Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Abia

Abia

(Abìa) [Raiko i Jehovah].

Milaza hoe Abiama ny soratra nataon’ny Masoreta, ao amin’ny 1 Mpanjaka 14:31; 15:1, 7, 8. “Abia” anefa no hita ao amin’ny 1 Mpanjaka 14:31, ao amin’ny sora-tanana hebreo 12 eo ho eo sy ao amin’ny Baiboly hebreo navoakan’i Jacob ben Chayyim ary nataon’i Bomberg pirinty (1524-1525).

1. Zanakalahin’i Bekera, ary zafikelin’i Benjamina. I Abia no voatonona fahafito tamin’izy sivy mirahalahy zanak’i Bekera.​—1Ta 7:8.

2. Ilay vehivavy vadin’i Hezrona, araka ny voalazan’ny soratra nataon’ny Masoreta. Zafikelin’i Joda i Hezrona, satria zanak’i Tamara vinantovaviny. I Abia angamba no renin’i Asora, rain’i Tekoa.​—1Ta 2:4, 5, 24; jereo HEZRONA No. 2.

3. Zanakalahy faharoa naterak’i Samoela mpaminany. I Abia sy Joela zokiny lahy no notendren’i Samoela ho mpitsara tao Beri-sheba, rehefa antitra izy. Mpitsara niangatra sady nandray kolikoly anefa izy roa lahy, ary naka tombony tamin’ny tsy rariny, ka nangataka tamin’i Samoela ireo anti-panahin’ny Israely mba hanendry mpanjaka hitondra ny vahoaka.​—1Sa 8:1-5; 1Ta 6:28.

4. Mpisorona taranak’i Arona. Fantatra hoe anisan’ny lohan’ireo fianakaviambe teo amin’ny Israely i Abia, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka. Nozarain’i Davida ho fizarana 24 ny mpisorona, ka ny fizarana tsirairay nanompo herinandro isaky ny enim-bolana, tao amin’ny toerana masina. Ny fianakaviamben’i Abia no voafidy tamin’ny antsapaka mba ho mpiandraikitra ny fizarana fahavalo, ka lasa nantsoina hoe “ny fizarana nisy an’i Abia” izy io tatỳ aoriana. (1Ta 24:3-10; Lk 1:5) Nolazaina àry hoe “tao amin’ny fizarana nisy an’i Abia” i Zakaria mpisorona, rain’i Jaona Mpanao Batisa.

5. Iray tamin’ireo zanakalahy 28 naterak’i Rehoboama. I Maka, zafikelin’i Absaloma, no renin’i Abia. Mpanjaka faharoa tao amin’ny fanjakan’ny foko roan’ny Joda i Abia, ary nanjaka nanomboka tamin’ny 980 ka hatramin’ny 978 T.K. izy. Nantsoina koa hoe Abiama izy. (1Mp 14:31–15:8) Nanan-jo handova ny fanjakan’i Davida izy, satria taranak’i Davida izy na avy tamin’ny rainy na avy tamin’ny reniny. Taranaka faha-16 izy raha isaina manomboka amin’i Abrahama, ary anisan’ny tarana-mpanjaka niavian’i Jesosy Kristy. (1Ta 3:10; Mt 1:7) I Maka (antsoina koa hoe Mikaia ao amin’ny 2 Tantara 13:2) no tian’i Rehoboama indrindra tamin’ireo vadiny 18 sy vadikeliny 60. Niangaran’i Rehoboama àry i Maka ka i Abia zanany tamin’i Maka no notendreny ho mpanjaka handimby azy, na dia tsy lahimatoany aza izy io.​—2Ta 11:20-22.

