Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Abisoa

Abisoa

(Abisòa) [mety hidika hoe Ny Ray dia Fanampiana].

1. Benjamita iray anisan’ny fianakavian’i Bela. (1Ta 8:1-4) Toa zanakalahin’i Bela i Abisoa, araka an’ireo andininy ireo. Olona samy hafa anefa no lazain’ireo sy ny Nomery 26:40 ary ny 1 Tantara 7:7 hoe zanakalahin’i Bela. Misy àry mihevitra fa mety hidika hoe “taranak’i” ilay hoe “zanakalahin’i” ao amin’ny 1 Tantara 8:1-4.

2. Zanakalahin’i Finehasa ary zafiafin’i Arona. I Abisoa no rain’i Boky. (1Ta 6:4, 5, 50, 51) Asehon’ny Ezra 7:1-5 fa anisan’ny razamben’i Ezra izy. Milaza i Josèphe ao amin’ny Rakitry ny Ela Jiosy (V, 361, 362 [xi, 5]; VIII, 12 [i, 3]) fa mpisoronabe i Abisoa (antsoina hoe Abiezera ao amin’ny Rakitry ny Ela Jiosy, V). Raha marina izany, dia izy no mpisoronabe fahefatra teo amin’ny Israely. Mifanaraka amin’ny fampanantenan’i Jehovah tamin’i Finehasa rainy izany. Nilaza mantsy i Jehovah fa ny taranak’i Finehasa foana no hanao ny asa fisoronana.​—No 25:11-13.