Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Abilena

Abilena

(Abilèna).

Faritra iray notantanan’ny lehibem-paritra romanina, tany amin’ny Tandavan-tendrombohitra Amana (Anti-Liban ankehitriny), tany avaratry ny Tendrombohitra Hermona. Nampitondraina ny anaran’i Abila renivohiny izy io. Teo amin’ny toerana tsara tarehy misy ny hadilanana lalovan’ny reniranon’i Abana (Barada ankehitriny) no nisy an’i Abila.

Milaza ny Lioka 3:1 fa i Lysania no lehibem-paritr’i Abilena tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Tiberio Kaisara (taona 28/29). Manamarina izany ny soratra hita tany Abila, izay natao tamin’ny fitokanana tempoly tamin’ny andro nanjakan’i Tiberio. Misy an’izao ilay soratra: “Lysania lehibem-paritra.” Anisan’ny faritra nanjakan’i Heroda Lehibe i Abilena tamin’ny voalohany. Lasa anisan’ny faritanin’i Syria anefa i Abilena, rehefa maty i Heroda (t. 1 T.K.). Nilaza i Josèphe fa nakambana tamin’i Palestina ny faritra niadidian’i Lysania tamin’ny taona 37, ka i Heroda Agripa I no nitondra an’ilay faritra manontolo. Nomen’i Klaodio hoentin’i Heroda Agripa II io faritra io tamin’ny taona 53.