Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Abrahama

Abrahama

(Abrahàma) [Rain’ny Vahoaka (Maro)].

Anarana nomen’i Jehovah an’i Abrama (midika hoe “Ny Ray dia Avo (Misandratra)”) tamin’izy 99 taona. Tamin’izay koa Andriamanitra no nanamafy an’ilay fampanantenany hoe ho maro ny taranak’i Abrahama.​—Ge 17:5.

Ny razambeny sy ny tantarany tany am-boalohany. Taranaka fahafolo avy tamin’i Noa i Abrahama, ary taranak’i Sema zanak’i Noa. Teraka 352 taona taorian’ny Safodrano i Abrahama, izany hoe tamin’ny taona 2018 T.K. Marina fa izy no tononina voalohany amin’ireo zanak’i Tera telo lahy voalaza ao amin’ny Genesisy 11:26, nefa tsy izy no lahimatoa. Milaza ny Soratra Masina fa 70 taona i Tera tamin’izy niteraka ny lahimatoany. Efa 60 taona taorian’izany i Abrahama vao teraka, izany hoe tamin’i Tera 130 taona. (Ge 11:32; 12:4) Azo inoana fa matoa tononina voalohany i Abrahama rehefa miresaka an’ireo zanakalahy nateraky ny rainy, dia satria miavaka ny tsy fivadihany ary misongadina izy ao amin’ny Soratra Masina. Matetika no tononina voalohany toy izany koa ny anaran’ireo olona tena nanam-pinoana, toa an’i Sema sy Isaka.​—Ge 5:32; 11:10; 1Ta 1:28.

Ny tanànan’i Ora any Kaldea no niavian’i Abrahama. Tanàn-dehibe tena nandroso izy io, ary tany Sinara, any akaikin’ny toerana ihaonan’ny reniranon’i Eofrata sy Tigra ankehitriny, no misy azy. Tokotokony ho 240 km any atsimoatsinanan’i Babela na Babylona no misy azy io (tanàna foiben’ny fanjakan’i Nimroda fahiny io Babela io, ary nalaza ratsy satria tao no nisy an’ilay Tilikambon’i Babela tsy vita).

Nanao ahoana ny tanànan’i Ora tamin’ny andron’i Abrahama? Nanjaka tao ny fanompoan-tsampy babylonianina sy ny fivavahana tamin’i Sîn, andriamanitra volana mpiaro an’ilay tanàna. (Js 24:2, 14, 15) Nino an’i Jehovah Andriamanitra kosa anefa i Abrahama, sahala amin’i Sema sy Noa razambeny. Izany no nahatonga azy ho fantatra ho “rain’izay rehetra manam-pinoana nefa tsy voafora.” (Ro 4:11) Avy amin’ny fahalalana marina tsara ny tena finoana. Nanam-pinoana àry i Abrahama satria i Sema mihitsy angamba no nampita fahalalana taminy. Mbola velona 150 taona mantsy i Abrahama vao maty i Sema. Nahalala ny anaran’i Jehovah i Abrahama, ary nampiasa izany matoa izy niteny hoe: “Jehovah, ilay Andriamanitra Avo Indrindra, Mpanao ny lanitra sy ny tany”, “Jehovah Andriamanitry ny lanitra sy ny tany.”​—Ge 14:22; 24:3.

Tamin’i Abrahama mbola nonina tao Ora, ary “mbola tsy nanorim-ponenana tany Harana”, no nasain’i Jehovah nifindra tany amin’ny tany tsy fantany, ka handao an’ireo havana aman-tsakaizany. (As 7:2-4; Ge 15:7; Ne 9:7) Tany mbola hasehon’Andriamanitra azy izy io. Efa tonga tany izy vao nilazan’Andriamanitra hoe hataony misy firenena lehibe avy aminy. Efa nanambady an’i Saraha, anabaviny hafa reny, i Abrahama tamin’izay, ary mbola tsy niteraka izy mivady, nefa samy efa antitra. Nila finoana natanjaka àry izy raha te hankatò. Nankatò tokoa anefa izy!

