin-javatra? Tsia, tsy izany. Fantatr’Andriamanitra fa ny olombelona mpanota dia mety hanana eritreritra tsy manorina ary hanameloka ny tenany mihitsy aza. Mampionona azy ireo toy izao àry ny Teniny: “Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.” — 1 Jaona 3:19, 20.
Eny, mahita be kokoa noho ireo fahotantsika sy fahalementsika ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra. Fantany ireo toe-javatra manalefaka, ny lalam-piainantsika manontolo, ireo antony manosika antsika ary ireo fikasantsika. Fantany fa nandova ota, sy aretina ary fahafatesana isika ka noho izany dia voafetra dia voafetra tokoa. Ny fahatsapantsika alahelo sy hatezerana amin’ny tenantsika dia efa porofo fa tsy maniry hanota isika ary koa fa mbola tsy lasa lavitra loatra. Milaza ny Baiboly fa “nampanekena ho zava-poana” tsy noho ny sitrapontsika, isika. Mangoraka antsika àry Andriamanitra Romana 5:12; 8:20.
noho ny toe-piainana mahonena misy antsika, ary mampiseho fiheverana amim-piantrana ireo fahalementsika. —“Mamindra fo sy miantra Jehovah”, hoy ny toky omena antsika. “Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” (Salamo 103:8, 12, 14). Tena marina tokoa fa i Jehovah no ‘Andriamanitry ny fampiononana rehetra, izay mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra’. — 2 Korintiana 1:3, 4.
Ny fanampiana tena ilain’ireo ketraka indrindra dia azony amin’ny fanatonana akaiky an’ilay Andriamaniny be famindram-po sy amin’ny fanekena ny fanasany mba ‘hametraka ny entany eo aminy’. Tena afaka ‘mamelombelona ny fon’ny torotoro fo’ tokoa izy. (Salamo 55:22; Isaia 57:15). Mampirisika ny hivavahana àry ny Tenin’Andriamanitra, amin’ny filazana hoe: “Apetraho aminy [Jehovah] ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.” (1 Petera 5:7). Eny, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana, ny olona dia afaka manatona akaiky an’Andriamanitra ka hahazo “ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra”. — Filipiana 4:6, 7, NW; Salamo 16:8, 9.
Afaka ny hanampy ny olona iray handresy ny toe-tsaina feno fahaketrahana koa ny fanovana ny fomba fiainany. Ny fampiasan-tena, ny fihinanana sakafo mahasoa, ny rivotra madio sy ny fialan-tsasatra ampy ary ny fanalavirana ny fijerena televiziona tafahoatra dia samy zava-dehibe avokoa. Nisy vehivavy iray nanampy olona ketraka maro tamin’ny fanasana azy ireo hanao dia an-tongotra amim-pahavitrihana. Rehefa nilaza ny ramatoa ketraka iray hoe: “Tsy ta handeha an-tongotra aho”, dia namaly tamim-pahalemem-panahy nefa tamin’ny fomba hentitra izy hoe: “Tsia, tsy maintsy mandeha ianao.” Nitantara toy izao izy: ‘Nahavita enina kilaometatra an-tongotra izahay. Rehefa tafaverina izahay, dia vizana izy, nefa nahatsiaro tena ho tsara kokoa. Tsy afaka ny hino ny fanampiana entin’ny fampiasan-tena amim-pahavitrihana ianao raha tsy manandrana manao azy io mihitsy.’
Kanefa, indraindray dia tsy azo resena amin’ny fomba tanteraka ny fahaketrahana, na dia efa nandramana avokoa aza ny zava-drehetra, anisan’izany ny fikarakarana ara-pitsaboana. “Efa nandramako avokoa ny zavatra rehetra”, hoy ny vehivavy mihamandroso taona iray, “kanefa mbola eo ihany ilay fahaketrahana”. Mitovy amin’izany koa, ireo jamba, marenina na kilemaina matetika dia tsy azo sitranina amin’izao fotoana izao. Kanefa afaka mahita fampiononana Romana 12:12; 15:4.
sy fanantenana ireo olona ketraka amin’ny famakiana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra, izay manome ny fanantenana azo antoka fa hisy fanamaivanana maharitra amin’ny fijaliana rehetra mahazo ny olombelona. —Rehefa tsy hisy ho ketraka intsony
Rehefa nilazalaza ny amin’ireo zavatra mahatsiravina ho tonga ambonin’ny tany amin’ny andro farany i Jesosy dia nanampy hoe: “Raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny [fanafahana, NW] anareo.” (Lioka 21:28). I Jesosy teo dia niresaka momba ny fanafahana mba hiditra ao amin’ny tontolo vaovao sy marin’Andriamanitra, izay ‘hamotsorana izao zavatra ary rehetra izao amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra’. — Romana 8:21.
Ho fanamaivanana toy inona moa ny an’ny taranak’olombelona ho afaka amin’ireo enta-mavesatra tamin’ny lasa ary hifoha isa-maraina ka hanana saina maivamaivana, vonona ny hirotsaka hanao ireo asa hatao amin’ny andro! Tsy hisy ho voasembantsemban’ny rahon’ny fahaketrahana intsony. Ny fanantenana azo antoka ho an’ny taranak’olombelona dia hoe: “Hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:3, 4.
Raha tsy misy fanamarihana manokana (toy ny hoe NW ho an’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao—Fanaovana Fikarohana, anglisy), ny andinin-teny rehetra dia avy amin’ny Baiboly Fandikan-teny Protestanta (1997).