Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Abimeleka

Abimeleka

(Abimelèka) [Ny Raiko no Mpanjaka].

Anaran’olona na anaram-boninahitra niantsoana mpanjaka filistinina maromaro, ary angamba mitovy amin’ilay anaram-boninahitra hoe Farao fampiasan’ny Ejipsianina sy hoe Kaisara fampiasan’ny Romanina.

1. Mpanjakan’i Gerara, tanàna nivahinian’i Abrahama sy Saraha tamin’ny 1919 T.K. tany ho any. Noheverin’i Abimeleka hoe mpianadahy i Abrahama sy Saraha ka nalainy ho vady i Saraha. Tsy navelan’Andriamanitra hikasika an’i Saraha anefa izy. Nampitandrina azy tao amin’ny nofy koa i Jehovah, ka naveriny tamin’i Abrahama i Saraha. Nanome biby fiompy sy mpanompo izy mba ho onitra, ary nanome sekely volafotsy arivo (2200 dolara eo ho eo) mba ho antoka hoe tsy nandoto an’i Saraha izy. Nanao fifanekem-pihavanana i Abrahama sy Abimeleka taorian’izay, tany Beri-sheba, ary nianiana fa hifampatoky.​—Ge 20:1-18; 21:22-34.

2. Mety ho mpanjaka hafa tany Gerara, rehefa nonina tany i Isaka noho ny mosary. Taorian’ny 1843 T.K., taona nahafatesan’i Abrahama, izany. Nanao toa an’i Abrahama koa i Isaka, ka mody nolazainy hoe anabaviny i Rebeka. Sendrasendra fotsiny no nahitan’i Abimeleka fa hay vadin’i Isaka izy. Nandidy ny olona rehetra àry i Abimeleka mba tsy hikasika azy mivady. Nataon’Andriamanitra lasa nanan-karena i Isaka taorian’izay. Nialona azy anefa ny olona ka nandidy ny hialany tao Gerara i Abimeleka. Nanao fifanekem-pihavanana tamin’i Isaka io mpanjaka io taorian’izay, toy ny nataon’ilay mpanjaka teo alohany tamin’i Abrahama.​—Ge 26:1-31.

3. Ilay Filistinina mpanjakan’i Gata, tamin’ny andron’i Davida.​—Sl 34: t.m.; jereo AKISY.

4. Zanakalahin’i Gideona Mpitsara tamin’ilay vadikeliny tany Sekema. Nanandra-tena i Abimeleka ary nitady haka ny toeran’ny mpanjaka, rehefa maty ny rainy. Fetsy izy, ka ny havan-dreniny no nasainy nandresy lahatra an’ireo mponin’i Sekema mba hanohana azy. To teny mantsy ireo havany ireo. Nomen’ireo mponina ireo vola izy ka nanakarama olona nahery setra ary nankany an-tranon-drainy tany Ofra. Novonoiny teo ambonin’ny vato iray ireo rahalahiny hafa reny, ka ripaka daholo izy 70 lahy afa-tsy i Jotama faralahy.

Nambara ho mpanjaka i Abimeleka taorian’izay. Navelan’Andriamanitra hisy tsy fifankahazoana anefa teo amin’ireo mponin’i Sekema sy io mpanjakan’izy ireo vaovao io. Amin’izay dia hisy valiny ny ra rehetra nalatsak’i Abimeleka tamin’izy nandrombaka fahefana. Nitarika olona hikomy tamin’i Abimeleka i Gala, saingy resin’i Abimeleka vetivety izy ireo ary azony ny tanànan’i Sekema ka noravany sady nofafazany sira. Nanafika an’ireo mponin’i Sekema nialokaloka tao amin’ilay efitra fandosirana tao amin’ny tempolin’i Ela-berita izy avy eo. Nodorany ilay efitra ka maty ireo olona arivo teo ho eo tao, nefa ireo no nanohana azy teo aloha. Mbola te handresy ihany i Abimeleka ka nianavaratra avy hatrany mba hanafika an’i Tebeza. Nanjera vato fikosoham-bary teo amin’ny lohany anefa ny vehivavy iray tao. Tsy tian’i Abimeleka hisy hiteny hoe vehivavy no namono azy, ka nasainy nanatrabaka azy tamin’ny sabany ilay mpanompo nitondra ny fitaovam-piadiany. Nifarana teo ny fanjakan’i Abimeleka naharitra telo taona.​—Mpts 8:30, 31; 9:1-57; 2Sa 11:21.

5. “Abimeleka” no nosoratan’ny Masoreta ao amin’ny 1 Tantara 18:16, ary nanao toy izany koa ny Fandikan-teny Protestanta. “Ahimeleka” kosa no hita ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ny Vulgate latinina, ny Peshitta syriàka, ary ny sora-tanana hebreo 12. Mifanaraka amin’izay lazain’ny 2 Samoela 8:17 izany.