Abagta
(Abagtà).
Iray amin’ireo tandapa fito nanompo teo anatrehan’i Ahasoerosy mpanjaka persianina vadin’i Estera jiosy. Nanompo tao an-dapan’i Sosana, renivohitr’i Persa, izy.—Es 1:10.
Lazain’ny Baiboly malagasy sasany fa iray amin’ireo “ionoka” (Prot., f.a.p.) na “eonoka” (Kat.) fito i Abagta. Mpanompo nitokisan’ny fianakavian’ny mpanjaka tany amin’ireo firenena nanodidina an’i Israely ny ionoka. Nadika avy amin’ny teny hebreo hoe saris ny hoe ionoka. “Tandapa” anefa no tena hevitr’io teny io, fa heviny faharoa ny hoe olona novosirina. Nanompo teo anatrehan’ny mpanjaka ireo tandapa fito ireo sady toa tsy mpiambina vehivavy (tsy toa an’i Hegay resahin’ny Estera 2:3). Azo inoana àry fa tsy lehilahy novosirina izy ireo.