Adala
Tsy midika hoe marary saina ny hoe “adala” ao amin’ny Baiboly, fa matetika izy io no ilazana olona tsy manaiky toroana hevitra, ary manao zavatra mifanohitra amin’ny fitsipika marin’Andriamanitra. Maromaro ny teny hebreo ilazana olona adala: Kesilʼ (“tsisy saina”; Oh 1:22), ʼevil (“adala”; Oh 12:15), naval (“adala”; Oh 17:7), ary lets (“mpaniratsira”; Oh 13:1). Ireto kosa ny teny grika: Afrôn (Lk 12:20), anôetôs (Ga 3:1) izay samy ilazana olona “tsy misaina”, ary môrôs ilazana olona “adala” (Mt 23:17; 25:2).
Hoatran’ny ahoana izany adala izany? Ahalalana izany izay nataon’i Nabala (1Sa 25), sy izay ataon’ny olona mahalala an’ilay tena Andriamanitra nefa mivavaka amin-javatra noforonina. (Ro 1:20-25) Nilaza i Isaia fa “hiteny hadalana” ny adala, ary ‘hamorona teti-dratsy ao am-pony izy, mba hahatonga fivadiham-pinoana sy mba hilazana lainga hanoherana an’i Jehovah ary mba handefasana ny noana sy ny mangetaheta hody maina.’ (Is 32:6) Hamavoin’ny adala ny fahendrena sy ny fananarana. (Oh 1:7) Tsy mankatò torohevitra izy fa mikiry manaraka izay heveriny fa “mety.” (Oh 12:15) Mora tezitra sy tia mifamaly aman’olona koa izy. (Mpto 7:9; Oh 20:3) Hoy izy anakampo: “Tsy misy izany Jehovah izany.” Mety tsy hiteny izany mivantana izy fa hita amin’ny ataony kosa izany.—Sl 14:1.
Nolazain’i Jesosy Kristy hoe “adala sy jamba” ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, izany hoe tsy manam-pahendrena sy tsy mendrika. Nanolana ny fahamarinana mantsy izy ireo, satria nanaraka fomban-drazana sy fampianaran’olombelona ary nalaza ho mpihatsaravelatsihy. Nanome porofo i Jesosy fa tsy tena misaina tsara tokoa izy ireo. (Mt 23:15-22; 15:3) Rariny àry raha niantso azy ireo hoe “adala sy jamba” izy. Mendrika ho any amin’ny Gehena kosa izay manao ny rahalahiny hoe: “Adala tsisy fotony”, satria mitsara sy manameloka azy izy.—Mt 5:22; Ro 14:10-12; Mt 7:1, 2.
Adala izay tsy miraharaha ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Tsy hahazo an’ilay tena fitahiana àry izy. Manasongadina izany ny fanoharan’i Jesosy nalainy avy tamin’ny fiainana andavanandro momba ilay lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambony fasika, sy ilay lehilahy mpanankarena, izay nanana tany namokatra be ka nikasa hanitatra fitehirizam-bokatra sy hifaly amin’ny fiainana. Mt 7:24-27; Lk 12:16-21; Mt 25:1-13.
Hadalana koa ny manadino hoe tokony ‘hiambina hatrany’ ny Kristianina. Manasongadina izany ny fanoharan’i Jesosy momba ny virjiny dimy adala, izay nivoaka hitsena an’ilay mpampakatra nefa tsy nitondra menaka ho an’ny jirony.—“Amin’Andriamanitra dia hadalana ny fahendren’ity tontolo ity.” Raha misy àry te hanana ny tena fahendrena, dia aoka izy ho adala eo imason’ity tontolo ity. Tsy ireo hendry eto amin’ity tontolo ity no nofidin’Andriamanitra hisolo tena azy, fa ireo olona nohamavoina satria noheverina ho tsy manam-pahalalana na adala. Hita amin’izany àry fa vao mainka miharihary ny hadalan’ity tontolo ity. Tsy tokony hirehareha koa ny olona iray satria hoe nofidin’Andriamanitra. I Jehovah mantsy no tokony homena ny voninahitra rehetra, satria izy no Loharanon’ny fahendrena.—1Ko 3:18, 19; 1:18-31.
Hoy ny Ohabolana 26:4: “Aza mamaly ny tsisy saina araka ny hadalany.” Ny dikan’izany dia hoe aza manahaka ny fomba tsy mendrika fanaon’ny adala rehefa misy adihevitra. Miombon-kevitra amin’ilay adala izay manao izany, ka lasa mitovy aminy ihany. Milaza koa anefa ny Ohabolana 26:5 hoe: “Valio araka ny hadalany” ny adala. Ahoana indray izany? Mila dinihina tsara ny heviny, dia aharihary aminy ny maha diso azy, ary aseho azy fa tsy arakaraka izay noeritreretiny ny ho vokatry ny heviny fa hafa mihitsy. Mety hahasoa izany.