Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Abisay

Abisay

(Abisày) [mety hidika hoe Ny Ray dia Misy].

Zanakalahin’i Zeroia anabavin’i Davida (mety ho iray tam-po amin’i Davida i Zeroia na anabaviny hafa ray). I Joaba sy Asahela no rahalahiny.​—2Sa 2:18; 1Ta 2:15, 16.

Niavaka kokoa noho ireo miaramila mahery fo 30 teo ambany fahefany i Abisay noho ny zava-bitany. Nalaza toa an’ireo telo lahy mahery indrindra nanompo an’i Davida izy satria namono fahavalo 300 tamin’ny tanany ilany monja, indray mandeha. “Tsy tonga tamin’ny laharam-boninahitr’ireo telo lahy voalohany” anefa izy.​—2Sa 23:18, 19.

Notohanan’i Abisay foana i Davida dadatoany rehefa niady. Mora taitaitra sy tsy namindra fo anefa izy indraindray, ka nila nosakanana. Raha tsy nisakana azy, ohatra, i Davida tamin’izy mianaka nitsofoka tao an-toby miaramilan’i Saoly tamin’ny alina, dia saika holefoniny hitsatoka amin’ny tany i Saoly mbola natory, izany hoe ilay “voahosotr’i Jehovah.” (1Sa 26:6-9) Raha tsy voasakana i Abisay, dia indroa mihitsy izy no saika hamono an’i Simey izay nanozona ny mpanjaka, tamin’ny fotoana nikomian’i Absaloma. Tsy voasakan’i Davida anefa i Abisay rehefa nandray anjara tamin’ny famonoana an’i Abnera.​—2Sa 3:30; 16:9-11; 19:21-23.

Niavaka i Abisay satria izy no nitarika tamin’ny famonoana Edomita 18 000 sy ny fandresena ny Amonita. Izy no iray tamin’ireo nampijanona ny fikomian’i Sheba Benjaminita, lehilahy tsy manjary. Raha tsy teo i Abisay tamin’ilay ady farany nataon’i Davida, dia efa matin’ny Filistinina goavam-be iray i Davida.​—1Ta 18:12; 19:11-15; 2Sa 20:1, 6; 21:15-17.