Adolama
(Adolàma).
Tanànan’i Joda tany amin’ny faritra iva lonaka na Sefela, teo anelanelan’i Betlehema sy Lakisy. (Js 15:35) Misy milaza azy io ho i Tell esh-Sheikh Madkor (Horvat ʽAdolama), tokotokony ho 26 km any andrefana atsimoandrefan’i Jerosalema. Toa mbola ahitana an’ilay anarany fahiny ao amin’ny hoe ʽId el-Ma (Miyeh), tanàna efa rava eo akaikin’io toerana io. Tsara toerana i Adolama satria ahatazanana ny Lohasaha Falehan-driaka es-Sour, sy ny lalana mampitohy an’io faritra any Sefela io amin’ny faritra afovoan-tanin’i Joda. Ny tena ahalalana an’i Adolama dia ilay “lava-bato ao Adolama”, izay niafenan’i Davida tamin’izy nandositra an’i Saoly Mpanjaka. Be lava-bato iny faritra iny, ary vatosokay daholo ireny lava-bato ireny.—2Sa 23:13.
Efa ela be no nisy ny tanànan’i Adolama. Ao amin’ny fitantarana momba an’i Hira “Adolamita” izy io no voaresaka voalohany ao amin’ny Baiboly. Io Hira io ilay lasa naman’i Joda talohan’ny hifindran’ny fianakavian’i Jakoba tany Ejipta. (Ge 38:1, 2, 12, 20) Tokotokony ho 300 taona tatỳ aoriana, tamin’ny fotoana nanafihan’i Josoa, dia iray tamin’ireo fanjakana madinika 31 noreseny i Adolama. (Js 11:1-15; 12:15) Nomena ny fokon’i Joda i Adolama sy ny tanàna hafa tany Sefela taorian’izay.—Js 15:33-35.
Niakatra nankany Adolama tany amin’ny lava-bato iray i Davida, rehefa nandositra an’i Akisy mpanjaka filistinina tao Gata. Nisy 400 lahy nanampy azy tany tatỳ aoriana. Mbola nandositra an’i Saoly Mpanjaka izy tamin’izay. (1Sa 22:1-5) Tokotokony ho 19 km any andrefana atsimoandrefan’i Betlehema no misy an’i Adolama, ary mety ho tamin’i Davida niandry ondry no nahitany azy io. Toerana sarotra aleha izy io, ka mety ho izay no nahatonga azy io ho fiarovana tsara ho an’i Davida. Tatỳ aoriana, rehefa nanjaka i Davida dia tao no fitobiany rehefa hiady tamin’ny Filistinina. Avy tao ireo telo lahy mpiadin’i Davida no niainga mba haka rano tao amin’ilay lavaka fanangonan-drano tany Betlehema. Tsy nety nisotro anefa i Davida, satria nanao vivery ny ainy ireo lehilahy ireo mba hahazoana ilay rano ka toy ny hoe ran’izy ireo izy io.—1Ta 11:15-19; 12:16; 2Sa 5:17, 18.
Anisan’ireo tanàna 15 voaro mafy nohamafisin’i Rehoboama mpanjakan’ny Joda i Adolama. (2Ta 11:5-12) Natao hiarovana ny tany andrefana sy ny tany atsimo ireo tanàna ireo, nefa resin’ny tafik’i Sankeriba tamin’ny andro nanjakan’i Hezekia (732 T.K.). (2Mp 18:13) Anisan’ny tanàna nonenana indray i Adolama, tamin’ny andron’i Nehemia, rehefa nody an-tanindrazana ireo Jiosy natao sesitany tany Babylona.—Ne 11:30.