Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Adama, I

Adama, I

(Adàma) [Olombelona; Olona; Zanak’olombelona; avy amin’ny fototeny midika hoe “mena”].

Hita in-560 mahery ao amin’ny Soratra Masina ilay teny hebreo nadika hoe “Adama” (anaran-tsamirery). Matetika anefa io teny hebreo io no ampiasaina hilazana ny isam-batan’olona na ny olona amin’ny ankapobeny, ka nadika hoe “olona”, “lehilahy”, “olombelona”, na “zanak’olombelona.”

1. Hoy Andriamanitra: “Andeha isika hanao olona araka ny endritsika.” (Ge 1:26) Manan-tantara tokoa io fanambarana io! Tsy manam-paharoa ny anjara toeran’i Adama teo amin’ny tantara, satria “zanak’Andriamanitra” izy ary izy no olombelona voalohany! (Lk 3:38) Izy no ambony indrindra tamin’ny zavaboary noforonin’i Jehovah teto an-tany. Efa tany amin’ny faramparan’ireo andro famoronana enina mantsy no namoronana azy. Natao “araka ny endrik’Andriamanitra” mihitsy aza izy. (Ge 1:27) Izany no nahatonga an’io lehilahy lavorary io hanana fahaizana ambony lavitra noho ny an’ny zavaboary hafa rehetra eto an-tany. Manana fahaizana ambony toy izany koa ny taranany mpanota, saingy kely dia kely raha oharina amin’ny azy.

Inona no dikan’ny hoe nataon’Andriamanitra nisy itovizana taminy i Adama?

Nisy itovizana tamin’ilay Mpamorona azy i Adama, satria nanana ny toetran’Andriamanitra, dia ny fitiavana, ny fahendrena, ny fitiavana ny rariny, ary ny hery. Nahay nanavaka ny mety sy ny tsy mety àry izy, ary nanana feon’ny fieritreretana. Zava-baovao tanteraka tsy nananan’ny zavaboary hafa teto an-tany izany. Natao araka ny endrik’Andriamanitra i Adama, ka izy no tokony hikarakara ny tany manontolo ary hanjaka amin’ny biby an-dranomasina sy an-tanety ary ny voro-manidina.

Tsy voatery ho fanahy toy ny anjely i Adama vao hanana ny toetran’Andriamanitra. Namorona azy avy tamin’ny vovoky ny tany i Jehovah, ary nanisy aina tao aminy ka lasa zavamananaina izy. Natao araka ny endrik’ilay Mpamorona azy i Adama ary natao nisy itovizana taminy, ka afaka naneho an’ireo toetran’Andriamanitra. “Ilay lehilahy voalohany dia avy amin’ny tany sady natao tamin’ny vovoka.” “Tonga zavamananaina i Adama voalohany.” (Ge 2:7; 1Ko 15:45, 47) Tamin’ny taona 4026 T.K. izany no nitranga. Azo inoana fa tany amin’ny faramparan’io taona io izany, satria ny ankamaroan’ny kalandrie fahiny dia nanomboka tamin’ny 1 Oktobra tany ho any, na tamin’ny tsinam-bolana voalohany tamin’ny taona sivily.​—Jereo TAONA.

Paradisa hafakely no nonenan’i Adama. Zaridaina tena kanto nantsoina hoe Edena izy io. (Jereo EDENA No. 1.) Nisy tao daholo ny zava-drehetra niantoka ny fiainany, satria efa tao “ny hazo rehetra mahafinaritra ny maso sady mahate hihinana”, izay ampy nivelomany mandrakizay. (Ge 2:9) Biby tsy nasiaka sy araka ny karazany avy no nanodidina azy. Irery anefa i Adama. Tsy nisy azony niresahana, satria tsy nisy zavaboary nitovy karazana taminy. Hitan’i Jehovah fa “tsy tsara raha irery foana ralehilahy.” Nanao fandidiana àry i Jehovah ka nalainy ny taolan-tehezan’i Adama, ary nanaovany vehivavy mba ho vadin’i Adama sy ho renin-janany. Sambany tamin’izay no nisy fandidiana toa an’io, ary tamin’izay ihany. Faly be i Adama nahazo mpanampy tsara tarehy sy namana hiara-dalana aminy mandrakizay, ka taitra ny aingam-panahiny ary nilaza toy izao izy tao amin’ilay tononkalo voalohany voarakitra an-tsoratra: “Ela ny ela ka ity eto ny taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko.” Nantsoina hoe vehivavy izy, “satria nalaina avy tamin’ny lehilahy.” Nantsoin’i Adama hoe Eva izy tatỳ aoriana. (Ge 2:18-23; 3:20) Hita tamin’izay nolazain’i Jesosy sy ny apostoly fa marina izany tantara izany.​—Mt 19:4-6; Mr 10:6-9; Ef 5:31; 1Ti 2:13.

