Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Abiatara

Abiatara

(Abiatàra) [Rain’ny Fahatsarana; Rain’ny Manana Amby Ampy (Mihoatra)].

Zanakalahin’i Ahimeleka Mpisoronabe. Avy amin’ny fokon’i Levy i Abiatara, ary taranak’i Ely. (1Sa 14:3; 22:11; 23:6) Velona tamin’ny fotoana nanjakan’i Saoly, Davida, ary Solomona izy, ary tamin’ny fotoana nanjakan’i Davida izy no lasa mpisoronabe. Niteraka roa lahy izy, dia i Jonatana sy Ahimeleka (nitovy anarana tamin’ny rain’i Abiatara).​—2Sa 15:27, 36; 8:17.

Nipetraka tany Noba, izay “tanànan’ireo mpisorona” ary tsy lavitra an’i Jerosalema, i Abiatara, rehefa maty ny rainy. Mpisoronabe io rainy io, ary nasain’i Saoly Mpanjaka novonoin’i Doega Edomita niaraka tamin’ny mpisorona hafa (85 izy rehetra), satria nolazaina fa nanohana an’i Davida. Novonoin’i Doega tamin’ny sabatra koa ny mponina rehetra tao Noba. I Abiatara irery no afa-nitsoaka, ka nankany amin’i Davida. Mbola nandositra an’i Saoly i Davida tamin’izany, ary azo inoana fa tany Keila, izay tany amin’ny 30 km teo ho eo tany atsimoandrefan’i Noba, izy. Somary nahatsiaro ho tompon’andraikitra noho ilay loza i Davida, ka hoy izy tamin’i Abiatara: “Efa fantatro mihitsy tamin’iny andro iny fa tsy maintsy hilaza amin’i Saoly i Doega Edomita, satria teo izy. Izaho no tompon’andraikitra tamin’ny nahafatesan’izay rehetra anisan’ny ankohonan-drainao. Mijanòna fotsiny eto amiko. Ary aza matahotra, fa izay mifofo ny aiko dia mifofo ny ainao koa, satria mila fiarovana avy amiko ianao.”​—1Sa 22:12-23; 23:6.

Niaraka tamin’i Davida foana i Abiatara tany amin’izay toerana nandosiran’i Davida, ary mpisorona ho an’ireo miaramilan’i Davida izy. Voalaza fa nitondra efoda izy (1Sa 23:6) tamin’izay, ary tsy efoda rongony mahazatra fanaon’ny mpisorona ilay izy. (1Sa 22:18) Hita avy amin’ny 1 Samoela 23:9-12 mantsy fa toa efodan-drainy ilay izy, izany hoe efodan’ny mpisoronabe izay nisy Orima sy Tomima.

Tamin’ny andro nanjakan’i Davida sy Solomona. Toa efa lasa mpanjaka i Davida vao natao mpisoronabe i Abiatara. Misy manam-pahaizana milaza fa nasain’i Saoly Mpanjaka napetraka teo amin’ny toeran’ny mpisoronabe hisolo an’i Ahimeleka i Zadoka, rehefa maty i Ahimeleka Mpisoronabe. Midika izany fa nailika i Abiatara, izay niaraka tamin’i Davida, ilay mpanjaka hisolo an’i Saoly. Mihevitra ireo manam-pahaizana ireo fa rehefa lasa mpanjaka i Davida, dia nataony mpisoronabe lefitra, niara-niasa tamin’i Zadoka, i Abiatara. Nihevitra toy izany izy ireo, satria tononina miaraka foana i Zadoka sy Abiatara izay samy mpisorona ambony. (2Sa 15:29, 35; 17:15; 19:11; 20:25; 1Mp 1:7, 8, 25, 26; 4:4; 1Ta 15:11) Tsy milaza mihitsy anefa ny Soratra Masina hoe voatendry ho mpisoronabe i Zadoka, nandritra ny fanjakan’i Saoly. Noho izy mpahita na mpaminany angamba no nahatonga azy hiavaka kokoa, tsy misy hafa amin’i Samoela izay resahin’ny Soratra Masina imbetsaka kokoa raha oharina amin’ilay mpisoronabe tamin’ny androny. (2Sa 15:27) Misy porofo manamarina fa i Abiatara irery no mpisoronabe tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka ary i Zadoka no mpisorona lefitra.​—1Mp 2:27, 35; Mr 2:26.

