Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Abiela

Abiela

(Abièla) [Ray (Raiko) Andriamanitra].

1. Zanakalahin’i Zerora, ary taranak’i Bekorata sy taranak’i Afia, avy amin’ny fokon’i Benjamina. Rehefa ampitahaina ny 1 Tantara 8:29-33; 9:35-39 sy ny 1 Samoela 9:1, 2; 14:50, 51, dia toa i Abiela ihany ilay “Jeiela” ao amin’ny bokin’ny Tantara. Voalaza ao mantsy fa i Jeiela dia rain’i Nera. Io Nera io no lasa rain’i Kisy, rain’i Saoly. Resahin’ny 1 Samoela 14:50, 51 koa anefa hoe i Abiela (Jeiela) no rain’i Nera. Lazain’ny bokin’ny Tantara fa nanan-janakalahy sivy i Jeiela (Abiela), ka anisan’izany i Kisy. Dadatoan’ilay zanak’i Nera izay nantsoina koa hoe Kisy àry io Kisy zanak’i Abiela io.

Raha olona iray ihany i Abiela sy Jeiela, dia tokony ho toy izao ny tetirazany:

Rehefa milaza àry ny 1 Samoela 9:1 fa “zanak’i Abiela” i Kisy (ilay rain’i Saoly), dia toa zafikelin’i Abiela no tiany holazaina. Fahita matetika ao amin’ny Baiboly ny toy izany, rehefa misy taranaka iray na maromaro iniana esorina ao amin’ny tetirazana. (Lazain’ny 1 Samoela 10:21, ohatra, fa anisan’ny “fianakavian’ny Matrita” i Kisy sy Saoly. Tsy hita intsony anefa ny anarana hoe Matrỳ, na ao amin’ireo andinin-teny dinihintsika ato, na any amin’ny andinin-teny hafa.)

Hentitra tsara ny filazan’ny 1 Tantara (8:33; 9:39) hoe i Nera no tena ray niteraka an’ilay Kisy rain’i Saoly, ary io no mazava kokoa amin’ireo fitantarana roa ireo.​—Jereo KISY No. 2 sy 3.

2. Benjamita iray hafa.​—Jereo ABI-ALBONA.