Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Abi-albona

Abi-albona

(Abì-albôna).

Benjamita mpiady kalazalahy, anisan’ireo 37 lahy mahery indrindra tao amin’ny tafik’i Davida Mpanjaka. (2Sa 23:31) Izy ihany ilay Abiela resahin’ny 1 Tantara 11:32, izay andininy mifanitsy amin’ny 2 Samoela 23:31. Antsoina hoe Arbatita izy, angamba noho izy avy any Beti-araba, tanàna tsy lavitra ny sisin-tanin’i Benjamina sy Joda, eo avaratry ny Ranomasina Maty. (Js 15:6; 18:21, 22) Ny herim-pon’i Abi-albona tamin’ny ady, dia mifanaraka amin’ny faminaniana momba ny fokon’i Benjamina, izay nolazain’i Jakoba tamin’izy efa ho faty.​—Ge 49:27.