Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Abadona

Abadona

(Abadôna) [avy amin’ny teny heb., ary midika hoe “Fandringanana”].

Hita ao amin’ny Apokalypsy 9:11 io teny hebreo io. Voalaza ao fa manana “mpanjaka” ireo valala an’ohatra mitondra loza, “dia ny anjelin’ny lavaka mangitsokitsoka: Abadona no anarany amin’ny teny hebreo, fa Apolyona kosa amin’ny teny grika.”

Midika hoe “fandringanana” ny teny hebreo hoe ʼavaddôhn, nefa mety hidika koa hoe “toerana mahalò ny nofo.” Miseho indimy ao amin’ny soratra hebreo tany am-boalohany izy io, ka inefatra no miaraka amin’ny hoe ‘Fasana’ na ‘fahafatesana.’ (Sl 88:11; Jb 26:6; 28:22; Oh 15:11) Mihalò ny olona rehefa maty, ary ʼavaddôhn no ilazana izany ao amin’ireo andininy ireo. Aseho eo fa lo na levona izay ao amin’ny Fasana misy ny maty rehetra. Nampiasain’i Joba koa ny hoe ʼavaddôhn mba hilazana ny voka-dratsin’ny fanitsakitsaham-bady. Hoy izy: “Afo mandoro izany [ny fanitsakitsaham-bady] ka manapotika tanteraka [ʽad-ʼavaddôhn], ary mandevona ny voliko rehetra hatrany amin’ny fakany.”​—Jb 31:12; ampit. Oh 6:26-28, 32; 7:26, 27.

Iza moa i Abadona, ilay anjelin’ny lavaka mangitsokitsoka?

Antsoina hoe “Abadona” ilay “anjelin’ny lavaka mangitsokitsoka.” (Ap 9:11) Apolyona, izay midika hoe “Mpandringana”, no anarany amin’ny teny grika. Nisy niezaka nanaporofo tamin’ny taonjato faha-19 fa i Vespasien Mpanjaka, na i Mahometa, na i Napoléon ilay anjely. Noheverina àry fa ‘anjelin’i Satana’ ilay izy. Asehon’ny Apokalypsy 20:1-3 anefa fa nirahin’Andriamanitra avy any an-danitra ilay anjely manana ny “lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka.” Mamatotra sy manipy an’i Satana ao amin’ilay lavaka izy. Tsy ‘anjelin’i Satana’ àry izy. Hoy ny Baibolin’ny Mpanazava Teny, momba ny Apokalypsy 9:11: “Anjelin’Andriamanitra anefa i Abadona fa tsy anjelin’i Satana. Andriamanitra no mibaiko azy handringana.”

Ampitovina amin’ny Fasana sy ny fahafatesana ny ʼavaddôhn ao amin’ny Soratra Hebreo. Hoy koa i Kristy Jesosy ao amin’ny Apokalypsy 1:18: ‘Velona mandrakizay mandrakizay aho, sady manana ny lakilen’ny fahafatesana sy ny Fasana.’ Manana fahefana handefa ny demonia any amin’ny lavaka mangitsokitsoka koa izy. (Lk 8:31) Manan-kery handringanana àry izy, ary afaka mandringana an’i Satana mihitsy aza. Voalaza mantsy fa tonga nofo aman-dra izy mba “ho ny fahafatesany no hanafoanany an’ilay manan-kery hahatonga fahafatesana, dia ny Devoly.” (He 2:14) Izy ilay resahin’ny Apokalypsy 19:11-16 fa voatendrin’Andriamanitra ho Mpandringana.​—Jereo APOLYONA.