Adiela
(Adièla) [Haingo Andriamanitra].
1. Rain’i Azmaveta, ilay notendren’i Davida Mpanjaka hiandraikitra ny zava-tsarobidy tao an-tranony.—1Ta 27:25, 31.
2. Mpiadidy teo amin’ny fokon’i Simeona. Anisan’ireo nandroaka ny Hamita tao amin’ny faritra akaikin’i Gedora i Adiela, tamin’ny andron’i Hezekia mpanjakan’ny Joda, tamin’ny taonjato fahavalo T.K.—1Ta 4:36, 38-41.
3. Mpisorona taranak’i Arona, ary anisan’ny fianakaviamben’i Imera. I Jazera no rain’i Adiela, ary i Masay no zanany. Mpisorona nanompo tao Jerosalema i Masay, taorian’ny sesitany tany Babylona.—1Ta 9:12.