Nanaiky hanaraka an’i Abrahama sy Saraha tamin’io dia lavitra io i Tera, izay efa 200 taona teo ho eo tamin’izay. I Tera anefa no lazaina hoe nanapa-kevitra hifindra tany Kanana, satria izy no mbola loham-pianakaviana. (Ge 11:31) Toa efa natsangan’i Abrahama sy Saraha ho zanany i Lota zana-drahalahiny, ka nanaraka azy ireo koa. Kamboty ray mantsy i Lota, ary tsy niteraka kosa i Abrahama sy Saraha, izay dadatoany sy nenitoany. Nandeha nianavaratrandrefana tany amin’ny 960 km i Abrahama sy ny olona rehetra niaraka taminy, mandra-pahatongany tany Harana, tanàn-dehibe nihaonan’ireo lalana falehan’ny mpivarotra avy any atsinanana sy avy any andrefana. Eo amin’ny toerana ihaonan’ny sakelidrano roa no misy an’i Harana, ary ao ireo sakelidrano ireo no mitambatra ho renirano. Tonga hatrany amin’ny Reniranon’i Balikh io renirano io rehefa ririnina. Tokotokony ho 110 km avy eo amin’ny toerana ivarinan’ny Reniranon’i Balikh mankao amin’ny Reniranon’i Eofrata no misy an’i Harana. Nijanona tao i Abrahama mandra-pahafatin’i Tera rainy.​—SARINTANY, Boky 1, p. 330.

Nivahiny tao Kanana. Efa 75 taona i Abrahama izao, ary nentiny niala tao Harana ny ankohonany mba ho any Kanana. Vahiny sy mpifindrafindra monina tany Kanana izy, nandritra ireo 100 taona sisa niainany. (Ge 12:4) Taorian’ny nahafatesan’i Tera rainy i Abrahama no niala tao Harana (tamin’ny 1943 T.K.) ka niampita ny Reniranon’i Eofrata. Azo inoana fa tamin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ilay volana nantsoina tatỳ aoriana hoe Nisana no niampitany teo. (Ge 11:32; Ek 12:40-43, LXX) Tamin’io no nanomboka nanan-kery ilay fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama. Tamin’io koa no nanomboka ilay 430 taona, fe-potoana nivahiniana tany an-tanin’olona, ary tsy nifarana raha tsy efa natao ny fifaneken’ny Lalàna, izay nifanaovan’i Jehovah sy ny Israelita.​—Ek 12:40-42; Ga 3:17.

Azo inoana fa nidina namakivaky an’i Damaskosy i Abrahama, niaraka tamin’ireo biby fiompiny, ary tonga hatrany Sekema (48 km any avaratr’i Jerosalema), tany akaikin’ireo hazoben’i More. (Ge 12:6) Niseho tamin’i Abrahama indray i Jehovah tao Sekema, ka nanamafy sy nanampy an’ilay fifanekena nataony taminy. Hoy izy: “Ny taranakao no homeko ity tany ity.” (Ge 12:7) Nanorina alitara ho an’i Jehovah i Abrahama tao. Teny an-dalana nianatsimo, dia mbola nanorina alitara maro koa izy, ary niantso ny anaran’i Jehovah. (Ge 12:8, 9) Nisy mosary mafy tatỳ aoriana ka voatery nifindra vetivety tany Ejipta i Abrahama. Nolazainy hoe anabaviny i Saraha tany mba tsy hamonoan’ny olona azy. Nalain’i Farao ho any aminy àry i Saraha tsara tarehy mba ho vadiny. Mbola tsy nanao firaisana taminy anefa i Farao dia efa nasain’i Jehovah naverina izy. Nody tany Kanana i Abrahama avy eo, ka nankany amin’ilay toeram-pilasiana teo anelanelan’i Betela sy Ay. “Niantso ny anaran’i Jehovah” indray izy tany.​—Ge 12:10–13:4.

