Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Abda

Abda

(Abdà) [Mpanompo].

1. Rain’i Adonirama. (1Mp 4:6) I Adonirama, zanak’i Abda, no tompon’andraiki-panjakana niandraikitra an’ireo voantso hanao fanompoana ho an’ny mpanjaka, nandritra ny fanjakan’i Davida, Solomona, ary Rehoboama. Azo inoana fa i Adonirama ilay Adorama, na Hadorama, resahin’ny andininy hafa. (2Sa 20:24; 1Mp 12:18; 2Ta 10:18) Mety ho niara-belona tamin’i Davida Mpanjaka àry i Abda.

2. Taranak’i Jedotona, ary avy amin’ny fokon’i Levy. (Ne 11:17, 18) Levita àry i Abda, ary azo inoana fa izy ihany ilay “Obadia” resahin’ny 1 Tantara 9:16. Babo tany Babylona izy ary anisan’ireo tafaverina tany Jerosalema, tatỳ aoriana.