Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Abiho

Abiho

(Abìho) [Ray Izy].

Iray tamin’izy efa-dahy zanak’i Arona tamin’i Eliseba vadiny. Rahalahin’i Nadaba sy Eleazara ary Itamara i Abiho. (Ek 6:23; 1Ta 6:3; 24:1) Teraka tany Ejipta izy, ary faharoa tamin’ireo zanakalahin’i Arona. Efa olon-dehibe izy rehefa nafahana avy tany Ejipta ny Israelita, satria ny rainy aza tamin’izay efa 83 taona.​—No 33:39.

I Nadaba sy Abiho no be taona kokoa tamin’ireo zanakalahin’i Arona, ka navelan’i Jehovah hiakatra ny Tendrombohitra Sinay niaraka tamin’ny rainy sy ny anti-panahin’ny Israely 70 lahy izy roa lahy. Teo antenatenan’ilay tendrombohitra izy ireo no nahazo fahitana mahatalanjona: Nahatazana ny voninahitr’Andriamanitra avy teny lavitra izy ireo. (Ek 24:1, 9-11) Nomen’i Jehovah tombontsoa ireo zanakalahin’i Arona, satria notendreny ho mpisorona niara-niasa tamin’i Arona mpisoronabe rain’izy ireo. Nilaza koa izy fa tsy maintsy ho avy amin’izy ireo ny mpisoronabe handimby an’i Arona, ary hanao fitafian’ny mpisorona sy fehiloha izy ireo mba ho “voninahitra sy hatsaran-tarehy.” Nasaina ‘nanosotra azy ireo ho mpisorona’ i Mosesy sady ‘nanome fahefana azy ireo ary nanamasina azy ireo.’ (Ek 28:1, 40-43) Ho anjaran’izy ireo ny asa fisoronana, ary “ho lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany.”​—Ek 29:8, 9.

Voatonona foana izy ireo, taorian’izay, rehefa nanome toromarika momba ny asa fisoronana Andriamanitra. (Ek 29:10-46; 30:26-38) Nasongadin’Andriamanitra taminy sy tamin’ilay firenena manontolo koa fa tena tsy maintsy nanaja an’ireo zavatra masina nampiasaina tamin’ny fanompoana azy izy ireo, anisan’izany ny alitaran’ny emboka manitra sy ny fitaovana niaraka taminy. Niankina tamin’ny fankatoavan’izy ireo ny fitsipik’Andriamanitra ny ainy.

Herintaona izay no nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. Haorina izao ilay tranolay masina, ary hisy lanonana hametrahana ny mpisorona eo amin’ny toerany. (1512 T.K.) Niangona teo amin’ny fidirana tamin’ilay tranolay fihaonana ilay firenena manontolo. Hitan’ny vahoaka ny nanosorana an’i Arona sy Abiho ary ireo rahalahiny, izay samy efa voasasa sy nanao satroka lamban’ny mpisorona. Nohosorana ho mpisoron’Andriamanitra hisolo tena an’ilay firenena izy ireo. Nijanona fito andro teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ireo mpisorona vaovao ireo, mba ho tomombana tsara ny fametrahana azy teo amin’ny toerany, sy mba ‘hanomezana fahefana azy ireo ho mpisorona.’ “Dia nataon’i Arona sy ny zanany lahy izay rehetra nandidian’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy.”​—Le 8:1-3, 13-36.

Nanomboka nanao ny asan’ny mpisoronabe i Arona, tamin’ny andro fahavalo, ary nanampy azy i Abiho sy ireo rahalahiny. (Le 9:1-24) Hitan’izy ireo ny voninahitr’Andriamanitra, izay nanaporofo fa nanatrika teo Izy. Azo inoana fa tsy tapitra akory io andro io, dia ‘naka ny fitondrany afo i Nadaba sy Abiho, ka samy nitondra ny azy, ary nanisy afo tao anatiny sy emboka manitra teo amboniny. Dia nanolotra afo tsy ara-dalàna teo anatrehan’i Jehovah izy roa lahy, nefa tsy nandidian’Andriamanitra azy izany. Koa nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’i Jehovah ka nandoro azy roa lahy, ary maty teo anatrehan’i Jehovah izy.’ (Le 10:1, 2) Nantsoin’i Mosesy ny zanaky ny rahalahin-drain’i Arona mba hitondra ny fatin’izy roa lahy tany ivelan’ny toby. Tsy navelan’Andriamanitra hisaona azy roa lahy ny rainy sy ireo rahalahiny, noho izy roa lahy naringana tsy ho anisan’ny fiangonana.​—Le 10:4-7.

Nampitandrina an’i Arona avy hatrany Andriamanitra avy eo mba tsy hisotro toaka izy na ireo zanany lahy, rehefa hanompo ao amin’ny tranolay masina, “mba tsy ho faty” izy ireo. Hoy Ny Boky Dimy Voalohany sy Bokin’ny Mpaminany, momba ny andininy faha-9: “Nihevitra ireo raby fa ilay zava-dratsy nataon’i Nadaba sy Abiho no nahatonga an’ilay fandrarana tsy hisotro toaka rehefa hanompo tao amin’ny Toerana Masina.” (Nataon’i J. Hertz, Londres, 1972, p. 446) Noho izy roa lahy mamomamo àry no mety ho nahatonga azy hanao ilay fahotana lehibe. Ny tena antony namonoana azy ho faty anefa dia noho izy roa lahy nandika ny fitsipiky ny fivavahana marina, izany hoe noho izy ireo nanolotra “afo tsy ara-dalàna ..., nefa tsy nandidian’Andriamanitra azy izany.”

Nomen’Andriamanitra tombontsoa lehibe i Abiho, ary niavaka ny toerany teo amin’ilay firenena manontolo, saingy vetivety fotsiny. Tsy naharitra izany noho izy te halaza, na nieboebo tafahoatra, na noho izy tsy niraharaha ny toromarik’Andriamanitra. Maty tsy niteraka akory izy.​—No 3:2-4; 26:60, 61; 1Ta 24:1, 2.