Rehefa lasa mpanjaka i Abia tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Jeroboama I, mpanjakan’ny Israely, dia nifankahala indray ny fanjakana tany avaratra sy ny tany atsimo, ka nipoaka ny ady. Nandahatra miaramila 800 000 i Jeroboama mba hiady tamin’ny tafik’i Joda, izay nisy lehilahy mahery 400 000 voafantina. Tsy natahoran’i Abia anefa izany. Nafana fo izy niresaka tamin’ny vahoakan’i Jeroboama, ary nanameloka azy ireo noho izy ireo nanompo zanak’omby. Nampahatsiahy azy ireo koa izy fa nanao fifanekena momba ny fanjakana iray tsy hanam-pahataperana tamin’i Davida i Jehovah. Hoy i Abia avy eo: “Mitarika anay ilay tena Andriamanitra ... Koa aza miady amin’i Jehovah ... fa tsy handresy ianareo.”​—2Ta 12:16–13:12.

Niteraka ady nahatsiravina izany. Nataon’Andriamanitra tsy nahomby anefa ireo miaramila nasain’i Jeroboama niafina mba hanafika ny Joda. Maty ny miaramilan’i Jeroboama 500 000 lahy, ka resy tanteraka ny tafiny. Voababo koa i Betela, ilay tanàna nisy ny zanak’omby volamena iray sy nisy an’ireo mpisorona nanao ny asa fisoronana ho azy io. Nitranga izany rehetra izany satria “niantehitra tamin’i Jehovah” i Abia. (2Ta 13:13-20) Tsy niala tamin’ny fahotana efa nataon’i Rehoboama rainy anefa izy. Navelany tao amin’ilay tany ihany ireo toerana avo, sy ireo tsato-kazo masina, ary na dia ireo lehilahy mpivaro-tenan’ny tempoly aza. ‘Tsy nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah Andriamaniny ny fon’i Abia.’ (1Mp 14:22-24; 15:3) Nanana vady 14 sy zanaka 38 izy, ary i Asa zanany lahy no nanjaka rehefa maty izy.​—2Ta 13:21; 14:1.

6. Zanakalahin’i Jeroboama I, mpanjakan’ny Israely. Maty i Abia tamin’izy mbola kely, noho ny didim-pitsaran’i Jehovah. Nivadi-pinoana mantsy i Jeroboama, ka nisy loza nanjo ny ankohonany, anisan’izany ny aretina mafy nahazo an’i Abia sy nahafaty azy. Nirahin’i Jeroboama tany Silo ny vadiny, mba hanontany an’i Ahia mpaminany, izay efa antitra sy jamba. Mody nasainy nanao olon-kafa àry ny vadiny. Tsy azo fitahina anefa i Jehovah. Nilaza tamin’ny alalan’i Ahia izy fa horinganiny ny lehilahy rehetra mpandova an’i Jeroboama, ka hofafany tsy hisy intsony “toy ny famafa diky, mandra-panaisotra azy tanteraka.” (1Mp 14:10; 15:25-30) I Abia ihany no taranany nahazo fandevenana mendri-kaja satria “izy no mba nahitana zavatra tsara teo imason’i Jehovah.”​—1Mp 14:1-18.

7. Zanakavavin’i Zakaria i Abia. Vadin’i Ahaza mpanjakan’ny Joda izy ary renin’i Hezekia Mpanjaka.​—2Ta 29:1.

8. Iray tamin’ireo filohan’ny mpisorona tamin’ny andron’i Zerobabela sy Jesoa, taorian’ny sesitany tany Babylona. Nisy 20 mahery ny “filohan’ny mpisorona sy ny rahalahiny” izay nody tany Jerosalema niaraka tamin’i Zerobabela, ary anisan’izany i Abia. (Ne 12:1-7) Nalatsaka ny fototry ny tempoly tamin’ny taona faharoa, ary azo antoka fa teo i Abia. Tamin’izay koa no nalamina indray ny asa fisoronana. (Ezr 3:8-10) Tatỳ aoriana, tamin’ny andron’i Joiakima sy Nehemia, dia i Zikry no mpisorona solontenan’ny fianakavian’i Abia.​—Ne 12:12, 17, 26.

9. Mpisorona na razamben’ny mpisorona, izay anisan’ny nanisy tombo-kase ny ‘fianianana natao’ tamin’i Jehovah. (Ne 9:38–10:8) Misy milaza fa izy ihany ilay Abia No. 8. Raha izany no izy, dia efa 100 taona mahery izy tamin’ny fotoana nanisiana tombo-kase ilay fianianana.