Abihaila
(Abihàila) [Ray (Raiko) ny Hery].
Anarana lehilahy telo sy vehivavy roa ao amin’ny Baiboly.
1. Lehilahy avy amin’ny fokon’i Levy sady anisan’ny fianakavian’i Merary. Izy no rain’ilay Zoriela mpiadidy teo amin’ny fianakaviamben’ireo fianakavian’i Merary, rehefa niala tany Ejipta ny Israelita.—No 3:35.
2. Vadin’i Abisora avy amin’ny fokon’i Joda. (1Ta 2:29) Niteraka roa lahy io vehivavy io, dia i Abana sy Molida.
3. Lehilahy avy amin’ny fokon’i Gada, izay nonina tany Basana sy Gileada. Zanak’i Hory izy, sady loham-pianakaviana na lohan’ny fianakaviambe.—1Ta 5:14-17.
4. Zanakavavin’i Eliaba zokin’i Davida lahimatoa, (na dia mety hidika koa hoe “zafikely vavy” aza ilay teny hebreo hoe bat [zanakavavy] ao amin’ny 2 Tantara 11:18).
Misy Baiboly mandika ny 2 Tantara 11:18 toy izao: “Ary Rehoboama naka an’i Mahalota, zanakavavin’i Jerimota, zanak’i Davida, sy Abihaila, zanakavavin’i Eliaba, zanak’i Jese, ho vadiny.” (Jereo Prot.; Kat.) Toy ny hoe vadin’i Rehoboama faharoa i Abihaila, raha izany. Azo adika amin’ny fomba hafa koa anefa ilay teny hebreo tany am-boalohany, ka maro ny Baiboly maoderina nandika azy io toy izao: “Ary naka vady an’i Mahalota i Rehoboama. I Mahalota dia zanakavavin’i Jerimota zanak’i Davida, sy Abihaila zanakavavin’i Eliaba, zanak’i Jese.” (Jereo TV, DIEM.) Izao no lazain’ny boky iray eo amin’ny fanamarihana ambany pejy momba ny 2 Tantara 11:18: “Misy teny mpampitohy eo fa tsy nolazaina. I Mahalota dia zanakavavin’i Jerimota sy Abihaila. Misy mpivaofy teny milaza anefa fa anaran’ny iray amin’ireo vadin’i Rehoboama ny hoe Abihaila.” (Ireo Bokin’ny Baiboly Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino, nataon’i A. Cohen, Londres, 1952) Milaza tokana ilay mpisolo anarana ao amin’ny andininy faha-19, ka manamarina fa iray ihany ny vadin’i Rehoboama voalaza eo amin’ny andininy faha-18. Ny azo antoka kokoa àry dia ny hoe: Renin’i Mahalota vadin’i Rehoboama i Abihaila.
5. Rain’i Estera Vadi-mpanjaka, ary taranak’i Benjamina. Izy no dadatoan’i Mordekay. Zanaky ny mpiray tam-po àry i Estera sy Mordekay. (Es 2:5, 15; 9:29) Milaza ny Estera 2:7 fa efa maty i Abihaila sy ny vadiny tamin’i Estera zanany mbola kely, izany hoe efa ela talohan’ny nanambadian’i Estera an’i Ahasoerosy Mpanjaka.