Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Abi-ezera

Abi-ezera

(Abi-ezèra) [Ny Ray (Raiko) no Mpanampy].

1. “Taranak’i Gileada.” I Gileada kosa zafikelin’i Manase lahimatoan’i Josefa. I Abi-ezera ihany ilay antsoina hoe Jezera (Ihezera, DIEM), rehefa ampitahaina ny Nomery 26:28-30 sy ny Josoa 17:1, 2. Fanafohezana ny Abi-ezera ny hoe Jezera (Ihezera) rehefa esorina ilay tovona hoe “Ab” (ray).

Loham-pianakaviana i Abi-ezera sady razamben’i Gideona Mpitsara. (Mpts 6:11, 24, 34; 8:2) Nonina tany Ofra tany amin’ny faritanin’i Manase, tany andrefan’i Jordana, ny fianakavian’i Abi-ezera taorian’ny nizarana ny Tany Nampanantenaina tamin’ireo fokon’ny Israely. Mety ho taorian’ilay fizarana avy hatrany izy ireo no nonina tany, na tatỳ aoriana kokoa.

Nantsoina hoe Abi-ezera koa ny fitambaran’ny taranany.​—Mpts 8:2; jereo ABI-EZERITA.

2. Zanakalahin’i Hamoleketa. I Hamoleketa kosa anabavin’i Gileada zafikelin’i Manase. (1Ta 7:18) Misy mpivaofy teny mihevitra fa i Abi-ezera No. 1 ihany ity Abi-ezera ity.

3. Benjamita avy any Anatota, ary anisan’ireo mpiady 37 nahery fo indrindra niambina an’i Davida Mpanjaka. (2Sa 23:27, 39) Lohan’ny fianakaviambe avy amin’ny rainy izy, sady lohan’ny antoko-miaramila nisy 24 000 lahy. Nanompo ny mpanjaka isan-taona izy ireo, isaky ny volana fahasivy. (1Ta 11:28; 27:1, 12) Nanatanteraka an’ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 49:27 i Abi-ezera satria be herim-po toy ny Benjamita hafa izy rehefa niady. Any avaratra avaratratsinanana tsy lavitra an’i Jerosalema, ao amin’ny faritanin’i Benjamina no misy an’i Anatota tanànany.​—1Ta 6:60.