Abigaila
(Abigaìla) [Faly ny Ray (Raiko)].
1. Vadin’i Davida. Taloha izy dia vadin’i Nabala, lehilahy mpanankarena avy any Maona, tanàna teo an-tsisin’ny tany efitr’i Joda, andrefan’ny Ranomasina Maty. (1Sa 25:2, 3; Jos 15:20, 55) “Tena malina sady tsara bika” izy, fa i Nabala kosa “masiaka sady ratsy toetra.” Ny anaran’i Nabala rahateo koa midika hoe “Adala” na “Vendrana.”
Nifindra tany amin’ilay faritra niandrasana ny andian’ondrin’ny vadin’i Abigaila ry Davida sy ny olony, rehefa maty i Samoela mpaminany. Toy ny “manda” nanodidina an’ireo ondry sy mpiandry ondrin’i Nabala ny olon’i Davida, na andro na alina. Rehefa tonga àry ny fotoana fanetezana ondry, dia nirahin’i Davida tany Karmela ny zatovolahiny mba hampahatsiahy an’i Nabala ny soa nataony taminy, sy hangataka sakafo. (1Sa 25:4-8, 15, 16) Tsy te hanome anefa i Nabala, ka nivazavaza sy nanao teny henjana tamin’izy ireo. Nanao tsinontsinona an’i Davida koa izy, ary nolazainy fa mety ho andevo nandositra ry Davida sy ny olony. (1Sa 25:9-11, 14) Tezitra àry i Davida ka noraisiny ny sabany ary nankany Karmela izy sy ny lehilahy 400 teo ho eo, mba hamono an’i Nabala sy ny lehilahy tao amin’ny ankohonany.—1Sa 25:12, 13, 21, 22.
Nisy mpanompo anefa nitantara an’izay nitranga tamin’i Abigaila. Hendry i Abigaila ka avy hatrany dia nanangona sakafo be dia be sy voam-bary natono. Nampitondrainy ny mpanompony izany, fa izy kosa nanaraka avy ato aoriana, toy ny nataon’i Jakoba 1Sa 25:14-19; Ge 32:13-20) Tsy nampandre ny vadiny izy, fa tonga dia lasa nitsena an’i Davida. Hendry sy nahay nandresy lahatra i Abigaila, nefa nanaja sy nanetry tena koa, rehefa niangavy mafy an’i Davida. Nolazainy fa tsy ireo teny feno hadalana nataon’i Nabala no tokony hahatonga an’i Davida handatsaka ran’olona tsy manan-tsiny, na tsy hatoky ny fahaizan’i Jehovah mandamina ilay raharaha. (1Sa 25:14-20, 23-31) Nisaotra an’Andriamanitra i Davida noho ny fahendren-dravehivavy sy ny fanaovany zavatra haingana.—1Sa 25:32-35; ampit. Oh 25:21, 22; 15:1, 2.
talohan’ny nihaonany tamin’i Esao. (Nody i Abigaila avy eo. Avy nanao fanasambe ny vadiny, ka nandrasany hisava ny toakany vao notantarainy taminy izay nataony. Koa “maty tao anatin’i Nabala ny fony, ary nanjary toy ny vato izy.” Nataon’i Jehovah izay hahafaty azy, folo andro tatỳ aoriana. Raha vao nandre izany i Davida, dia nangataka an’i Abigaila ho vady. Nanaiky avy hatrany ravehivavy. Efa vadin’i Davida koa anefa i Ahinoama Jezirelita tamin’izay. I Mikala zanak’i Saoly no vadiny voalohany, saingy efa nomen’i Saoly ho an’olon-kafa.—1Sa 25:36-44.
Nanaraka an’i Davida i Abigaila ka nankany Gata, any amin’ny faritra andrefan’i Sefela, sy nankany Ziklaga, any avaratrandrefan’i Negeba. Rehefa sendra tsy teo i Davida, dia notafihin’ny Amalekita avy any atsimo i Ziklaga, ka nodorany ary nentiny daholo ny zaza amam-behivavy, anisan’izany i Abigaila sy Ahinoama. Nomen’i Jehovah toky anefa i Davida fa ho resiny ny Amalekita, ka lasa nanenjika azy ireo izy sy ny olony. Notafihiny tampoka izy ireo ka resiny, ary azony indray ny fananany sy ireo babo.—1Sa 30:1-19.
Telo andro taorian’ny nodian’izy ireo tany Ziklaga, dia re fa maty i Saoly. (2Sa 1:1, 2) Nanaraka ny vadiny tany Hebrona, any Joda, àry i Abigaila, ary tany i Davida no nohosorana ho mpanjaka. Tany koa i Abigaila no niteraka an’i Kileaba (2Sa 3:3), na Daniela araka ny 1 Tantara 3:1. Enina ny vadin’i Davida tamin’izy tany Hebrona, ary tsy nisy firesahana an’i Abigaila sy ny zanany intsony taorian’izay.—2Sa 3:2-5.
2. Anabavin’i Davida. (1Ta 2:13-17) Misy manam-pahaizana milaza fa anabaviny iray reny taminy izy. Antsoina hoe “zanakavavin’i Nahasy” mantsy i Abigaila, ao amin’ny 2 Samoela 17:25. Araka ny lovantsofin’ireo raby anefa, dia i Nahasy ihany no Jese, rain’i Davida. I “Jese” (Jisay) fa tsy “Nahasy” no hita eo amin’io andininy io, ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (fanontana Lagarde). Izany koa no hita ao amin’ny Baiboly maoderina sasany. (Jereo ny Kat., f.a.p.; DIEM, f.a.p.; Jé.) Mariho anefa fa tsy lazain’ny 1 Tantara 2:13-16 hoe ‘zanakavavin’i Jese’ i Abigaila sy Zeroia, fa hoe ‘anabavin’ireo’ zanak’i Jese, anisan’izany i Davida. Nanambady an’i Nahasy angamba aloha ny renin’izy ireo ka niteraka azy mirahavavy vao nanambady an’i Jese, izay niterahany lahy maromaro. Tsy mety àry ny hanizingizinana hoe zanak’i Jese i Abigaila.—Jereo NAHASY No. 2.
Lahitokana atao hoe Amasa no zanak’i Abigaila, anabavin’i Davida. I Jitra Israelita no iantsoana ny vadin’i Abigaila ao amin’ny 2 Samoela 17:25, fa i Jatera kosa any an-toeran-kafa (1Mp 2:5, 32), ary “Jatera Ismaelita” ao amin’ny 1 Tantara 2:17. (Jereo JATERA No. 6.) Tamin’ny fotoana nipetrahan-dry Jese mianakavy tany Moaba angamba i Abigaila no nanambady an’i Jatera. (1Sa 22:3, 4) Toa tsy voaresaka loatra ny momba an’i Amasa zanany nandritra ny fotoana nanjakan’i Davida. Niova anefa izany rehefa nikomy i Absaloma, zanak’anadahin’i Abigaila, satria notendren’i Absaloma ho lehiben’ny tafiny i Amasa. Rehefa maty anefa i Absaloma, dia nangataka an’i Amasa i Davida Mpanjaka, anadahin’i Abigaila, mba hanohana azy hiverina teo amin’ny fitondrana. Notendreny ho lehiben’ny tafiny izy avy eo, ho solon’i Joaba. (2Sa 19:11-14) Lasa nialona azy anefa i Joaba, zanaky ny rahavavin-dreniny, ka namono azy.—2Sa 20:4-10.