Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Abana

Abana

(Abàna).

1. Zanakalahin’i Abisora sy Abihaila vadiny, ary avy amin’ny fokon’i Joda.​—1Ta 2:29.

2. Iray amin’ireo reniranon’i Damaskosy noresahin’i Namàna mpitari-tafika syrianina. Nanamavo ny toromarik’i Elisa izy tamin’izay, rehefa nasainy nandro tao Jordana mba ho sitrana ny habokany.​—2Mp 5:12.

Maro no mihevitra fa i Nahr Barada io renirano io. Any amin’ireo tendrombohitr’i Amana any avaratrandrefan’i Damaskosy no misy ny loharanon’i Nahr Barada. Mamakivaky tendrombohitra izy io, mipoitra eo amin’ny hadilanana iray andrefana kelin’i Damaskosy, mandalo eo amin’ny tapany avaratr’ilay tanàna, misampantsampana manondraka faritra iray lehibe, ary mivarina ao amin’ireo honahona eo atsinanan’ilay tanàna. Tarihina amin’ny lakandrano sy tatatra izy io, mba hanondrahana tanimboly sy saham-boankazo. Lonaka sy maitso mavana erỳ àry ilay faritra lalovany. Tsy ho nisy ny tanànan’i Damaskosy raha tsy teo ny reniranon’i Barada. Efa hatry ny ela izy io no nahazoan’ilay tanàna rano hamenoana an’ireo fitehirizan-drano sy dobo ary toerana fandroana. Renirano Volamena (Chrysorrhoas) no niantsoan’ny mpanoratra fahiny azy io. Tsy mahagaga àry raha nihevitra azy io ho tsara noho ny renirano hafa i Namàna.

“Amana” fa tsy “Abana” no hita ao amin’ny 2 Mpanjaka 5:12 ao amin’ny La Bible du Centenaire, sy eo an-tsisim-pejin’ny soratra nataon’ny Masoreta ary ny Peshitta syriàka. Baiboly maro koa no manao hoe “Amana” ao amin’ny Tononkiran’i Solomona 4:8. Ilay tandavan-tendrombohitra mifanatrika amin’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona no tiana holazaina eo, ary any no misy ny loharanon’ilay renirano. Mety ho natao mitovy anarana tamin’ireo tendrombohitra nipoirany àry ilay renirano.