Milaza ny 2 Samoela 8:17 fa i “Zadoka zanak’i Ahitoba sy Ahimeleka zanak’i Abiatara no mpisorona.” Tsy voalaza eo hoe mpisoronabe i Abiatara. Misy àry mihevitra fa nanao fahadisoana ireo mpanao dika soratra, ary lasa nifamadika ny anaran’i Ahimeleka sy Abiatara. Milaza izy ireo fa tokony hoe “Abiatara zanak’i Ahimeleka” no voasoratra, toy ny ao amin’ny Peshitta syriàka. Asehon’ny 1 Tantara (18:16; 24:3, 6, 31) anefa fa marina ny filahatr’ireo anarana ireo, sady mifanaraka amin’ny soratra nataon’ny Masoreta. Toa te hilaza fotsiny àry ny 2 Samoela 8:17 fa mpisorona lefitra teo ambany fahefan’i Abiatara Mpisoronabe i Zadoka sy Ahimeleka, ary tsy noresahina intsony ny toerana notanan’i Abiatara satria noheverina fa efa mazava.​—1Ta 16:37-40; ampit. No 3:32.

Anisan’ireo nampiakatra ny Vata masin’Andriamanitra avy tao an-tranon’i Obeda-edoma nankany Jerosalema i Abiatara, niaraka tamin’ny mpisorona hafa. (2Sa 6:12; 1Ta 15:11, 12) Tsy hoe mpisoronabe fotsiny i Abiatara fa anisan’ireo mpanolo-tsain’i Davida koa.​—1Ta 27:33, 34.

Nikomy tamin’i Davida i Absaloma, tamin’ny faramparan’ny fanjakan’i Davida rainy. Voatery nandositra niala tao Jerosalema i Davida Mpanjaka. Mbola nifikitra taminy i Abiatara tamin’izay. Nivadika tamin’i Davida koa i Ahitofela, ilay mpanolo-tsainy teo aloha. Nisy tetika àry natao mba hampandamòka ny torohevitr’i Ahitofela, ka i Abiatara sy Zadoka, mpisorona tsy nivadika, no nirahina hiverina tany Jerosalema mba hampita vaovao tamin’i Davida momba ny tetik’i Absaloma. (2Sa 15:24-36; 17:15) Rehefa maty i Absaloma, dia i Abiatara sy Zadoka koa no niditra an-tsehatra mba hampiverina an’i Davida tao Jerosalema renivohitra.​—2Sa 19:11-14.

