Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Abinadaba

Abinadaba

(Abinadàba) [Ray Tia Manome (Tsara Toetra; Malala-tanana)].

1. Olona iray nonina tao Kiriata-jearima tao amin’ny faritanin’i Joda, tokony ho 14 km tany andrefana avaratrandrefan’i Jerosalema. Elaela ihany ilay Vata misy ny fifanekena no napetraka tao an-tranony.

Efa nitoetra fito volana tany amin’ny Filistinina ilay Vata masina saingy nitondra loza ho azy ireo ka nalefany tany Beti-semesy. Taorian’izay ilay Vata vao napetraka tao an-tranon’i Abinadaba, ary i Eleazara zanany lahy no nohamasinina mba hiambina azy io. Nijanona tao 70 taona teo ho eo izy io, mandra-pamindran’i Davida azy io tany Jerosalema. Rehefa nafindra izy io dia maty tsy tra-drano teny an-dalana i Oza, zanakalahin’i Abinadaba. Nirehitra taminy mantsy ny fahatezeran’i Jehovah rehefa nikasika ny Vata masina izy fa tsy niraharaha ilay didy ao amin’ny Nomery 4:15.​—1Sa 6:20–7:1; 2Sa 6:1-7; 1Ta 13:6-10.

2. Zanak’i Jese lahiaivo, ary anisan’ireo zokin’i Davida telo lahy niaraka tamin’i Saoly mba hiady tamin’ny Filistinina.​—1Sa 16:8; 17:13.

3. Iray tamin’ireo zanakalahin’i Saoly, izay novonoin’ny Filistinina teo amin’ny Tendrombohitra Gilboa.​—1Sa 31:2; 1Ta 9:39.

4. Rain’ny iray tamin’ireo lehibem-paritra 12 notendren’i Solomona Mpanjaka hamatsy sakafo ny tao an-dapany. Nantsoina koa hoe Ben-abinadaba io lehibem-paritra “zanak’i Abinadaba” io, ary i Tafata zanakavavin’i Solomona no vadiny. Avy any amin’ny tandavan-tendrombohitr’i Dora manontolo ny sakafo namatsiany ny tao an-dapan’i Solomona, iray volana isan-taona.​—1Mp 4:7, 11.