Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Abarima

Abarima

(Abarìma) [Toerana Fiampitana Rano (Fiampitana); Sisin-tany (Faritra eny Ampita)].

Azo inoana fa anaran’ny faritra tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, indrindra fa ilay faritra atsinanan’ny Ranomasina Maty. Resahina miaraka amin’i Libanona sy Basana i Abarima, ao amin’ny Jeremia 22:20.

Lazaina hoe tandavan-tendrombohitra i Abarima, any amin’ny andininy hafa. “Faritra eny ampita” koa no ilazana an’i “Abarima”, satria angamba olona teny ampita andrefan’i Jordana no namorona an’ilay anarana. Nety ho i Abrahama no nampiasa an’io anarana io voalohany. Mbola nampiasa azy io koa ny Israelita tamin’izy ireo nandao an’i Ejipta.

Nirenireny 40 taona tany an-tany efitra ny Israelita taorian’izay. Tonga tao Abarima izy ireo rehefa hifarana izany, ka nitoby “tany amin’ireo tendrombohitr’i Abarima.” (No 33:47, 48) Nidina teny amin’ny Lemak’i Moaba izy ireo avy eo. Teny atsinanan’i Jordana no nisy an’io lemaka io, teo avaratry ny Ranomasina Maty. Teo izy ireo no nitoby farany, talohan’ny hiampitana ny Reniranon’i Jordana. Teo koa i Jehovah no nilaza tamin’i Mosesy hoe: “Miakara eo amin’io tendrombohitr’i Abarima io, dia ny Tendrombohitra Nebo ao Moaba, izay manandrify an’i Jeriko. Dia tazano ny tany Kanana izay homeko ho fananan’ny zanak’Israely.”​—De 32:49; No 27:12.

Hita amin’izany fa mety ho tany amin’ny faritra avaratrandrefan’i Moaba no nisy an’i Abarima sy ilay tandavan-tendrombohitra tao aminy. Mety tsy ho izay fotsiny koa anefa no atao hoe faritr’i Abarima, fa mety ho anisany koa ilay tandavan-tendrombohitra iray manontolo teo atsinanan’ny Ranomasina Maty, hatrany avaratra ka hatrany atsimo. Miresaka momba ny toerana iray nitobian’ny Israelita ny Nomery 21:11 sy 33:44. Nantsoina hoe “Ie-abarima” io toerana io ao. Asehon’ny teny manodidina fa teo atsimon’i Moaba sy teo atsimon’ny Ranomasina Maty no nisy azy io. Mety ho izy io no farany atsimo amin’ilay faritra atao hoe Abarima.​—Jereo IE-ABARIMA.

Azo inoana fa anisan’ireo tendrombohitra avo tao Abarima ny Tendrombohitra Nebo.​—Jereo NEBO No. 3.