Abdia
(Abdìa) [fanafohezana ny hoe Abdiela].
1. Levita anisan’ny fianakaviamben’i Merary. I Abdia no rain’i Kisy, ary angamba niara-belona tamin’i Saoly, izay nanomboka nanjaka tamin’ny 1117 T.K. ka hatramin’ny 1078 T.K.—1Ta 6:31, 33, 39, 44.
2. Levita anisan’ny fianakaviamben’i Merary koa. I Abdia no rain’i Kisy. (2Ta 29:12) Samy nanan-janakalahy nantsoina hoe Kisy ity Abdia ity sy ilay No. 1, ka lazain’ny diksionera ara-baiboly sasany hoe olona iray ihany izy ireo. Tsy mitombina anefa izany, satria niaina tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka i Kisy, zanak’ity Abdia faharoa ity, izany hoe 250 taona teo ho eo taorian’ny andron’i Davida. Azo inoana àry fa niara-belona tamin-dry Jotama Mpanjaka sy Ahaza Mpanjaka ity Abdia ity. Nanjaka tamin’ny 777 T.K. ka hatramin’ny 746 T.K. tany ho any izy ireo.
3. Lehilahy iray taranak’i Elama, ary niaina taorian’ny sesitany. (Ezr 10:26) Anisan’ireo Israelita nandroaka ny vadiny hafa firenena i Abdia, noho ny fampirisihan’i Ezra izay niverina tany Jerosalema tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Artaksersesy Lava Tanana (468 T.K.).—Ezr 7:8; 10:1-4, 10-12, 26, 44.