Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Adma

Adma

(Admà). [Tany].

Iray tamin’ireo tanàna dimin’ny Kananita, teo amin’ny “Lemaka Ivan’i Sidima.” (Ge 10:19; 14:1-3) Azo inoana fa teny akaikin’ny tendrony atsimon’ny Ranomasin-tsira no nisy an’io lemaka iva io.

Resin’ny mpanjaka efatra avy any Atsinanana i Adma (Sinaba no mpanjaka tao) sy ireo tanànan’i Sodoma, Gomora, Zeboima, ary Bela (Zoara) teny akaikiny. (Ge 14:8-11) Milaza ny Deoteronomia 29:23 fa niara-rava tamin’i Sodoma sy Gomora ary Zeboima i Adma, rehefa nandatsaka afo sy solifara teo amin’ilay faritra lemaka manontolo i Jehovah. (Ge 19:25) Nampahatsiahy an’io zava-nitranga tamin’i Adma sy Zeboima io ny Hosea 11:8.

Manam-pahaizana maro no mihevitra fa tototra ao anatin’ny Ranomasin-tsira ny toerana nisy an’i Adma sy ‘ireo tanàna’ hafa tao amin’ny “Faritr’i Jordana.” (Ge 13:12) Misy anefa nilaza tato ho ato, fa eo amoron’ireo lohasaha falehan-driaka atsinanana sy atsimoatsinanan’ny Ranomasina Maty ny sisa tavela amin’ireo tanàna ireo.