Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Abirama

Abirama

(Abiràma) [Ny Ray dia Avo (Misandratra)].

1. Robenita iray zanak’i Eliaba, ary rahalahin’i Datana sy Nemoela. Lohan’ny fianakaviambe iray izy, ary nanana toerana ambony teo amin’ny Israely tamin’ny fotoana nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta.​—No 26:5-9.

Nanohitra ny fahefan’i Mosesy sy Arona ny Levita atao hoe Kora, ary nomba an’i Kora i Abirama sy Datana rahalahiny. Nanohana an’ilay fikomiana koa ny Robenita iray fahatelo atao hoe Ona, fa tamin’ny voalohany ihany. Tsy voaresaka intsony izy avy eo. (No 16:1) Nanangona mpiadidy 250 lahy, izay samy “lehilahy nanan-daza”, ireo mpikomy ireo, ka nanome tsiny an’i Mosesy sy Arona hoe nanandra-tena ho ambony noho ny fiangonana. (No 16:1-3) Hita tamin’ny tenin’i Mosesy tamin’i Kora fa nitsiriritra ny asa fisoronana nomena an’i Arona i Kora sy ireo Levita niaraka taminy. (No 16:4-11) Tsy nitsiriritra izany kosa i Abirama sy Datana, satria Robenita izy ireo. Nampanantsoin’i Mosesy nitokana àry izy roa lahy. Tsy nety nankany aminy anefa izy ireo, ary hita tamin’ny valin-tenin’izy ireo fa i Mosesy ihany no nomeny tsiny. Tsy niresaka momba an’i Arona izy ireo. Tsy azoazon’izy ireo hoe i Mosesy no nitondra an’ilay firenena. Nilaza izy ireo fa ‘nitady hanjakazaka tamin’izy ireo toy ny andriana’ i Mosesy sady tsy nampiditra azy ireo akory tany amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, araka ny nampanantenainy. Vavaka no navalin’i Mosesy an’izany fiampangana izany. Teo anatrehan’i Jehovah izy no niaro ny tenany, ary tsy niresaka momba an’i Arona izy tamin’izay.​—No 16:12-15.

Tsy vitan’ny hoe notoherin’izy ireo ny naha mpisorona an’i Arona, fa nolaviny koa ny fahefan’i Mosesy. (Sl 106:16) Toa fotoana nety tsara hanentanana ny vahoaka hitaky fanovana tamin’izay. Taloha kelin’izay mantsy dia efa nimenomenona mafy tamin’i Mosesy ny olona, ary nilaza mihitsy hoe hanendry mpitarika vaovao ary hiverina any Ejipta. Niresaka ny hitora-bato an’i Josoa sy Kaleba koa izy ireo, satria nanohana an’i Mosesy sy Arona izy roa lahy. (No 14:1-10) Inona no mety ho antony nanoheran’i Datana sy Abirama ny fahefan’i Mosesy? Taranak’i Levy i Mosesy. Taranak’i Robena, lahimatoan’i Jakoba, kosa i Datana sy Abirama. Nafoin’i Robena anefa ny zo hahazo ny lovan’ny lahimatoa, noho izy nanao ratsy. (1Ta 5:1) Mety hoe tian’i Datana sy Abirama hiverina àry ny fahambonian’io razambeny io. Tsy hoe niady tamin’i Mosesy sy Arona fotsiny anefa izy ireo, fa niady “tamin’i Jehovah” koa, satria i Jehovah no nanome fahefana an’i Mosesy sy Arona.​—No 26:9.

Nitoby teo atsimon’ny tranolay masina ny fianakaviamben’ny Kehatita, izay nisy an’i Kora. Teo koa no nitoby ny Robenita. Mety ho tsy nifanalavitra àry ny tranolain’i Datana sy Abirama sy ny tranolain’i Kora. (No 2:10; 3:29) Nijoro teo amin’ny fidirana amin’ny tranolainy avy i Datana sy Abirama rehefa nanameloka azy ireo Andriamanitra, fa i Kora sy ireo 250 lahy niaraka taminy kosa niangona teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, nitondra ny fitondrana afony avy. Nasain’i Mosesy niala teo akaikin’ny tranolain’ireo telo lahy lehiben’ny mpikomy ireo ny vahoaka, ary avy eo nasehon’Andriamanitra fa tsy nankasitrahany izy ireo satria tsy nanaja an’ireo nomeny fahefana. Nataony nisokatra ny tany tandrifin’ny tranolain’izy ireo, ka latsaka tany i Datana sy Abirama ary ny ankohonan’izy ireo. (No 16:16-35; De 11:6; Sl 106:17) Maty koa ny ankohonan’i Kora, afa-tsy ireo zanany lahy. Ary i Kora sy ireo 250 lahy? Maty nolevonin’ny afo teo anoloan’ny tranolay masina izy ireo. (No 16:35; 26:10, 11) Toy izany no nandringanan’Andriamanitra, tao anatin’ny fotoana fohy, an’ireo nikomy tamin’izay nomeny fahefana. Anisan’ireo nikomy i Abirama ka voafafa tsy ho eo amin’ny Israely intsony ny anarany.

2. Lahimatoan’i Hiela Betelita. Nilaza i Josoa ao amin’ny Josoa 6:26 fa ho voaozona ka ho faty ny lahimatoan’izay manorina ny tanànan’i Jeriko efa rava. Tsy niraharaha an’izany i Hiela, rain’i Abirama, tamin’ny fotoana nanjakan’i Ahaba Mpanjaka (t. 940-920 T.K.), izany hoe 500 taona teo ho eo taorian’ny andron’i Josoa. Nanao ny fototr’i Jeriko izy ka maty noho izany i Abirama zanany lahy, ary tanteraka tamin’izay ilay faminaniana.​—1Mp 16:34.