Nihamaro ny biby fiompin’i Abrahama sy Lota, ka voatery nisara-toerana izy mianaka. Nifidy an’i Jordana Ambany àry i Lota. Faritra azon-drano tsara izy io, “tahaka ny zaridainan’i Jehovah.” Nanangana ny tranolainy teo akaikin’i Sodoma izy tatỳ aoriana. (Ge 13:5-13) Ary ahoana ny amin’i Abrahama? Nilaza taminy i Jehovah mba hitety an’ilay tany tamin’ny lavany sy ny sakany. Tonga teo amin’ireo hazoben’i Mamre any Hebrona izy tatỳ aoriana, ary nonina teo. Any amin’ny 30 km any atsimo atsimoandrefan’i Jerosalema no misy an’i Hebrona.​—Ge 13:14-18.

Nahavita nampitsahatra ny fikomian’ny mpanjaka kananita dimy ireo mpanjaka efatra notarihin’i Kedorlaomera mpanjakan’i Elama, ka norobain’izy ireo i Sodoma sy Gomora ary lasa babo i Lota sy ny fananany rehetra. Raha vao nandre izany i Abrahama, dia nanangona mpanompo voaofana 318, anisan’ny ankohonany. Niezaka mafy nanenjika an’ireo mpandroba ireo i Abrahama, niaraka tamin’i Anera sy Eskola ary Mamre, izay efa nanao fifanekena taminy. Nandeha mafy nianavaratra izy ireo, angamba hatrany amin’ny 300 km, ary nihoatra an’i Damaskosy mihitsy aza. Nampian’i Jehovah i Abrahama ka nandresy na dia nahery lavitra noho izy aza ireo tafika ireo. Avotra àry i Lota, ary azo indray ny entana voaroba. (Ge 14:1-16, 23, 24) Rehefa nody i Abrahama taorian’iny fandresena niezinezina iny, dia nivoaka hitsena azy i Melkizedeka, “mpisoron’ilay Andriamanitra Avo Indrindra”, sady mpanjakan’i Salema. Nitso-drano azy i Melkizedeka, ary i Abrahama kosa nanome azy “ny ampahafolon’ny zava-drehetra.”​—Ge 14:17-20.

Tonga ilay taranaka nampanantenaina. Mbola tsy niteraka foana i Saraha ka toa i Eliezera avy any Damaskosy no ho lasa mpandova an’i Abrahama. Mpiandraikitra ny tao an-tranon’i Abrahama i Eliezera, izay lehilahy tsy nivadika. Nanome toky an’i Abrahama indray anefa i Jehovah hoe ho maro be tsy ho voaisa, toy ny kintana eny amin’ny lanitra, ny taranany. “Naneho finoana an’i Jehovah” àry i Abrahama. “Neken’Andriamanitra ho isan’ny olo-marina” izy, na dia taona maro tatỳ aoriana aza vao noforana. (Ge 15:1-6; Ro 4:9, 10) Nanao fifanekena tamin’i Abrahama àry i Jehovah, ka nasainy nanao fanatitra biby izy mba hampanan-kery azy io. Nilaza koa i Jehovah tamin’izay fa hampahorina 400 taona ny taranak’i Abrahama, ary ho lasa andevo mihitsy aza.​—Ge 15:7-21; jereo FIFANEKENA.