Nomen’i Jehovah asa mahafinaritra be dia be koa ilay mpivady vao. (Ampit. Mpto 3:13; 5:18.) Tsy tiany hidonana-poana izy mivady. Tokony ho be atao sy hazoto hikarakara an’ilay zaridaina fonenany mantsy izy ireo. Tokony hanitatra an’ilay Paradisa hanerana ny tany izy ireo arakaraka ny hitomboan’ny taranany, ka ho feno olona an’arivony tapitrisa ny tany. Izany no nasain’Andriamanitra nataony.​—Ge 1:28.

“Nijery an’izay rehetra nataony Andriamanitra, ka hitany fa tena tsara izany.” (Ge 1:31) Lavorary tamin’ny lafiny rehetra i Adama, hatramin’ny voalohany. Afaka niteny izy ary nahay voambolana maro be. Vitany ny nanome anarana nisy dikany ho an’ireo zavamananaina nanodidina azy. Afaka nifampiresaka tamin’Andriamanitra sy ny vadiny koa izy.

Noho izany rehetra izany sy noho ny antony hafa, dia tokony ho tia sy hanompo ary hankatò tanteraka an’ilay Mpamorona azy i Adama. Lalàna tsotra rahateo no nasain’ilay Mpanome Lalàna hankatoaviny. Efa nampahafantariny tsara an’i Adama koa ny sazy ara-drariny miandry azy raha tsy mankatò izy. Hoy mantsy Andriamanitra: ‘Aza ihinananao ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.’ (Ge 2:16, 17; 3:2, 3) Mazava ilay lalàna, ary henjana ny sazy, nefa mbola tsy nankatò ihany i Adama.

Vokatry ny fahotana. Nofitahin’i Satana Devoly i Eva, ka voafitaka tanteraka. ‘Tsy voafitaka’ kosa i Adama, hoy ny apostoly Paoly. (1Ti 2:14) Nifidy an-tsitrapo ny tsy hankatò i Adama na dia fantany tsara aza ny ho vokany. Nanao fanahy iniana mihitsy izy. Lasa toy ny mpanao heloka bevava izy ka niafina. Tsy mba nalahelo na nanenina izy rehefa notsaraina, sady tsy nangata-pamelana. Nitady hanamarin-tena kosa izy ka nanilika ny fahadisoany, ary nanome tsiny an’i Jehovah mihitsy aza noho ny fahotana nataony an-tsitrapo. “Ilay vehivavy nomenao ahy”, hoy izy, “no nanome ahy ny voan’ilay hazo, ka nihinana aho.” (Ge 3:7-12) Voaroaka avy tao Edena àry i Adama, ka nanjary nonina teo amin’ny tany mbola tsy nasaina sy voaozona hamoa tsilo sy ahidratsy. Tsy maintsy tsemboka koa izy vao nihinana. Nijinja ny voka-dratsin’ny fahotany izy. Fahafatesana no niandry azy tany ivelan’ilay zaridaina. Niteraka lahy sy vavy izy tatỳ aoriana, ka ny telo tamin’ireo ihany no voalaza anarana, dia i Kaina sy Abela ary Seta. Namindra ota sy fahafatesana tamin’ny taranany rehetra i Adama, satria mpanota.​—Ge 3:23; 4:1, 2, 25.

