Ada
(Àda) [fanafohezana ny hoe Elada na Adaia].
1. Vadin’i Lameka voalohany. Vehivavy roa mantsy no nalainy ho vady. Renin’i Jabala sy Jobala i Ada. I Jabala no nipoiran’ny mpiompy mpifindrafindra monina, ary i Jobala kosa no nipoiran’ny mpitendry zavamaneno.—Ge 4:19-23.
2. Zanakavavin’i Elona Hetita. Iray amin’ireo vadin’i Esao io vehivavy kananita io, ka anisan’ny ‘nampangidy ny fiainan’i Isaka sy Rebeka.’ Niteraka an’i Elifaza rain’i Amaleka i Ada, ary izy angamba ilay antsoina hoe Basemata ao amin’ny Genesisy 26:34.—Ge 26:35; 36:2, 4, 10, 12.