Tsy nivadika tamin’i Davida mihitsy i Abiatara sady niaritra ny mafy niaraka taminy foana, na tamin’i Davida nandositra an’i Saoly na tamin’i Absaloma nikomy tamin’i Davida. Natoky azy i Davida, ary nihevitra azy ho namana tena tiany nandritra ny 40 taona teo ho eo. Tena nahagaga àry ny nahita an’i Abiatara nanjary niandany tamin’i Adonia, tatỳ aoriana, rehefa nikomy tamin’i Davida io zanany lahy iray hafa io. Tsy nahomby ny tetik’izy ireo, na dia nanampy azy ireo aza i Joaba lehiben’ny tafika. Notendrena ho mpanjaka i Solomona, ary i Zadoka mpisorona tsy nivadika no nasain’i Davida nanosotra azy ho mpanjaka. (1Mp 1:7, 32-40) I Jonatana zanak’i Abiatara no nihazakazaka nilaza vaovao tamin’i Davida rehefa nikomy i Absaloma. Mbola izy koa no nampahafantatra tamin’i Adonia hoe tsy nahomby ny tetik’i Adonia. Tsy nanasazy an’i Abiatara i Solomona Mpanjaka tamin’ny voalohany, nefa rehefa voaporofo fa mbola nitohy ny teti-dratsiny, dia nandroaka an’i Abiatara hiala tao Jerosalema izy ary nandidy ny hamonoana an’i Adonia sy Joaba. Hoy izy tamin’i Abiatara: “Mandehana any Anatota, any amin’ny misy anao, fa mendrika ny ho faty ianao. Androany anefa dia tsy hamono anao aho, satria nitondra ny Vata masin’i Jehovah Tompo Fara Tampony teo anatrehan’i Davida raiko ianao, sady nitondra fahoriana tamin’ny fotoana rehetra nahitan’ny raiko fahoriana.” (1Mp 2:26) Notendrena hisolo an’i Abiatara i Zadoka, ka niverina tamin’ny taranak’i Eleazara zanak’i Arona indray ny asan’ny mpisoronabe, ary tsy nisy mpisorona intsony ny taranak’i Ely, mba hahatanteraka ny faminaniana ao amin’ny 1 Samoela 2:31.​—1Mp 2:27; 1Sa 3:12-14.

Miresaka momba an’i “Zadoka sy Abiatara” indray ny Soratra Masina atỳ aoriana, ao amin’ny 1 Mpanjaka 4:4, ary lazaina hoe mpisorona tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka izy roa lahy. Mba hanomezam-boninahitra an’i Abiatara fotsiny anefa no nanononana azy eo, na koa mba hahalalana ny tantara. Misy manam-pahaizana milaza fa nanendry an’i Abiatara ho lefitr’i Zadoka i Solomona rehefa avy nanongana an’i Abiatara. Nanompo tany amin’ny Tendrombohitra Ziona, tao amin’izay nisy an’ilay Vata masina, hono, ny iray fa ny iray kosa tao amin’ny tranolay masina, izay mbola tao Gibeona talohan’ny nanorenana ny tempoly. (Jereo 1Ta 16:37-40.) Asehon’ny 1 Mpanjaka 2:26 anefa fa nalefan’i Solomona tany amin’ny nisy azy tany Anatota i Abiatara ary tsy navelany hanao ny asa fisoronana intsony, na dia tsy lavitra an’i Gibeona aza i Anatota.

Hita ao amin’ny Marka 2:26, amin’ny ankamaroan’ny Baiboly, fa nilaza i Jesosy hoe “tamin’ny andron’i Abiatara mpisoronabe” i Davida no niditra tao an-tranon’Andriamanitra ary nihinana ny mofo aseho. Diso anefa izany fandikan-teny izany satria i Ahimeleka, rain’i Abiatara, no mpisoronabe tamin’izany fotoana izany. Tsara homarihina koa fa tsy misy an’ireo teny ireo ao amin’ny sora-tanana maromaro tany am-boalohany, sy ao amin’ny fitantarana mifanitsy aminy. (Mt 12:4; Lk 6:4) Ahitana firafitra fehezanteny mitovitovy amin’ilay ao amin’ny Marka 2:26 koa anefa ao amin’ny Marka 12:26 sy Lioka 20:37, amin’ny teny grika, ary nadikan’ny Baiboly maro hoe “eo amin’ilay teny milaza ny” ireo teny ireo. (Prot.; JM) Hita amin’izany fa mety ny nandikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny Marka 2:26 hoe “niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy, araka ny fitantarana momba an’i Abiatara lehiben’ny mpisorona.” Marina izany noho ireto antony ireto: 1) Nilaza momba ny nidiran’i Davida tao amin’ny tranon’Andriamanitra mba hihinana ny mofo aseho ilay fitantarana, ary taorian’izay avy hatrany dia nitantara ny zavatra niavaka voalohany nataon’i Abiatara, ary 2) tena lasa mpisoronaben’ny Israely tokoa i Abiatara, tatỳ aoriana, nandritra ny fanjakan’i Davida.