Nandeha teny ny fotoana. Efa folo taona teo ho eo izao no nonenan’izy ireo tany Kanana, nefa mbola tsy niteraka foana i Saraha. Nanipy hevitra àry izy mba heken’i Abrahama hisolo azy i Hagara mpanompovaviny ejipsianina, ka hahazo zanaka avy amin’i Hagara izy. Nanaiky i Abrahama. Teraka tamin’ny 1932 T.K. àry i Ismaela, tamin’i Abrahama 86 taona. (Ge 16:3, 15, 16) Mbola nandeha teny ihany ny fotoana. Tamin’ny 1919 T.K., tamin’i Abrahama 99 taona, dia nasain’i Jehovah noforana ny lahy rehetra anisan’ny ankohonany, mba ho famantarana na tombo-kase manamarina fa nisy fifanekena manokana teo aminy sy Abrahama. Tamin’io fotoana io koa no novan’i Jehovah ilay anarany hoe Abrama, ka nataony hoe Abrahama, “satria hataoko rain’ny firenena maro ianao”, hoy izy. (Ge 17:5, 9-27; Ro 4:11) Tsy ela taorian’io, dia nisy anjely telo nitafy nofo nitsidika an’i Abrahama, ka noraisiny tsara tamin’ny anaran’i Jehovah. Nampanantena ireo anjely ireo fa hitoe-jaza i Saraha ka hitera-dahy, ao anatin’ny herintaona.​—Ge 18:1-15.

Be tokoa ny zava-nitranga tamin’io taona io! Noringanina i Sodoma sy Gomora. Saika maty tao ny zana-drahalahin’i Abrahama sy ny zanak’izy io roa vavy. Nifindra tany Gerara i Abrahama sy Saraha, nefa indrisy fa nalain’ny mpanjakan’io tanàna filistinina io ho anisan’ny vadiny i Saraha. Niditra an-tsehatra i Jehovah, ka afaka ihany i Saraha. Tamin’ny fotoana voatondro, tamin’ny 1918 T.K., dia teraka i Isaka, ilay mpandova nampanantenaina hatry ny ela. Efa 100 taona i Abrahama tamin’izay, ary 90 taona kosa i Saraha. (Ge 18:16–21:7) Voatery nandroaka an’i Ismaela sy Hagara reniny i Abrahama dimy taona tatỳ aoriana, rehefa nihomehy naneso an’i Isaka i Ismaela rahalahiny hafa reny, izay efa 19 taona. Tamin’io fotoana io, izany hoe tamin’ny 1913 T.K., no nanomboka ilay 400 taona voalaza fa hampahorina ny taranak’i Abrahama.​—Ge 21:8-21; 15:13; Ga 4:29.

Niharam-pitsapana faran’izay mafy ny finoan’i Abrahama, rehefa afaka 20 taona teo ho eo. Efa 25 taona i Isaka tamin’izay, araka ny lovantsofina jiosy. (Rakitry ny Ela Jiosy, nataon’i F. Josèphe, I, 227 [xiii, 2]) Nankatò ny tenin’i Jehovah i Abrahama ka nentiny i Isaka. Niala tao Beri-sheba any Negeba izy ireo ka nianavaratra nankany amin’ny Tendrombohitra Moria, any avaratr’i Salema. Nanorina alitara izy tany, ary niomana hanolotra an’i Isaka ho fanatitra dorana, izany hoe hanolotra an’ilay taranaka nampanantenaina. “Tonga hatramin’ny fanolorana an’i Isaka” tokoa i Abrahama! “Nihevitra mantsy izy fa hain’Andriamanitra na dia ny manangana an’i Isaka amin’ny maty aza.” Tamin’ny minitra farany i Jehovah vao nanakana azy tsy hanao izany, ary nanome ondrilahy hatao sorona teo amin’ilay alitara mba ho solon’i Isaka. Tena nanam-pinoana i Abrahama, ary porofon’izany ny nankatoavany tanteraka an’Andriamanitra. Izany no nahatonga an’i Jehovah hanamafy an’ilay fifanekena nataony taminy. Nianiana izy, izany hoe nanome antoka ara-dalàna, mba hanamafisana an’ilay fifanekena.​—Ge 22:1-18; He 6:13-18; 11:17-19.

