Abihoda
(Abihòda) [mety hidika hoe Ny Ray no Voninahitra].
1. Taranak’i Benjamina avy tamin’i Bela zanany lahimatoa.—1Ta 8:1-3.
2. Taranak’i Zerobabela sady razamben’i Kristy Jesosy. (Mt 1:13) Mety hidika hoe “lasa razamben’i” ilay hoe “niteraka an’i” ao amin’ny Matio, araka ny teny tany am-boalohany. Misy manam-pahaizana milaza fa mety ho i Abihoda ihany ilay “Joda” resahin’ny Lioka 3:26. Tsy voatery ho olona iray ihany anefa ireo, satria mifanitsy fotsiny fa tsy mitovy tanteraka ny tetirazana nosoratan’i Matio sy ilay nosoratan’i Lioka. Ao amin’ny Tantara Voalohany kosa no ahitana tetirazana misy lisitra feno kokoa. Anisan’ny razamben’ny Mesia koa i Eliakima zanakalahin’i Abihoda.—Mt 1:13.