Abiasafa
(Abiasàfa) [Ny Ray (Raiko) dia Nanangona].
Iray amin’ireo telo lahy zanak’i Kora Levita, sady taranak’i Kehata. (Ek 6:16-24) I Elkana sy Asira no rahalahiny. Toa izy ihany ilay Ebiasafa voaresaka ao amin’ny 1 Tantara 6:37, ary angamba koa ao amin’ny 1 Tantara 9:19 sy ny 1 Tantara 6:23.
Toa tsy niaraka tamin’i Kora ireo zanany lahy, rehefa nikomy tamin’i Mosesy sy Arona i Kora sy Datana ary Abirama. Tsy niara-maty tamin-drainy àry izy ireo. (No 26:9-11) Izany no nampisy ny teny hoe “taranak’i Kora” teo amin’ny teny fampidirana ny toko maromaro ao amin’ny Salamo (42, 44-49, 84, 85, 87, 88).