Maty tao Hebrona tamin’ny 1881 T.K. i Saraha, teo amin’ny faha-127 taonany. Nila nividy toeram-pandevenana àry i Abrahama, satria mpivahiny ihany izy tany Kanana ka tsy mba nanana na dia tany kely monja aza. Novidiny tamin’ny taranak’i Heta àry ny saha iray nisy lava-bato. Tao Makpela any akaikin’i Mamre io saha io. (Ge 23:1-20; jereo FIVIDIANANA.) Telo taona tatỳ aoriana, tamin’i Isaka 40 taona, dia nirahin’i Abrahama hiverina tany Mezopotamia ilay mpanompony zokiolona indrindra, izay azo inoana fa i Eliezera. Hitady vady ho an’i Isaka no nanirahany azy tany, dia vady nifanentana tamin’i Isaka sady tena mpivavaka tamin’i Jehovah. I Rebeka, zafikelin’ny rahalahin’i Abrahama, no nofidin’i Jehovah.​—Ge 24:1-67.

“Naka vady indray” i Abrahama. I Ketora no anarany, ary mbola niterahan’i Abrahama enin-dahy izy io. Tsy ny Israelita sy ny Ismaelita ary ny Edomita ihany àry no taranak’i Abrahama, fa ny Medanita sy ny Midianita ary ny foko hafa koa. (Ge 25:1, 2; 1Ta 1:28, 32, 34) Tanteraka tamin’i Abrahama, araka izany, ilay faminaniana nolazain’i Jehovah hoe: “Hataoko rain’ny firenena maro ianao.” (Ge 17:5) Tamin’ny farany, dia maty i Abrahama tamin’ny 1843 T.K., teo amin’ny faha-175 taonany. Ela velona tokoa izy! Nalevin’i Isaka sy Ismaela zanany tao amin’ilay lava-bato tao Makpela izy. (Ge 25:7-10) Talohan’ny nahafatesan’i Abrahama, dia nomeny fanomezana ireo zanany lahy naterany tamin’ireo vadikeliny, ary nasainy nandeha mba ho i Isaka irery no handova ny “fananany rehetra.”​—Ge 25:5, 6.

Loham-pianakaviana sady mpaminany. Nanan-karena be i Abrahama satria nanana biby fiompy maro be, ary koa volafotsy sy volamena be dia be. Nanana mpanompo an-jatony koa izy tao aminy. (Ge 12:5, 16; 13:2, 6, 7; 17:23, 27; 20:14; 24:35) Izany no nahatonga an’ireo mpanjaka kananita hihevitra an’i Abrahama ho “mpiadidy” tena mahery sy olona tokony hanaovana fifanekem-pihavanana. (Ge 23:6; 14:13; 21:22, 23) Tsy navelan’i Abrahama hahatonga azy hanadino an’i Jehovah sy ny fampanantenany anefa ny harena, sady tsy nahatonga azy hirehareha sy hihevi-tena ho ambony na ho tia tena.​—Ge 13:9; 14:21-23.

I Abrahama no ampiasana voalohany an’ilay teny hoe “mpaminany” ao amin’ny Soratra Hebreo, na dia efa nisy olona naminany talohany aza, anisan’izany i Enoka. (Ge 20:7; Jd 14) I Abrahama koa no olona voalohany lazaina hoe “Hebreo”, ao amin’ny Soratra Masina. (Ge 14:13) Nanam-pinoana i Abrahama, toa an’i Abela sy Enoka ary Noa. (He 11:4-9) I Abrahama anefa no nampiasana voalohany an’ilay hoe “naneho finoana an’i Jehovah.”​—Ge 15:6.

Niara-nandeha tamin’Andriamanitra io lehilahy tena nanam-pinoana io. Naharay hafatra avy tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fahitana sy ny nofy izy, ary nampiantrano anjely mpitondra hafatra. (Ge 12:1-3, 7; 15:1-8, 12-21; 18:1-15; 22:11, 12, 15-18) Fantany tsara ny anaran’Andriamanitra, na dia mbola tsy nampahafantatra ny tena dikan’ilay anarana aza i Jehovah tamin’izay fotoana izay. (Ek 6:2, 3) Imbetsaka izy no nanorina alitara sy nanao fanatitra tamin’ny anaran’i Jehovah Andriamaniny mba hiderana sy hanomezam-boninahitra azy.​—Ge 12:8; 13:4, 18; 21:33; 24:40; 48:15.

