Adada
(Adàda).
Anisan’ny tanàna tany amin’ny faritra atsimon’ny anjara lovan’i Joda tany am-boalohany, tany akaikin’ny sisin-tanin’i Edoma. (Js 15:22) Aroel no ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo Sora-tanana Vaticanus No. 1209. Misy àry manam-pahaizana mihevitra an’i Adada ho i Aroera any Joda sady manamafy izany koa ny 1 Samoela 30:28.—Jereo AROERA No. 3.