Ratsy fiandohana, araka izany, ny taranak’olombelona noho ny nataon’i Adama. Nafoy daholo ny Paradisa sy ny fahasambarana ary ny fiainana mandrakizay, fa fahotana sy fijaliana ary fahafatesana kosa no vokatry ny tsy fankatoavana. “Avy tamin’ny olona iray” no nidiran’ny ota “ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” ‘Nanjaka hatramin’i Adama ny fahafatesana.’ (Ro 5:12, 14) Hendry sy be fitiavana anefa i Jehovah ka nanome an’ilay “lehilahy faharoa”, izany hoe “i Adama farany”, izay tsy iza fa i Jesosy Kristy Tompo. Noho io Zanaka nankatò io, dia afaka ny hahazo ny Paradisa sy ny fiainana mandrakizay indray ny taranak’ilay “Adama voalohany” tsy nankatò. Ho afaka hiaina any an-danitra mihitsy aza ireo rahalahin’i Kristy. “Fa tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama, no hamelomana ny rehetra koa ao amin’i Kristy.”​—Jn 3:16, 18; Ro 6:23; 1Ko 15:22, 45, 47.

Taorian’ny nandroahana an’i Adama mpanota avy tao Edena, dia mbola velona izy tamin’ny fotoana namonoana an-janany sy nandroahana an’ilay zanany mpamono olona, sy nanaovana tsinontsinona ny fanambadiana naorin’Andriamanitra, ary nanazimbazimbana ny anarana masin’i Jehovah. Hitany ny nanorenana ny tanàna voalohany, sy ny namoronana zavamaneno ary ny nanefena fitaovana vy sy varahina. Mbola nahita an’i Enoka “taranaka fahafito avy tamin’i Adama” koa izy, ary nahatsiaro ho meloka satria ohatra tsara i Enoka noho izy “niara-nandeha foana tamin’Andriamanitra.” Hitan’i Adama hatramin’ny taranaka fahasivy, izany hoe i Lameka rain’i Noa. Nihanangeja azy tsikelikely anefa ny fahafatesana, saika nandritra ny androm-piainany manontolo. Niverina tamin’ny tany nakana azy i Adama tamin’ny farany, araka ny efa nolazain’i Jehovah. Maty izy tamin’ny taona 3096 T.K. tamin’izy 930 taona.​—Ge 4:8-26; 5:5-24; Jd 14; jereo LAMEKA No. 2.

2. Tanàna resahin’ny Josoa 3:16 hoe teo anilan’i Zaretana. Maro no mihevitra azy io ho ilay toerana antsoina hoe Tell ed-Damiyeh (Tel Damiyaʼ), any atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, eo amin’ny 1 km eo ho eo any atsimon’ny toerana ihaonan’ny Reniranon’i Jordana sy ny lohasaha falehan-driakan’i Jaboka. Any amin’ny 28 km eo ho eo any avaratra avaratratsinanan’i Jeriko no misy azy io. Be tanimanga entin-driaka any amin’ilay faritra misy an’io tanàna io, ka mety ho avy amin’ny lokon’ilay tanimanga ny anaran’ilay tanàna.​—1Mp 7:46.

Lazain’ny Baiboly fa tao Adama no nanjary toy ny tohodrano ny ranon’i Jordana, rehefa niampita teo ny Israelita. Lasa kely ny Lohasahan’i Jordana manomboka eo Tell ed-Damiyeh (Tel Damiyaʼ) no mianavaratra. Porofoin’ny tantara fa teo amin’io toerana io mihitsy koa no tampina tanteraka ilay renirano tamin’ny taona 1267, satria nisy tany nihotsaka teo. Tsy nikoriana nandritra ny adiny 16 teo ho eo ilay renirano tamin’izay. Nihovotrovotra ny tany ka nihotsaka indray tamin’ny fahavaratry ny taona 1927. Nanjary toy ny tohodrano ny ranon’i Jordana tamin’izay, ka tsy nikoriana nandritra ny adiny 21 sy sasany. (Fototry ny Tantara ao Amin’ny Baiboly: Josoa, Mpitsara, nataon’i J. Garstang, Londres, 1931, p. 136, 137) Raha izany no fomba hitan’Andriamanitra hoe tsara mba hampiatoana an’ilay renirano tamin’ny andron’i Josoa, dia tsy maintsy ho nanao fahagagana izy mba hitrangan’izany tamin’ilay andro sy fotoana efa nolazain’i Jehovah tamin’i Josoa hoe hiampitan’ny Israelita an’i Jordana.​—Js 3:5-13.