Loham-pianakaviana i Abrahama, ka tsy navelany hisy hanompo sampy na tsy hanaja an’Andriamanitra tao amin’ny ankohonany. Nampianariny foana ny zanany sy ny mpanompony rehetra “mba hanarahan’ireny ny lalan’i Jehovah amin’ny fanaovana izay marina sy mahitsy.” (Ge 18:19) Tsy maintsy nitandrina ny lalàn’i Jehovah momba ny famorana, ny lahy rehetra anisan’ny ankohonan’i Abrahama. Niantso ny anaran’i Jehovah i Hagara mpanompovavy ejipsianina rehefa nivavaka. Naneho ny finoany an’ilay Andriamanitr’i Abrahama koa ilay mpanompony zokiolona indrindra, rehefa nanao vavaka vokatry ny fo. Naneho finoana sy nankatò an’i Jehovah koa i Isaka, tao anatin’ny fahatanorany. Nanaiky mantsy izy rehefa nofatorana ny tongotra aman-tanany, ka natao teo ambony alitara izy mba hatao sorona.​—Ge 17:10-14, 23-27; 16:13; 24:2-56.

Hamarinin’ny tantara. Im-70 mahery i Jesosy sy ny mpianany no nanonona an’i Abrahama, na tamin’ny resaka nifanaovan’izy ireo na tamin’ny taratasy nosoratany. Nanonona an’i Abrahama i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba ilay mpanankarena sy Lazarosy. Tsy i Abrahama ara-bakiteny anefa no tao an-tsainy. (Lk 16:19-31) Nirehareha ireo mpanohitra an’i Jesosy ka nilaza fa taranak’i Abrahama izy ireo. Nahariharin’i Jesosy avy hatrany anefa ny fihatsarambelatsihin’izy ireo. Hoy izy: “Ataovy àry ny asan’i Abrahama raha zanak’i Abrahama ianareo.” (Jn 8:31-58; Mt 3:9, 10) Nilaza anefa ny apostoly Paoly fa tsy zava-dehibe ny hoe taranak’iza ny olona iray. Ny fananana finoana tahaka ny an’i Abrahama kosa no zava-dehibe, satria izany no anambarana ny olona iray ho marina. (Ro 9:6-8; 4:1-12) Nampahafantarin’i Paoly koa hoe i Kristy no tena taranak’i Abrahama. Taranany koa ireo an’i Kristy, izany hoe ireo “mpandova araka ny fampanantenana.” (Ga 3:16, 29) Nilaza koa i Paoly fa tia nandray vahiny i Abrahama ary tsara fanahy tamin’izy ireny. Maro ireo Vavolombelon’i Jehovah malaza notanisain’i Paoly ao amin’ny Hebreo toko faha-11, nefa tsy nohadinoiny ny niresaka momba an’i Abrahama. I Paoly no nanazava fa sary an’ohatra mifandray amin’ny fifanekena roa nataon’i Jehovah i Saraha sy Hagara vadin’i Abrahama. (Ga 4:22-31; He 11:8) Nilaza koa i Jakoba, mpanoratra Baiboly, fa nanao zavatra tsara i Abrahama ho porofon’ny finoany, ka nanjary fantatra ho “naman’i Jehovah” izy.​—Jk 2:21-23.

Manamarina ny fitantaran’ny Baiboly momba an’i Abrahama koa ny zavatra hitan’ireo mpikaroka ny any ambanin’ny tany, anisan’izany ireo toerana nisy ny tanàna maro, ary koa ny fanao tamin’izany fotoana izany, toy ny nividianana tany tamin’ny Hetita, ny nifidianana an’i Eliezera ho mpandova, ary izay natao tamin’i Hagara.