Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Abnera

Abnera

(Abnèra) [Ny Ray dia Jiro].

Zanakalahin’i Nera, ary avy amin’ny fokon’i Benjamina. Toa i Abnera no lazain’ny 1 Samoela 14:50, 51 hoe “dadatoan’i Saoly”, nefa samy azo lazaina ho toy izany na i Abnera na i Nera rainy, raha ny teny hebreo no jerena. Milaza i Josèphe fa zanak’olo-mpiray tam-po i Abnera sy Saoly, ary mpirahalahy i Nera sy Kisy rain’izy ireo. (Rakitry ny Ela Jiosy, VI, 129, 130 [vi, 6]) Misy andininy hafa (1Ta 8:33; 9:39) anefa manaporofo fa zanak’i Nera i Kisy, izany hoe rahalahin’i Abnera. Dadatoan’i Saoly i Abnera, raha izany.​—Jereo koa ilay tabilao ao amin’ny lahatsoratra ABIELA No. 1.

Lehiben’ny tafik’i Saoly i Abnera, ary nahatratra 200 000 lahy indraindray ny miaramila teo ambany fitarihany. (1Sa 15:4) Nipetraka teo akaikin’ny mpanjaka izy, tamin’ny fotoan-dehibe sasany, rehefa nisy fiaraha-nisakafo. (1Sa 20:25) Azo antoka fa olo-mahery sy be herim-po i Abnera, nefa nibedy azy i Davida, noho izy tsy niambina tsara an’i Saoly, izay tompony sady “voahosotr’i Jehovah.” Tany an-tany efitr’i Zifa izany no nitranga, tamin’i Davida mbola nandositra an’i Saoly.​—1Sa 26:14-16.

Maty i Saoly rehefa resy tanteraka tamin’ilay ady tamin’ny Filistinina. Niampita an’i Jordana i Abnera taorian’izay, ka nankany Mahanaima, any Gileada, ary nentiny i Isboseta zanak’i Saoly. Nanao an’i Davida ho mpanjaka tany Hebrona ny fokon’i Joda, fa i Abnera kosa nanao an’i Isboseta ho mpanjaka handrafy azy, tany Mahanaima. I Abnera no tena nitondra, raha ny marina. Tatỳ aoriana, dia notaominy ny foko rehetra, ka lasa nanaiky an’i Isboseta. Ny fokon’i Joda ihany no tsy azony.​—2Sa 2:8-10.

Nifampitsapa hery ireo mpanjaka roa nifandrafy ireo, teo amin’ny Dobon’i Gibeona, tao amin’ny faritanin’i Benjamina, raha vao niala kelikely an’i Hebrona ary mbola lavidavitra an’i Mahanaima. Nifanombantombana teo aloha ireo tafika roa tonta, ary avy eo nanolo-kevitra i Abnera hoe asaina miady ny zatovolahy 12 avy tamin’ny andaniny sy ny ankilany. Tena nifandanja ny herin’izy ireo ka nitovy ny maty tamin’ny andaniny roa, ary ireo tafika manontolo mihitsy no nanjary nifanandrina. Avo 18 heny ny isan’ny miaramilan’i Abnera maty raha noharina tamin’ny miaramilan’i Joaba. Niala àry ny tafik’i Abnera ka nankany an-tany efitra.​—2Sa 2:12-17, 30, 31.

Nanenjika an’i Abnera i Asahela (rahalahin’i Joaba) izay nahery nihazakazaka. Nilaza taminy foana i Abnera mba hivily ka tsy hanaraka azy sao ho faty. Tsy nety anefa i Asahela. Nasian’i Abnera tamin’ny vodilefona àry ny kibon’i Asahela, ka niboroaka teo andamosiny izany. (2Sa 2:18-23) Niangavy an’i Joaba i Abnera avy eo, mba tsy hanenjika azy intsony. Nasain’i Joaba nijanona àry ny mpanenjika rehefa takariva, ary samy nandeha an-tongotra niverina tany amin’ny renivohiny avy ireo tafika roa ireo. Hita hoe tena natanjaka be izy ireo. Nandeha an-tongotra 80 km na mahery mantsy ny tafik’i Abnera, hatrany amin’ny Lohasahan’i Jordana, ary niampita an’ilay renirano ka namakivaky an’ireo havoanan’i Gileada mba hiverina tany Mahanaima. I Joaba sy ny tafiny kosa nandevina an’i Asahela tany Betlehema (angamba ny ampitson’iny), avy eo nandeha an-tongotra 22 km mahery ny alina tontolo, ary namakivaky an’ireo tendrombohitra mba hiverina tany Hebrona.​—2Sa 2:29-32.

Sady nanamafy ny toerany i Abnera no nanohana ny fanjakan’i Isboseta, izay fanjakana efa narefo. Angamba i Abnera te ho mpanjaka, satria rahalahin-drain’i Saoly rahateo izy. Nibedy azy i Isboseta, noho izy nanao firaisana tamin’ny vadikelin’i Saoly. (Tsy misy mahazo manao izany afa-tsy izay mpandova ny fanjakana rehefa maty ny mpanjaka.) Tezitra àry i Abnera. Nilaza izy fa i Davida indray no hotohanany. (2Sa 3:6-11) Nila sitraka tamin’i Davida izy ka nasongadiny fa izy, raha ny marina, no mpitondra an’ireo fokon’ny Israely, ankoatra ny fokon’i Joda. Nangatahin’i Davida anefa aloha ny hamerenana an’i Mikala vadiny. Nanaiky i Abnera, ary notaominy mangingina ireo lohan’ny foko 11 (nisaraka tamin’ny fokon’i Joda) mba hanaiky an’i Davida, mpanjaka voatendrin’i Jehovah. (2Sa 3:12-19) Nakotroka ny nandraisan’i Davida azy tao Hebrona, renivohitry ny fanjakany. Ny androtr’iny ihany, dia nandresy lahatra ny foko rehetra i Abnera mba hanao fifanekena tamin’i Davida. Tsy teo i Joaba tamin’izay fa nandeha niantafika. Rehefa tafaverina izy, dia nolazainy hoe mpitsikilo i Abnera. Nampanantsoiny i Abnera, ary nofitahiny ka nentiny tany amin’ny toerana azony namonoana azy.​—2Sa 3:20-27.

Maty i Abnera, ka tsy nisy azon’i Isboseta nantenaina hanohana azy intsony. Nivadika taminy ny olony sasany, avy eo, ka namono azy. Tsy nisy taranak’i Saoly intsony nanjaka taorian’izay.​—2Sa 4:1-3, 5-12.

Efa ho faty i Davida, taona maro tatỳ aoriana, ary tsaroany ny namonoan’i Joaba an’i Abnera (sy Amasa). Nilaza tamin’i Solomona izy fa voaloton’ny ra nalatsak’i Joaba ny ankohonan’i Davida, ka adidin’i Solomona ny manaisotra izany. (1Mp 2:1, 5, 6) Nasain’i Solomona novonoina àry i Joaba, taoriana kelin’izay.​—1Mp 2:31-34.

Iray ihany ny zanakalahin’i Abnera voatonona anarana, izany hoe i Jasiela, izay andrianan’ny fokon’i Benjamina tamin’ny fotoana nanjakan’i Davida. (1Ta 27:21) Anisan’ireo nanome ho an’ny tranolay masina i Abnera, avy tamin’ny zavatra azony babo tamin’ny naha lehiben’ny tafika azy.​—1Ta 26:28.