Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Abdona

Abdona

(Abdôna) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mpanompo”].

1. Mpitsara, zanakalahin’i Elela Piratonita avy any amin’ny tanin’i Efraima. (Mpts 12:13-15) Nilaza i Josèphe fa nandry feizay ilay firenena nandritra an’ireo valo taona nitondrany (Rakitry ny Ela Jiosy, V, 273 [vii, 15]), ary tsy miresaka mihitsy ny Baiboly hoe nisy ady tamin’izany. Nanan-janakalahy 40 sy zafikely 30 lahy izy, ary “nitaingina ampondra fitopolo” izy rehetra ireo. Asehon’izany fa mpanankarena sady olona ambony i Abdona. Mpitsara mandra-pahafatiny izy, ary nalevina tany Efraima, tanàna niaviany.

Misy milaza an’i Abdona ho ilay “Bedana” resahin’ny 1 Samoela 12:11. Azo inoana kokoa anefa hoe i Baraka no Bedana, satria Baraka no hita ao amin’io andininy io ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ao amin’ny Peshitta syriàka.

2. Benjamita, lahimatoan’i Jeiela, ary azo inoana hoe rahalahin’i Nera raiben’i Saoly.​—1Ta 8:29, 30; 9:35, 36, 39.

3. Olona ambony tao an-dapan’i Josia Mpanjaka (2Ta 34:20), ary antsoin’ny 2 Mpanjaka 22:12 hoe Akbora.​—Jereo AKBORA No. 2.

4. Zanakalahin’i Sasaka avy amin’ny fokon’i Benjamina, sady filoha nonina tany Jerosalema.​—1Ta 8:23-28.

5. Iray tamin’ireo tanàna efatra tao amin’ny faritanin’i Asera, izay nomena ny Levita anisan’ny fianakavian’i Gersona (Gersoma). (Js 21:27-31; 1Ta 6:71-75) Mety ho izy ilay Kirbet ʽAbdeh (Tel ʽAvdon), 6 km eo ho eo any atsinanan’i Akziba. Eo amin’ny lafiny avaratra amin’ny Lohasaha Falehan-driaka Karn (Nahal Keziv) no misy an’i Kirbet ʽAbdeh, eo am-pototr’ireo havoana any Galilia, any akaikin’ny farany avaratra amin’ny Lemak’i Asera.