Adina
(Adìna).
1. [avy amin’ny fototeny midika hoe “mahita fahafinaretana”]. Zanakalahin’i Siza. Lehiben’ireo Robenita 30 lahy tao amin’ny tafik’i Davida izy.—1Ta 11:26, 42.
2. [Tia Fahafinaretana]. Anisan’ireo lohan’ny fianakaviambe teo amin’ny Israely. An-jatony maro ny taranany niverina avy tany an-tsesitany tany Babylona niaraka tamin’i Zerobabela. (Ezr 2:15; Ne 7:20) Mbola nisy 51 hafa koa ny taranany nody niaraka tamin’i Ezra tatỳ aoriana, tamin’ny 468 T.K. (Ezr 8:6) Anisan’ireo nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” tamin’ny andron’i Nehemia ny andriana nisolo tena ny fianakaviamben’i Adina.—Ne 9:38; 10:1, 16.