Adaia
(Adaià) [Nampihaingoin’i Jehovah [ilay tompon’anarana]].
1. Taranak’i Gersoma zanakalahin’i Levy, ary anisan’ny razamben’i Asafa.—1Ta 6:39-43.
2. Benjaminita zanakalahin’i Simey.—1Ta 8:1, 21.
3. Rain’i Mahaseia, izay anisan’ireo “lehiben’ny zato” nanampy an’i Joiada mpisorona hanongana ny fanjakan’i Atalia ratsy fanahy sy hametraka an’i Joasy ho mpanjakan’ny Joda.—2Ta 23:1.
4. Rain’i Jedida, izay renin’i Josia Mpanjaka. (2Mp 22:1) Avy any Bozkata no fiavian’i Adaia. Tanàna any Sefela, ao amin’ny faritanin’i Joda, izy io.—Js 15:21, 33, 39.
5. Zanakalahin’i Joariba avy amin’ny fokon’i Joda.—Ne 11:4, 5.
6. Mpisorona nipetraka tao Jerosalema, rehefa avy natao sesitany tany Babylona. Zanak’i Jerohama i Adaia.—1Ta 9:10-12; Ne 11:12.
7. Lehilahy israelita taranak’i Bany, ary anisan’ireo nisaraka tamin’ny vadiny hafa firenena sy nandroaka ny zanany tamin’ireny vehivavy ireny, taorian’ny sesitany tany Babylona.—Ezr 10:29, 44.
8. Anisan’ireo lehilahy israelita nandroaka ny vadiny hafa firenena sy ny zanany tamin’ireny vehivavy ireny. I Binoy no lohan’ny fianakaviambe nisy an’i Adaia.—Ezr 10:38, 39, 44.