Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Adara, I

Adara, I

(Adàra).

1. Zanakalahin’i Bela, taranak’i Benjamina.​—1Ta 8:1, 3.

2. Tanàna teo amin’ny ilany atsimo amin’ny sisin-tanin’i Joda, any akaikin’i Kadesi-barnea. (Js 15:3) Notantarain’i Josoa fa teo anelanelan’i Hezrona sy Karka izy io. Fitantarana mifanitsy amin’io ny Nomery 34:4, nefa toa natambany i Hezrona (midika hoe “Tokotany; Tanàna Kely”) sy Adara ka nahazoana ny hoe Hazara-adara. Milaza ny boky iray fa mety ho tao ʽAin el-Kodeirat izy io. Misy loharano tsy mety ritra ao manondraka lohasaha kely lonaka. (Arkeolojia Momba ny Baiboly, nataon’i G. Wright, 1962, p. 71) Tokotokony ho 8 km any avaratra avaratrandrefan’i ʽAin Kedeis (mety ho i Kadesi-barnea taloha) no misy azy io.